| Chapitre 1 1 [Ny nataon'i Davida, rehefa nahare ny nahafatesan'i Saoly, sy ny hira fisaonana nentiny nisaona azy] Ary nony maty Saoly, ary niverina avy namono ny Amalekita Davida, dia nitoetra indroa andro tao Ziklaga izy. 2 Ary tamin'ny andro fahatelo, indro, nisy lehilahy iray tonga avy tany amin'ny miaramilan'i Saoly, triatra ny akanjony sady nihosin-tany ny lohany; ary rehefa tonga teo amin'i Davida izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nitsaoka. 3 Ary hoy Davida taminy: Avy taiza moa ianao? Dia hoy izy taminy: Afaka nandositra avy tany amin'ny tobin'ny Isiraely aho. 4 Ary hoy Davida taminy: Nanao ahoana izay tany? Masìna ianao, ambarao amiko. Dia hoy izy: Ny olona nandositra tamin'ny ady, ary be koa ny miampatrampatra sy maty, ary maty koa Saoly sy Jonatana zanany. 5 Ary hoy Davida tamin'ilay zatovo niteny taminy: Ahoana no nahafantaranao fa maty Saoly sy Jonatana zanany. 6 Dia nanambara taminy ilay zatovo nanao hoe: Sendra tao an-tendrombohitra Gilboa aho, ary, indro, Saoly nitehina tamin'ny lefony; ary, indreo, ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly nanenjika azy mafy. 7 Dia niherika izy ka nahita ahy; ary niantso ahy izy, ka hoy izaho: Inty aho. 8 Ary hoy izy tamiko: Iza moa ianao? Dia hoy izaho taminy: Amalekita aho. 9 Ary hoy indray izy tamiko: Masìna ianao, hatony kely aho, ka vonoy, fa marary mivonkina ozatra aho, fa mbola ato anatiko ihany ny aiko. 10 Dia nanatona azy aho ka namono azy, satria fantatro fa tsy ho velona izy, rehefa resy*, ka dia nalaiko ny satro-boninahiny teo an-dohany sy ny fehin-tanana teo amin'ny sandriny, ka nentiko etỳ amin'ny tompoko izany.[Heb. lavo] 11 Dia noraisin'i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy. 12 Ary nisaona sy nitomany sy nifady hanina ambara-paharivan'ny andro izy noho ny amin'i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon'i Jehovah ary ny taranak'Isiraely, satria lavon-tsabatra ireny. 13 Ary hoy Davida tamin'ilay zatovo nanambara taminy: Avy aiza ianao? Ary hoy izy: Zanaky ny vahiny Amalekita aho. 14 Dia hoy Davida taminy: Nahoana ianao no tsy natahotra haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr'i Jehovah? 15 Dia niantso zatovo anankiray Davida ka nanao hoe: Hatony io, ka vonoy; dia nasiany izy ka maty. 16 ary hoy Davida taminy: Aoka ny rànao ho eo amin'ny lohanao, satria ny vavanao ihany no efa niampanga anao nanao hoe: Izaho no namono ny voahosotr'i Jehovah. 17 Ary Davida nisaona an'i Saoly sy Jonatana zanany tamin'izao hira fisaonana izao 18 (ary nasainy nampianarina ny taranak'i Joda ny hira atao hoe Tsipika; indro, voasoratra ao amin'ny Bokin'i Jasara* izany): [Jasara = Ilay mahitsy] 19 Ilay voninahitrao*, ry Isiraely, no voalefona teo amin'ny havoananao; Endrey! Lavo ny mahery! [Na: gazelanao, dia anaram-biby haingan-tongotra] 20 Aza ambaranareo any Gata izany, Aza torinareo ho fifaliana any an-dalamben'i Askelona. Fandrao mifaly ny zanakavavin'ny Filistina. Fandrao miravoravo ny zanakavavin'ny tsy mifora. 21 Hianareo tendrombohitra Gilboa, Aza misy ando aman'orana intsony eny aminareo, na saha angalana fanatitra asandratra, satria tany no nandotoana* ny ampingan'ny mahery, Dia ny ampingan'i Saoly, ka** tsy nohosorana diloilo.[*Na: nanariana][**Na: toy ny an'izay] 22 Ny tsipìkan'i Jonatana tsy nihemotra. Raha tsy nahazo ny ran'ny maty sy ny tavin'ny mahery; ary ny sabatr'i Saoly tsy mba niverina foana. 23 Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin'ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona. 24 Ry zanakavavin'Isiraely, mitomania an'i Saoly, fa nahafinaritra ny mampitafiany jaky anareo, sady nasiany firava-bolamena ny fitafianareo. 25 Endrey! lavo teo amin'ny ady ny mahery voalefona teo amin'ny havoananao Jonatana. 