T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 15

1 [Ny niodinan'i Absaloma, sy ny nandosiran'i Davida] Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany.

2 Ary Absaloma nifoha maraina koa, dia nijanona teo anilan'ny lalana mankeo am-bavahady, ka raha nisy olona nanana ady ho entiny any amin'ny mpanjaka hotsaraina, dia nantsoin'i Absaloma ka nanontaniany hoe: Avy any amin'ny tanàna aninona ianao? Ary hoy izy: Avy any Anonana amin'ny firenen'Isiraely ny mpanomponao.

3 Dia hoy Absaloma taminy: Eny, tsara sy marina ny raharahanao, saingy tsy misy olona voatendrin'ny mpanjaka hihaino anao.

4 Ary hoy koa Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin'ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!

5 Ary isaky ny nisy olona nanatona hiankohoka teo anoloany, dia narosony ny tànany ka noraisiny sy norohany izany olona izany.

6 Ary toy izany no nataon'i Absaloma tamin'ny Isiraely rehetra izay nankao amin'ny mpanjaka hotsaraina; ka dia voafetsin'i Absaloma ho azy ny fon'ny lehilahy amin'ny Isiraely.

7 Ary nony afaka efa-polo taona*, dia hoy Absaloma tamin'ny mpanjaka: Trarantitra ianao, aoka aho hankany Hebrona hanefa ny voadiko izay nivoadiako tamin'i Jehovah. [Na: (efa-taona)]

8 Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin'i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an'i Jehovah.

9 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mandehana soa aman-tsara ary. Dia niainga izy ka nankany Hebrona.

10 Ary Absaloma naniraka mpitety nankeny amin'ny firenen'Isiraely rehetra hanao hoe: Raha vao mandre ny feon'ny anjomara ianareo, dia miantsoa hoe: Absaloma no mpanjaka ao Hebrona.

11 Ary nisy roan-jato lahy izay nasain'i Absaloma, ka dia nanaraka azy avy tany Jerosalema, nefa nandeha tamin'ny fahatsoran'ny fony izy ireo, fa tsy nahafantatra na inona na inona.

12 Ary Absaloma naniraka naka an'i Ahitofela Gilonita, mpanolo-tsaina an'i Davida, avy tao an-tanànany, dia tao Gilo, raha mbola nanatitra ny fanatitra izy. Ary nihamasaka ny tetika fikomiana, ka dia nihamaro mandrakariva ny olona nomba an'i Absaloma.

13 Ary nisy olona tonga tao amin'i Davida ka nilaza hoe: Lasa nanaraka an'i Absaloma fon'ny lehilahy amin'ny Isiraely.

14 Ary hoy Davida tamin'ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin'i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin'ny lelan-tsabatra ny tanàna.

15 Ary hoy ny mpanompon'ny mpanjaka taminy: Indreto ny mpanomponao hanao araka izay rehetra sitraky ny mpanjaka tompoko.

16 Dia nivoaka ny mpanjaka ka narahin'ny ankohonany rehetra. Ary ny mpanjaka namela folo vavy tamin'ny vaditsindranony hiandry trano.

17 Ary nivoaka ny mpanjaka, ka dia nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitoetra teo Faratanàna izy.

18 Ary ny mpanompony rehetra nandeha teny anilany, ka ny miaramila mpiambina andriana* rehetra sy ny Gatita rehetra, dia enin-jato lahy izay nanaraka azy avy tany Gata, nandeha teo alohan'ny mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita]

19 Ary hoy ny mpanjaka tamin'Itahy Gatita: Nahoana no ianao avy no mba miaraka aminay? Miverena, ka mitoera any amin'ny mpanjaka; fa hafa firenena sady mpivahiny ianao; modia ho any amin'ny fonenanao.

20 Fa vao omaly no nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa mandeha ho any amin'izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny fahamarinana.

21 Fa Itahy namaly ny mpanjaka hoe: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny mpanjaka tompoko, izay hitoeran'ny mpanjaka tompoko, na ho faty na ho velona, dia any koa no hitoeran'ny mpanomponao.

22 Ary hoy Davida tamin'Itahy: Andeha mandroso ary. Dia nandroso Itahy Gatita sy ny olony rehetra mbamin'ny zaza amim-behivavy rehetra izay teo.

23 Ary ny olona rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin'ny lalana mankany an-efitra.

24 Ary indro koa Zadoka sy ny Levita rehetra nanaraka azy nitondra ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra. Ary nametraka ny fiaran'Andriamanitra izy ary Abiatara niakatra mandra-pahatapitry ny olona rehetra avy tao an-tanàna.

25 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran'Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason'i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.

