T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

BAIBOLY AUDIO     TORITENY     Testamenta Vaovao     Testamenta Taloha     TENY SOA     HIRA     BAIBOLY MALAGASY     FOTOAM-BAVAKA     Vavaka     Rohy      
MATIO
MARKA
LIOKA
JAONA
ASAN'NY APOSTOLY
ROMANA
1KORINTIANA
2KORINTIANA
GALATIANA
EFESIANA
FILIPIANA
KOLOSIANA
1TESALONIANA
2TESALONIANA
1TIMOTY
2TIMOTY
TITOSY
FILEMONA
HEBREO
JAKOBA
1PETERA
2PETERA
1JAONA
2JAONA
3JAONA
JODA
APOKALIPSY
2Korentiana010203040506070809101112132Korentiana

Chapitre 1

1 [Fiarahabana sy fisaorana nataon'i Paoly noho ny nampiononan'Andriamanitra azy. Ny amin'ny nahasampona an'i Paoly tsy hankany Makedonia, sy hafatra ny amin'ny handraisana ilay efa nesorina, ary fisaoran'i Paoly an'Andriamanitra noho ny nitahiany ny tori-teniny] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, ary Timoty rahalahy, mamangy ny fiangonan'Andriamanitra izay any Korinto mbamin'ny olona masina rehetra eran'i Akaia:

2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra,

4 Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.

5 Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy.

6 Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany, ka miasa amin'ny fiaretanareo fahoriana mitovy indrindra amin'izay entinay.

7 Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.

8 Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza;

9 eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa amin'Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany.

10 Ary Izy no nahafaka anay tamin'izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa,

11 satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin'ny fivavahanareo mba hisaoran'ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin'ny nataon'ny maro.

12 Fa izao no ataonay ho voninahitray: ny fieritreretanay no vavolombelona fa tamin'ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po avy amin'Andriamanitra, tsy tamin'ny fahendren'ny nofo, fa tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra, no nitondranay tena teo amin'izao tontolo izao, mainka fa teo aminareo.

13 Fa tsy manoratra teny hafa aminareo izahay, afa-tsy izay vakinareo na izay fantatrareo; ary manantena aho fa mbola ho fantatrareo ihany hatramin'ny farany aza,

14 toy ny efa fantapantatrareo ihany fa voninahitrareo izahay, dia tahaka anareo kosa no voninahitray amin'ny andron'i Jesosy Tompontsika.

15 Ary tamin'izao fahatokiana izao dia nikasa hankatỳ aminareo aloha aho (mba hahazoanareo soa fanindroany),

16 ary hankany Makedonia aho, raha avy atỳ aminareo, ary dia vao hiverina ho atỳ aminareo indray raha avy any Makedonia, ary mba haterinareo ho any Jodia.

17 Koa raha nikasa izany aho, moa nanao kitoatoa va aho? Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va, mba hanaovako eny eny foana, sy tsia tsia foana?

18 Fa raha mahatoky koa Andriamanitra, ny teninay taminareo dia tsy eny sy tsia;

19 fa ny Zanak'Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia izaho sy Silasy ary Timoty, dia tsy eny sy tsia, fa ao aminy dia eny ihany.

20 Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay.

21 Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra,

22 Izay nanisy tombo-kase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika.

23 Ary izaho miantso an' Andriamanitra ho vavolombelona ny amin'ny fanahiko, fa ny fialàko nenina aminareo ihany no tsy mbola nankanesako tatỳ Korinto.

24 Kanefa tsy mihambo ho tompon'ny finoanareo izahay, fa mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo, satria finoana no itoeranareo. 

Chapitre 1

1:1 Paul, an apostle of Christ Jesus through the will of God, and Timothy our brother, to the assembly of God which is at Corinth, with all the saints who are in the whole of Achaia:

1:2 Grace to you and peace from God our Father and the Lord Jesus Christ.

1:3 Blessed be the God and Father of our Lord Jesus Christ, the Father of mercies and God of all comfort;

1:4 who comforts us in all our affliction, that we may be able to comfort those who are in any affliction, through the comfort with which we ourselves are comforted by God.

1:5 For as the sufferings of Christ abound to us, even so our comfort also abounds through Christ.

1:6 But if we are afflicted, it is for your comfort and salvation. If we are comforted, it is for your comfort, which produces in you the patient enduring of the same sufferings which we also suffer. 1:7 Our hope for you is steadfast, knowing that, since you are partakers of the sufferings, so also are you of the comfort.

1:8 For we don’t desire to have you uninformed, brothers, concerning our affliction which happened to us in Asia, that we were weighed down exceedingly, beyond our power, so much that we despaired even of life.

