T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 8

1 [Ny amin'ny nahazoan'ilay vehivavy Sonemita ny tranony sy ny taniny] Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin'ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin'izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin'ny tany.

2 Dia niainga ravehivavy ka nanao araka ny tenin'ilay lehilahin'Andriamanitra; eny, lasa izy sy ny ankohonany ka nivahiny fito taona tany amin'ny tanin'ny Filistina.

3 Ary nony afaka ny fito taona, dia nody avy tany amin'ny tanin'ny Filistina ravehivavy; ary lasa nitaraina tamin'ny mpanjaka izy ny amin'ny tranony sy ny taniny.

4 Ary ny mpanjaka niteny tamin'i Gehazy, zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra, hoe: Masìna ianao, lazao amiko izay zava-dehibe rehetra nataon'i Elisa.

5 Ary raha mbola nilazalaza tamin'ny mpanjaka ny amin'ny nameloman'i Elisa ny maty izy dia, indro, ilay vehivavy renin'ny zaza maty novelominy, nitaraina tamin'ny mpanjaka ny amin'ny tranony sy ny taniny. Ary hoy Gehazy: Ry mpanjaka tompoko ô, ity ilay vehivavy, ary io koa ilay zanany maty novelomin'i Elisa.

6 Ary nony nanontanian'ny mpanjaka ravehivavy, dia nilaza. Ary dia notendren'ny mpanjaka ny tandapa anankiray ka nomeny teny hoe: Avereno izay azy rehetra, ary onero ny vokatry ny taniny rehetra hatramin'ny andro nialany tamin'ny tany ka mandraka ankehitriny.

7 [Ny nilazan'i Elisa tamin'i Hazaela ny handimbasany an'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria] Ary Elisa tonga tany Damaskosy tamin'i Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, narary; ary nisy nanambara taminy hoe: Indro, tonga atỳ ny lehilahin'Andriamanitra.

8 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hazaela: Mitondrà fanomezana eny an-tananao, ka mandehana, mitsenà ilay lehilahin'Andriamanitra, ary manontania izay tenin'i Jehovah aminy ka ataovy hoe: Ho sitrana ihany va aho amin'izao aretiko izao?

9 Dia lasa Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin'izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana entin-drameva efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada zanakao, mpanjakan'i Syria, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin'izao aretiko izao?

10 Ary hoy Elisa taminy: Mandehana, ka lazao aminy hoe: Eny, ho sitrana tokoa ianao. Kanefa* Jehovah efa naneho ahy fa ho faty tokoa izy.[Na: (Tsy ho sitrana ianao; fa)]

11 Ary nibanjina azy mandra-pikaodikaodiny izy; ary dia nitomany ny lehilahin'Andriamanitra.

12 Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin'ny Zanak'Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin'ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao.

13 Fa hoy Hazaela: Fa zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa Elisa namaly hoe: Efa nasehon'i Jehovah tamiko fa, indro, ianao ho mpanjakan'i Syria.

14 Dia niala tamin'i Elisa izy ka nankany amin'ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no nolazain'i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao.

15 Ary nony ampitso, dia nalain'i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin'ny rano ary nasarony ny tavan'i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy.

*

16 [Ny nanjakan'i Jehorama sy Ahazia tamin'ny Joda] Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny nanjakan'i Josafata tany Joda.

17 Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.

18 Ary nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa ny zanakavavin'i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.

19 Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny Joda noho ny amin'i Davida mpanompony, araka ilay nolazainy taminy fa homeny jiro mandrakizay ho an*'ny taranany.[Na: izy sy]

20 Tamin'ny androny no niodinan'i Edoma ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy;

21 ka dia nankany Zaira Jehorama, ary ny kalesy rehetra nentiny hiaraka aminy; ary nanaovany latsak'alina ny Edomita, izay nanodidina azy, mbamin'ny komandin'ny kalesy; ary ny olona nandositra nody*.[Heb. ho any an-dainy]

22 Ary Edoma mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda mandraka androany. Ary Libna koa dia niodina tamin'izany andro izany.

23 Ary ny tantaran'i Jehorama sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va?

24 Ary Jehorama lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.

25 Ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda,

26 Roa amby roa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanakavavin'i Omry, mpanjakan'ny Isiraely.

27 Ary nandeha tamin'ny lalan'ny taranak'i Ahaba izy, ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'ny taranak'i Ahaba, fa vinanton'ny taranak'i Ahaba ihany izy.

28 Ary niaraka tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba, izy mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, tany Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an'i Jorama.

29 Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin'ny feriny tamin'ny nahavoazan'ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy.

 

Chapitre 8

8:1 Now Elisha had spoken to the woman, whose son he had restored to life, saying, “Arise, and go, you and your household, and stay for a while wherever you can; for Yahweh has called for a famine. It shall also come on the land seven years.”

