T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 10

1 [Ny namongorana ny taranak'i Ahaba sy ny rahalahin'i Ahazia ary ny mpaminanin'i Bala, sy ny nanjakan'i Jeho tamin'ny Isiraely] Ary nisy zanak'i Ahaba fito-polo lahy tany Samaria. Ary Jeho nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any Samaria any amin'ny mpanapaka any Jezirela dia ho any amin'ny loholona sy ny mpitaiza ny zanak'i Ahaba nanao hoe:

2 Ary raha tonga atỳ aminareo ity taratasy ity (fa ao aminareo ny zanakalahin'ny tomponareo, ary ao aminareo ny kalesy sy ny soavaly sy ny tanàna mimanda ary ny fiadiana),

3 dia izahao izay tsara sy mendrika indrindra amin'ny zanakalahin'ny tomponareo, ary apetraho amin'ny seza fiandrianan-drainy izy, ka miadia ary ho an'ny mpianakavin'ny tomponareo.

4 Dia raikitahotra indrindra ireo ka nifampilaza hoe: Indro ny mpanjaka roa aza tsy nahajanona teo anatrehany, ka hataontsika ahoana no fahajanona?

5 Ary ny lehiben'ny tandapa sy ny mpanapaka ny tanana ary ny loholona koa sy ireo mpitaiza naniraka tany amin'i Jeho nanao hoe: Mpanomponao izahay, koa izay rehetra andidianao anay dia hataonay; tsy hanangana andriana izahay, fa izay sitraky ny fonao ihany no ataovy.

6 Dia nanoratra taratasy taminy indray Jeho nanao hoe: Raha ahy ary ianareo ka hankatò ny teniko, dia tapaho ny lohan'ireo zanakalahin'ny tomponareo, ary mankanesa atỳ amiko atỳ Jezirela rahampitso toy izao. Ary izy fito-polo lahy zanaky ny mpanjaka dia tao amin'ireo lehiben'ny tanàna, mpitaiza azy.

7 Ary nony efa tonga tany amin'ireo ny taratasy, dia naka ny zanakalahin'ny mpanjaka izy ka namono azy fito-polo lahy, ary nataony tao an-tsobiky ny lohany ka nateriny tany amin'i Jeho tany Jezirela.

8 Ary tonga ny iraka ka nanambara taminy hoe: Indro, efa nitondra ny lohan'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy. Ary hoy Jeho: Ampifanongoavy ho roa toko eo anoloan'ny vavahady mandra-pahamarain'ny andro.

9 Ary nony maraina, dia nivoaka Jeho ary nitsangana ka nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe: Marina ianareo, indro, izaho nikomy tamin'ny tompoko ka nahafaty azy; fa iza kosa no nahafaty ireto rehetra ireto?

10 Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin'i Jehovah izay nolazainy ny amin'ny taranak'i Ahaba; fa Jehovah efa nanao izay nampilazainy an'i Elia mpanompony.

11 Ka dia novonoin'i Jeho izay sisa rehetra tamin'ny taranak'i Ahaba tao Jezirela sy ny olom-baventy rehetra tao aminy mbamin'ny havany ary ny mpisorony koa, ambara-paha-tsy hisy miangana na dia iray akory aza.

12 Dia niainga izy ka nankany Samaria. Ary nony mby tany an-trano fivorian*'ny mpiandry ondry tany an-dalana Jeho,[Na: Bet-ekda]

13 dia nifanena amin'ny rahalahin'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, izy ka nanao hoe: Iza ange ianareo? Ary izy ireo namaly hoe: Rahalahin'i Ahazia izahay ary midìna mba hamangy ny zanakalahin'ny mpanjaka sy ny zanakalahin'ny andriambavy.

14 Ary hoy Jeho: Sambory velona ireo. Dia nosamboriny ka novonoiny teo akaikin'ny lavaka famorian-drano tao an-trano fivoriana izy roa amby efa-polo lahy ireo, ary tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.

15 Ary rehefa niala teo Jeho, dia nahita an'i Jonadaba, zanakalahin'i Rekaba, avy manatona azy; dia niarahaba azy izy ary nanao taminy hoe: Marina va ny fonao tahaka ny foko amin'ny fonao? Ary Jonadaba namaly hoe: Eny. Raha izany ary no izy, hoy Jeho, dia aoka isika hifandray tanana. Dia natolony ny tànany, ka nampiakarin'i Jeho ho eo aminy teo anatin'ny kalesy izy.

