T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 13

1 [Ny ratsy nataon'i Amnona, sy ny namonoan'i Absaloma azy, ary ny nandosiran'i Absaloma] Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak'i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak'i Davida.

2 Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin'i Amnona ny haka azy.

3 Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra.

4 Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan'andro isan'andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an'i Tamara, anabavin'i Absaloma rahalahiko, aho.

5 Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin'ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany.

6 Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankatỳ hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany.

7 Ary Davida naniraka nankany amin'i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon'i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.

8 Dia nandeha Tamara nankany an-tranon'i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny mofo.

9 Dia noraisiny ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra.

10 Ary hoy Amnona tamin'i Tamara: Ento atỳ amin'ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain'i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin'ny efi-trano tao amin'i Amnona anadahiny.

11 Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an'i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko.

12 Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin'ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra* izany ianao.[Heb. fahadalana]

13 Ary ny amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin'ny adala eto amin'ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin'ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy.

14 Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy.

15 Ary dia halan'i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Dia hoy Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana.

16 Ary hoy izy taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao, fa ratsy noho ny zavatra hafa nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy.

17 Dia niantso ny zatovony izay nanompo azy izy ka nanao hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy ity, ka hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy.

18 Ary niakanjo akanjo lava* razazavavy; fa izany no fanaon'ny zanakavavin'ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan'ilay ankizilahy izy, ka nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy.[Na: akanjo misoratsoratra]

19 Ary nasian'i Tamara lavenona ny lohany, sady notriariny ny akanjo lava izay niakanjoany, dia niloloha tanana izy, sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana.

20 Ary hoy Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangina ihany aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon'i Absaloma anadahiny Tamara sady ory.

21 Fa nony ren'i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia nirehitra ny fahatezerany.

22 Ary Absaloma tsy nifampiteny tamin'i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan'i Absaloma izy noho ny nisavihany an'i Tamara anabaviny.

23 Ary nony afaka roa taona ngarangidina, dia nampanety ondry teo Bala-hazora ao akaiky an'i Efraima Absaloma, ka nanasa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra izy.

24 Ary nankao amin'ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao; koa trarantitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko mpanomponao.

25 Fa hoy ny mpanjaka tamin'i Absaloma: Tsia, anaka, aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra, fandrao mahavaky tratra anao. Fa Absaloma nanery azy ihany; nefa tsy nety nandeha izy, fa nitso-drano azy ihany.

26 Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao?

27 Fa nanery azy Absaloma, ka dia nalefany Amnona sy ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra handeha hiaraka aminy.

28 Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon'i Amnona azon'ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.

29 Ary ny zatovon'i Absaloma nanao tamin'i Amnona araka ny teny nomen'i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra.

30 Ary raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tao amin'i Davida ny filazana hoe: novonoin'i Absaloma avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka, ka tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.

31 Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry tamin'ny tany; ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany.

32 Ary Jonadaba, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hanao hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin'ny mpanjaka; fa Amnona ihany no maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin'ny andro nisavihany an'i Tamara anabaviny.

33 Koa aoka ny mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin'ny mpanjaka rehetra; fa Amnona ihany no maty.

34 Fa Absaloma nandositra. Ary ny zatovo mpitily nanopy ny masony ka nahita fa, indreo nisy olona maro avy teo ivohony, teo anilan'ny tendrombohitra.

35 Ary hoy Jonadaba tamin'ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin'ny mpanjaka, dia araka ny nolazain'ny mpanomponao tokoa.

36 Ary nony efa voalazany izany teny izany, dia indreo, tonga ny zanakalahin'ny mpanjaka, ary nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary ny mpanjaka sy ny mpanompony dia mba nitomany mafy dia mafy koa.

37 Fa Absaloma nandositra nankany amin'i Talmay, zanakalahin'i Amihoda, mpanjakan'i Gesora. Ary nisaona ny zanany mandrakariva Davida.

