Chapitre 5 1 [Ny amin'ny fitondrana ny loholona sy ny vehivavy mpitondratena mbamin'ny sasany koa, ary anatra ho amin'ny mpanompon'olona] Aza mamely mafy loatra ny anti-panahy, fa anaro toy ny ray izy, ny tanora fanahy toy ny rahalahy,
2 ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana rehetra.
3 Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.
4 Fa raha misy mpitondratena manana zanaka na zafy, aoka ireo hianatra aloha haneho izay toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny ao an-tranony ka hamaly soa ny rainy aman-dreniny; fa izany no ankasitrahana eo anatrehan'Andriamanitra.
5 Fa izay efa mpitondratena tokoa ka irery tena dia efa manantena an'Andriamanitra ka maharitra amin'ny fangatahana sy ny fivavahana andro aman'alina
6 Fa izay vehivavy manaram-po amin'ny fahafinaretana dia maty fahavelony.
7 Ary izany zavatra izany no andidio, mba tsy hananany tsiny.
8 Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
9 Aza soratana ho isan'ny mpitondratena izay latsaka noho ny enim-polo taona sady efa nanam-bady indray mandeha ihany
10 ary tsara laza amin'ny asa tsara; raha namelon-jaza izy, raha nampiantrano vahiny, raha nanasa ny tongotry ny olona masina, raha namonjy ny nozoim-pahoriana, raha nazoto nanaraka ny asa tsara rehetra.
11 Fa mandava ny mpitondra-tena tanora; fa raha tsy maharitra ny fifehezan'i Kristy izy, dia ta-hanam-bady
12 ka hahazo fanamelohana, satria nandà ny finoany voalohany izy.
13 Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an'olona ka manao teny tsy mety.
14 Koa tiako ny mpitondratena tanora fanahy hanam-bady sy hanana zanaka sy hanapaka ny tranony ka tsy hanome vava ny fahavalo hiteny ratsy.
15 Fa ny sasany efa nivily sahady nanaraka an'i Satana.
16 Raha misy vehivavy mino manana mpitondratena, aoka izy hamelona azy, ary aza avela hahavaky tratra ny fiangonana*, mba hamelomany izay efa mpitondratena tokoa. [* Gr. eklesia]
17 Aoka ny loholona* izay mitondra tsara hatao tokony hahazo fanajana roa heny indrindra fa izay nikely aina amin'ny teny sy ny fampianarana. [* Gr. presbytera]
18 Fa hoy ny Soratra Masina: "Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary ianao" (Deo. 25.4) Ary koa: "Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany" (Lio.10.7).
19 Aza mandray teny hiampangana loholona*, raha tsy misy vavolombelona roa na telo. [* Gr. presbytera]
20 Izay manota dia anaro eo anatrehan'ny olona rehetra, mba hatahotra koa ny sasany.
21 Mananatra anao mafy aho eo anatrehan'Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy mba hotandremanao izany zavatra izany, tsy manao olon-tiana, na manao na inona na inona amin'ny fiangarana.
22 Aza malaky mametra-tanana amin'olona na iza na iza, ary aza miombona ota amin'ny sasany; tehirizo madio ny tenanao.
23 Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.
24 Ny fahotan'ny olona sasany miharihary ka mialoha ho amin'ny fitsarana, fa ny an'ny sasany kosa manaraka ato aoriana.
25 Ary miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary izay tsy toy izany dia tsy ho azo afenina.
Chapitre 6
1 Aoka izay andevo rehetra eo ambanin'ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy* ny anaran'Andriamanitra sy ny fampianarana. [*Gr. hasiana blasfemia, izahao Mat. 9.3]
2 Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.
3 [Fananarana sy teny farany ho an'i Timoty] Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema*, dia ny an'i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, [* Gr. salama]
4 dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala* amin'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, [* Gr. marary]
5 fifandirana lalandava, fanaon'ny olona vetaveta saina sady efa nialan'ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ho fahazoan-javatra.
6 Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana.
7 Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa* tsy hahatondra na inona na inona hiala. [* Na: satria]
8 Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.
9 Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana.
10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be.
11 Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
12 Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro.
13 Izaho mananatra anao eo anatrehan'Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan'i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato,
14 mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany;
15 ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany;
16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
17 Anaro ny mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova*, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, [* Gr. fiovavovan'ny harena]
18 mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,
19 ka dia hihary fanorenana tsara ho an'ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
20 Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin'ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin'izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy,
21 izay neken'ny sasany, ka nania tamin'ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.