| Chapitre 16 1 [Ny nanjakan'i Ahaza tamin'ny Joda] Tamin'ny taona fahafito ambin'ny folo nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, no vao nanjakan'i Ahaza, zanak'i Jotama, mpanjakan'ny Joda. 2 Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary tsy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny nataon'i Davida rainy izy; 3 fa nandeha tamin'ny lalan'ny mpanjakan'ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan'ny jentilisa izay noroahin'i Jehovah tsy ho eo anoloan'ny Zanak'Isiraely. 4 Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo sy teny amin'ny havoana ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra. 5 Ary tamin'izany dia niakatra hanafika an'i Jerosalema Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely; ary nanao fahirano an'i Ahaza izy, nefa tsy naharesy azy. 6 Tamin'izany andro izany Rezina, mpanjakan'i Syria, dia nahalasa an'i Elota ho isan'ny fanjakan'i Syria ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota ka monina ao mandraka androany. 7 Ary Ahaza naniraka olona ho any amin'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon'ny mpanjakan'i Syria sy ny mpanjakan'ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko. 8 Ary nalain'i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an'ny mpanjakan'i Asyria. 9 Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan'i Asyria ka niakatra hamely an'i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny. 10 Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an'i Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin'i Oria mpisorona. 11 Ary Oria mpisorona dia nanao alitara: araka ny marika rehetra nampitondrain'i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan'i Oria mpisorona azy mandra-pihavin'i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy. 12 Ary nony tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona ka nanatitra fanatitra teo amboniny. 13 Ary nandoro ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hohaniny teo izy ary nanidina ny fanatitra aidiny sady nanopy ny ran'ny fanati-pihavanany tamin'ny alitara. 14 Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan'ny trano dia eo anelanelan'ny alitara vaovao sy ny tranon'i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany. 15 Ary Ahaza mpanjaka nandidy an'i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin'ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin'ny fanatitra hohanina izay ho an'ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an'ny vahoaka rehetra ary ny rà rehetra avy amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-drà hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin'ny alitara varahina dia mbola hataoko fanontanian-javatra 16 Ary Oria mpisorona dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Ahaza mpanjaka. 17 Ary nesorin'i Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe* dia nampidininy niala tamin'ireo omby varahina: izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato.[Heb. ranomasina] 18 Ary ny Fialofana tamin'ny Sabata, izay natao teo akaikin'ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an'ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon'i Jehovah noho ny tahony ny mpanjakan'i Asyria. 19 Ary ny tantaran'i Ahaza sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany? 20 Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy.
| | Chapitre 16 16:1 In the seventeenth year of Pekah the son of Remaliah Ahaz the son of Jotham king of Judah began to reign. 16:2 Twenty years old was Ahaz when he began to reign; and he reigned sixteen years in Jerusalem: and he didn’t do that which was right in the eyes of Yahweh his God, like David his father. 16:3 But he walked in the way of the kings of Israel, yes, and made his son to pass through the fire, according to the abominations of the nations, whom Yahweh cast out from before the children of Israel. 16:4 He sacrificed and burnt incense in the high places, and on the hills, and under every green tree. 16:5 Then Rezin king of Syria and Pekah son of Remaliah king of Israel came up to Jerusalem to war: and they besieged Ahaz, but could not overcome him. 16:6 At that time Rezin king of Syria recovered Elath to Syria, and drove the Jews from Elath; and the Syrians came to Elath, and lived there, to this day. 16:7 So Ahaz sent messengers to Tiglath Pileser king of Assyria, saying, “I am your servant and your son. Come up, and save me out of the hand of the king of Syria, and out of the hand of the king of Israel, who rise up against me.” 16:8 Ahaz took the silver and gold that was found in the house of Yahweh, and in the treasures of the king’s house, and sent it for a present to the king of Assyria. 16:9 The king of Assyria listened to him; and the king of Assyria went up against Damascus, and took it, and carried its people captive to Kir, and killed Rezin. 16:10 King Ahaz went to Damascus to meet Tiglath Pileser king of Assyria, and saw the altar that was at Damascus; and king Ahaz sent to Urijah the priest the fashion of the altar, and its pattern, according to all its workmanship. 16:11 Urijah the priest built an altar: according to all that king Ahaz had sent from Damascus, so Urijah the priest made it for the coming of king Ahaz from Damascus. 16:12 When the king had come from Damascus, the king saw the altar: and the king drew near to the altar, and offered on it. 16:13 He burnt his burnt offering and his meal offering, and poured his drink offering, and sprinkled the blood of his peace offerings, on the altar. 16:14 The bronze altar, which was before Yahweh, he brought from the forefront of the house, from between his altar and the house of Yahweh, and put it on the north side of his altar. 16:15 King Ahaz commanded Urijah the priest, saying, “On the great altar burn the morning burnt offering, and the evening meal offering, and the king’s burnt offering, and his meal offering, with the burnt offering of all the people of the land, and their meal offering, and their drink offerings; and sprinkle on it all the blood of the burnt offering, and all the blood of the sacrifice; but the bronze altar shall be for me to inquire by.” 16:16 Urijah the priest did so, according to all that king Ahaz commanded. 16:17 King Ahaz cut off the panels of the bases, and removed the basin from off them, and took down the sea from off the bronze oxen that were under it, and put it on a pavement of stone. 16:18 The covered way for the Sabbath that they had built in the house, and the king’s entry outside, turned he to the house of Yahweh, because of the king of Assyria. 16:19 Now the rest of the acts of Ahaz which he did, aren’t they written in the book of the chronicles of the kings of Judah? 16:20 Ahaz slept with his fathers, and was buried with his fathers in the city of David: and Hezekiah his son reigned in his place.
