| Chapitre 14 1 [Ny nodian'i Absaloma, sy ny nampihavanana ny rainy taminy] Ary Joaba, zanak'i Zeroia, nahalala fa ny fon'ny mpanjaka nalahelo an*'i Absaloma ihany.[Na: mbola tezitra tamin'] 2 Koa naniraka tany Tekoa nampaka vehivavy hendry tany Joaba ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, modia misaona, ka miakanjoa akanjo fisaonana, ary aza mihoso-diloilo ianao, fa manaova tahaka ny vehivavy efa nisaona ela ny maty; 3 dia mankanesa ao amin'ny mpanjaka, ka lazao aminy araka izao. Dia nomen'i Joaba teny izy. 4 Ary nony niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy avy any Tekoa, dia niankohoka tamin'ny tany izy ary nitsaoka ka nanao hoe: Vonjeo, ary mpanjaka ô. 5 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Inona no nanjo anao? Dia hoy izy: Vehivavy mpitondra tena tokoa aho, fa maty vady. 6 Ary izaho mpanompovavinao nanan-janaka roa lahy, ary nifanditra tany an-tsaha izy mirahalahy, ka tsy nisy nampisaraka azy, ary ny anankiray namely ny rahalahiny ka nahafaty azy. 7 Ary, indreo, ny mpianakavy rehetra nanangana ady tamiko mpanompovavinao ka nanao hoe: Atolory ilay namely ny rahalahiny, fa hataonay maty izy noho ny ain'ny rahalahiny izay novonoiny ka dia hovonoinay koa ny mpandova; ka hovonoiny koa ny vainafoko sisa, ka tsy hamelany anarana na zanaka ho an'ny vadiko etỳ ambonin'ny tany. 8 Ary hoy ny mpanjaka tamin-dravehivavy: Modia ianao; fa izaho no handidy ny amin'izany. 9 Ary hoy ravehivavy avy any Tekoa tamin'ny mpanjaka: Ry mpanjaka tompoko ô, aoka ho amiko ny heloka sy ho amin'ny ankohonan'ny raiko; fa ny mpanjaka sy ny seza fiandrianany dia aoka tsy hanan-tsiny. 10 Dia hoy ny mpanjaka: Na zovy na zovy manisy teny anao, ento etỳ amiko, dia tsy haninona anao intsony izy. 11 Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, ry mpanjaka ô, aoka ianao hahatsiaro an'i Jehovah Andriamanitrao, ary aoka ny mpamaly ratsy hamono intsony, fandrao mamono ny zanako izy. Dia hoy ny mpanjaka: Raha velona koa Jehovah, tsy hisy ho latsaka amin'ny tany na dia singam-bolo iray akory aza amin'ny zanakao. 12 Ary hoy ravehivavy: Trarantitra ianao, aoka kely ny mpanompovavinao hanao teny indraim-bava monja amin'ny mpanjaka tompoko. Ary hoy izy: Lazao ary. 13 Dia hoy ravehivavy: Nahoana ianao no nihevitra toy izany hamely ny olon'Andriamanitra? Fa amin'ny, itenenan'ny mpanjaka izany zavatra izany, dia toa mahavoa ny tenany ihany izy noho ny tsi-fampodian'ny mpanjaka ilay noroahiny. 14 Fa tsy maintsy maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin'ny tany, izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain'olona, fa mihevitra izay tsy hanariany ilay noroahiny. 15 Fa izaho no tonga hilaza izany zavatra izany amin'ny mpanjaka tompoko, ny olona no nampitahotra ahy: ary hoy izaho mpanompovavinao: mba holazaiko amin'ny mpanjaka izany; fa angamba ny mpanjaka hanao izay angatahin'ny mpanompovaviny. 16 Eny, ny mpanjaka hihaino ka hamonjy ny mpanompovaviny ho afaka amin'ny tanan'ny lehilahy izay ta-hamongotra ahy mbamin'ny zanako hiala amin'ny lova nomen'Andriamanitra. 17 Dia hoy ny mpanompovavinao: Hahazoako fiononana anie ny tenin'ny mpanjaka tompoko; fa ta-haka Ilay Anjelin'Andriamanitra ny mpanjaka tompoko ka mandinika izay soa sy ratsy; koa Jehovah Andriamanitrao anie ho aminao. 18 Ary ny mpanjaka namaly an-dravehivavy hoe: Aza dia afenina ahy izay zavatra hanontaniako anao. Dia hoy ravehivavy: Aoka hiteny ny mpanjaka tompoko. 