38 Ary Absaloma efa nandositra nankany Gesora ka nitoetra tany telo taona.

39 Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin'i Absaloma*; fa nionona izy noho ny amin'i Amnona, satria efa maty izy.[Na: Koa izany no nisakana an'i Davida mpanjaka tsy hivoaka hamely an'i Absaloma]

 

Chapitre 13

13:1 It happened after this, that Absalom the son of David had a beautiful sister, whose name was Tamar; and Amnon the son of David loved her. 13:2 Amnon was so troubled that he fell sick because of his sister Tamar; for she was a virgin; and it seemed hard to Amnon to do anything to her. 13:3 But Amnon had a friend, whose name was Jonadab, the son of Shimeah, David’s brother; and Jonadab was a very subtle man. 13:4 He said to him, “Why, son of the king, are you so sad from day to day? Won’t you tell me?”

Amnon said to him, “I love Tamar, my brother Absalom’s sister.”

13:5 Jonadab said to him, “Lay down on your bed, and pretend to be sick. When your father comes to see you, tell him, ‘Please let my sister Tamar come and give me bread to eat, and dress the food in my sight, that I may see it, and eat it from her hand.’”

13:6 So Amnon lay down and faked being sick. When the king came to see him, Amnon said to the king, “Please let my sister Tamar come, and make me a couple of cakes in my sight, that I may eat from her hand.” 13:7 Then David sent home to Tamar, saying, “Go now to your brother Amnon’s house, and prepare food for him.” 13:8 So Tamar went to her brother Amnon’s house; and he was laid down. She took dough, and kneaded it, and made cakes in his sight, and baked the cakes. 13:9 She took the pan, and poured them out before him; but he refused to eat. Amnon said, “Have all men leave me.” Every man went out from him. 13:10 Amnon said to Tamar, “Bring the food into the room, that I may eat from your hand.” Tamar took the cakes which she had made, and brought them into the room to Amnon her brother. 13:11 When she had brought them near to him to eat, he took hold of her, and said to her, “Come, lie with me, my sister!”

13:12 She answered him, “No, my brother, do not force me! For no such thing ought to be done in Israel. Don’t you do this folly. 13:13 I, where would I carry my shame? And as for you, you will be as one of the fools in Israel. Now therefore, please speak to the king; for he will not withhold me from you.”

13:14 However he would not listen to her voice; but being stronger than she, he forced her, and lay with her. 13:15 Then Amnon hated her with exceeding great hatred; for the hatred with which he hated her was greater than the love with which he had loved her. Amnon said to her, “Arise, be gone!”

13:16 She said to him, “Not so, because this great wrong in sending me away is worse than the other that you did to me!”

But he would not listen to her. 13:17 Then he called his servant who ministered to him, and said, “Put now this woman out from me, and bolt the door after her.” 13:18 She had a garment of various colors on her; for with such robes were the king’s daughters who were virgins dressed. Then his servant brought her out, and bolted the door after her. 13:19 Tamar put ashes on her head, and tore her garment of various colors that was on her; and she laid her hand on her head, and went her way, crying aloud as she went. 13:20 Absalom her brother said to her, “Has Amnon your brother been with you? But now hold your peace, my sister. He is your brother. Don’t take this thing to heart.”

So Tamar remained desolate in her brother Absalom’s house. 13:21 But when king David heard of all these things, he was very angry. 13:22 Absalom spoke to Amnon neither good nor bad; for Absalom hated Amnon, because he had forced his sister Tamar. 13:23 It happened after two full years, that Absalom had sheepshearers in Baal Hazor, which is beside Ephraim: and Absalom invited all the king’s sons. 13:24 Absalom came to the king, and said, “See now, your servant has sheepshearers. Please let the king and his servants go with your servant.”

13:25 The king said to Absalom, “No, my son, let us not all go, lest we be burdensome to you.” He pressed him; however he would not go, but blessed him. 13:26 Then Absalom said, “If not, please let my brother Amnon go with us.”

The king said to him, “Why should he go with you?”

13:27 But Absalom pressed him, and he let Amnon and all the king’s sons go with him. 13:28 Absalom commanded his servants, saying, “Mark now, when Amnon’s heart is merry with wine; and when I tell you, ‘Strike Amnon,’ then kill him. Don’t be afraid. Haven’t I commanded you? Be courageous, and be valiant!”