8:2 The woman arose, and did according to the word of the man of God. She went with her household, and lived in the land of the Philistines seven years. 8:3 It happened at the seven years’ end, that the woman returned out of the land of the Philistines. Then she went forth to cry to the king for her house and for her land. 8:4 Now the king was talking with Gehazi the servant of the man of God, saying, “Please tell me all the great things that Elisha has done.” 8:5 It happened, as he was telling the king how he had restored to life him who was dead, that behold, the woman, whose son he had restored to life, cried to the king for her house and for her land. Gehazi said, “My lord, O king, this is the woman, and this is her son, whom Elisha restored to life.”

8:6 When the king asked the woman, she told him. So the king appointed to her a certain officer, saying, “Restore all that was hers, and all the fruits of the field since the day that she left the land, even until now.”

8:7 Elisha came to Damascus; and Benhadad the king of Syria was sick. It was told him, saying, “The man of God has come here.”

8:8 The king said to Hazael, “Take a present in your hand, and go, meet the man of God, and inquire of Yahweh by him, saying, ‘Will I recover from this sickness?’”

8:9 So Hazael went to meet him, and took a present with him, even of every good thing of Damascus, forty camels’ burden, and came and stood before him, and said, “Your son Benhadad king of Syria has sent me to you, saying, ‘Will I recover from this sickness?’”

8:10 Elisha said to him, “Go, tell him, ‘You shall surely recover;’ however Yahweh has shown me that he shall surely die.” 8:11 He settled his gaze steadfastly on him, until he was ashamed. Then the man of God wept.

8:12 Hazael said, “Why do you weep, my lord?”

He answered, “Because I know the evil that you will do to the children of Israel. You will set their strongholds on fire, and you will kill their young men with the sword, and will dash in pieces their little ones, and rip up their women with child.”

8:13 Hazael said, “But what is your servant, who is but a dog, that he should do this great thing?”

Elisha answered, “Yahweh has shown me that you will be king over Syria.”

8:14 Then he departed from Elisha, and came to his master, who said to him, “What did Elisha say to you?”

He answered, “He told me that you would surely recover.”

8:15 It happened on the next day, that he took a thick cloth, dipped it in water, and spread it on his face, so that he died. Then Hazael reigned in his place.

8:16 In the fifth year of Joram the son of Ahab king of Israel, Jehoshaphat being king of Judah then, Jehoram the son of Jehoshaphat king of Judah began to reign. 8:17 He was thirty-two years old when he began to reign. He reigned eight years in Jerusalem. 8:18 He walked in the way of the kings of Israel, as did the house of Ahab; for he had the daughter of Ahab as wife. He did that which was evil in the sight of Yahweh. 8:19 However Yahweh would not destroy Judah, for David his servant’s sake, as he promised him to give to him a lamp for his children always.

8:20 In his days Edom revolted from under the hand of Judah, and made a king over themselves. 8:21 Then Joram passed over to Zair, and all his chariots with him: and he rose up by night, and struck the Edomites who surrounded him, and the captains of the chariots; and the people fled to their tents. 8:22 So Edom revolted from under the hand of Judah to this day. Then Libnah revolted at the same time. 8:23 The rest of the acts of Joram, and all that he did, aren’t they written in the book of the chronicles of the kings of Judah? 8:24 Joram slept with his fathers, and was buried with his fathers in the city of David; and Ahaziah his son reigned in his place. 8:25 In the twelfth year of Joram the son of Ahab king of Israel, Ahaziah the son of Jehoram king of Judah began to reign. 8:26 Twenty-two years old was Ahaziah when he began to reign; and he reigned one year in Jerusalem. His mother’s name was Athaliah the daughter of Omri king of Israel. 8:27 He walked in the way of the house of Ahab, and did that which was evil in the sight of Yahweh, as did the house of Ahab; for he was the son-in-law of the house of Ahab. 8:28 He went with Joram the son of Ahab to war against Hazael king of Syria at Ramoth Gilead: and the Syrians wounded Joram. 8:29 King Joram returned to be healed in Jezreel of the wounds which the Syrians had given him at Ramah, when he fought against Hazael king of Syria. Ahaziah the son of Jehoram king of Judah went down to see Joram the son of Ahab in Jezreel, because he was sick.