19 Ary hoy ny mpanjaka: Moa saina nomen'i Joaba va izany rehetra lazainao izany*? Dia hoy ny navalin-dravehivavy: Raha velona koa ny ainao, ry mpanjaka tompoko, tsy misy mivily izay rehetra nolazain'ny mpanjaka tompoko na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia; fa Joaba mpanomponao tokoa no nandidy ahy sy nanome izany teny rehetra izany ny mpanompovavinao.[Heb. Moa ny tànan'i Joaba va no aminao amin'izany rehetra izany?] 20 Ny hampiova tarehy ny raharaha no nanaovan'i Joaba mpanomponao izany zavatra izany; fa hendry tahaka Ilay Anjelin'Andriamanitra tompoko ka mahalala ny zavatra rehetra etỳ ambonin'ny tany. 21 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Joaba: Indro fa efa nekeko izany zavatra izany: koa andeha, alao hody Absaloma zatovo. 22 Dia niankohoka tamin'ny tany Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy Joaba: Anio no ahafantaran'ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin'ny nanaovan'ny mpanjaka araka ny nangatahin'ny mpanompony. 23 Dia niainga Joaba nankany Gesora, ka nentiny nankany Jerosalema Absaloma. 24 Ary hoy ny mpanjaka: Aoka hody any an-tranony izy, fa aza avela hahita ny tavako. Ary Absaloma nankany an-tranony, ka dia tsy nahita ny tavan'ny mpanjaka. 25 Ary tsy nisy lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an'i Absaloma teo amin'ny Isiraely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy. 26 Ary raha nanaratra ny lohany izy (fa isaky ny fitsingerenan'ny taona no nanaratany azy; fa nanavesatra azy ka noharatany), dia nolanjainy ny volon-dohany, ka sekely roan-jato no lanjany, araka ny fandanjan'ny mpanjaka. 27 Ary Absaloma niteraka zanaka telo mirahalahy sy vavy iray, atao hoe Tamara, ary vehivavy tsara tarehy izy. 28 Ary Absaloma nitoetra roa taona ngarangidina tany Jerosalema, nefa tsy mbola nahita ny tavan'ny mpanjaka ihany izy. 29 Ary Absaloma dia naniraka tany amin'i Joaba, mba hanirahany azy ho any amin'ny mpanjaka, fa tsy nety nankany aminy izy; ary mbola naniraka fanindroany indray Absaloma, fa mbola tsy nety nankany ihany Joaba. 30 Koa dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Indro, ny tanimbarin'i Joaba mifanolotra amin'ny ahy, ary manana vary hordea ao izy; andeha, dory amin'ny afo izany. Ary ny mpanompon'i Absaloma dia nandoro ny tanimbary. 31 Ary Joaba niainga nankany amin'i Absaloma tao an-tranony ka nanao taminy hoe: Nahoana ny mpanomponao no nandoro ny tanimbariko tamin'ny afo? 32 Fa hoy Absaloma tamin'i Joaba: Indro, naniraka tany aminao aho ka nanao hoe: Mankanesa atỳ hirahiko ho any amin'ny mpanjaka hanao hoe: Nahoana no niala tany Gesora aho? Tsara amiko raha nitoetra tany ihany mandraka ankehitriny. Koa ankehitriny, aoka re mba hahita ny tavan'ny mpanjaka aho, ka raha manan-keloka aho, dia aoka hovonoiny. 33 Ary Joaba nankany amin'ny mpanjaka ka nanambara izany taminy: ary dia nampanalain'ny mpanjaka Absaloma, dia nankao aminy izy ka niondrika tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka; ary dia nanoroka an'i Absaloma ny mpanjaka. | | Chapitre 14 14:1 Now Joab the son of Zeruiah perceived that the king’s heart was toward Absalom. 14:2 Joab sent to Tekoa, and fetched there a wise woman, and said to her, “Please act like a mourner, and put on mourning clothing, please, and don’t anoint yourself with oil, but be as a woman who has mourned a long time for the dead. 14:3 Go in to the king, and speak like this to him.” So Joab put the words in her mouth. 