26 Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko; nahafinaritra ahy indrindra ianao; nahagaga ny fitiavanao ahy mihoatra noho ny fitiavan'ny vehivavy. 27 Endrey! lavo ny mahery, ary levona ny fiadiana! | | Chapitre 1 1:1 It happened after the death of Saul, when David was returned from the slaughter of the Amalekites, and David had stayed two days in Ziklag; 1:2 it happened on the third day, that behold, a man came out of the camp from Saul, with his clothes torn, and earth on his head: and so it was, when he came to David, that he fell to the earth, and showed respect. 1:3 David said to him, “Where do you come from?” He said to him, “I have escaped out of the camp of Israel.” 1:4 David said to him, “How did it go? Please tell me.” He answered, “The people have fled from the battle, and many of the people also have fallen and are dead; and Saul and Jonathan his son are dead also.” 1:5 David said to the young man who told him, “How do you know that Saul and Jonathan his son are dead?” 1:6 The young man who told him said, “As I happened by chance on Mount Gilboa, behold, Saul was leaning on his spear; and behold, the chariots and the horsemen followed hard after him. 1:7 When he looked behind him, he saw me, and called to me. I answered, ‘Here I am.’ 1:8 He said to me, ‘Who are you?’ I answered him, ‘I am an Amalekite.’ 1:9 He said to me, ‘Please stand beside me, and kill me; for anguish has taken hold of me, because my life is yet whole in me.’ 1:10 So I stood beside him, and killed him, because I was sure that he could not live after that he had fallen. I took the crown that was on his head, and the bracelet that was on his arm, and have brought them here to my lord.” 1:11 Then David took hold on his clothes, and tore them; and likewise all the men who were with him. 1:12 They mourned, and wept, and fasted until evening, for Saul, and for Jonathan his son, and for the people of Yahweh, and for the house of Israel; because they were fallen by the sword. 1:13 David said to the young man who told him, “Where are you from?” He answered, “I am the son of a foreigner, an Amalekite.” 1:14 David said to him, “How were you not afraid to put forth your hand to destroy Yahweh’s anointed?” 1:15 David called one of the young men, and said, “Go near, and fall on him.” He struck him, so that he died. 1:16 David said to him, “Your blood be on your head; for your mouth has testified against you, saying, ‘I have slain Yahweh’s anointed.’” 1:17 David lamented with this lamentation over Saul and over Jonathan his son 1:18 (and he commanded them to teach the children of Judah the song of the bow: behold, it is written in the book of Jashar): 1:19 “Your glory, Israel, is slain on your high places! How the mighty have fallen! 1:20 Don’t tell it in Gath. Don’t publish it in the streets of Ashkelon, lest the daughters of the Philistines rejoice, lest the daughters of the uncircumcised triumph. 1:21 You mountains of Gilboa, let there be no dew nor rain on you, neither fields of offerings; For there the shield of the mighty was vilely cast away, The shield of Saul was not anointed with oil. 1:22 From the blood of the slain, from the fat of the mighty, Jonathan’s bow didn’t turn back. Saul’s sword didn’t return empty. 1:23 Saul and Jonathan were lovely and pleasant in their lives. In their death, they were not divided. They were swifter than eagles. They were stronger than lions. 1:24 You daughters of Israel, weep over Saul, who clothed you in scarlet delicately, who put ornaments of gold on your clothing. 1:25 How are the mighty fallen in the midst of the battle! Jonathan is slain on your high places. 1:26 I am distressed for you, my brother Jonathan. You have been very pleasant to me. Your love to me was wonderful, passing the love of women. 1:27 How are the mighty fallen, and the weapons of war perished!”
