T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 24

1 Tamin'ny andro nanjakan'i Joiakima no niakaran'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary nanoa azy telo taona Joiakima, dia nivadika ka niodina taminy.

2 Ary Jehovah nampandeha ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana sy ny miaramilan'i Moaba ary ny miaramilan'ny taranak'i Amona hiady aminy: dia nampandehaniny hiady amin'ny Joda ireo mba handrava azy araka ny tenin'i Jehovah, izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony.

3 Dia araka ny tenin'i Jehovah ihany no nahatongavan'izany tamin'ny Joda, hanesorany azy tsy ho eo imasony noho ny fahotan'i Manase tahaka izay rehetra nataony

4 sy noho ny rà marina izay nalatsany koa; fa nofenoiny rà marina Jerosalema; koa izany no tsy netezan'i Jehovah hamela ny helony.

5 Ary ny tantaran'i Joiakima sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?

6 Ary Joiakima lasa nodimandry any amin'ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.

7 Ary ny mpanjakan'i Egypta tsy nivoaka avy tany amin'ny taniny intsony; fa lasan'ny mpanjakan'i Babylona izay rehetra an'ny mpanjakan'i Egypta hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta ka hatramin'ny ony Eofrata.

*

8 Valo ambin'ny folo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin'i Elnatana, avy any Jerosalema.

9 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon-drainy.

10 Tamin'izany andro izany no niakaran'ny mpanompon'i Nebokadnezara. mpanjakan'i Babylona, hamely an'i Jerosalema, ary nataony fahirano ny tanàna.

11 Dia tonga koa Nebokadnezera, mpanjakan'i Babylona, hamely ny tanàna, raha mbola nanao fahirano azy ny mpanompony.

12 Ary Joiakina, mpanjakan'ny Joda, nivoaka nankany amin'ny mpanjakan'i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin'ny tandapany*;[Heb. ionoka] ary nentin'ny mpanjakan'i Babylona izy tamin'ny taona fahavalo nanjakany.

13 Ary navoakan'i Nebokadnezara avy tao ny rakitra rehetra tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-tranon'ny mpanjaka, dia nendahany ny volamena rehetra izay nataon'i Solomona, mpanjakan'ny Isiraely, tao amin'ny tempolin'i Jehovah, araka izay nolazain'i Jehovah.

14 Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin'ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.

15 Ary nitondra an'i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka sy ny tandapa* sy ny lehilahy mahery amin'ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona.[Heb. ionoka]

16 Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin'ny mpanjakan'i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.

17 Ary Matania, rahalahin-drainy, no notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanjaka hisolo an'i Joiakina, ka novany hoe Zedekia no anarany.

18 [Ny nanjakan'i Zedekia, sy ny nandravana an'i Jerosalema, ary ny toetry ny olona sisa sy Joiakina] Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hamotala, zanakavavin'i Jeremia, avy any Libna.

19 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon'i Joiakima.

20 Fa ny fahatezeran'i Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babylona.

 

Chapitre 24

24:1 In his days Nebuchadnezzar king of Babylon came up, and Jehoiakim became his servant three years: then he turned and rebelled against him. 24:2 Yahweh sent against him bands of the Chaldeans, and bands of the Syrians, and bands of the Moabites, and bands of the children of Ammon, and sent them against Judah to destroy it, according to the word of Yahweh, which he spoke by his servants the prophets. 24:3 Surely at the commandment of Yahweh came this on Judah, to remove them out of his sight, for the sins of Manasseh, according to all that he did, 24:4 and also for the innocent blood that he shed; for he filled Jerusalem with innocent blood: and Yahweh would not pardon. 24:5 Now the rest of the acts of Jehoiakim, and all that he did, aren’t they written in the book of the chronicles of the kings of Judah? 24:6 So Jehoiakim slept with his fathers; and Jehoiachin his son reigned in his place. 24:7 The king of Egypt didn’t come again out of his land any more; for the king of Babylon had taken, from the brook of Egypt to the river Euphrates, all that pertained to the king of Egypt. 24:8 Jehoiachin was eighteen years old when he began to reign; and he reigned in Jerusalem three months: and his mother’s name was Nehushta the daughter of Elnathan of Jerusalem. 24:9 He did that which was evil in the sight of Yahweh, according to all that his father had done. 24:10 At that time the servants of Nebuchadnezzar king of Babylon came up to Jerusalem, and the city was besieged. 24:11 Nebuchadnezzar king of Babylon came to the city, while his servants were besieging it; 24:12 and Jehoiachin the king of Judah went out to the king of Babylon, he, and his mother, and his servants, and his princes, and his officers: and the king of Babylon took him in the eighth year of his reign. 24:13 He carried out there all the treasures of the house of Yahweh, and the treasures of the king’s house, and cut in pieces all the vessels of gold, which Solomon king of Israel had made in Yahweh’s temple, as Yahweh had said. 24:14 He carried away all Jerusalem, and all the princes, and all the mighty men of valor, even ten thousand captives, and all the craftsmen and the smiths; none remained, except the poorest sort of the people of the land. 24:15 He carried away Jehoiachin to Babylon; and the king’s mother, and the king’s wives, and his officers, and the chief men of the land, carried he into captivity from Jerusalem to Babylon. 24:16 All the men of might, even seven thousand, and the craftsmen and the smiths one thousand, all of them strong and apt for war, even them the king of Babylon brought captive to Babylon. 24:17 The king of Babylon made Mattaniah, Jehoiachin’s father’s brother, king is his place, and changed his name to Zedekiah. 24:18 Zedekiah was twenty-one years old when he began to reign; and he reigned eleven years in Jerusalem: and his mother’s name was Hamutal the daughter of Jeremiah of Libnah. 24:19 He did that which was evil in the sight of Yahweh, according to all that Jehoiakim had done. 24:20 For through the anger of Yahweh, it happened in Jerusalem and Judah, until he had cast them out from his presence. Zedekiah rebelled against the king of Babylon.

