T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 22

1 [Ny niandohan'ny nanjakan'i Josia, sy ny nanamboarany ny tempoly, ary ny amin'ny nahirana ny Bokin'ny Lalàna] Valo taona Josia, fony vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jedida, zanakavavin'i Adaia, avy any Bozkata.

2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah kosa izy ka nandeha tamin'izay rehetra nalehan'i Davida rainy, fa tsy mba nivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.

3 Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka, dia naniraka an'i Safana mpanoratra, zanak'i Azalia, zanak'i Mesolama, izy ho any an-tranon'i Jehovah ka nanao hoe:

4 Miakara any amin'i Hilkia mpisoronabe, hanisany ny vola izay nampidirina ho ao an-tranon'i Jehovah, dia izay nangonin'ny mpiandry varavarana tamin'ny olona;

5 ary aoka hatolony ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah izany; ary aoka homen'ireo ho an'ny mpiasa izay ao an-tranon'i Jehovah hanamboarany ny simba amin'ny trano,

6 dia ho an'ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ny mpipaika, dia hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny trano.

7 Kanefa tsy nampamoahina ny amin'ny vola natolotra teo an-tànany ireo, fa nahatoky izy.

8 Dia hoy Hilkia mpisoronabe tamin'i Safana mpanoratra: Ny bokin'ny lalàna dia hitako tao an-tranon'i Jehovah. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky ka novakiny.

9 Ary Safana mpanoratra niverina ho any amin'ny mpanjaka nitondra valiny nanao hoe: Ny mpanomponao dia efa nandrotsaka ny vola izay azo tao an-trano ka nanolotra azy teo an-tànan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah.

10 Ary Safana mpanoratra nilaza koa tamin'ny mpanjaka hoe: Misy boky nomen'i Hilkia mpisorona ahy. Dia novakin'i Safana teo anatrehan'ny mpanjaka ny boky.

11 Ary rehefa ren'ny mpanjaka ny teny tao amin'ilay bokin'ny lalàna, dia nandriatra ny fitafiany izy.

12 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Hilkia mpisorona sy Ahikama, zanak'i Safana, sy Akbora, zanak'i Mikaia, sy Safana mpanoratra ary Asaia, mpanompon'andriana, hoe:

13 Mandehana ianareo, ka manontania amin'i Jehovah ho ahy sy ny vahoaka mbamin'ny Joda rehetra ny amin'ny tenin'ity boky vao hita ity, fa mafy ny fahatezeran'i Jehovah izay mirehitra amintsika noho ny tsy nihainoan'ny razantsika ny tenin'ity boky ity hanao araka izay rehetra voasoratra ho antsika.

14 Dia nandeha Hilkia mpisorona sy Ahikama sy Akbora sy Safana ary Asaia ka nankany amin'i Holda mpaminanivavy, vadin'i Saloma, zanak'i Tikva, zanak'i Harasa, mpitahiry ny fitafiana (fa nitoetra tao amin'ny tanàna ambany tany Jerosalema ravehivavy); dia niresaka taminy izy ireo.

15 Ary hoy ravehivavy taminy Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Lazao amin'ny lehilahy izay naniraka anareo ho atỳ amiko hoe:

16 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity tanàna ity sy amin'ny mponina eto, dia araka izay rehetra lazain'ny boky novakin'ny mpanjakan'ny Joda.

17 Satria nahafoy Ahy izy ary nandoro ditin-kazo manitra tamin'izay andriamani-kafa ka nampahatezitra Ahy amin'izay rehetra nataon'ny tànany, dia mirehitra amin'ity tanàna ity ny fahatezerako ka tsy hosakanana.

18 Fa ny amin'ny mpanjakan'ny Joda izay naniraka anareo hanontany amin'i Jehovah kosa anefa, dia ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ny teny izay novakinao,

19 satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan'i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin'izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako ianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah.

