T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 25

1 Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema indray ka nitoby tandrifiny; ary nanao tilikambo manodidina azy izy.

2 Ary nataony fahirano ny tanàna hatramin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia mpanjaka.

3 Ary tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an'ny olona tompon-tany.

4 Ary nisy voabanga ny tanana, dia nandositra alina ny miaramila rehetra tamin'ny lalana nankamin'ny vavahady tanelanelan'ny manda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ary ny mpanjaka nandeha tamin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay*.[Heb. Arabà]

5 Ary ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra azy teny amin'ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.

6 Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentina niakatra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla, ka dia notsaraina tao izy.

7 Ary ny zanakalahin'i Zedekia dia novonoiny teo imason-drainy, ary ny mason'i Zedekia kosa nopotsiriny, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona.

8 Ary tamin'ny andro fahafito tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona,

9 ka nandoro ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin'ny afo avokoa.

10 Ary ny manda manodidina an'i Jerosalema dia noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben'ny mpiambina.

11 Ary izay olona sisa tao an-tanana sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona ary ny vahoaka betsaka sisa dia nentin'i Neborazadana, lehiben'ny mpiambina, ho babo avokoa.

12 Nefa ny olona malahelo dia nisy navelany ihany ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.

13 Ary ireo andry varahina teo an-tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe* izay teo an-tranon'i Jehovah dia notorotoroin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina.[Heb. ny ranomasina]

14 Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny antsy sy ny lovia kely ary ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.

15 Ary nentiny koa ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentiny avokoa

16 ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray ary ireo fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.

17 Valo ambin'ny folo hakiho ny hahavon'ny andry iray, ary varahina ny kapitaliny sady telo hakiho ny hahavony; ary varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin'ny kapitaliny manodidina; ary tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin'ny harato.

18 Ary ny lehiben'ny mpiambina nisambotra an'i Seraia mpisoronabe sy zefania, mpisorona manarakaraka, ary mpiandry varavarana koa telo lahy;

19 ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary dimy lahy tamin'izay mpitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy, izay hitany tao an-tanàna;

20 dia nosamborin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla.

21 Dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin'ny taniny.

22 Fa ny amin'ny olona izay sisa tany amin'ny tanin'ny Joda, izay navelan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, no notendreny ho mpanapaka azy.

23 Ary nony ren'ny komandin'ny miaramila rehetra mbamin'ny olom-peheziny avy fa Gedalia no notendren'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ho mpanapaka, dia nankany amin'i Gedalia tany Mizpa Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana, zanak'i Karea, sy Seraia, zanak'i Tanometa Netofatita, ary Jazania, zanak'ilay Makatita, dia ireo sy ny olom-peheziny avy.

24 Ary Gedalia nianiana taminy sy tamin'ny olom-peheziny ka nanao hoe: Aza matahotra ny amin'ny mpanompon'ny Kaldeana, fa mitomoera amin'ny tany, ary manompoa ny mpanjakan'i Babylona, fa izany no hahasoa anareo.

25 Ary tamin'ny volana fahafito, dia avy Isimaela, zanak'i Netania, zanak'i Elisama, isan'ny fianakavian'ny mpanjaka, mbamin'ny olona folo lahy koa ka namely an'i Gedalia, dia nahafaty azy sy ny Jiosy ary ny Kaldeana izay tao aminy tany Mizpa.

26 Ary niainga ny olona rehetra, na kely na lehibe, mbamin'ny komandin'ny miaramila, nankany Egypta, fa natahotra ny Kaldeana izy.

27 Ary tamin'ny andro fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona fahafito amby telo-polo taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia nasandrany* hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.[Heb. nasandratra ny lohany]

28 Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona.

29 Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.

30 Ary ny hanina nohaniny dia hanina nomena avy amin'ny mpanjaka araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany.

 

