T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 6

1 [Ny nampitsinkafonan'i Elisa ilay lela-famaky latsaka tany anaty rano] Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin'i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.

2 Masìna ianao, aoka hankany Jordana izahay, ka samy haka hazo iray avy any, dia hanao trano ho anay any mba hitoeranay. Ary hoy izy: mandehana ary ianareo.

3 Fa hoy ny anankiray: Masìna ianao, aoka mba hiaraka amin'ny mpanomponao ho any koa ianao. Ary izy namaly hoe: Handeha ihany aho.

4 Ka dia niaraka taminy izy. Ary nony tonga tany Jordana ireo, dia nikapa hazo.

5 Fa nony nikapa hazo ny anankiray, dia latsaka tany anaty rano ny lela-famaky*; ka dia nitaraina hoe izy: Indrisy, tompoko, nindramina iny.[Heb. ny vy]

6 Ary hoy ny lehilahin'Andriamanitra: Taiza no nahalatsahany? Dia natorony azy izay nahalatsahany. Ary Elisa nanapaka hazo, ka natsipiny teo, dia nitsinkafona ilay lela-famaky.

7 Ary hoy izy: Indro, raisonao izy. Dia narosony ny tànany, ka noraisiny.

8 [Ny nataon'i Elisa hamonjena ny Isiraely tamin'izy niadian'ny Syriana] Ary ny mpanjakan'i Syria niady tamin'ny Isiraely ka nilaza tamin'ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako.

9 Ary ilay lehilahin'Andriamanitra kosa naniraka tany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan'ny Syriana.

10 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely naniraka tany amin'izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza.

11 Dia sosotra indrindra ny fon'ny mpanjakan'i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan'ny Isiraely?

12 Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin'ny Isiraely ihany no milaza amin'ny mpanjakan'ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin'ny trano fandrianao aza.

13 Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary nolazaina taminy hoe: Indro, ao Dotana izy.

14 Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna.

15 Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?

16 Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.

17 Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason'ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.

18 Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Mifona aminao aho, ataovy manjambena ireto olona ireto. Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin'i Elisa.

19 Ary hoy Elisa taminy: Tsy ity no lalana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy ianareo, dia hitondra anareo ho any amin'ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.

20 Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa: Jehovah ô, ampahirato ny mason'ireto mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny masony, dia nahita izy; ka, indro, tao afovoan'i Samaria izy.

21 Ary nony nahita azy ny mpanjakan'ny Isiraely, dia hoy izy tamin'i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va izy? Hasiako va izy?

22 Fa izy namaly hoe: Aza asianao izy; moa asianao izay nobaboinao tamin'ny sabatrao sy ny tsipìkanao? Rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin'ny tompony.

23 Dia nanao fanasana lehibe ho azy ny mpanjaka; ary rehefa nihinana sy nisotro ireo, dia nampandehaniny, ary dia nankany amin'ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin'ny tanin'ny Isiraely intsony ny mpitoha adin'i Syria.

24 [Ny nataon'i Elisa tamin'ny nisian'ny mosary mafy tany Samaria] Ary rehefa afaka izany, Beni-hadada, mpanjakan'i Syria, namory ny miaramilany rehetra, dia niakatra ka nanao fahirano an'i Samaria.

25 Dia nisy mosary mafy tany Samaria; fa indro, nanao fahirano azy ireo mandra-pahatongan'ny loham-boriky ho lafo sekely valo-polo sy ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely dimy.

26 Ary raha nitsangantsangana teny ambonin'ny manda ny mpanjakan'ny Isiraely, dia nisy vehivavy nitaraina taminy hoe: Vonjeo aho, ry mpanjaka tompoko.

27 Ary hoy ny mpanjaka: Raha tsy vonjen'i Jehovah ianao, aiza no hamonjeko anao? Amin'ny famoloana va, sa amin'ny famiazam-boaloboka?

