T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 13

1 [Ny nanjakan'i Joahaza sy Joasy zanany tamin'ny Isiraely, ary ny nahafatesan'i Elisa] Tamin'ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Joasy, zanak'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joahaza, zanak'i Jeho, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka fito ambin'ny folo taona izy.

2 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nanaraka ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely; tsy niala tamin'izany izy.

3 Ary ny fahatezeran'i Jehovah nirehitra tamin'ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, sy teo an-tanan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, mandrakariva izy.

4 Ary Joahaza nifona tamin'i Jehovah, dia nohenoin'i Jehovah izy, satria hitany ny fahorian'ny Isiraely, fa nampahory azy ny mpanjakan'i Syria.

5 Ary Jehovah nanome mpamonjy ho amin'ny Isiraely, ka dia afaka tamin'ny tanan'ny Syriana izy; ary nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak'Isiraely.

6 Kanefa tsy niala tamin'ny fahotan'ny taranak'i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin'izany ihany, ary na dia ilay Aseraha* aza dia mbola tao Samaria ihany.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]

7 Fa tsy nisy sisa navelan'i Jehovah ho an'i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan'i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.

8 Ary ny tantaran'i Joahaza sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?

9 Ary Joahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany no nanjaka nandimby azy.

*

10 Tamin'ny taona fahafito amby telo-polo nanjakan'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina ambin'ny folo taona izy.

11 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy; fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha tamin'izany ihany izy.

12 Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?

13 Ary Joasy lasa nodi-mandry any amin'ny razany, ary Jeroboama nipetraka tamin'ny seza fiandrianany; ary Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely.

*

14 Ary Elisa dia nararin'ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin'ny tavan'i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, ny kalesin'ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!

15 Ary hoy Elisa taminy: Makà tsipìka sy zana-tsipìka. Ary dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.

16 Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Henjano ny tsipìka. Dia nohenjaniny; ary Elisa nametraka ny tànany teo amin'ny tanan'ny mpanjaka.

17 Ary hoy izy: Vohay ny varavarankely atsinanana. Ary dia novohany. Dia hoy Elisa: Alefao. Ka dia nalefany. Ary hoy izy: Zana-tsipìkan'ny famonjen'i Jehovah, dia zana-tsipìkan'ny famonjena hahavoa ny Syriana! fa hamely ny Syriana ao Afeka ianao mandra-pandringanao azy.

18 Ary hoy koa izy: Raiso ny zana-tsipìka. Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Kapohy ny tany. Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.

19 Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.

 

20 Ary dia maty Elisa ka nalevina. Ary ny mpitoha adin'ny Moabita nananika ny tany amin'ny fitsingerenan'ny taona.

21 Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan'i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin'ny taolan'i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin'ny tongony.

*

22 Ary Hazaela, mpanjakan'i Syria, nampahory ny Isiraely tamin'ny andro rehetra nanjakan'i Joahaza.

23 Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.

24 Ary maty Hazaela, mpanjakan'i Syria; ary Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy.

25 Ary Joasy, zanak'i Joahaza, naka indray teo an-tànan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain'i Hazaela teo an-tànan'i Joahaza, rain'i Joasy, tamin'ny ady. Intelo no nandresen'i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan'ny Isiraely.

 