 

Chapitre 8
1 Élisée dit à la femme dont il avait fait revivre le fils: Lève-toi, va t'en, toi et ta maison, et séjourne où tu pourras; car l'Éternel appelle la famine, et même elle vient sur le pays pour sept années. 2 La femme se leva, et elle fit selon la parole de l'homme de Dieu: elle s'en alla, elle et sa maison, et séjourna sept ans au pays des Philistins. 3 Au bout des sept ans, la femme revint du pays des Philistins, et elle alla implorer le roi au sujet de sa maison et de son champ. 4 Le roi s'entretenait avec Guéhazi, serviteur de l'homme de Dieu, et il disait: Raconte-moi, je te prie, toutes les grandes choses qu'Élisée a faites. 5 Et pendant qu'il racontait au roi comment Élisée avait rendu la vie à un mort, la femme dont Élisée avait fait revivre le fils vint implorer le roi au sujet de sa maison et de son champ. Guéhazi dit: O roi, mon seigneur, voici la femme, et voici son fils qu'Élisée a fait revivre. 6 Le roi interrogea la femme, et elle lui fit le récit. Puis le roi lui donna un eunuque, auquel il dit: Fais restituer tout ce qui appartient à cette femme, avec tous les revenus du champ, depuis le jour où elle a quitté le pays jusqu'à maintenant. 7 Élisée se rendit à Damas. Ben-Hadad, roi de Syrie, était malade; et on l'avertit, en disant: L'homme de Dieu est arrivé ici. 8 Le roi dit à Hazaël: Prends avec toi un présent, et va au-devant de l'homme de Dieu; consulte par lui l'Éternel, en disant: Guérirai-je de cette maladie? 9 Hazaël alla au-devant d'Élisée, prenant avec lui un présent, tout ce qu'il y avait de meilleur à Damas, la charge de quarante chameaux. Lorsqu'il fut arrivé, il se présenta à lui, et dit: Ton fils Ben-Hadad, roi de Syrie, m'envoie vers toi pour dire: Guérirai-je de cette maladie? 10 Élisée lui répondit: Va, dis-lui: Tu guériras! Mais l'Éternel m'a révélé qu'il mourra. 11 L'homme de Dieu arrêta son regard sur Hazaël, et le fixa longtemps, puis il pleura. 12 Hazaël dit: Pourquoi mon seigneur pleure-t-il? Et Élisée répondit: Parce que je sais le mal que tu feras aux enfants d'Israël; tu mettras le feu à leurs villes fortes, tu tueras avec l'épée leurs jeunes gens, tu écraseras leurs petits enfants, et tu fendras le ventre de leurs femmes enceintes. 13 Hazaël dit: Mais qu'est-ce que ton serviteur, ce chien, pour faire de si grandes choses? Et Élisée dit: L'Éternel m'a révélé que tu seras roi de Syrie. 14 Hazaël quitta Élisée, et revint auprès de son maître, qui lui dit: Que t'a dit Élisée? Et il répondit: Il m'a dit: Tu guériras! 15 Le lendemain, Hazaël prit une couverture, qu'il plongea dans l'eau, et il l'étendit sur le visage du roi, qui mourut. Et Hazaël régna à sa place. 16 La cinquième année de Joram, fils d'Achab, roi d'Israël, Joram, fils de Josaphat, roi de Juda, régna. 17 Il avait trente-deux ans lorsqu'il devint roi, et il régna huit ans à Jérusalem. 18 Il marcha dans la voie des rois d'Israël, comme avait fait la maison d'Achab, car il avait pour femme une fille d'Achab, et il fit ce qui est mal aux yeux de l'Éternel. 19 Mais l'Éternel ne voulut point détruire Juda, à cause de David, son serviteur, selon la promesse qu'il lui avait faite de lui donner toujours une lampe parmi ses fils. 20 De son temps, Édom se révolta contre l'autorité de Juda, et se donna un roi. 21 Joram passa à Tsaïr, avec tous ses chars; s'étant levé de nuit, il battit les Édomites, qui l'entouraient et les chefs des chars, et le peuple s'enfuit dans ses tentes. 22 La rébellion d'Édom contre l'autorité de Juda a duré jusqu'à ce jour. Libna se révolta aussi dans le même temps. 23 Le reste des actions de Joram, et tout ce qu'il a fait, cela n'est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois de Juda? 24 Joram se coucha avec ses pères, et il fut enterré avec ses pères dans la ville de David. Et Achazia, son fils, régna à sa place. 25 La douzième année de Joram, fils d'Achab, roi d'Israël, Achazia, fils de Joram, roi de Juda, régna. 26 Achazia avait vingt-deux ans lorsqu'il devint roi, et il régna un an à Jérusalem. Sa mère s'appelait Athalie, fille d'Omri, roi d'Israël. 27 Il marcha dans la voie de la maison d'Achab, et il fit ce qui est mal aux yeux de l'Éternel, comme la maison d'Achab, car il était allié par mariage à la maison d'Achab. 28 Il alla avec Joram, fils d'Achab, à la guerre contre Hazaël, roi de Syrie, à Ramoth en Galaad. Et les Syriens blessèrent Joram. 29 Le roi Joram s'en retourna pour se faire guérir à Jizreel des blessures que les Syriens lui avaient faites à Rama, lorsqu'il se battait contre Hazaël, roi de Syrie. Achazia, fils de Joram, roi de Juda, descendit pour voir Joram, fils d'Achab, à Jizreel, parce qu'il était malade.