20 Koa, indro, hangoniko any amin'ny razanao ianao ary hangonina any amin'ny fasanao amin'ny fiadanana; ary ny masonao tsy mba hahita izay loza rehetra ho entiko mamaly ity tanàna ity. Dia nitondra valiny ho any amin'ny mpanjaka izy ireo.

 

Chapitre 22

22:1 Josiah was eight years old when he began to reign; and he reigned thirty-one years in Jerusalem: and his mother’s name was Jedidah the daughter of Adaiah of Bozkath. 22:2 He did that which was right in the eyes of Yahweh, and walked in all the way of David his father, and didn’t turn aside to the right hand or to the left. 22:3 It happened in the eighteenth year of king Josiah, that the king sent Shaphan, the son of Azaliah the son of Meshullam, the scribe, to the house of Yahweh, saying, 22:4 “Go up to Hilkiah the high priest, that he may sum the money which is brought into the house of Yahweh, which the keepers of the threshold have gathered of the people. 22:5 Let them deliver it into the hand of the workmen who have the oversight of the house of Yahweh; and let them give it to the workmen who are in the house of Yahweh, to repair the breaches of the house, 22:6 to the carpenters, and to the builders, and to the masons, and for buying timber and cut stone to repair the house. 22:7 However there was no accounting made with them of the money that was delivered into their hand; for they dealt faithfully.”

22:8 Hilkiah the high priest said to Shaphan the scribe, “I have found the book of the law in the house of Yahweh.” Hilkiah delivered the book to Shaphan, and he read it. 22:9 Shaphan the scribe came to the king, and brought the king word again, and said, “Your servants have emptied out the money that was found in the house, and have delivered it into the hand of the workmen who have the oversight of the house of Yahweh.” 22:10 Shaphan the scribe told the king, saying, “Hilkiah the priest has delivered a book to me.” Shaphan read it before the king. 22:11 It happened, when the king had heard the words of the book of the law, that he tore his clothes. 22:12 The king commanded Hilkiah the priest, and Ahikam the son of Shaphan, and Achbor the son of Micaiah, and Shaphan the scribe, and Asaiah the king’s servant, saying, 22:13 “Go inquire of Yahweh for me, and for the people, and for all Judah, concerning the words of this book that is found; for great is the wrath of Yahweh that is kindled against us, because our fathers have not listened to the words of this book, to do according to all that which is written concerning us.”

22:14 So Hilkiah the priest, and Ahikam, and Achbor, and Shaphan, and Asaiah, went to Huldah the prophetess, the wife of Shallum the son of Tikvah, the son of Harhas, keeper of the wardrobe (now she lived in Jerusalem in the second quarter); and they talked with her. 22:15 She said to them, “Thus says Yahweh, the God of Israel: ‘Tell the man who sent you to me, 22:16 “Thus says Yahweh, ‘Behold, I will bring evil on this place, and on its inhabitants, even all the words of the book which the king of Judah has read. 22:17 Because they have forsaken me, and have burned incense to other gods, that they might provoke me to anger with all the work of their hands, therefore my wrath shall be kindled against this place, and it shall not be quenched.’” 22:18 But to the king of Judah, who sent you to inquire of Yahweh, thus you shall tell him, “Thus says Yahweh, the God of Israel: ‘Concerning the words which you have heard, 22:19 because your heart was tender, and you humbled yourself before Yahweh, when you heard what I spoke against this place, and against its inhabitants, that they should become a desolation and a curse, and have torn your clothes, and wept before me; I also have heard you,’ says Yahweh. 22:20 ‘Therefore behold, I will gather you to your fathers, and you shall be gathered to your grave in peace, neither shall your eyes see all the evil which I will bring on this place.’”’” They brought back this message to the king.