28 Ary hoy koa ny mpanjaka taminy: Inona ary no alahelonao? Ary ravehivavy namaly hoe: Hoy ity vehivavy ity tamiko: Aiza ny zanakao hohanintsika anio, ary ny zanako kosa hohanintsika rahampitso.

29 Ka dia nandrahoinay ny zanako ka nohaninay; ary nony ampitso, dia hoy izaho taminy: Aiza kosa ny zanakao mba hohanintsika? kanjo nafeniny ny zanany.

30 Ary nony nandre ny tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany; ary nitsangantsangana teny ambonin'ny manda izy, ka hitan'ny olona fa, indro lamba fisaonana* no nataony manolo-koditra.[Heb. lamba malailay]

31 Dia hoy izy: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hotapahina anio ny lohan'i Elisa, zanak'i Safata.

32 Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin'i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin'ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan'ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon'ny tongotry ny tompony?

33 Ary raha mbola niresaka taminy izy, indro, nidina nankao aminy ny iraka ka nanao hoe: Indro, izao loza izao avy amin'i Jehovah; ka inona intsony no anantenako an'i Jehovah?

 

Chapitre 6

6:1 The sons of the prophets said to Elisha, “See now, the place where we dwell before you is too small for us. 6:2 Please let us go to the Jordan, and every man take a beam from there, and let us make us a place there, where we may dwell.”

He answered, “Go!”

6:3 One said, “Please be pleased to go with your servants.”

He answered, “I will go.” 6:4 So he went with them. When they came to the Jordan, they cut down wood. 6:5 But as one was felling a beam, the axe head fell into the water. Then he cried, and said, “Alas, my master! For it was borrowed.”

6:6 The man of God asked, “Where did it fall?” He showed him the place. He cut down a stick, threw it in there, and made the iron float. 6:7 He said, “Take it.” So he put out his hand and took it.

6:8 Now the king of Syria was warring against Israel; and he took counsel with his servants, saying, “My camp will be in such and such a place.”

6:9 The man of God sent to the king of Israel, saying, “Beware that you not pass such a place; for the Syrians are coming down there.” 6:10 The king of Israel sent to the place which the man of God told him and warned him of; and he saved himself there, not once nor twice. 6:11 The heart of the king of Syria was very troubled about this. He called his servants, and said to them, “Won’t you show me which of us is for the king of Israel?”

6:12 One of his servants said, “No, my lord, O king; but Elisha, the prophet who is in Israel, tells the king of Israel the words that you speak in your bedroom.”

6:13 He said, “Go and see where he is, that I may send and get him.”

It was told him, saying, “Behold, he is in Dothan.”

6:14 Therefore he sent horses, chariots, and a great army there. They came by night, and surrounded the city. 6:15 When the servant of the man of God had risen early, and gone out, behold, an army with horses and chariots was around the city. His servant said to him, “Alas, my master! What shall we do?”

6:16 He answered, “Don’t be afraid; for those who are with us are more than those who are with them.” 6:17 Elisha prayed, and said, “Yahweh, please open his eyes, that he may see.” Yahweh opened the eyes of the young man; and he saw: and behold, the mountain was full of horses and chariots of fire around Elisha. 6:18 When they came down to him, Elisha prayed to Yahweh, and said, “Please strike this people with blindness.”

He struck them with blindness according to the word of Elisha. 6:19 Elisha said to them, “This is not the way, neither is this the city. Follow me, and I will bring you to the man whom you seek.” He led them to Samaria. 6:20 It happened, when they had come into Samaria, that Elisha said, “Yahweh, open the eyes of these men, that they may see.”

Yahweh opened their eyes, and they saw; and behold, they were in the midst of Samaria. 6:21 The king of Israel said to Elisha, when he saw them, “My father, shall I strike them? Shall I strike them?”

6:22 He answered, “You shall not strike them. Would you strike those whom you have taken captive with your sword and with your bow? Set bread and water before them, that they may eat and drink, and go to their master.”