16 Ary hoy Jeho: Andeha hiaraka amiko, ka izahao ny zotom-poko ho an'i Jehovah. Dia nentina teo amin'ny kalesy izy.

17 Ary rehefa tonga tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin'ny tamingan'i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin'i Jehovah izay nolazainy tamin'i Elia.

18 Ary Jeho namory ny vahoaka rehetra ka nanao taminy hoe: Ahaba nanompo an'i Bala kelikely ihany, fa Jeho no hanompo azy fatratra.

19 Koa ankehitriny vorio ho atỳ amiko ny mpaminanin'i Bala rehetra, ny mpanompony rehetra sy ny mpisorony rehetra; aza avela hisy tsy ho tonga na dia iray akory aza; fa hamono zavatra betsaka ho fanatitra ho an'i Bala aho; koa na iza na iza tsy ho tonga, dia tsy hovelomina izy. Kanjo Jeho nanao izany ho fihendrena handringanany ny mpanompon'i Bala.

20 Ary hoy Jeho: Manendre* fivoriana masina ho an'i Bala. Koa dia nanendry* andro izy.[*Heb. Manamasina][Heb. nanamasina]

21 Ary Jeho naniraka tany amin'ny Isiraely rehetra, ary dia tonga ny mpanompon'i Bala rehetra, ka tsy nisy lehilahy tsy tonga teo na dia iray akory aza. Ary dia niditra tao an-tranon'i Bala ireo, ka feno hika ny trano.

22 Dia hoy Jeho tamin'ny mpitahiry ny fitafiana: Amoahy fitafiana ny mpanompon'i Bala rehetra. Ary dia namoaka ny fitafiana ho azy izy.

23 Ary Jeho sy Jonadaba, zanak'i Rekaba, nankao an-tranon'i Bala ka niteny tamin'ny mpanompon'i Bala hoe: Fantaro tsara sy izahao, fandrao misy mpanompon'i Jehovah eto aminareo, fa tsy ny mpanompon'i Bala ihany.

24 Ary nony niditra hanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà izy, Jeho kosa dia nametraka valo-polo lahy teo ala-trano ka nanao hoe; Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eto an-tananareo, izay mamela azy handeha, dia ny ainy no hisolo ny ainy.

25 Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, dia hoy Jeho tamin'ny mpiambina sy ny mpanafika malaza: Midira, ka vonoy, ary aza avela hisy ho tafavoaka. Dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra izy; ary ny mpiambina sy ny mpanafika malaza dia nanary ny faty ary niditra tao amin'ny tanàna nisy ny tranon'i Bala.

26 Ary namoaka ny orin-kazo izay tao an-tranon'i Bala izy ka nandoro ireny.

27 Ary nandrava ny tsangam-baton'i Bala sy ny tranony izy, ary dia nataony trano fivoahana mandraka androany izany.

28 Toy izany no nandravan'i Jeho an'i Bala tsy ho amin'ny Isiraely.

29 Nefa Jeho tsy dia niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin'ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.

30 Ary hoy Jehovah tamin'i Jeho: Satria efa nanao soa ianao tamin'ny nanaovanao izay mahitsy eo imasoko sady efa nataonao tamin'ny taranak'i Ahaba araka izay rehetra tao am-poko, koa dia hitoetra amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ny taranakao hatramin'ny zafindohalika.

31 Nefa Jeho tsy nitandrina handeha amin'ny lalàn'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, amin'ny fony rehetra; fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama izay nampanotany ny Isiraely izy.

 

32 Tamin'izany andro izany no niantombohan'ny nanakelezan'i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely azy tamin'ny sisin-tanin'ny Isiraely rehetra

33 hatrany Jordana no ho miantsinanana, dia ny tany Gileada rehetra, ny Gadita sy ny Robenita ary ny Manasita, hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, dia Gileada sy Basana.

 

34 Ary ny tantaran'i Jeho sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny heriny rehetra, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?