13:29 The servants of Absalom did to Amnon as Absalom had commanded. Then all the king’s sons arose, and every man got up on his mule, and fled. 13:30 It happened, while they were in the way, that the news came to David, saying, “Absalom has slain all the king’s sons, and there is not one of them left!”

13:31 Then the king arose, and tore his garments, and lay on the earth; and all his servants stood by with their clothes torn. 13:32 Jonadab, the son of Shimeah, David’s brother, answered, “Don’t let my lord suppose that they have killed all the young men the king’s sons; for Amnon only is dead; for by the appointment of Absalom this has been determined from the day that he forced his sister Tamar. 13:33 Now therefore don’t let my lord the king take the thing to his heart, to think that all the king’s sons are dead; for Amnon only is dead.” 13:34 But Absalom fled. The young man who kept the watch lifted up his eyes, and looked, and behold, many people were coming by way of the hillside behind him. 13:35 Jonadab said to the king, “Behold, the king’s sons are coming! It is as your servant said.” 13:36 It happened, as soon as he had finished speaking, that behold, the king’s sons came, and lifted up their voice, and wept. The king also and all his servants wept bitterly. 13:37 But Absalom fled, and went to Talmai the son of Ammihur, king of Geshur. David mourned for his son every day. 13:38 So Absalom fled, and went to Geshur, and was there three years. 13:39 King David longed to go forth to Absalom: for he was comforted concerning Amnon, since he was dead.

 