6:23 He prepared great feast for them. When they had eaten and drunk, he sent them away, and they went to their master. The bands of Syria stopped raiding the land of Israel.

6:24 It happened after this, that Benhadad king of Syria gathered all his army, and went up and besieged Samaria. 6:25 There was a great famine in Samaria. Behold, they besieged it, until a donkey’s head was sold for eighty pieces of silver, and the fourth part of a kab of dove’s dung for five pieces of silver. 6:26 As the king of Israel was passing by on the wall, a woman cried to him, saying, “Help, my lord, O king!”

6:27 He said, “If Yahweh doesn’t help you, from where could I help you? From of the threshing floor, or from the winepress?” 6:28 The king said to her, “What ails you?”

She answered, “This woman said to me, ‘Give your son, that we may eat him today, and we will eat my son tomorrow.’ 6:29 So we boiled my son, and ate him: and I said to her on the next day, ‘Give your son, that we may eat him;’ and she has hidden her son.”

6:30 It happened, when the king heard the words of the woman, that he tore his clothes (now he was passing by on the wall); and the people looked, and behold, he had sackcloth underneath on his flesh. 6:31 Then he said, “God do so to me, and more also, if the head of Elisha the son of Shaphat shall stay on him this day.”

6:32 But Elisha was sitting in his house, and the elders were sitting with him. Then the king sent a man from before him; but before the messenger came to him, he said to the elders, “Do you see how this son of a murderer has sent to take away my head? Behold, when the messenger comes, shut the door, and hold the door shut against him. Isn’t the sound of his master’s feet behind him?”

6:33 While he was still talking with them, behold, the messenger came down to him. Then he said, “Behold, this evil is from Yahweh. Why should I wait for Yahweh any longer?”

 