 

Chapitre 24
1 De son temps, Nebucadnetsar, roi de Babylone, se mit en campagne. Jojakim lui fut assujetti pendant trois ans; mais il se révolta de nouveau contre lui. 2 Alors l'Éternel envoya contre Jojakim des troupes de Chaldéens, des troupes de Syriens, des troupes de Moabites et des troupes d'Ammonites; il les envoya contre Juda pour le détruire, selon la parole que l'Éternel avait prononcée par ses serviteurs les prophètes. 3 Cela arriva uniquement sur l'ordre de l'Éternel, qui voulait ôter Juda de devant sa face, à cause de tous les péchés commis par Manassé, 4 et à cause du sang innocent qu'avait répandu Manassé et dont il avait rempli Jérusalem. Aussi l'Éternel ne voulut-il point pardonner. 5 Le reste des actions de Jojakim, et tout ce qu'il a fait, cela n'est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois de Juda? 6 Jojakim se coucha avec ses pères. Et Jojakin, son fils, régna à sa place. 7 Le roi d'Égypte ne sortit plus de son pays, car le roi de Babylone avait pris tout ce qui était au roi d'Égypte depuis le torrent d'Égypte jusqu'au fleuve de l'Euphrate. 8 Jojakin avait dix-huit ans lorsqu'il devint roi, et il régna trois mois à Jérusalem. Sa mère s'appelait Nehuschtha, fille d'Elnathan, de Jérusalem. 9 Il fit ce qui est mal aux yeux de l'Éternel, entièrement comme avait fait son père. 10 En ce temps-là, les serviteurs de Nebucadnetsar, roi de Babylone, montèrent contre Jérusalem, et la ville fut assiégée. 11 Nebucadnetsar, roi de Babylone, arriva devant la ville pendant que ses serviteurs l'assiégeaient. 12 Alors Jojakin, roi de Juda, se rendit auprès du roi de Babylone, avec sa mère, ses serviteurs, ses chefs et ses eunuques. Et le roi de Babylone le fit prisonnier, la huitième année de son règne. 13 Il tira de là tous les trésors de la maison de l'Éternel et les trésors de la maison du roi; et il brisa tous les ustensiles d'or que Salomon, roi d'Israël, avait faits dans le temple de l'Éternel, comme l'Éternel l'avait prononcé. 14 Il emmena en captivité tout Jérusalem, tous les chefs et tous les hommes vaillants, au nombre de dix mille exilés, avec tous les charpentiers et les serruriers: il ne resta que le peuple pauvre du pays. 15 Il transporta Jojakin à Babylone; et il emmena captifs de Jérusalem à Babylone la mère du roi, les femmes du roi et ses eunuques, et les grands du pays, 16 tous les guerriers au nombre de sept mille, et les charpentiers et les serruriers au nombre de mille, tous hommes vaillants et propres à la guerre. Le roi de Babylone les emmena captifs à Babylone. 17 Et le roi de Babylone établit roi, à la place de Jojakin, Matthania, son oncle, dont il changea le nom en celui de Sédécias. 18 Sédécias avait vingt et un ans lorsqu'il devint roi, et il régna onze ans à Jérusalem. Sa mère s'appelait Hamuthal, fille de Jérémie, de Libna. 19 Il fit ce qui est mal aux yeux de l'Éternel, entièrement comme avait fait Jojakim. 20 Et cela arriva à cause de la colère de l'Éternel contre Jérusalem et contre Juda, qu'il voulait rejeter de devant sa face. Et Sédécias se révolta contre le roi de Babylone.