Chapitre 25

25:1 It happened in the ninth year of his reign, in the tenth month, in the tenth day of the month, that Nebuchadnezzar king of Babylon came, he and all his army, against Jerusalem, and encamped against it; and they built forts against it around it. 25:2 So the city was besieged to the eleventh year of king Zedekiah. 25:3 On the ninth day of the fourth month the famine was severe in the city, so that there was no bread for the people of the land. 25:4 Then a breach was made in the city, and all the men of war fled by night by the way of the gate between the two walls, which was by the king’s garden (now the Chaldeans were against the city around it); and the king went by the way of the Arabah. 25:5 But the army of the Chaldeans pursued after the king, and overtook him in the plains of Jericho; and all his army was scattered from him. 25:6 Then they took the king, and carried him up to the king of Babylon to Riblah; and they gave judgment on him. 25:7 They killed the sons of Zedekiah before his eyes, and put out the eyes of Zedekiah, and bound him in fetters, and carried him to Babylon. 25:8 Now in the fifth month, on the seventh day of the month, which was the nineteenth year of king Nebuchadnezzar, king of Babylon, came Nebuzaradan the captain of the guard, a servant of the king of Babylon, to Jerusalem. 25:9 He burnt the house of Yahweh, and the king’s house; and all the houses of Jerusalem, even every great house, burnt he with fire. 25:10 All the army of the Chaldeans, who were with the captain of the guard, broke down the walls around Jerusalem. 25:11 Nebuzaradan the captain of the guard carried away captive the residue of the people who were left in the city, and those who fell away, who fell to the king of Babylon, and the residue of the multitude. 25:12 But the captain of the guard left some of the poorest of the land to work the vineyards and fields. 25:13 The Chaldeans broke up the pillars of brass that were in the house of Yahweh and the bases and the bronze sea that were in the house of Yahweh, and carried the brass pieces to Babylon. 25:14 They took away the pots, the shovels, the snuffers, the spoons, and all the vessels of brass with which they ministered. 25:15 The captain of the guard took away the fire pans, the basins, that which was of gold, in gold, and that which was of silver, in silver. 25:16 The two pillars, the one sea, and the bases, which Solomon had made for the house of Yahweh, the brass of all these vessels was without weight. 25:17 The height of the one pillar was eighteen cubits, and a capital of brass was on it; and the height of the capital was three cubits, with network and pomegranates on the capital around it, all of brass: and like to these had the second pillar with network. 25:18 The captain of the guard took Seraiah the chief priest, and Zephaniah the second priest, and the three keepers of the threshold: 25:19 and out of the city he took an officer who was set over the men of war; and five men of those who saw the king’s face, who were found in the city; and the scribe, the captain of the army, who mustered the people of the land; and sixty men of the people of the land, who were found in the city. 25:20 Nebuzaradan the captain of the guard took them, and brought them to the king of Babylon to Riblah. 25:21 The king of Babylon struck them, and put them to death at Riblah in the land of Hamath. So Judah was carried away captive out of his land. 25:22 As for the people who were left in the land of Judah, whom Nebuchadnezzar king of Babylon had left, even over them he made Gedaliah the son of Ahikam, the son of Shaphan, governor. 25:23 Now when all the captains of the forces, they and their men, heard that the king of Babylon had made Gedaliah governor, they came to Gedaliah to Mizpah, even Ishmael the son of Nethaniah, and Johanan the son of Kareah, and Seraiah the son of Tanhumeth the Netophathite, and Jaazaniah the son of the Maacathite, they and their men. 25:24 Gedaliah swore to them and to their men, and said to them, “Don’t be afraid because of the servants of the Chaldeans. Dwell in the land, and serve the king of Babylon, and it shall be well with you.”

25:25 But it happened in the seventh month, that Ishmael the son of Nethaniah, the son of Elishama, of the royal seed came, and ten men with him, and struck Gedaliah, so that he died, and the Jews and the Chaldeans that were with him at Mizpah. 25:26 All the people, both small and great, and the captains of the forces, arose, and came to Egypt; for they were afraid of the Chaldeans. 25:27 It happened in the seven and thirtieth year of the captivity of Jehoiachin king of Judah, in the twelfth month, on the seven and twentieth day of the month, that Evilmerodach king of Babylon, in the year that he began to reign, lifted up the head of Jehoiachin king of Judah out of prison; 25:28 and he spoke kindly to him, and set his throne above the throne of the kings who were with him in Babylon, 25:29 and changed his prison garments. Jehoiachin ate bread before him continually all the days of his life: 25:30 and for his allowance, there was a continual allowance given him of the king, every day a portion, all the days of his life.

 

