| Chapitre 11 1 [Ny nanjakan'i Atalia, sy ny namonoana azy, ary ny nampanjakana an'i Joasy handimby azy] Ary nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra. 2 Fa Joseba. zanakavavin'i Jehorama mpanjaka ary anabavin'i Ahazia, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy mbamin'ny mpitaiza azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina ho ao an-trano fitehirizam-pandriana ary nafeniny an'i Atalia izy, ka dia tsy mba voavono. 3 Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon'i Jehovah izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany. 4 Ary tamin'ny taona fahafito Joiada naniraka haka ny kapiteny, mpifehy ny anjolofo* sy ny mpiambina, dia nampiditra azy tao an-tranon'i Jehovah ary nampanaiky sy nampianiana azy tao an-tranon'i Jehovah, ka nasehony azy ny zanakalahin'ny mpanjaka.[Heb. Kariana] 5 Ary izy nandidy azy hoe: Izao no hataonareo: Ny ampahatelony izay milatsaka amin'ny Sabata dia hiambina ny tranon'ny mpanjaka; 6 ary ny ampahatelony ho eo am-bavahady Sora; ary ny ampahatelony ho ao am-bavahady ivohon'ny mpiambina, dia hiambina ny trano ianareo ka hiaro azy. 7 Ary ny roa toko aminareo kosa, dia izay rehetra miala amin'ny andro Sabata, dia hiambina ny tranon'i Jehovah hiarovana ny mpanjaka. 8 Ary hanemitra manodidina ny mpanjaka ianareo, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na mivoaka na miditra izy. 9 Ary ny kapiteny dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Joiada mpisorona, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny Sabata ary nankany amin'i Joiada mpisorona. 10 Ary ny kapiteny nomen'ilay mpisorona ny lefona sy ampingan'i Davida mpanjaka izay tao an-tranon'i Jehovah. 11 Ary ny mpiambina nitsangana, ka samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavanan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano. 12 Dia nentin'i Joiada nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra izy, dia notolorany ny Vavolombelona*; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy, ary ny olona nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka![Dia ny Didy Folo] 13 Ary nony ren'i Atalia ny tabataban'ny mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka tao amin'ny tranon'i Jehovah izy. 14 Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana toy ny fanao, ary ny andrian-dahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana! 15 Fa Joiada mpisorona nandidy ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, ka nanao taminy hoe: Avoahy eny ivelan'ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe Aza vonoina ao an-tranon'i Jehovah izy. 16 Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nandeha tamin'ny lalana fandehanan'ny soavaly ho any an-tranon'ny mpanjaka ravehivavy; dia novonoiny tao izy. 17 Ary Joiada nampanao fanekena ny mpanjaka sy ny vahoaka tamin'i Jehovah, mba ho olon'i Jehovah izy, ary nampifanaiky ny mpanjaka sy ny vahoaka koa. 18 Ary ny vahoaka rehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra teo aminy dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny teo anoloan'ny alitara. Ary ny mpisorona nanendry ny ho mpitandrina ny tranon'i Jehovah. 19 Ary nalainy ny kapiteny sy ny anjolofo sy ny mpiambina mbamin'ny vahoaka rehetra ary nentina nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka teo am-bavahadin'ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'ny mpanjaka izy. 20 Dia nifaly ny vahoaka rehetra, ary nandry fahizay ny tanàna Ary Atalia novonoiny tamin'ny sabatra tao an-tranon'ny mpanjaka.
| | 11:1 Now when Athaliah the mother of Ahaziah saw that her son was dead, she arose and destroyed all the seed royal. 11:2 But Jehosheba, the daughter of king Joram, sister of Ahaziah, took Joash the son of Ahaziah, and stole him away from among the king’s sons who were slain, even him and his nurse, and put them in the bedroom; and they hid him from Athaliah, so that he was not slain; 11:3 He was with her hidden in the house of Yahweh six years. Athaliah reigned over the land. 11:4 In the seventh year Jehoiada sent and fetched the captains over hundreds of the Carites and of the guard, and brought them to him into the house of Yahweh; and he made a covenant with them, and took an oath of them in the house of Yahweh, and showed them the king’s son. 11:5 He commanded them, saying, “This is the thing that you shall do: a third part of you, who come in on the Sabbath, shall be keepers of the watch of the king’s house; 11:6 A third part shall be at the gate Sur; and a third part at the gate behind the guard. So you shall keep the watch of the house, and be a barrier. 11:7 The two companies of you, even all who go out on the Sabbath, shall keep the watch of the house of Yahweh around the king. 11:8 You shall surround the king, every man with his weapons in his hand; and he who comes within the ranks, let him be slain. Be with the king when he goes out, and when he comes in.” 11:9 The captains over hundreds did according to all that Jehoiada the priest commanded; and they took every man his men, those who were to come in on the Sabbath, with those who were to go out on the Sabbath, and came to Jehoiada the priest. 11:10 The priest delivered to the captains over hundreds the spears and shields that had been king David’s, which were in the house of Yahweh. 11:11 The guard stood, every man with his weapons in his hand, from the right side of the house to the left side of the house, along by the altar and the house, around the king. 11:12 Then he brought out the king’s son, and put the crown on him, and gave him the testimony; and they made him king, and anointed him; and they clapped their hands, and said, “Long live the king!” 11:13 When Athaliah heard the noise of the guard and of the people, she came to the people into the house of Yahweh: 11:14 and she looked, and behold, the king stood by the pillar, as the tradition was, and the captains and the trumpets by the king; and all the people of the land rejoiced, and blew trumpets. Then Athaliah tore her clothes, and cried, “Treason! Treason!” 11:15 Jehoiada the priest commanded the captains of hundreds who were set over the army, and said to them, “Bring her out between the ranks. Kill him who follows her with the sword.” For the priest said, “Don’t let her be slain in the house of Yahweh.” 11:16 So they made way for her; and she went by the way of the horses’ entry to the king’s house. She was slain there. 11:17 Jehoiada made a covenant between Yahweh and the king and the people, that they should be Yahweh’s people; between the king also and the people. 11:18 All the people of the land went to the house of Baal, and broke it down; his altars and his images broke they in pieces thoroughly, and killed Mattan the priest of Baal before the altars. The priest appointed officers over the house of Yahweh. 11:19 He took the captains over hundreds, and the Carites, and the guard, and all the people of the land; and they brought down the king from the house of Yahweh, and came by the way of the gate of the guard to the king’s house. He sat on the throne of the kings. 11:20 So all the people of the land rejoiced, and the city was quiet. Athaliah they had slain with the sword at the king’s house. 11:21 Jehoash was seven years old when he began to reign.