35 Ary Jeho lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy. Ary Joahaza zanany no nanjaka nandimby azy.

36 Ary ny andro izay nanjakan'i Jeho tamin'ny Isiraely tao Samaria dia valo amby roa-polo taona.

 

Chapitre 10

10:1 Now Ahab had seventy sons in Samaria. Jehu wrote letters, and sent to Samaria, to the rulers of Jezreel, even the elders, and to those who brought up the sons of Ahab, saying, 10:2 “Now as soon as this letter comes to you, since your master’s sons are with you, and there are with you chariots and horses, a fortified city also, and armor. 10:3 Select the best and fittest of your master’s sons, set him on his father’s throne, and fight for your master’s house.”

10:4 But they were exceedingly afraid, and said, “Behold, the two kings didn’t stand before him! How then shall we stand?” 10:5 He who was over the household, and he who was over the city, the elders also, and those who raised the children, sent to Jehu, saying, “We are your servants, and will do all that you ask us. We will not make any man king. You do that which is good in your eyes.”

10:6 Then he wrote a letter the second time to them, saying, “If you are on my side, and if you will listen to my voice, take the heads of the men your master’s sons, and come to me to Jezreel by tomorrow this time.”

Now the king’s sons, being seventy persons, were with the great men of the city, who brought them up. 10:7 It happened, when the letter came to them, that they took the king’s sons, and killed them, even seventy persons, and put their heads in baskets, and sent them to him to Jezreel. 10:8 A messenger came, and told him, “They have brought the heads of the king’s sons.”

He said, “Lay them in two heaps at the entrance of the gate until the morning.” 10:9 It happened in the morning, that he went out, and stood, and said to all the people, “You are righteous. Behold, I conspired against my master, and killed him; but who struck all these? 10:10 Know now that nothing shall fall to the earth of the word of Yahweh, which Yahweh spoke concerning the house of Ahab. For Yahweh has done that which he spoke by his servant Elijah.”

10:11 So Jehu struck all that remained of the house of Ahab in Jezreel, with all his great men, his familiar friends, and his priests, until he left him none remaining.

10:12 He arose and departed, and went to Samaria. As he was at the shearing house of the shepherds on the way, 10:13 Jehu met with the brothers of Ahaziah king of Judah, and said, “Who are you?”

They answered, “We are the brothers of Ahaziah. We are going down to greet the children of the king and the children of the queen.”

10:14 He said, “Take them alive!”

They took them alive, and killed them at the pit of the shearing house, even forty-two men. He didn’t leave any of them. 10:15 When he had departed from there, he met Jehonadab the son of Rechab coming to meet him. He greeted him, and said to him, “Is your heart right, as my heart is with your heart?”

Jehonadab answered, “It is.”

“If it is, give me your hand.” He gave him his hand; and he took him up to him into the chariot. 10:16 He said, “Come with me, and see my zeal for Yahweh.” So they made him ride in his chariot. 10:17 When he came to Samaria, he struck all who remained to Ahab in Samaria, until he had destroyed him, according to the word of Yahweh, which he spoke to Elijah. 10:18 Jehu gathered all the people together, and said to them, “Ahab served Baal a little; but Jehu will serve him much. 10:19 Now therefore call to me all the prophets of Baal, all of his worshippers, and all of his priests. Let none be absent; for I have a great sacrifice to Baal. Whoever is absent, he shall not live.” But Jehu did it in subtlety, intending that he might destroy the worshippers of Baal.

10:20 Jehu said, “Sanctify a solemn assembly for Baal!”

They proclaimed it. 10:21 Jehu sent through all Israel; and all the worshippers of Baal came, so that there was not a man left that didn’t come. They came into the house of Baal; and the house of Baal was filled from one end to another. 10:22 He said to him who was over the vestry, “Bring out robes for all the worshippers of Baal!”

He brought robes out to them. 10:23 Jehu went with Jehonadab the son of Rechab into the house of Baal. Then he said to the worshippers of Baal, “Search, and look that there are here with you none of the servants of Yahweh, but the worshippers of Baal only.”

10:24 They went in to offer sacrifices and burnt offerings. Now Jehu had appointed him eighty men outside, and said, “If any of the men whom I bring into your hands escape, he who lets him go, his life shall be for the life of him.”

10:25 It happened, as soon as he had made an end of offering the burnt offering, that Jehu said to the guard and to the captains, “Go in, and kill them! Let none escape.” They struck them with the edge of the sword; and the guard and the captains cast them out, and went to the city of the house of Baal. 10:26 They brought out the pillars that were in the house of Baal, and burned them. 10:27 They broke down the pillar of Baal, and broke down the house of Baal, and made it a latrine, to this day. 10:28 Thus Jehu destroyed Baal out of Israel.