Chapitre 13

13:1 In the three and twentieth year of Joash the son of Ahaziah, king of Judah, Jehoahaz the son of Jehu began to reign over Israel in Samaria for seventeen years. 13:2 He did that which was evil in the sight of Yahweh, and followed the sins of Jeroboam the son of Nebat, with which he made Israel to sin; he didn’t depart from it. 13:3 The anger of Yahweh was kindled against Israel, and he delivered them into the hand of Hazael king of Syria, and into the hand of Benhadad the son of Hazael, continually. 13:4 Jehoahaz begged Yahweh, and Yahweh listened to him; for he saw the oppression of Israel, how that the king of Syria oppressed them. 13:5 (Yahweh gave Israel a savior, so that they went out from under the hand of the Syrians; and the children of Israel lived in their tents as before. 13:6 Nevertheless they didn’t depart from the sins of the house of Jeroboam, with which he made Israel to sin, but walked therein: and there remained the Asherah also in Samaria.) 13:7 For he didn’t leave to Jehoahaz of the people any more than fifty horsemen, and ten chariots, and ten thousand footmen; for the king of Syria destroyed them, and made them like the dust in threshing. 13:8 Now the rest of the acts of Jehoahaz, and all that he did, and his might, aren’t they written in the book of the chronicles of the kings of Israel? 13:9 Jehoahaz slept with his fathers; and they buried him in Samaria: and Joash his son reigned in his place. 13:10 In the thirty-seventh year of Joash king of Judah, Jehoash the son of Jehoahaz began to reign over Israel in Samaria for sixteen years. 13:11 He did that which was evil in the sight of Yahweh; he didn’t depart from all the sins of Jeroboam the son of Nebat, with which he made Israel to sin; but he walked therein. 13:12 Now the rest of the acts of Joash, and all that he did, and his might with which he fought against Amaziah king of Judah, aren’t they written in the book of the chronicles of the kings of Israel? 13:13 Joash slept with his fathers; and Jeroboam sat on his throne: and Joash was buried in Samaria with the kings of Israel. 13:14 Now Elisha was fallen sick of his sickness of which he died: and Joash the king of Israel came down to him, and wept over him, and said, “My father, my father, the chariots of Israel and its horsemen!”

13:15 Elisha said to him, “Take bow and arrows”; and he took to him bow and arrows. 13:16 He said to the king of Israel, “Put your hand on the bow”; and he put his hand on it. Elisha laid his hands on the king’s hands. 13:17 He said, “Open the window eastward”; and he opened it. Then Elisha said, “Shoot!” and he shot. He said, “Yahweh’s arrow of victory, even the arrow of victory over Syria; for you shall strike the Syrians in Aphek, until you have consumed them.”

13:18 He said, “Take the arrows”; and he took them. He said to the king of Israel, “Strike the ground”; and he struck three times, and stopped. 13:19 The man of God was angry with him, and said, “You should have struck five or six times. Then you would have struck Syria until you had consumed it, whereas now you shall strike Syria just three times.”

13:20 Elisha died, and they buried him. Now the bands of the Moabites invaded the land at the coming in of the year. 13:21 It happened, as they were burying a man, that behold, they spied a band; and they cast the man into the tomb of Elisha: and as soon as the man touched the bones of Elisha, he revived, and stood up on his feet. 13:22 Hazael king of Syria oppressed Israel all the days of Jehoahaz. 13:23 But Yahweh was gracious to them, and had compassion on them, and had respect to them, because of his covenant with Abraham, Isaac, and Jacob, and would not destroy them, neither cast he them from his presence as yet. 13:24 Hazael king of Syria died; and Benhadad his son reigned in his place. 13:25 Jehoash the son of Jehoahaz took again out of the hand of Benhadad the son of Hazael the cities which he had taken out of the hand of Jehoahaz his father by war. Joash struck him three times, and recovered the cities of Israel.

 

