T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 12

1 [Ny nanjakan'i Joasy tamin'ny Joda, sy ny nanamboarana ny rafitry ny tempoly] Fito taona Joasy fony izy vao nanjaka:

2 Ary tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Jeho no vao nanjaka izy; ary efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.

3 Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah tamin'ny androny rehetra izay nanoloran'i Joiada mpisorona saina azy.

4 Nefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana; ary ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ny fitoerana avo ihany.

5 Ary hoy Joasy tamin'ny mpisorona: Ny vola amin'ny zava-masina rehetra izay nampidirina tao an-tranon'i Jehovah, dia ny volan'ny olona voaisa sy ny vola rehetra izay azo tamin'ny tomban'olona ary ny vola rehetra Izay nentin'ny isan-olona an-tsitrapo ho ao an-tranon'i Jehovah,

 

6 aoka horaisin'ny mpisorona amin'ny olom-pantany avy izany ka hanamboarany ny simba amin'ny trano, na amin'inona na amin'inona no hitany misy simba.

7 Kanjo hatramin'ny fahatelo amby roa-polo taona nanjakan'i Joasy mpanjaka dia tsy mbola voavoatry ny mpisorona ihany ny simba tamin'ny trano.

8 Ka dia niantso an'i Joiada mpisorona sy ny mpisorona sasany koa Joasy mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no tsy nanamboatra ny simba amin'ny trano? Koa ankehitriny, aza mandray vola amin'ny olom-pantatrareo intsony ianareo, fa omeo hanamboarana ny simba amin'ny trano ny vola.

9 Ary ny mpisorona nanaiky tsy handray vola amin'ny olona intsony sady tsy hanamboatra ny simba amin'ny trano.

10 Fa Joiada mpisorona naka vata anankiray, dia noloahany ny rakony, ary napetrany teo anilan'ny alitara tamin'ny sisiny ankavanana eo am-pidirana amin'ny tranon'i Jehovah; dia nalatsaky ny mpisorona, mpiandry varavarana, tao ny vola rehetra izay nampidirina ho ao an-tranon'i Jehovah.

11 Ary rehefa hitany fa be ny vola tao am-bata, dia niakatra ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpisoronabe, ka nofonosiny ny vola izay hita tao an-tranon'i Jehovah sady nisainy.

12 Ary ny vola voalanja dia natolotr'ireo ho eo an-tanan'ny mpiraharaha, dia izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah; ary ireo kosa namoaka azy ho amin'ny mpandrafitra sy ny mpanao trano izay nanamboatra ny tranon'i Jehovah

13 sy ho amin'ny mpandatsa-bato sy ny mpipaika, ary hamidy hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin'ny tranon'i Jehovah sy holanina amin'izay rehetra hanamboarana azy.

14 Nefa tsy nisy lovia volafotsy, na antsy, na lovia famafazana, na trompetra, na izay fanaka volamena sy volafotsy na inona na inona, natao ho amin'ny tranon'i Jehovah tamin'ny volafotsy nampidirina tao;

15 fa nomeny ny mpiasa izany ka nentin'ireo nanamboatra ny tranon'i Jehovah.

16 Ary tsy nampamoahiny ny olona izay notolorany ny vola homena ny mpiasa, fa nahatoky ireo.

17 Fa ny vola natao fanati-panonerana sy fanatitra noho ny ota dia tsy mba nampidirina tao an-tranon'i Jehovah, fa an'ny mpisorona kosa izany.

18 Ary tamin'izany dia niakatra Hazaela, mpanjakan'i Syria, ary namely an'i Gata ka nahafaka azy; ary nizotra niakatra hamely an'i Jerosalema koa izy.

19 Ary Joasy, mpanjakan'ny Joda, naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin'ny mpanjakan'ny Joda razany, dia Josafata sy Jehorama sy Ahazia, mbamin'ny zavatra nohamasinin'ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tamin'ny rakitra, na ny tao an-tranon'i Jehovah, na ny tao an-tranon'ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, izany; ka dia niverina tsy nankany Jerosalema Hazaela.