14:4 When the woman of Tekoa spoke to the king, she fell on her face to the ground, showed respect, and said, “Help, O king!” 14:5 The king said to her, “What ails you?” She answered, “Truly I am a widow, and my husband is dead. 14:6 Your handmaid had two sons, and they both fought together in the field, and there was no one to part them, but the one struck the other, and killed him. 14:7 Behold, the whole family has risen against your handmaid, and they say, ‘Deliver him who struck his brother, that we may kill him for the life of his brother whom he killed, and so destroy the heir also.’ Thus they would quench my coal which is left, and would leave to my husband neither name nor remainder on the surface of the earth.” 14:8 The king said to the woman, “Go to your house, and I will give a command concerning you.” 14:9 The woman of Tekoa said to the king, “My lord, O king, the iniquity be on me, and on my father’s house; and the king and his throne be guiltless.” 14:10 The king said, “Whoever says anything to you, bring him to me, and he shall not touch you any more.” 14:11 Then she said, “Please let the king remember Yahweh your God, that the avenger of blood destroy not any more, lest they destroy my son.” He said, “As Yahweh lives, not one hair of your son shall fall to the earth.” 14:12 Then the woman said, “Please let your handmaid speak a word to my lord the king.” He said, “Say on.” 14:13 The woman said, “Why then have you devised such a thing against the people of God? For in speaking this word the king is as one who is guilty, in that the king does not bring home again his banished one. 14:14 For we must die, and are as water split on the ground, which can’t be gathered up again; neither does God take away life, but devises means, that he who is banished not be an outcast from him. 14:15 Now therefore seeing that I have come to speak this word to my lord the king, it is because the people have made me afraid: and your handmaid said, ‘I will now speak to the king; it may be that the king will perform the request of his servant.’ 14:16 For the king will hear, to deliver his servant out of the hand of the man who would destroy me and my son together out of the inheritance of God. 14:17 Then your handmaid said, ‘Please let the word of my lord the king bring rest; for as an angel of God, so is my lord the king to discern good and bad. May Yahweh, your God, be with you.’” 14:18 Then the king answered the woman, “Please don’t hide anything from me that I ask you.” The woman said, “Let my lord the king now speak.” 14:19 The king said, “Is the hand of Joab with you in all this?” The woman answered, “As your soul lives, my lord the king, no one can turn to the right hand or to the left from anything that my lord the king has spoken; for your servant Joab, he urged me, and he put all these words in the mouth of your handmaid; 14:20 to change the face of the matter has your servant Joab done this thing. My lord is wise, according to the wisdom of an angel of God, to know all things that are in the earth.” 14:21 The king said to Joab, “Behold now, I have done this thing. Go therefore, bring the young man Absalom back.” 14:22 Joab fell to the ground on his face, showed respect, and blessed the king. Joab said, “Today your servant knows that I have found favor in your sight, my lord, king, in that the king has performed the request of his servant.” 14:23 So Joab arose and went to Geshur, and brought Absalom to Jerusalem. 