T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 [Ny amin'ny fivavahana ho an'ny olona rehetra, ary ny fitondran-tena sy ny fitafiana miendrika ny vehivavy Kristiana] Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra,

2 ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.

3 Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika,

4 Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina.

5 Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona,

6 sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao.

7 Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin'ny finoana sy ny fahamarinana.

8 Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masina, tsy amin'ny fahatezerana na amin'ny fifandirana.

9 Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa*, na fitafiana saro-bidy, [* Gr. perila]

10 fa amin'ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra.

11 Aoka ny vehivavy hianatra mangingina ka hanaiky tsara.

12 Fa ny vehivavy tsy avelako hampianatra na hanapaka ny lehilahy, fa hangina ihany.

13 Fa Adama no natao voalohany, vao Eva.

14 Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka, ka dia tonga mpanota.

15 Nefa hovonjena ihany izy amin'ny fiterahan-jaza, raha maharitra amin'ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin'ny fahononan-tena.

 

 

Chapitre 2

2:1 I exhort therefore, first of all, that petitions, prayers, intercessions, and givings of thanks, be made for all men: 2:2 for kings and all who are in high places; that we may lead a tranquil and quiet life in all godliness and reverence. 2:3 For this is good and acceptable in the sight of God our Savior; 2:4 who desires all people to be saved and come to full knowledge of the truth. 2:5 For there is one God, and one mediator between God and men, the man Christ Jesus, 2:6 who gave himself as a ransom for all; the testimony in its own times; 2:7 to which I was appointed a preacher and an apostle (I am telling the truth in Christ, not lying), a teacher of the Gentiles in faith and truth.

2:8 I desire therefore that the men in every place pray, lifting up holy hands without anger and doubting. 2:9 In the same way, that women also adorn themselves in decent clothing, with modesty and propriety; not just with braided hair, gold, pearls, or expensive clothing; 2:10 but (which becomes women professing godliness) with good works. 2:11 Let a woman learn in quietness with all subjection. 2:12 But I don’t permit a woman to teach, nor to exercise authority over a man, but to be in quietness. 2:13 For Adam was first formed, then Eve. 2:14 Adam wasn’t deceived, but the woman, being deceived, has fallen into disobedience; 2:15 but she will be saved through her childbearing, if they continue in faith, love, and sanctification with sobriety.

 

Chapitre 2
1 J'exhorte donc, avant toutes choses, à faire des prières, des supplications, des requêtes, des actions de grâces, pour tous les hommes, 2 pour les rois et pour tous ceux qui sont élevés en dignité, afin que nous menions une vie paisible et tranquille, en toute piété et honnêteté. 3 Cela est bon et agréable devant Dieu notre Sauveur, 4 qui veut que tous les hommes soient sauvés et parviennent à la connaissance de la vérité. 5 Car il y a un seul Dieu, et aussi un seul médiateur entre Dieu et les hommes, Jésus-Christ homme, 6 qui s'est donné lui-même en rançon pour tous. C'est là le témoignage rendu en son propre temps, 7 et pour lequel j'ai été établi prédicateur et apôtre, -je dis la vérité, je ne mens pas, -chargé d'instruire les païens dans la foi et la vérité. 8 Je veux donc que les hommes prient en tout lieu, en élevant des mains pures, sans colère ni mauvaises pensées. 9 Je veux aussi que les femmes, vêtues d'une manière décente, avec pudeur et modestie, ne se parent ni de tresses, ni d'or, ni de perles, ni d'habits somptueux, 10 mais qu'elles se parent de bonnes oeuvres, comme il convient à des femmes qui font profession de servir Dieu. 11 Que la femme écoute l'instruction en silence, avec une entière soumission. 12 Je ne permets pas à la femme d'enseigner, ni de prendre de l'autorité sur l'homme; mais elle doit demeurer dans le silence. 13 Car Adam a été formé le premier, Eve ensuite; 14 et ce n'est pas Adam qui a été séduit, c'est la femme qui, séduite, s'est rendue coupable de transgression. 15 Elle sera néanmoins sauvée en devenant mère, si elle persévère avec modestie dans la foi, dans la charité, et dans la sainteté.