20 Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?

21 Ary nitsangana ny mpanompon'i Joasy ka niodina taminy, dia namono azy tao an-trano Milo*, ao am-pidinana mankany Sila.[Heb. fiarovana]

22 Fa Jozakara, zanak'i Simata, sy Jozabada, zanak'i Somera mpanompony namely azy ho faty; dia nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida izy; ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.

 

Chapitre 12

12:1 In the seventh year of Jehu began Jehoash to reign; and he reigned forty years in Jerusalem: and his mother’s name was Zibiah of Beersheba. 12:2 Jehoash did that which was right in the eyes of Yahweh all his days in which Jehoiada the priest instructed him. 12:3 However the high places were not taken away; the people still sacrificed and burnt incense in the high places. 12:4 Jehoash said to the priests, “All the money of the holy things that is brought into the house of Yahweh, in current money, the money of the persons for whom each man is rated, and all the money that it comes into any man’s heart to bring into the house of Yahweh, 12:5 let the priests take it to them, every man from his acquaintance; and they shall repair the breaches of the house, wherever any breach shall be found.”

12:6 But it was so, that in the three and twentieth year of king Jehoash the priests had not repaired the breaches of the house. 12:7 Then king Jehoash called for Jehoiada the priest, and for the other priests, and said to them, “Why don’t you repair the breaches of the house? Now therefore take no more money from your treasurers, but deliver it for the breaches of the house.”

12:8 The priests consented that they should take no more money from the people, neither repair the breaches of the house. 12:9 But Jehoiada the priest took a chest, and bored a hole in its lid, and set it beside the altar, on the right side as one comes into the house of Yahweh: and the priests who kept the threshold put therein all the money that was brought into the house of Yahweh. 12:10 It was so, when they saw that there was much money in the chest, that the king’s scribe and the high priest came up, and they put up in bags and counted the money that was found in the house of Yahweh. 12:11 They gave the money that was weighed out into the hands of those who did the work, who had the oversight of the house of Yahweh: and they paid it out to the carpenters and the builders, who worked on the house of Yahweh, 12:12 and to the masons and the stone cutters, and for buying timber and cut stone to repair the breaches of the house of Yahweh, and for all that was laid out for the house to repair it. 12:13 But there were not made for the house of Yahweh cups of silver, snuffers, basins, trumpets, any vessels of gold, or vessels of silver, of the money that was brought into the house of Yahweh; 12:14 for they gave that to those who did the work, and repaired therewith the house of Yahweh. 12:15 Moreover they didn’t demand an accounting from the men into whose hand they delivered the money to give to those who did the work; for they dealt faithfully. 12:16 The money for the trespass offerings, and the money for the sin offerings, was not brought into the house of Yahweh: it was the priests’. 12:17 Then Hazael king of Syria went up, and fought against Gath, and took it; and Hazael set his face to go up to Jerusalem. 12:18 Jehoash king of Judah took all the holy things that Jehoshaphat and Jehoram and Ahaziah, his fathers, kings of Judah, had dedicated, and his own holy things, and all the gold that was found in the treasures of the house of Yahweh, and of the king’s house, and sent it to Hazael king of Syria: and he went away from Jerusalem. 12:19 Now the rest of the acts of Joash, and all that he did, aren’t they written in the book of the chronicles of the kings of Judah? 12:20 His servants arose, and made a conspiracy, and struck Joash at the house of Millo, on the way that goes down to Silla. 12:21 For Jozacar the son of Shimeath, and Jehozabad the son of Shomer, his servants, struck him, and he died; and they buried him with his fathers in the city of David: and Amaziah his son reigned in his place.