 

Chapitre 22

1 Josias avait huit ans lorsqu'il devint roi, et il régna trente et un ans à Jérusalem. Sa mère s'appelait Jedida, fille d'Adaja, de Botskath. 2 Il fit ce qui est droit aux yeux de l'Éternel, et il marcha dans toute la voie de David, son père; il ne s'en détourna ni à droite ni à gauche. 3 La dix-huitième année du roi Josias, le roi envoya dans la maison de l'Éternel Schaphan, le secrétaire, fils d'Atsalia, fils de Meschullam. (22:4) Il lui dit: 4 Monte vers Hilkija, le souverain sacrificateur, et qu'il amasse l'argent qui a été apporté dans la maison de l'Éternel et que ceux qui ont la garde du seuil ont recueilli du peuple. 5 On remettra cet argent entre les mains de ceux qui sont chargés de faire exécuter l'ouvrage dans la maison de l'Éternel. Et ils l'emploieront pour ceux qui travaillent aux réparations de la maison de l'Éternel, 6 pour les charpentiers, les manoeuvres et les maçons, pour les achats de bois et de pierres de taille nécessaires aux réparations de la maison. 7 Mais on ne leur demandera pas de compte pour l'argent remis entre leurs mains, car ils agissent avec probité. 8 Alors Hilkija, le souverain sacrificateur, dit à Schaphan, le secrétaire: J'ai trouvé le livre de la loi dans la maison de l'Éternel. Et Hilkija donna le livre à Schaphan, et Schaphan le lut. 9 Puis Schaphan, le secrétaire, alla rendre compte au roi, et dit: Tes serviteurs ont amassé l'argent qui se trouvait dans la maison, et l'ont remis entre les mains de ceux qui sont chargés de faire exécuter l'ouvrage dans la maison de l'Éternel. 10 Schaphan, le secrétaire, dit encore au roi: Le sacrificateur Hilkija m'a donné un livre. Et Schaphan le lut devant le roi. 11 Lorsque le roi entendit les paroles du livre de la loi, il déchira ses vêtements. 12 Et le roi donna cet ordre au sacrificateur Hilkija, à Achikam, fils de Schaphan, à Acbor, fils de Michée, à Schaphan, le secrétaire, et à Asaja, serviteur du roi: 13 Allez, consultez l'Éternel pour moi, pour le peuple, et pour tout Juda, au sujet des paroles de ce livre qu'on a trouvé; car grande est la colère de l'Éternel, qui s'est enflammée contre nous, parce que nos pères n'ont point obéi aux paroles de ce livre et n'ont point mis en pratique tout ce qui nous y est prescrit. 14 Le sacrificateur Hilkija, Achikam, Acbor, Schaphan et Asaja, allèrent auprès de la prophétesse Hulda, femme de Schallum, fils de Thikva, fils de Harhas, gardien des vêtements. Elle habitait à Jérusalem, dans l'autre quartier de la ville. (22:15) Après qu'ils lui eurent parlé, 15 elle leur dit: Ainsi parle l'Éternel, le Dieu d'Israël: Dites à l'homme qui vous a envoyés vers moi: 16 Ainsi parle l'Éternel: Voici, je vais faire venir des malheurs sur ce lieu et sur ses habitants, selon toutes les paroles du livre qu'a lu le roi de Juda. 17 Parce qu'ils m'ont abandonné et qu'ils ont offert des parfums à d'autres dieux, afin de m'irriter par tous les ouvrages de leurs mains, ma colère s'est enflammée contre ce lieu, et elle ne s'éteindra point. 18 Mais vous direz au roi de Juda, qui vous a envoyés pour consulter l'Éternel: Ainsi parle l'Éternel, le Dieu d'Israël, au sujet des paroles que tu as entendues: 19 Parce que ton coeur a été touché, parce que tu t'es humilié devant l'Éternel en entendant ce que j'ai prononcé contre ce lieu et contre ses habitants, qui seront un objet d'épouvante et de malédiction, et parce que tu as déchiré tes vêtements et que tu as pleuré devant moi, moi aussi, j'ai entendu, dit l'Éternel. 20 C'est pourquoi, voici, je te recueillerai auprès de tes pères, tu seras recueilli en paix dans ton sépulcre, et tes yeux ne verront pas tous les malheurs que je ferai venir sur ce lieu. Ils rapportèrent au roi cette réponse.