| Chapitre 3 1 [Ny amin'ny hihavian'ny Tompo, sy fananarana noho izany] Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin'ny fampahatsiarovana, 2 mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo; 3 efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany 4 ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza. 5 Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra, 6 ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin'ny nanasaforany azy; 7 fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. 8 Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. 9 Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, 10 Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana] 11 Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, 12 sady manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra*! [* Na: maniry mafy] 13 Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran'ny fahamarinana. 14 Koa amin'izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fihavanana. 15 Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, 16 tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. 17 Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan'ny fahadisoan'ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin'izay iorenanareo; 18 fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.
| | Chapitre 3 3:1 This is now, beloved, the second letter that I have written to you; and in both of them I stir up your sincere mind by reminding you; 3:2 that you should remember the words which were spoken before by the holy prophets, and the commandments of us, the apostles of the Lord and Savior: 3:3 knowing this first, that in the last days mockers will come, walking after their own lusts, 3:4 and saying, “Where is the promise of his coming? For, from the day that the fathers fell asleep, all things continue as they were from the beginning of the creation.” 3:5 For this they willfully forget, that there were heavens from of old, and an earth formed out of water and amid water, by the word of God; 3:6 by which means the world that then was, being overflowed with water, perished. 3:7 But the heavens that now are, and the earth, by the same word have been stored up for fire, being reserved against the day of judgment and destruction of ungodly men. 3:8 But don’t forget this one thing, beloved, that one day is with the Lord as a thousand years, and a thousand years as one day. 3:9 The Lord is not slow concerning his promise, as some count slowness; but is patient with us, not wishing that any should perish, but that all should come to repentance. 3:10 But the day of the Lord will come as a thief in the night; in which the heavens will pass away with a great noise, and the elements will be dissolved with fervent heat, and the earth and the works that are in it will be burned up. 3:11 Therefore since all these things will be destroyed like this, what kind of people ought you to be in holy living and godliness, 3:12 looking for and earnestly desiring the coming of the day of God, which will cause the burning heavens to be dissolved, and the elements will melt with fervent heat? 3:13 But, according to his promise, we look for new heavens and a new earth, in which righteousness dwells. 3:14 Therefore, beloved, seeing that you look for these things, be diligent to be found in peace, without blemish and blameless in his sight. 3:15 Regard the patience of our Lord as salvation; even as our beloved brother Paul also, according to the wisdom given to him, wrote to you; 3:16 as also in all of his letters, speaking in them of these things. In those, there are some things that are hard to understand, which the ignorant and unsettled twist, as they also do to the other Scriptures, to their own destruction. 3:17 You therefore, beloved, knowing these things beforehand, beware, lest being carried away with the error of the wicked, you fall from your own steadfastness. 3:18 But grow in the grace and knowledge of our Lord and Savior Jesus Christ. To him be the glory both now and forever. Amen.
| | Chapitre 3 1 Voici déjà, bien-aimés, la seconde lettre que je vous écris. Dans l'une et dans l'autre je cherche à éveiller par des avertissements votre saine intelligence, 2 afin que vous vous souveniez des choses annoncées d'avance par les saints prophètes, et du commandement du Seigneur et Sauveur, (3:3) enseigné par vos apôtres, 3 sachant avant tout que, dans les derniers jours, il viendra des moqueurs avec leurs railleries, marchant selon leurs propres convoitises, 4 et disant: Où est la promesse de son avènement? Car, depuis que les pères sont morts, tout demeure comme dès le commencement de la création. 5 Ils veulent ignorer, en effet, que des cieux existèrent autrefois par la parole de Dieu, de même qu'une terre tirée de l'eau et formée au moyen de l'eau, 6 et que par ces choses le monde d'alors périt, submergé par l'eau, 7 tandis que, par la même parole, les cieux et la terre d'à présent sont gardés et réservés pour le feu, pour le jour du jugement et de la ruine des hommes impies. 8 Mais il est une chose, bien-aimés, que vous ne devez pas ignorer, c'est que, devant le Seigneur, un jour est comme mille ans, et mille ans sont comme un jour. 9 Le Seigneur ne tarde pas dans l'accomplissement de la promesse, comme quelques-uns le croient; mais il use de patience envers vous, ne voulant pas qu'aucun périsse, mais voulant que tous arrivent à la repentance. 10 Le jour du Seigneur viendra comme un voleur; en ce jour, les cieux passeront avec fracas, les éléments embrasés se dissoudront, et la terre avec les oeuvres qu'elle renferme sera consumée. 11 Puisque donc toutes ces choses doivent se dissoudre, quelles ne doivent pas être la sainteté de votre conduite et votre piété, 12 tandis que vous attendez et hâtez l'avènement du jour de Dieu, à cause duquel les cieux enflammés se dissoudront et les éléments embrasés se fondront! 13 Mais nous attendons, selon sa promesse, de nouveaux cieux et une nouvelle terre, où la justice habitera. 14 C'est pourquoi, bien-aimés, en attendant ces choses, appliquez-vous à être trouvés par lui sans tache et irrépréhensibles dans la paix. 15 Croyez que la patience de notre Seigneur est votre salut, comme notre bien-aimé frère Paul vous l'a aussi écrit, selon la sagesse qui lui a été donnée. 16 C'est ce qu'il fait dans toutes les lettres, où il parle de ces choses, dans lesquelles il y a des points difficiles à comprendre, dont les personnes ignorantes et mal affermies tordent le sens, comme celui des autres Écritures, pour leur propre ruine. 17 Vous donc, bien-aimés, qui êtes avertis, mettez-vous sur vos gardes, de peur qu'entraînés par l'égarement des impies, vous ne veniez à déchoir de votre fermeté. 18 Mais croissez dans la grâce et dans la connaissance de notre Seigneur et Sauveur Jésus-Christ. A lui soit la gloire, maintenant et pour l'éternité! Amen! | |