Chapitre 13
1 La vingt-troisième année de Joas, fils d'Achazia, roi de Juda, Joachaz, fils de Jéhu, régna sur Israël à Samarie. Il régna dix-sept ans. 2 Il fit ce qui est mal aux yeux de l'Éternel; il commit les mêmes péchés que Jéroboam, fils de Nebath, qui avait fait pécher Israël, et il ne s'en détourna point. 3 La colère de l'Éternel s'enflamma contre Israël, et il les livra entre les mains de Hazaël, roi de Syrie, et entre les mains de Ben-Hadad, fils de Hazaël, tout le temps que ces rois vécurent. 4 Joachaz implora l'Éternel. L'Éternel l'exauça, car il vit l'oppression sous laquelle le roi de Syrie tenait Israël, 5 et l'Éternel donna un libérateur à Israël. Les enfants d'Israël échappèrent aux mains des Syriens, et ils habitèrent dans leurs tentes comme auparavant. 6 Mais ils ne se détournèrent point des péchés de la maison de Jéroboam, qui avait fait pécher Israël; ils s'y livrèrent aussi, et même l'idole d'Astarté était debout à Samarie. 7 De tout le peuple de Joachaz l'Éternel ne lui avait laissé que cinquante cavaliers, dix chars, et dix mille hommes de pied; car le roi de Syrie les avait fait périr et les avait rendus semblables à la poussière qu'on foule aux pieds. 8 Le reste des actions de Joachaz, tout ce qu'il a fait, et ses exploits, cela n'est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois d'Israël? 9 Joachaz se coucha avec ses pères, et on l'enterra à Samarie. Et Joas, son fils, régna à sa place. 10 La trente-septième année de Joas, roi de Juda, Joas, fils de Joachaz, régna sur Israël à Samarie. Il régna seize ans. 11 Il fit ce qui est mal aux yeux de l'Éternel; il ne se détourna d'aucun des péchés de Jéroboam, fils de Nebath, qui avait fait pécher Israël, et il s'y livra comme lui. 12 Le reste des actions de Joas, tout ce qu'il a fait, ses exploits, et la guerre qu'il eut avec Amatsia, roi de Juda, cela n'est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois d'Israël? 13 Joas se coucha avec ses pères. Et Jéroboam s'assit sur son trône. Joas fut enterré à Samarie avec les rois d'Israël. 14 Élisée était atteint de la maladie dont il mourut; et Joas, roi d'Israël, descendit vers lui, pleura sur son visage, et dit: Mon père! mon père! Char d'Israël et sa cavalerie! 15 Élisée lui dit: Prends un arc et des flèches. Et il prit un arc et des flèches. 16 Puis Élisée dit au roi d'Israël: Bande l'arc avec ta main. Et quand il l'eut bandé de sa main, Élisée mit ses mains sur les mains du roi, 17 et il dit: Ouvre la fenêtre à l'orient. Et il l'ouvrit. Élisée dit: Tire. Et il tira. Élisée dit: C'est une flèche de délivrance de la part de l'Éternel, une flèche de délivrance contre les Syriens; tu battras les Syriens à Aphek jusqu'à leur extermination. 18 Élisée dit encore: Prends les flèches. Et il les prit. Élisée dit au roi d'Israël: Frappe contre terre. Et il frappa trois fois, et s'arrêta. 19 L'homme de Dieu s'irrita contre lui, et dit: Il fallait frapper cinq ou six fois; alors tu aurais battu les Syriens jusqu'à leur extermination; maintenant tu les battras trois fois. 20 Élisée mourut, et on l'enterra. L'année suivante, des troupes de Moabites pénétrèrent dans le pays. 21 Et comme on enterrait un homme, voici, on aperçut une de ces troupes, et l'on jeta l'homme dans le sépulcre d'Élisée. L'homme alla toucher les os d'Élisée, et il reprit vie et se leva sur ses pieds. 22 Hazaël, roi de Syrie, avait opprimé Israël pendant toute la vie de Joachaz. 23 Mais l'Éternel leur fit miséricorde et eut compassion d'eux, il tourna sa face vers eux à cause de son alliance avec Abraham, Isaac et Jacob, il ne voulut pas les détruire, et jusqu'à présent il ne les a pas rejetés de sa face. 24 Hazaël, roi de Syrie, mourut, et Ben-Hadad, son fils, régna à sa place. 25 Joas, fils de Joachaz, reprit des mains de Ben-Hadad, fils de Hazaël, les villes enlevées par Hazaël à Joachaz, son père, pendant la guerre. Joas le battit trois fois, et il recouvra les villes d'Israël.