14:24 The king said, “Let him return to his own house, but let him not see my face.” So Absalom returned to his own house, and didn’t see the king’s face. 14:25 Now in all Israel there was none to be so much praised as Absalom for his beauty: from the sole of his foot even to the crown of his head there was no blemish in him. 14:26 When he cut the hair of his head (now it was at every year’s end that he cut it; because it was heavy on him, therefore he cut it); he weighed the hair of his head at two hundred shekels, after the king’s weight. 14:27 To Absalom there were born three sons, and one daughter, whose name was Tamar: she was a woman of a beautiful face. 14:28 Absalom lived two full years in Jerusalem; and he didn’t see the king’s face. 14:29 Then Absalom sent for Joab, to send him to the king; but he would not come to him: and he sent again a second time, but he would not come. 14:30 Therefore he said to his servants, “Behold, Joab’s field is near mine, and he has barley there. Go and set it on fire.” Absalom’s servants set the field on fire. 14:31 Then Joab arose, and came to Absalom to his house, and said to him, “Why have your servants set my field on fire?” 14:32 Absalom answered Joab, “Behold, I sent to you, saying, ‘Come here, that I may send you to the king, to say, “Why have I come from Geshur? It would be better for me to be there still. Now therefore let me see the king’s face; and if there is iniquity in me, let him kill me.”’” 14:33 So Joab came to the king, and told him; and when he had called for Absalom, he came to the king, and bowed himself on his face to the ground before the king: and the king kissed Absalom.
| | Chapitre 14 1 Joab, fils de Tseruja, s'aperçut que le coeur du roi était porté pour Absalom. 2 Il envoya chercher à Tekoa une femme habile, et il lui dit: Montre-toi désolée, et revêts des habits de deuil; ne t'oins pas d'huile, et sois comme une femme qui depuis longtemps pleure un mort. 3 Tu iras ainsi vers le roi, et tu lui parleras de cette manière. Et Joab lui mit dans la bouche ce qu'elle devait dire. 4 La femme de Tekoa alla parler au roi. Elle tomba la face contre terre et se prosterna, et elle dit: O roi, sauve-moi! 5 Le roi lui dit: Qu'as-tu? Elle répondit: Oui, je suis veuve, mon mari est mort! 6 Ta servante avait deux fils; ils se sont tous deux querellés dans les champs, et il n'y avait personne pour les séparer; l'un a frappé l'autre, et l'a tué. 7 Et voici, toute la famille s'est levée contre ta servante, en disant: Livre le meurtrier de son frère! Nous voulons le faire mourir, pour la vie de son frère qu'il a tué; nous voulons détruire même l'héritier! Ils éteindraient ainsi le tison qui me reste, pour ne laisser à mon mari ni nom ni survivant sur la face de la terre. 8 Le roi dit à la femme: Va dans ta maison. Je donnerai des ordres à ton sujet. 9 La femme de Tekoa dit au roi: C'est sur moi, ô roi mon seigneur, et sur la maison de mon père, que le châtiment va tomber; le roi et son trône n'auront pas à en souffrir. 10 Le roi dit: Si quelqu'un parle contre toi, amène-le-moi, et il ne lui arrivera plus de te toucher. 11 Elle dit: Que le roi se souvienne de l'Éternel, ton Dieu, afin que le vengeur du sang n'augmente pas la ruine, et qu'on ne détruise pas mon fils! Et il dit: L'Éternel est vivant! il ne tombera pas à terre un cheveu de ton fils. 12 La femme dit: Permets que ta servante dise un mot à mon seigneur le roi. Et il dit: Parle! 13 La femme dit: Pourquoi penses-tu de la sorte à l'égard du peuple de Dieu, puisqu'il résulte des paroles mêmes du roi que le roi est comme coupable en ne rappelant pas celui qu'il a proscrit? 