| | Chapitre 11 1 Athalie, mère d'Achazia, voyant que son fils était mort, se leva et fit périr toute la race royale. 2 Mais Joschéba, fille du roi Joram, soeur d'Achazia, prit Joas, fils d'Achazia, et l'enleva du milieu des fils du roi, quand on les fit mourir: elle le mit avec sa nourrice dans la chambre des lits. Il fut ainsi dérobé aux regards d'Athalie, et ne fut point mis à mort. 3 Il resta six ans caché avec Joschéba dans la maison de l'Éternel. Et c'était Athalie qui régnait dans le pays. 4 La septième année, Jehojada envoya chercher les chefs de centaines des Kéréthiens et des coureurs, et il les fit venir auprès de lui dans la maison de l'Éternel. Il traita alliance avec eux et les fit jurer dans la maison de l'Éternel, et il leur montra le fils du roi. 5 Puis il leur donna ses ordres, en disant: Voici ce que vous ferez. Parmi ceux de vous qui entrent en service le jour du sabbat, un tiers doit monter la garde à la maison du roi, 6 un tiers à la porte de Sur, et un tiers à la porte derrière les coureurs: vous veillerez à la garde de la maison, de manière à en empêcher l'entrée. 7 Vos deux autres divisions, tous ceux qui sortent de service le jour du sabbat feront la garde de la maison de l'Éternel auprès du roi: 8 vous entourerez le roi de toutes parts, chacun les armes à la main, et l'on donnera la mort à quiconque s'avancera dans les rangs; vous serez près du roi quand il sortira et quand il entrera. 9 Les chefs de centaines exécutèrent tous les ordres qu'avait donnés le sacrificateur Jehojada. Ils prirent chacun leurs gens, ceux qui entraient en service et ceux qui sortaient de service le jour du sabbat, et ils se rendirent vers le sacrificateur Jehojada. 10 Le sacrificateur remit aux chefs de centaines les lances et les boucliers qui provenaient du roi David, et qui se trouvaient dans la maison de l'Éternel. 11 Les coureurs, chacun les armes à la main, entourèrent le roi, en se plaçant depuis le côté droit jusqu'au côté gauche de la maison, près de l'autel et près de la maison. 12 Le sacrificateur fit avancer le fils du roi, et il mit sur lui le diadème et le témoignage. Ils l'établirent roi et l'oignirent, et frappant des mains, ils dirent: Vive le roi! 13 Athalie entendit le bruit des coureurs et du peuple, et elle vint vers le peuple à la maison de l'Éternel. 14 Elle regarda. Et voici, le roi se tenait sur l'estrade, selon l'usage; les chefs et les trompettes étaient près du roi: tout le peuple du pays était dans la joie, et l'on sonnait des trompettes. Athalie déchira ses vêtements, et cria: Conspiration! conspiration! 15 Alors le sacrificateur Jehojada donna cet ordre aux chefs de centaines, qui étaient à la tête de l'armée: Faites-la sortir en dehors des rangs, et tuez par l'épée quiconque la suivra. Car le sacrificateur avait dit: Qu'elle ne soit pas mise à mort dans la maison de l'Éternel! 16 On lui fit place, et elle se rendit à la maison du roi par le chemin de l'entrée des chevaux: c'est là qu'elle fut tuée. 17 Jehojada traita entre l'Éternel, le roi et le peuple, l'alliance par laquelle ils devaient être le peuple de l'Éternel; il établit aussi l'alliance entre le roi et le peuple. 18 Tout le peuple du pays entra dans la maison de Baal, et ils la démolirent; ils brisèrent entièrement ses autels et ses images, et ils tuèrent devant les autels Matthan, prêtre de Baal. Le sacrificateur Jehojada mit des surveillants dans la maison de l'Éternel. 19 Il prit les chefs de centaines, les Kéréthiens et les coureurs, et tout le peuple du pays; et ils firent descendre le roi de la maison de l'Éternel, et ils entrèrent dans la maison du roi par le chemin de la porte des coureurs. Et Joas s'assit sur le trône des rois. 20 Tout le peuple du pays se réjouissait, et la ville était tranquille. On avait fait mourir Athalie par l'épée dans la maison du roi. 21 Joas avait sept ans lorsqu'il devint roi. | |