26 Fa raha izao kosa no lazainy: Tsy sitrako ianao, dia inty aho, aoka Izy hanao amiko araka izay ataony ho tsara.

27 Ary hoy koa ny mpanjaka tamin'i Zadoka mpisorona: Tsy mpahita va ianao? miverena soa aman-tsara any an-tanàna ianao mbamin'ny zanakareo roa lahy miaraka aminareo, dia Ahimaza zanakao sy Jonatana, zanak'i Abiatara.

28 Indro, izaho hijanonjanona eny amin'ny fitàna* any amin'ny efitra mandra-pahatongan'izay teny avy atỳ aminareo hambara amiko.[Na: tani-hay]

29 Ary Zadoka sy Abiatara nitondra ny fiaran'Andriamanitra niverina nankany Jerosalema ihany; dia nitoetra tany izy.

30 Ary Davida niakatra teny an-tendrombohitra Oliva ka nitomany teny am-piakarana ary nisaron-doha sady nandeha tsy nikiraro; ary ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy samy nisaron-doha sy niakatra ary nitomany teny am-piakarana avokoa.

31 Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan'ny mpiray tetika amin'i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon'i Ahitofela.

32 Ary nony tonga teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, dia teo amin'izay fivavahan'ny olona tamin'Andriamanitra, indro, avy hitsena azy Hosay Arkita, voatriatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany;

33 ary hoy Davida taminy: Raha miara-mandroso amiko ianao, dia ho tonga enta-mavesatra amiko;

34 fa raha hiverina any an-tanàna kosa ianao ka hanao amin'i Absaloma hoe: Ho mpanomponao aho, ry mpanjaka; efa mpanompon'ny rainao ihany aho taloha, fa ankehitriny kosa dia mpanomponao, aho dia hofoananao hahasoa ahy ny hevitra ataon'i Ahitofela.

35 Ary tsy ao aminao va Zadoka sy Abiatara mpisorona? Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon'ny mpanjaka, dia ambarao amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona.

36 Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak'i Zadoka, sy Jonatana, zanak'i Abiatara; ary izy no hampitondrainareo izay rehetra renareo ho atỳ amiko.

37 Koa dia tonga tany an-tanàna Hosay, sakaizan'i Davida, tamin'ny nahatongavan'i Absaloma tany Jerosalema.

Chapitre 15

15:1 It happened after this, that Absalom prepared him a chariot and horses, and fifty men to run before him. 15:2 Absalom rose up early, and stood beside the way of the gate. It was so, that when any man had a suit which should come to the king for judgment, then Absalom called to him, and said, “What city are you from?”

He said, “Your servant is of one of the tribes of Israel.”

15:3 Absalom said to him, “Behold, your matters are good and right; but there is no man deputized by the king to hear you.” 15:4 Absalom said moreover, “Oh that I were made judge in the land, that every man who has any suit or cause might come to me, and I would do him justice!” 15:5 It was so, that when any man came near to do him obeisance, he put forth his hand, and took hold of him, and kissed him. 15:6 Absalom did this sort of thing to all Israel who came to the king for judgment. So Absalom stole the hearts of the men of Israel. 15:7 It happened at the end of forty years, that Absalom said to the king, “Please let me go and pay my vow, which I have vowed to Yahweh, in Hebron. 15:8 For your servant vowed a vow while I stayed at Geshur in Syria, saying, ‘If Yahweh shall indeed bring me again to Jerusalem, then I will serve Yahweh.’”

15:9 The king said to him, “Go in peace.”

So he arose, and went to Hebron. 15:10 But Absalom sent spies throughout all the tribes of Israel, saying, “As soon as you hear the sound of the trumpet, then you shall say, ‘Absalom is king in Hebron!’” 15:11 Two hundred men went with Absalom out of Jerusalem, who were invited, and went in their simplicity; and they didn’t know anything. 15:12 Absalom sent for Ahithophel the Gilonite, David’s counselor, from his city, even from Giloh, while he was offering the sacrifices. The conspiracy was strong; for the people increased continually with Absalom. 15:13 A messenger came to David, saying, “The hearts of the men of Israel are after Absalom.”

15:14 David said to all his servants who were with him at Jerusalem, “Arise, and let us flee; for else none of us shall escape from Absalom. Make speed to depart, lest he overtake us quickly, and bring down evil on us, and strike the city with the edge of the sword.”

15:15 The king’s servants said to the king, “Behold, your servants are ready to do whatever my lord the king chooses.”