Chapitre 6 
1 Les fils des prophètes dirent à Élisée: Voici, le lieu où nous sommes assis devant toi est trop étroit pour nous. 2 Allons jusqu'au Jourdain; nous prendrons là chacun une poutre, et nous nous y ferons un lieu d'habitation. Élisée répondit: Allez. 3 Et l'un d'eux dit: Consens à venir avec tes serviteurs. Il répondit: J'irai. 4 Il partit donc avec eux. Arrivés au Jourdain, ils coupèrent du bois. 5 Et comme l'un d'eux abattait une poutre, le fer tomba dans l'eau. Il s'écria: Ah! mon seigneur, il était emprunté! 6 L'homme de Dieu dit: Où est-il tombé? Et il lui montra la place. Alors Élisée coupa un morceau de bois, le jeta à la même place, et fit surnager le fer. 7 Puis il dit: Enlève-le! Et il avança la main, et le prit. 8 Le roi de Syrie était en guerre avec Israël, et, dans un conseil qu'il tint avec ses serviteurs, il dit: Mon camp sera dans un tel lieu. 9 Mais l'homme de Dieu fit dire au roi d'Israël: Garde-toi de passer dans ce lieu, car les Syriens y descendent. 10 Et le roi d'Israël envoya des gens, pour s'y tenir en observation, vers le lieu que lui avait mentionné et signalé l'homme de Dieu. Cela arriva non pas une fois ni deux fois. 11 Le roi de Syrie en eut le coeur agité; il appela ses serviteurs, et leur dit: Ne voulez-vous pas me déclarer lequel de nous est pour le roi d'Israël? 12 L'un de ses serviteurs répondit: Personne! ô roi mon seigneur; mais Élisée, le prophète, qui est en Israël, rapporte au roi d'Israël les paroles que tu prononces dans ta chambre à coucher. 13 Et le roi dit: Allez et voyez où il est, et je le ferai prendre. On vint lui dire: Voici, il est à Dothan. 14 Il y envoya des chevaux, des chars et une forte troupe, qui arrivèrent de nuit et qui enveloppèrent la ville. 15 Le serviteur de l'homme de Dieu se leva de bon matin et sortit; et voici, une troupe entourait la ville, avec des chevaux et des chars. Et le serviteur dit à l'homme de Dieu: Ah! mon seigneur, comment ferons-nous? 16 Il répondit: Ne crains point, car ceux qui sont avec nous sont en plus grand nombre que ceux qui sont avec eux. 17 Élisée pria, et dit: Éternel, ouvre ses yeux, pour qu'il voie. Et l'Éternel ouvrit les yeux du serviteur, qui vit la montagne pleine de chevaux et de chars de feu autour d'Élisée. 18 Les Syriens descendirent vers Élisée. Il adressa alors cette prière à l'Éternel: Daigne frapper d'aveuglement cette nation! Et l'Éternel les frappa d'aveuglement, selon la parole d'Élisée. 19 Élisée leur dit: Ce n'est pas ici le chemin, et ce n'est pas ici la ville; suivez-moi, et je vous conduirai vers l'homme que vous cherchez. Et il les conduisit à Samarie. 20 Lorsqu'ils furent entrés dans Samarie, Élisée dit: Éternel, ouvre les yeux de ces gens, pour qu'ils voient! Et l'Éternel ouvrit leurs yeux, et ils virent qu'ils étaient au milieu de Samarie. 21 Le roi d'Israël, en les voyant, dit à Élisée: Frapperai-je, frapperai-je, mon père? 22 Tu ne frapperas point, répondit Élisée; est-ce que tu frappes ceux que tu fais prisonniers avec ton épée et avec ton arc? Donne-leur du pain et de l'eau, afin qu'ils mangent et boivent; et qu'ils s'en aillent ensuite vers leur maître. 23 Le roi d'Israël leur fit servir un grand repas, et ils mangèrent et burent; puis il les renvoya, et ils s'en allèrent vers leur maître. Et les troupes des Syriens ne revinrent plus sur le territoire d'Israël. 24 Après cela, Ben-Hadad, roi de Syrie, ayant rassemblé toute son armée, monta et assiégea Samarie. 25 Il y eut une grande famine dans Samarie; et ils la serrèrent tellement qu'une tête d'âne valait quatre-vingts sicles d'argent, et le quart d'un kab de fiente de pigeon cinq sicles d'argent. 26 Et comme le roi passait sur la muraille, une femme lui cria: Sauve-moi, ô roi, mon seigneur! 27 Il répondit: Si l'Éternel ne te sauve pas, avec quoi te sauverais-je? avec le produit de l'aire ou du pressoir? 28 Et le roi lui dit: Qu'as-tu? Elle répondit: Cette femme-là m'a dit: Donne ton fils! nous le mangerons aujourd'hui, et demain nous mangerons mon fils. 29 Nous avons fait cuire mon fils, et nous l'avons mangé. Et le jour suivant, je lui ai dit: Donne ton fils, et nous le mangerons. Mais elle a caché son fils. 30 Lorsque le roi entendit les paroles de cette femme, il déchira ses vêtements, en passant sur la muraille; et le peuple vit qu'il avait en dedans un sac sur son corps. 31 Le roi dit: Que Dieu me punisse dans toute sa rigueur, si la tête d'Élisée, fils de Schaphath, reste aujourd'hui sur lui! 32 Or Élisée était assis dans sa maison, et les anciens étaient assis auprès de lui. Le roi envoya quelqu'un devant lui. Mais avant que le messager soit arrivé, Élisée dit aux anciens: Voyez-vous que ce fils d'assassin envoie quelqu'un pour m'ôter la tête? Écoutez! quand le messager viendra, fermez la porte, et repoussez-le avec la porte: le bruit des pas de son maître ne se fait-il pas entendre derrière lui? 33 Il leur parlait encore, et déjà le messager était descendu vers lui, et disait: Voici, ce mal vient de l'Éternel; qu'ai-je à espérer encore de l'Éternel?