10:29 However from the sins of Jeroboam the son of Nebat, with which he made Israel to sin, Jehu didn’t depart from after them, the golden calves that were in Bethel, and that were in Dan. 10:30 Yahweh said to Jehu, “Because you have done well in executing that which is right in my eyes, and have done to the house of Ahab according to all that was in my heart, your sons of the fourth generation shall sit on the throne of Israel.”

10:31 But Jehu took no heed to walk in the law of Yahweh, the God of Israel, with all his heart. He didn’t depart from the sins of Jeroboam, with which he made Israel to sin. 10:32 In those days Yahweh began to cut off from Israel; and Hazael struck them in all the borders of Israel; 10:33 from the Jordan eastward, all the land of Gilead, the Gadites, and the Reubenites, and the Manassites, from Aroer, which is by the valley of the Arnon, even Gilead and Bashan. 10:34 Now the rest of the acts of Jehu, and all that he did, and all his might, aren’t they written in the book of the chronicles of the kings of Israel? 10:35 Jehu slept with his fathers; and they buried him in Samaria. Jehoahaz his son reigned in his place. 10:36 The time that Jehu reigned over Israel in Samaria was twenty-eight years.

 

Chapitre 10
1 Il y avait dans Samarie soixante-dix fils d'Achab. Jéhu écrivit des lettres qu'il envoya à Samarie aux chefs de Jizreel, aux anciens, et aux gouverneurs des enfants d'Achab. Il y était dit: 2 Maintenant, quand cette lettre vous sera parvenue, -puisque vous avez avec vous les fils de votre maître, avec vous les chars et les chevaux, une ville forte et les armes, - 3 voyez lequel des fils de votre maître est le meilleur et convient le mieux, mettez-le sur le trône de son père, et combattez pour la maison de votre maître! 4 Ils eurent une très grande peur, et ils dirent: Voici, deux rois n'ont pu lui résister; comment résisterions-nous? 5 Et le chef de la maison, le chef de la ville, les anciens, et les gouverneurs des enfants, envoyèrent dire à Jéhu: Nous sommes tes serviteurs, et nous ferons tout ce que tu nous diras; nous n'établirons personne roi, fais ce qui te semble bon. 6 Jéhu leur écrivit une seconde lettre où il était dit: Si vous êtes à moi et si vous obéissez à ma voix, prenez les têtes de ces hommes, fils de votre maître, et venez auprès de moi demain à cette heure, à Jizreel. Or les soixante-dix fils du roi étaient chez les grands de la ville, qui les élevaient. 7 Quand la lettre leur fut parvenue, ils prirent les fils du roi, et ils égorgèrent ces soixante-dix hommes; puis ils mirent leurs têtes dans des corbeilles, et les envoyèrent à Jéhu, à Jizreel. 8 Le messager vint l'en informer, en disant: Ils ont apporté les têtes des fils du roi. Et il dit: Mettez-les en deux tas à l'entrée de la porte, jusqu'au matin. 9 Le matin, il sortit; et se présentant à tout le peuple, il dit: Vous êtes justes! voici, moi, j'ai conspiré contre mon maître et je l'ai tué; mais qui a frappé tous ceux-ci? 10 Sachez donc qu'il ne tombera rien à terre de la parole de l'Éternel, de la parole que l'Éternel a prononcée contre la maison d'Achab; l'Éternel accomplit ce qu'il a déclaré par son serviteur Élie. 11 Et Jéhu frappa tous ceux qui restaient de la maison d'Achab à Jizreel, tous ses grands, ses familiers et ses ministres, sans en laisser échapper un seul. 12 Puis il se leva, et partit pour aller à Samarie. Arrivé à une maison de réunion des bergers, sur le chemin, 13 Jéhu trouva les frères d'Achazia, roi de Juda, et il dit: Qui êtes-vous? Ils répondirent: Nous sommes les frères d'Achazia, et nous descendons pour saluer les fils du roi et les fils de la reine. 14 Jéhu dit: Saisissez-les vivants. Et ils les saisirent vivants, et les égorgèrent au nombre de quarante-deux, à la citerne de la maison de réunion; Jéhu n'en laissa échapper aucun. 