15:16 The king went forth, and all his household after him. The king left ten women, who were concubines, to keep the house. 15:17 The king went forth, and all the people after him; and they stayed in Beth Merhak. 15:18 All his servants passed on beside him; and all the Cherethites, and all the Pelethites, and all the Gittites, six hundred men who came after him from Gath, passed on before the king. 15:19 Then the king said to Ittai the Gittite, “Why do you also go with us? Return, and stay with the king; for you are a foreigner, and also an exile. Return to your own place. 15:20 Whereas you came but yesterday, should I this day make you go up and down with us, since I go where I may? Return, and take back your brothers. Mercy and truth be with you.”

15:21 Ittai answered the king, and said, “As Yahweh lives, and as my lord the king lives, surely in what place my lord the king shall is, whether for death or for life, even there also will your servant be.”

15:22 David said to Ittai, “Go and pass over.” Ittai the Gittite passed over, and all his men, and all the little ones who were with him. 15:23 All the country wept with a loud voice, and all the people passed over: the king also himself passed over the brook Kidron, and all the people passed over, toward the way of the wilderness. 15:24 Behold, Zadok also came, and all the Levites with him, bearing the ark of the covenant of God; and they set down the ark of God; and Abiathar went up, until all the people finished passing out of the city. 15:25 The king said to Zadok, “Carry back the ark of God into the city. If I find favor in the eyes of Yahweh, he will bring me again, and show me both it, and his habitation; 15:26 but if he say thus, ‘I have no delight in you;’ behold, here am I. Let him do to me as seems good to him.” 15:27 The king said also to Zadok the priest, “Aren’t you a seer? Return into the city in peace, and your two sons with you, Ahimaaz your son, and Jonathan the son of Abiathar. 15:28 Behold, I will stay at the fords of the wilderness, until word comes from you to inform me.” 15:29 Zadok therefore and Abiathar carried the ark of God again to Jerusalem; and they stayed there. 15:30 David went up by the ascent of the Mount of Olives, and wept as he went up; and he had his head covered, and went barefoot: and all the people who were with him covered every man his head, and they went up, weeping as they went up. 15:31 Someone told David, saying, “Ahithophel is among the conspirators with Absalom.”

David said, “Yahweh, please turn the counsel of Ahithophel into foolishness.”

15:32 It happened that when David had come to the top, where God was worshiped, behold, Hushai the Archite came to meet him with his coat torn, and earth on his head. 15:33 David said to him, “If you pass on with me, then you will be a burden to me; 15:34 but if you return to the city, and tell Absalom, ‘I will be your servant, O king. As I have been your father’s servant in time past, so will I now be your servant; then will you defeat for me the counsel of Ahithophel.’ 15:35 Don’t you have Zadok and Abiathar the priests there with you? Therefore it shall be, that whatever thing you shall hear out of the king’s house, you shall tell it to Zadok and Abiathar the priests. 15:36 Behold, they have there with them their two sons, Ahimaaz, Zadok’s son, and Jonathan, Abiathar’s son; and by them you shall send to me everything that you shall hear.”

15:37 So Hushai, David’s friend, came into the city; and Absalom came into Jerusalem.

 