1:9 Yes, we ourselves have had the sentence of death within ourselves, that we should not trust in ourselves, but in God who raises the dead,

1:10 who delivered us out of so great a death, and does deliver; on whom we have set our hope that he will also still deliver us;

1:11 you also helping together on our behalf by your supplication; that, for the gift bestowed on us by means of many, thanks may be given by many persons on your behalf. 1:12 For our boasting is this: the testimony of our conscience, that in holiness and sincerity of God, not in fleshly wisdom but in the grace of God we behaved ourselves in the world, and more abundantly toward you. 1:13 For we write no other things to you, than what you read or even acknowledge, and I hope you will acknowledge to the end; 1:14 as also you acknowledged us in part, that we are your boasting, even as you also are ours, in the day of our Lord Jesus. 1:15 In this confidence, I was determined to come first to you, that you might have a second benefit; 1:16 and by you to pass into Macedonia, and again from Macedonia to come to you, and to be sent forward by you on my journey to Judea. 1:17 When I therefore was thus determined, did I show fickleness? Or the things that I purpose, do I purpose according to the flesh, that with me there should be the “Yes, yes” and the “No, no?” 1:18 But as God is faithful, our word toward you was not “Yes and no.” 1:19 For the Son of God, Jesus Christ, who was preached among you by us, by me, Silvanus, and Timothy, was not “Yes and no,” but in him is “Yes.” 1:20 For however many are the promises of God, in him is the “Yes.” Therefore also through him is the “Amen,” to the glory of God through us.

1:21 Now he who establishes us with you in Christ, and anointed us, is God; 1:22 who also sealed us, and gave us the down payment of the Spirit in our hearts. 1:23 But I call God for a witness to my soul, that I didn’t come to Corinth to spare you. 1:24 Not that we have lordship over your faith, but are fellow workers with you for your joy. For you stand firm in faith. 

Chapitre 1
1 Paul, apôtre de Jésus-Christ par la volonté de Dieu, et le frère Timothée, à l'Église de Dieu qui est à Corinthe, et à tous les saints qui sont dans toute l'Achaïe:

2 que la grâce et la paix vous soient données de la part de Dieu notre Père et du Seigneur Jésus-Christ!

3 Béni soit Dieu, le Père de notre Seigneur Jésus-Christ, le Père des miséricordes et le Dieu de toute consolation,

4 qui nous console dans toutes nos afflictions, afin que, par la consolation dont nous sommes l'objet de la part de Dieu, nous puissions consoler ceux qui se trouvent dans quelque affliction!

5 Car, de même que les souffrances de Christ abondent en nous, de même notre consolation abonde par Christ.

6 Si nous sommes affligés, c'est pour votre consolation et pour votre salut; si nous sommes consolés, c'est pour votre consolation, qui se réalise par la patience à supporter les mêmes souffrances que nous endurons.

7 Et notre espérance à votre égard est ferme, parce que nous savons que, si vous avez part aux souffrances, vous avez part aussi à la consolation.

8 Nous ne voulons pas, en effet, vous laisser ignorer, frères, au sujet de la tribulation qui nous est survenue en Asie, que nous avons été excessivement accablés, au delà de nos forces, de telle sorte que nous désespérions même de conserver la vie.

9 Et nous regardions comme certain notre arrêt de mort, afin de ne pas placer notre confiance en nous-mêmes, mais de la placer en Dieu, qui ressuscite les morts. 10 C'est lui qui nous a délivrés et qui nous délivrera d'une telle mort, lui de qui nous espérons qu'il nous délivrera encore, 11 vous-mêmes aussi nous assistant de vos prières, afin que la grâce obtenue pour nous par plusieurs soit pour plusieurs une occasion de rendre grâces à notre sujet. 12 Car ce qui fait notre gloire, c'est ce témoignage de notre conscience, que nous nous sommes conduits dans le monde, et surtout à votre égard, avec sainteté et pureté devant Dieu, non point avec une sagesse charnelle, mais avec la grâce de Dieu. 13 Nous ne vous écrivons pas autre chose que ce que vous lisez, et ce que vous reconnaissez. Et j'espère que vous le reconnaîtrez jusqu'à la fin, 14 comme vous avez déjà reconnu en partie que nous sommes votre gloire, de même que vous serez aussi la nôtre au jour du Seigneur Jésus. 15 Dans cette persuasion, je voulais aller d'abord vers vous, afin que vous eussiez une double grâce; 16 je voulais passer chez vous pour me rendre en Macédoine, puis revenir de la Macédoine chez vous, et vous m'auriez fait accompagner en Judée. 17 Est-ce que, en voulant cela, j'ai donc usé de légèreté? Ou bien, mes résolutions sont-elles des résolutions selon la chair, de sorte qu'il y ait en moi le oui et le non? 18 Aussi vrai que Dieu est fidèle, la parole que nous vous avons adressée n'a pas été oui et non. 19 Car le Fils de Dieu, Jésus-Christ, qui a été prêché par nous au milieu de vous, par moi, et par Silvain, et par Timothée, n'a pas été oui et non, mais c'est oui qui a été en lui; 20 car, pour ce qui concerne toutes les promesses de Dieu, c'est en lui qu'est le oui; c'est pourquoi encore l'Amen par lui est prononcé par nous à la gloire de Dieu. 21 Et celui qui nous affermit avec vous en Christ, et qui nous a oints, c'est Dieu, 22 lequel nous a aussi marqués d'un sceau et a mis dans nos coeurs les arrhes de l'Esprit. 23 Or, je prends Dieu à témoin sur mon âme, que c'est pour vous épargner que je ne suis plus allé à Corinthe; 24 non pas que nous dominions sur votre foi, mais nous contribuons à votre joie, car vous êtes fermes dans la foi.