| | Chapitre 16 1 La dix-septième année de Pékach, fils de Remalia, Achaz, fils de Jotham, roi de Juda, régna. 2 Achaz avait vingt ans lorsqu'il devint roi, et il régna seize ans à Jérusalem. Il ne fit point ce qui est droit aux yeux de l'Éternel, son Dieu, comme avait fait David, son père. 3 Il marcha dans la voie des rois d'Israël; et même il fit passer son fils par le feu, suivant les abominations des nations que l'Éternel avait chassées devant les enfants d'Israël. 4 Il offrait des sacrifices et des parfums sur les hauts lieux, sur les collines et sous tout arbre vert. 5 Alors Retsin, roi de Syrie, et Pékach, fils de Remalia, roi d'Israël, montèrent contre Jérusalem pour l'attaquer. Ils assiégèrent Achaz; mais ils ne purent pas le vaincre. 6 Dans ce même temps, Retsin, roi de Syrie, fit rentrer Élath au pouvoir des Syriens; il expulsa d'Élath les Juifs, et les Syriens vinrent à Élath, où ils ont habité jusqu'à ce jour. 7 Achaz envoya des messagers à Tiglath-Piléser, roi d'Assyrie, pour lui dire: Je suis ton serviteur et ton fils; monte, et délivre-moi de la main du roi de Syrie et de la main du roi d'Israël, qui s'élèvent contre moi. 8 Et Achaz prit l'argent et l'or qui se trouvaient dans la maison de l'Éternel et dans les trésors de la maison du roi, et il l'envoya en présent au roi d'Assyrie. 9 Le roi d'Assyrie l'écouta; il monta contre Damas, la prit, emmena les habitants en captivité à Kir, et fit mourir Retsin. 10 Le roi Achaz se rendit à Damas au-devant de Tiglath-Piléser, roi d'Assyrie. Et ayant vu l'autel qui était à Damas, le roi Achaz envoya au sacrificateur Urie le modèle et la forme exacte de cet autel. 11 Le sacrificateur Urie construisit un autel entièrement d'après le modèle envoyé de Damas par le roi Achaz, et le sacrificateur Urie le fit avant que le roi Achaz fût de retour de Damas. 12 A son arrivée de Damas, le roi vit l'autel, s'en approcha et y monta: 13 il fit brûler son holocauste et son offrande, versa ses libations, et répandit sur l'autel le sang de ses sacrifices d'actions de grâces. 14 Il éloigna de la face de la maison l'autel d'airain qui était devant l'Éternel, afin qu'il ne fût pas entre le nouvel autel et la maison de l'Éternel; et il le plaça à côté du nouvel autel, vers le nord. 15 Et le roi Achaz donna cet ordre au sacrificateur Urie: Fais brûler sur le grand autel l'holocauste du matin et l'offrande du soir, l'holocauste du roi et son offrande, les holocaustes de tout le peuple du pays et leurs offrandes, verses-y leurs libations, et répands-y tout le sang des holocaustes et tout le sang des sacrifices; pour ce qui concerne l'autel d'airain, je m'en occuperai. 16 Le sacrificateur Urie se conforma à tout ce que le roi Achaz avait ordonné. 17 Et le roi Achaz brisa les panneaux des bases, et en ôta les bassins qui étaient dessus. Il descendit la mer de dessus les boeufs d'airain qui étaient sous elle, et il la posa sur un pavé de pierres. 18 Il changea dans la maison de l'Éternel, à cause du roi d'Assyrie, le portique du sabbat qu'on y avait bâti et l'entrée extérieure du roi. 19 Le reste des actions d'Achaz, et tout ce qu'il a fait, cela n'est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois de Juda? 20 Achaz se coucha avec ses pères, et il fut enterré avec ses pères dans la ville de David. Et Ézéchias, son fils, régna à sa place. | |