Chapitre 25
1 La neuvième année du règne de Sédécias, le dixième jour du dixième mois, Nebucadnetsar, roi de Babylone, vint avec toute son armée contre Jérusalem; il campa devant elle, et éleva des retranchements tout autour. 2 La ville fut assiégée jusqu'à la onzième année du roi Sédécias. 3 Le neuvième jour du mois, la famine était forte dans la ville, et il n'y avait pas de pain pour le peuple du pays. 4 Alors la brèche fut faite à la ville; et tous les gens de guerre s'enfuirent de nuit par le chemin de la porte entre les deux murs près du jardin du roi, pendant que les Chaldéens environnaient la ville. Les fuyards prirent le chemin de la plaine. 5 Mais l'armée des Chaldéens poursuivit le roi et l'atteignit dans les plaines de Jéricho, et toute son armée se dispersa loin de lui. 6 Ils saisirent le roi, et le firent monter vers le roi de Babylone à Ribla; et l'on prononça contre lui une sentence. 7 Les fils de Sédécias furent égorgés en sa présence; puis on creva les yeux à Sédécias, on le lia avec des chaînes d'airain, et on le mena à Babylone. 8 Le septième jour du cinquième mois, -c'était la dix-neuvième année du règne de Nebucadnetsar, roi de Babylone, -Nebuzaradan, chef des gardes, serviteur du roi de Babylone, entra dans Jérusalem. 9 Il brûla la maison de l'Éternel, la maison du roi, et toutes les maisons de Jérusalem; il livra au feu toutes les maisons de quelque importance. 10 Toute l'armée des Chaldéens, qui était avec le chef des gardes, démolit les murailles formant l'enceinte de Jérusalem. 11 Nebuzaradan, chef des gardes, emmena captifs ceux du peuple qui étaient demeurés dans la ville, ceux qui s'étaient rendus au roi de Babylone, et le reste de la multitude. 12 Cependant le chef des gardes laissa comme vignerons et comme laboureurs quelques-uns des plus pauvres du pays. 13 Les Chaldéens brisèrent les colonnes d'airain qui étaient dans la maison de l'Éternel, les bases, la mer d'airain qui était dans la maison de l'Éternel, et ils en emportèrent l'airain à Babylone. 14 Ils prirent les cendriers, les pelles, les couteaux, les tasses, et tous les ustensiles d'airain avec lesquels on faisait le service. 15 Le chef des gardes prit encore les brasiers et les coupes, ce qui était d'or et ce qui était d'argent. 16 Les deux colonnes, la mer, et les bases, que Salomon avait faites pour la maison de l'Éternel, tous ces ustensiles d'airain avaient un poids inconnu. 17 La hauteur d'une colonne était de dix-huit coudées, et il y avait au-dessus un chapiteau d'airain dont la hauteur était de trois coudées; autour du chapiteau il y avait un treillis et des grenades, le tout d'airain; il en était de même pour la seconde colonne avec le treillis. 18 Le chef des gardes prit Seraja, le souverain sacrificateur, Sophonie, le second sacrificateur, et les trois gardiens du seuil. 19 Et dans la ville il prit un eunuque qui avait sous son commandement les gens de guerre, cinq hommes qui faisaient partie des conseillers du roi et qui furent trouvés dans la ville, le secrétaire du chef de l'armée qui était chargé d'enrôler le peuple du pays, et soixante hommes du peuple du pays qui se trouvèrent dans la ville. 20 Nebuzaradan, chef des gardes, les prit, et les conduisit vers le roi de Babylone à Ribla. 21 Le roi de Babylone les frappa et les fit mourir à Ribla, dans le pays de Hamath. (25:22) Ainsi Juda fut emmené captif loin de son pays. 22 Et Nebucadnetsar, roi de Babylone, plaça le reste du peuple, qu'il laissa dans le pays de Juda, sous le commandement de Guedalia, fils d'Achikam, fils de Schaphan. 23 Lorsque tous les chefs des troupes eurent appris, eux et leurs hommes, que le roi de Babylone avait établi Guedalia pour gouverneur, ils se rendirent auprès de Guedalia à Mitspa, savoir Ismaël, fils de Nethania, Jochanan, fils de Karéach, Seraja, fils de Thanhumeth, de Nethopha, et Jaazania, fils du Maacathien, eux et leurs hommes. 24 Guedalia leur jura, à eux et à leurs hommes, et leur dit: Ne craignez rien de la part des serviteurs des Chaldéens; demeurez dans le pays, servez le roi de Babylone, et vous vous en trouverez bien. 25 Mais au septième mois, Ismaël, fils de Nethania, fils d'Élischama, de la race royale, vint, accompagné de dix hommes, et ils frappèrent mortellement Guedalia, ainsi que les Juifs et les Chaldéens qui étaient avec lui à Mitspa. 26 Alors tout le peuple, depuis le plus petit jusqu'au plus grand, et les chefs des troupes, se levèrent et s'en allèrent en Égypte, parce qu'ils avaient peur des Chaldéens. 27 La trente-septième année de la captivité de Jojakin, roi de Juda, le vingt-septième jour du douzième mois, Évil-Merodac, roi de Babylone, dans la première année de son règne, releva la tête de Jojakin, roi de Juda, et le tira de prison. 28 Il lui parla avec bonté, et il mit son trône au-dessus du trône des rois qui étaient avec lui à Babylone. 29 Il lui fit changer ses vêtements de prison, et Jojakin mangea toujours à sa table tout le temps de sa vie. 30 Le roi pourvut constamment à son entretien journalier tout le temps de sa vie.