Chapitre 15
1 Après cela, Absalom se procura un char et des chevaux, et cinquante hommes qui couraient devant lui. 2 Il se levait de bon matin, et se tenait au bord du chemin de la porte. Et chaque fois qu'un homme ayant une contestation se rendait vers le roi pour obtenir un jugement, Absalom l'appelait, et disait: De quelle ville es-tu? Lorsqu'il avait répondu: Je suis d'une telle tribu d'Israël, 3 Absalom lui disait: Vois, ta cause est bonne et juste; mais personne de chez le roi ne t'écoutera. 4 Absalom disait: Qui m'établira juge dans le pays? Tout homme qui aurait une contestation et un procès viendrait à moi, et je lui ferais justice. 5 Et quand quelqu'un s'approchait pour se prosterner devant lui, il lui tendait la main, le saisissait et l'embrassait. 6 Absalom agissait ainsi à l'égard de tous ceux d'Israël, qui se rendaient vers le roi pour demander justice. Et Absalom gagnait le coeur des gens d'Israël. 7 Au bout de quarante ans, Absalom dit au roi: Permets que j'aille à Hébron, pour accomplir le voeu que j'ai fait à l'Éternel. 8 Car ton serviteur a fait un voeu, pendant que je demeurais à Gueschur en Syrie; j'ai dit: Si l'Éternel me ramène à Jérusalem, je servirai l'Éternel. 9 Le roi lui dit: Va en paix. Et Absalom se leva et partit pour Hébron. 10 Absalom envoya des espions dans toutes les tribus d'Israël, pour dire: Quand vous entendrez le son de la trompette, vous direz: Absalom règne à Hébron. 11 Deux cents hommes de Jérusalem, qui avaient été invités, accompagnèrent Absalom; et ils le firent en toute simplicité, sans rien savoir. 12 Pendant qu'Absalom offrait les sacrifices, il envoya chercher à la ville de Guilo Achitophel, le Guilonite, conseiller de David. La conjuration devint puissante, et le peuple était de plus en plus nombreux auprès d'Absalom. 13 Quelqu'un vint informer David, et lui dit: Le coeur des hommes d'Israël s'est tourné vers Absalom. 14 Et David dit à tous ses serviteurs qui étaient avec lui à Jérusalem: Levez-vous, fuyons, car il n'y aura point de salut pour nous devant Absalom. Hâtez-vous de partir; sinon, il ne tarderait pas à nous atteindre, et il nous précipiterait dans le malheur et frapperait la ville du tranchant de l'épée. 15 Les serviteurs du roi lui dirent: Tes serviteurs feront tout ce que voudra mon seigneur le roi. 16 Le roi sortit, et toute sa maison le suivait, et il laissa dix concubines pour garder la maison. 17 Le roi sortit, et tout le peuple le suivait, et ils s'arrêtèrent à la dernière maison. 18 Tous ses serviteurs, tous les Kéréthiens et tous les Péléthiens, passèrent à ses côtés; et tous les Gathiens, au nombre de six cents hommes, venus de Gath à sa suite, passèrent devant le roi. 19 Le roi dit à Ittaï de Gath: Pourquoi viendrais-tu aussi avec nous? Retourne, et reste avec le roi, car tu es étranger, et même tu as été emmené de ton pays. 20 Tu es arrivé d'hier, et aujourd'hui je te ferais errer avec nous çà et là, quand je ne sais moi-même où je vais! Retourne, et emmène tes frères avec toi. Que l'Éternel use envers toi de bonté et de fidélité! 21 Ittaï répondit au roi, et dit: L'Éternel est vivant et mon seigneur le roi est vivant! au lieu où sera mon seigneur le roi, soit pour mourir, soit pour vivre, là aussi sera ton serviteur. 22 David dit alors à Ittaï: Va, passe! Et Ittaï de Gath passa, avec tous ses gens et tous les enfants qui étaient avec lui. 23 Toute la contrée était en larmes et l'on poussait de grands cris, au passage de tout le peuple. Le roi passa le torrent de Cédron, et tout le peuple passa vis-à-vis du chemin qui mène au désert. 24 Tsadok était aussi là, et avec lui tous les Lévites portant l'arche de l'alliance de Dieu; et ils posèrent l'arche de Dieu, et Abiathar montait, pendant que tout le peuple achevait de sortir de la ville. 25 Le roi dit à Tsadok: Reporte l'arche de Dieu dans la ville. Si je trouve grâce aux yeux de l'Éternel, il me ramènera, et il me fera voir l'arche et sa demeure. 26 Mais s'il dit: Je ne prends point plaisir en toi! me voici, qu'il me fasse ce qui lui semblera bon. 27 Le roi dit encore au sacrificateur Tsadok: Comprends-tu? retourne en paix dans la ville, avec Achimaats, ton fils, et avec Jonathan, fils d'Abiathar, vos deux fils. 28 Voyez, j'attendrai dans les plaines du désert, jusqu'à ce qu'il m'arrive des nouvelles de votre part. 29 Ainsi Tsadok et Abiathar reportèrent l'arche de Dieu à Jérusalem, et ils y restèrent. 30 David monta la colline des oliviers. Il montait en pleurant et la tête couverte, et il marchait nu-pieds; et tous ceux qui étaient avec lui se couvrirent aussi la tête, et ils montaient en pleurant. 31 On vint dire à David: Achitophel est avec Absalom parmi les conjurés. Et David dit: O Éternel, réduis à néant les conseils d'Achitophel! 32 Lorsque David fut arrivé au sommet, où il se prosterna devant Dieu, voici, Huschaï, l'Arkien, vint au-devant de lui, la tunique déchirée et la tête couverte de terre. 33 David lui dit: Si tu viens avec moi, tu me seras à charge. 34 Et, au contraire, tu anéantiras en ma faveur les conseils d'Achitophel, si tu retournes à la ville, et que tu dises à Absalom: O roi, je serai ton serviteur; je fus autrefois le serviteur de ton père, mais je suis maintenant ton serviteur. 35 Les sacrificateurs Tsadok et Abiathar ne seront-ils pas là avec toi? Tout ce que tu apprendras de la maison du roi, tu le diras aux sacrificateurs Tsadok et Abiathar. 36 Et comme ils ont là auprès d'eux leurs deux fils, Achimaats, fils de Tsadok, et Jonathan, fils d'Abiathar, c'est par eux que vous me ferez savoir tout ce que vous aurez appris. 37 Huschaï, ami de David, retourna donc à la ville. Et Absalom entra dans Jérusalem.