15 Étant parti de là, il rencontra Jonadab, fils de Récab, qui venait au-devant de lui. Il le salua, et lui dit: Ton coeur est-il sincère, comme mon coeur l'est envers le tien? Et Jonadab répondit: Il l'est. S'il l'est, répliqua Jéhu, donne-moi ta main. Jonadab lui donna la main. Et Jéhu le fit monter auprès de lui dans son char, 16 et dit: Viens avec moi, et tu verras mon zèle pour l'Éternel. Il l'emmena ainsi dans son char. 17 Lorsque Jéhu fut arrivé à Samarie, il frappa tous ceux qui restaient d'Achab à Samarie, et il les détruisit entièrement, selon la parole que l'Éternel avait dite à Élie. 18 Puis il assembla tout le peuple, et leur dit: Achab a peu servi Baal, Jéhu le servira beaucoup. 19 Maintenant convoquez auprès de moi tous les prophètes de Baal, tous ses serviteurs et tous ses prêtres, sans qu'il en manque un seul, car je veux offrir un grand sacrifice à Baal: quiconque manquera ne vivra pas. Jéhu agissait avec ruse, pour faire périr les serviteurs de Baal. 20 Il dit: Publiez une fête en l'honneur de Baal. Et ils la publièrent. 21 Il envoya des messagers dans tout Israël; et tous les serviteurs de Baal arrivèrent, il n'y en eut pas un qui ne vînt; ils entrèrent dans la maison de Baal, et la maison de Baal fut remplie d'un bout à l'autre. 22 Jéhu dit à celui qui avait la garde du vestiaire: Sors des vêtements pour tous les serviteurs de Baal. Et cet homme sortit des vêtements pour eux. 23 Alors Jéhu vint à la maison de Baal avec Jonadab, fils de Récab, et il dit aux serviteurs de Baal: Cherchez et regardez, afin qu'il n'y ait pas ici des serviteurs de l'Éternel, mais qu'il y ait seulement des serviteurs de Baal. 24 Et ils entrèrent pour offrir des sacrifices et des holocaustes. Jéhu avait placé dehors quatre-vingts hommes, en leur disant: Celui qui laissera échapper quelqu'un des hommes que je remets entre vos mains, sa vie répondra de la sienne. 25 Lorsqu'on eut achevé d'offrir les holocaustes, Jéhu dit aux coureurs et aux officiers: Entrez, frappez-les, que pas un ne sorte. Et ils les frappèrent du tranchant de l'épée. Les coureurs et les officiers les jetèrent là, et ils allèrent jusqu'à la ville de la maison de Baal. 26 Ils tirèrent dehors les statues de la maison de Baal, et les brûlèrent. 27 Ils renversèrent la statue de Baal, ils renversèrent aussi la maison de Baal, et ils en firent un cloaque, qui a subsisté jusqu'à ce jour. 28 Jéhu extermina Baal du milieu d'Israël; 29 mais il ne se détourna point des péchés de Jéroboam, fils de Nebath, qui avait fait pécher Israël, il n'abandonna point les veaux d'or qui étaient à Béthel et à Dan. 30 L'Éternel dit à Jéhu: Parce que tu as bien exécuté ce qui était droit à mes yeux, et que tu as fait à la maison d'Achab tout ce qui était conforme à ma volonté, tes fils jusqu'à la quatrième génération seront assis sur le trône d'Israël. 31 Toutefois Jéhu ne prit point garde à marcher de tout son coeur dans la loi de l'Éternel, le Dieu d'Israël; il ne se détourna point des péchés que Jéroboam avait fait commettre à Israël. 32 Dans ce temps-là, l'Éternel commença à entamer le territoire d'Israël; et Hazaël les battit sur toute la frontière d'Israël. 33 Depuis le Jourdain, vers le soleil levant, il battit tout le pays de Galaad, les Gadites, les Rubénites et les Manassites, depuis Aroër sur le torrent de l'Arnon jusqu'à Galaad et à Basan. 34 Le reste des actions de Jéhu, tout ce qu'il a fait, et tous ses exploits, cela n'est-il pas écrit dans le livre des Chroniques des rois d'Israël? 35 Jéhu se coucha avec ses pères, et on l'enterra à Samarie. Et Joachaz, son fils, régna à sa place. 36 Jéhu avait régné vingt-huit ans sur Israël à Samarie.