| | Chapitre 1 1 Après la mort de Saül, David, qui avait battu les Amalécites, était depuis deux jours revenu à Tsiklag. 2 Le troisième jour, un homme arriva du camp de Saül, les vêtements déchirés et la tête couverte de terre. Lorsqu'il fut en présence de David, il se jeta par terre et se prosterna. 3 David lui dit: D'où viens-tu? Et il lui répondit: Je me suis sauvé du camp d'Israël. 4 David lui dit: Que s'est-il passé? dis-moi donc! Et il répondit: Le peuple s'est enfui du champ de bataille, et un grand nombre d'hommes sont tombés et ont péri; Saül même et Jonathan, son fils, sont morts. 5 David dit au jeune homme qui lui apportait ces nouvelles: Comment sais-tu que Saül et Jonathan, son fils, sont morts? 6 Et le jeune homme qui lui apportait ces nouvelles répondit: Je me trouvais sur la montagne de Guilboa; et voici, Saül s'appuyait sur sa lance, et voici, les chars et les cavaliers étaient près de l'atteindre. 7 S'étant retourné, il m'aperçut et m'appela. Je dis: Me voici! 8 Et il me dit: Qui es-tu? Je lui répondis: Je suis Amalécite. 9 Et il dit: Approche donc, et donne-moi la mort; car je suis pris de vertige, quoique encore plein de vie. 10 Je m'approchai de lui, et je lui donnai la mort, sachant bien qu'il ne survivrait pas à sa défaite. J'ai enlevé le diadème qui était sur sa tête et le bracelet qu'il avait au bras, et je les apporte ici à mon seigneur. 11 David saisit ses vêtements et les déchira, et tous les hommes qui étaient auprès de lui firent de même. 12 Ils furent dans le deuil, pleurèrent et jeûnèrent jusqu'au soir, à cause de Saül, de Jonathan, son fils, du peuple de l'Éternel, et de la maison d'Israël, parce qu'ils étaient tombés par l'épée. 13 David dit au jeune homme qui lui avait apporté ces nouvelles: D'où es-tu? Et il répondit: Je suis le fils d'un étranger, d'un Amalécite. 14 David lui dit: Comment n'as-tu pas craint de porter la main sur l'oint de l'Éternel et de lui donner la mort? 15 Et David appela l'un de ses gens, et dit: Approche, et tue-le! Cet homme frappa l'Amalécite, qui mourut. 16 Et David lui dit: Que ton sang retombe sur ta tête, car ta bouche a déposé contre toi, puisque tu as dit: J'ai donné la mort à l'oint de l'Éternel! 17 Voici le cantique funèbre que David composa sur Saül et sur Jonathan, son fils, 18 et qu'il ordonna d'enseigner aux enfants de Juda. C'est le cantique de l'arc: il est écrit dans le livre du Juste. 19 L'élite d'Israël a succombé sur tes collines! Comment des héros sont-ils tombés? 20 Ne l'annoncez point dans Gath, N'en publiez point la nouvelle dans les rues d'Askalon, De peur que les filles des Philistins ne se réjouissent, De peur que les filles des incirconcis ne triomphent. 21 Montagnes de Guilboa! Qu'il n'y ait sur vous ni rosée ni pluie, Ni champs qui donnent des prémices pour les offrandes! Car là ont été jetés les boucliers des héros, Le bouclier de Saül; L'huile a cessé de les oindre. 22 Devant le sang des blessés, devant la graisse des plus vaillants, L'arc de Jonathan n'a jamais reculé, Et l'épée de Saül ne retournait point à vide. 23 Saül et Jonathan, aimables et chéris pendant leur vie, N'ont point été séparés dans leur mort; Ils étaient plus légers que les aigles, Ils étaient plus forts que les lions. 24 Filles d'Israël! pleurez sur Saül, Qui vous revêtait magnifiquement de cramoisi, Qui mettait des ornements d'or sur vos habits. 25 Comment des héros sont-ils tombés au milieu du combat? Comment Jonathan a-t-il succombé sur tes collines? 26 Je suis dans la douleur à cause de toi, Jonathan, mon frère! Tu faisais tout mon plaisir; Ton amour pour moi était admirable, Au-dessus de l'amour des femmes. 27 Comment des héros sont-ils tombés? Comment leurs armes se sont-elles perdues?
| |