Chapitre 13
1 Après cela, voici ce qui arriva. Absalom, fils de David, avait une soeur qui était belle et qui s'appelait Tamar; et Amnon, fils de David, l'aima. 2 Amnon était tourmenté jusqu'à se rendre malade à cause de Tamar, sa soeur; car elle était vierge, et il paraissait difficile à Amnon de faire sur elle la moindre tentative. 3 Amnon avait un ami, nommé Jonadab, fils de Schimea, frère de David, et Jonadab était un homme très habile. 4 Il lui dit: Pourquoi deviens-tu, ainsi chaque matin plus maigre, toi, fils de roi? Ne veux-tu pas me le dire? Amnon lui répondit: J'aime Tamar, soeur d'Absalom, mon frère. 5 Jonadab lui dit: Mets-toi au lit, et fais le malade. Quand ton père viendra te voir, tu lui diras: Permets à Tamar, ma soeur, de venir pour me donner à manger; qu'elle prépare un mets sous mes yeux, afin que je le voie et que je le prenne de sa main. 6 Amnon se coucha, et fit le malade. Le roi vint le voir, et Amnon dit au roi: Je te prie, que Tamar, ma soeur, vienne faire deux gâteaux sous mes yeux, et que je les mange de sa main. 7 David envoya dire à Tamar dans l'intérieur des appartements: Va dans la maison d'Amnon, ton frère, et prépare-lui un mets. 8 Tamar alla dans la maison d'Amnon, son frère, qui était couché. Elle prit de la pâte, la pétrit, prépara devant lui des gâteaux, et les fit cuire; 9 prenant ensuite la poêle, elle les versa devant lui. Mais Amnon refusa de manger. Il dit: Faites sortir tout le monde. Et tout le monde sortit de chez lui. 10 Alors Amnon dit à Tamar: Apporte le mets dans la chambre, et que je le mange de ta main. Tamar prit les gâteaux qu'elle avait faits, et les porta à Amnon, son frère, dans la chambre. 11 Comme elle les lui présentait à manger, il la saisit et lui dit: Viens, couche avec moi, ma soeur. 12 Elle lui répondit: Non, mon frère, ne me déshonore pas, car on n'agit point ainsi en Israël; ne commets pas cette infamie. 13 Où irais-je, moi, avec ma honte? Et toi, tu serais comme l'un des infâmes en Israël. Maintenant, je te prie, parle au roi, et il ne s'opposera pas à ce que je sois à toi. 14 Mais il ne voulut pas l'écouter; il lui fit violence, la déshonora et coucha avec elle. 15 Puis Amnon eut pour elle une forte aversion, plus forte que n'avait été son amour. Et il lui dit: Lève-toi, va-t'en! 16 Elle lui répondit: N'augmente pas, en me chassant, le mal que tu m'as déjà fait. (13:17) Il ne voulut pas l'écouter, 17 et appelant le garçon qui le servait, il dit: Qu'on éloigne de moi cette femme et qu'on la mette dehors. Et ferme la porte après elle! 18 Elle avait une tunique de plusieurs couleurs; car c'était le vêtement que portaient les filles du roi, aussi longtemps qu'elles étaient vierges. Le serviteur d'Amnon la mit dehors, et ferma la porte après elle. 19 Tamar répandit de la cendre sur sa tête, et déchira sa tunique bigarrée; elle mit la main sur sa tête, et s'en alla en poussant des cris. 20 Absalom, son frère, lui dit: Amnon, ton frère, a-t-il été avec toi? Maintenant, ma soeur, tais-toi, c'est ton frère; ne prends pas cette affaire trop à coeur. Et Tamar, désolée, demeura dans la maison d'Absalom, son frère. 21 Le roi David apprit toutes ces choses, et il fut très irrité. 22 Absalom ne parla ni en bien ni en mal avec Amnon; mais il le prit en haine, parce qu'il avait déshonoré Tamar, sa soeur. 23 Deux ans après, comme Absalom avait les tondeurs à Baal-Hatsor, près d'Éphraïm, il invita tous les fils du roi. 24 Absalom alla vers le roi, et dit: Voici, ton serviteur a les tondeurs; que le roi et ses serviteurs viennent chez ton serviteur. 25 Et le roi dit à Absalom: Non, mon fils, nous n'irons pas tous, de peur que nous ne te soyons à charge. Absalom le pressa; mais le roi ne voulut point aller, et il le bénit. 26 Absalom dit: Permets du moins à Amnon, mon frère, de venir avec nous. Le roi lui répondit: Pourquoi irait-il chez toi? 27 Sur les instances d'Absalom, le roi laissa aller avec lui Amnon et tous ses fils. 28 Absalom donna cet ordre à ses serviteurs: Faites attention quand le coeur d'Amnon sera égayé par le vin et que je vous dirai: Frappez Amnon! Alors tuez-le; ne craignez point, n'est-ce pas moi qui vous l'ordonne? Soyez fermes, et montrez du courage! 29 Les serviteurs d'Absalom traitèrent Amnon comme Absalom l'avait ordonné. Et tous les fils du roi se levèrent, montèrent chacun sur son mulet, et s'enfuirent. 30 Comme ils étaient en chemin, le bruit parvint à David qu'Absalom avait tué tous les fils du roi, et qu'il n'en était pas resté un seul. 31 Le roi se leva, déchira ses vêtements, et se coucha par terre; et tous ses serviteurs étaient là, les vêtements déchirés. 32 Jonadab, fils de Schimea, frère de David, prit la parole et dit: Que mon seigneur ne pense point que tous les jeunes gens, fils du roi, ont été tués, car Amnon seul est mort; et c'est l'effet d'une résolution d'Absalom, depuis le jour où Amnon a déshonoré Tamar, sa soeur. 33 Que le roi mon seigneur ne se tourmente donc point dans l'idée que tous les fils du roi sont morts, car Amnon seul est mort. 34 Absalom prit la fuite. Or le jeune homme placé en sentinelle leva les yeux et regarda. Et voici, une grande troupe venait par le chemin qui était derrière lui, du côté de la montagne. 35 Jonadab dit au roi: Voici les fils du roi qui arrivent! Ainsi se confirme ce que disait ton serviteur. 36 Comme il achevait de parler, voici, les fils du roi arrivèrent. Ils élevèrent la voix, et pleurèrent; le roi aussi et tous ses serviteurs versèrent d'abondantes larmes. 37 Absalom s'était enfui, et il alla chez Talmaï, fils d'Ammihur, roi de Gueschur. Et David pleurait tous les jours son fils. 38 Absalom resta trois ans à Gueschur, où il était allé, après avoir pris la fuite. 39 Le roi David cessa de poursuivre Absalom, car il était consolé de la mort d'Amnon.