14 Il nous faut certainement mourir, et nous serons comme des eaux répandues à terre et qui ne se rassemblent plus; Dieu n'ôte pas la vie, mais il désire que le fugitif ne reste pas banni de sa présence. 15 Maintenant, si je suis venue dire ces choses au roi mon seigneur, c'est que le peuple m'a effrayée. Et ta servante a dit: Je veux parler au roi; peut-être le roi fera-t-il ce que dira sa servante. 16 Oui, le roi écoutera sa servante, pour la délivrer de la main de ceux qui cherchent à nous exterminer, moi et mon fils, de l'héritage de Dieu. 17 Ta servante a dit: Que la parole de mon seigneur le roi me donne le repos. Car mon seigneur le roi est comme un ange de Dieu, prêt à entendre le bien et le mal. Et que l'Éternel, ton Dieu, soit avec toi! 18 Le roi répondit, et dit à la femme: Ne me cache pas ce que je vais te demander. Et la femme dit: Que mon seigneur le roi parle! 19 Le roi dit alors: La main de Joab n'est-elle pas avec toi dans tout ceci? Et la femme répondit: Aussi vrai que ton âme est vivante, ô roi mon seigneur, il n'y a rien à droite ni à gauche de tout ce que dit mon seigneur le roi. C'est, en effet, ton serviteur Joab qui m'a donné des ordres, et qui a mis dans la bouche de ta servante toutes ces paroles. 20 C'est pour donner à la chose une autre tournure que ton serviteur Joab a fait cela. Mais mon seigneur est aussi sage qu'un ange de Dieu, pour connaître tout ce qui se passe sur la terre. 21 Le roi dit à Joab: Voici, je veux bien faire cela; va donc, ramène le jeune homme Absalom. 22 Joab tomba la face contre terre et se prosterna, et il bénit le roi. Puis il dit: Ton serviteur connaît aujourd'hui que j'ai trouvé grâce à tes yeux, ô roi mon seigneur, puisque le roi agit selon la parole de son serviteur. 23 Et Joab se leva et partit pour Gueschur, et il ramena Absalom à Jérusalem. 24 Mais le roi dit: Qu'il se retire dans sa maison, et qu'il ne voie point ma face. Et Absalom se retira dans sa maison, et il ne vit point la face du roi. 25 Il n'y avait pas un homme dans tout Israël aussi renommé qu'Absalom pour sa beauté; depuis la plante du pied jusqu'au sommet de la tête, il n'y avait point en lui de défaut. 26 Lorsqu'il se rasait la tête, -c'était chaque année qu'il se la rasait, parce que sa chevelure lui pesait, -le poids des cheveux de sa tête était de deux cents sicles, poids du roi. 27 Il naquit à Absalom trois fils, et une fille nommée Tamar, qui était une femme belle de figure. 28 Absalom demeura deux ans à Jérusalem, sans voir la face du roi. 29 Il fit demander Joab, pour l'envoyer vers le roi; mais Joab ne voulut point venir auprès de lui. Il le fit demander une seconde fois; et Joab ne voulut point venir. 30 Absalom dit alors à ses serviteurs: Voyez, le champ de Joab est à côté du mien; il y a de l'orge; allez et mettez-y le feu. Et les serviteurs d'Absalom mirent le feu au champ. 31 Joab se leva et se rendit auprès d'Absalom, dans sa maison. Il lui dit: Pourquoi tes serviteurs ont-ils mis le feu au champ qui m'appartient? 32 Absalom répondit à Joab: Voici, je t'ai fait dire: Viens ici, et je t'enverrai vers le roi, afin que tu lui dises: Pourquoi suis-je revenu de Gueschur? Il vaudrait mieux pour moi que j'y fusse encore. Je désire maintenant voir la face du roi; et s'il y a quelque crime en moi, qu'il me fasse mourir. 33 Joab alla vers le roi, et lui rapporta cela. Et le roi appela Absalom, qui vint auprès de lui et se prosterna la face contre terre en sa présence. Le roi baisa Absalom.
| |