 

Chapitre 12
1 La septième année de Jéhu, Joas devint roi, et il régna quarante ans à Jérusalem. Sa mère s'appelait Tsibja, de Beer-Schéba. 2 Joas fit ce qui est droit aux yeux de l'Éternel tout le temps qu'il suivit les directions du sacrificateur Jehojada. 3 Seulement, les hauts lieux ne disparurent point; le peuple offrait encore des sacrifices et des parfums sur les hauts lieux. 4 Joas dit aux sacrificateurs: Tout l'argent consacré qu'on apporte dans la maison de l'Éternel, l'argent ayant cours, savoir l'argent pour le rachat des personnes d'après l'estimation qui en est faite, et tout l'argent qu'il vient au coeur de quelqu'un d'apporter à la maison de l'Éternel, 5 que les sacrificateurs le prennent chacun de la part des gens de sa connaissance, et qu'ils l'emploient à réparer la maison partout où il se trouvera quelque chose à réparer. 6 Mais il arriva que, la vingt-troisième année du roi Joas, les sacrificateurs n'avaient point réparé ce qui était à réparer à la maison. 7 Le roi Joas appela le sacrificateur Jehojada et les autres sacrificateurs, et leur dit: Pourquoi n'avez-vous pas réparé ce qui est à réparer à la maison? Maintenant, vous ne prendrez plus l'argent de vos connaissances, mais vous le livrerez pour les réparations de la maison. 8 Les sacrificateurs convinrent de ne pas prendre l'argent du peuple, et de n'être pas chargés des réparations de la maison. 9 Alors le sacrificateur Jehojada prit un coffre, perça un trou dans son couvercle, et le plaça à côté de l'autel, à droite, sur le passage par lequel on entrait à la maison de l'Éternel. Les sacrificateurs qui avaient la garde du seuil y mettaient tout l'argent qu'on apportait dans la maison de l'Éternel. 10 Quand ils voyaient qu'il y avait beaucoup d'argent dans le coffre, le secrétaire du roi montait avec le souverain sacrificateur, et ils serraient et comptaient l'argent qui se trouvait dans la maison de l'Éternel. 11 Ils remettaient l'argent pesé entre les mains de ceux qui étaient chargés de faire exécuter l'ouvrage dans la maison de l'Éternel. Et l'on employait cet argent pour les charpentiers et pour les ouvriers qui travaillaient à la maison de l'Éternel, 12 pour les maçons et les tailleurs de pierres, pour les achats de bois et de pierres de taille nécessaires aux réparations de la maison de l'Éternel, et pour toutes les dépenses concernant les réparations de la maison. 13 Mais, avec l'argent qu'on apportait dans la maison de l'Éternel, on ne fit pour la maison de l'Éternel ni bassins d'argent, ni couteaux, ni coupes, ni trompettes, ni aucun ustensile d'or ou d'argent: 14 on le donnait à ceux qui faisaient l'ouvrage, afin qu'ils l'employassent à réparer la maison de l'Éternel. 15 On ne demandait pas de compte aux hommes entre les mains desquels on remettait l'argent pour qu'ils le donnassent à ceux qui faisaient l'ouvrage, car ils agissaient avec probité. 16 L'argent des sacrifices de culpabilité et des sacrifices d'expiation n'était point apporté dans la maison de l'Éternel: il était pour les sacrificateurs. 17 Alors Hazaël, roi de Syrie, monta et se battit contre Gath, dont il s'empara. Hazaël avait l'intention de monter contre Jérusalem. 18 Joas, roi de Juda, prit toutes les choses consacrées, ce qui avait été consacré par Josaphat, par Joram et par Achazia, ses pères, rois de Juda, ce qu'il avait consacré lui-même, et tout l'or qui se trouvait dans les trésors de la maison de l'Éternel et de la maison du roi, et il envoya le tout à Hazaël, roi de Syrie, qui ne monta pas contre Jérusalem. 19 Le reste des actions de Joas, et tout ce qu'il a fait, cela n'est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois de Juda? 20 Ses serviteurs se soulevèrent et formèrent une conspiration; ils frappèrent Joas dans la maison de Millo, qui est à la descente de Silla. 21 Jozacar, fils de Schimeath, et Jozabad, fils de Schomer, ses serviteurs, le frappèrent, et il mourut. On l'enterra avec ses pères, dans la ville de David. Et Amatsia, son fils, régna à sa place.