|
Chapitre 1
1 [Fiarahabana sy
anatra ny amin'ny mpampianatra sandoka, ary filazana ny amin'ny lalàna sy ny
filazantsara ary ny fahasoavan'Andriamanitra tamin'i Paoly] Paoly, Apostolin'i
Kristy Jesosy araka ny didin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy
fanantenantsika,
2 mamangy an'i Timoty,
tena zanako amin'ny finoana: fahasoavana, famindram-po, fiadanana avy
amin'Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
3 Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia
aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa,
4 na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany
izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka
an'Andriamanitra amin'ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.
5 Fa ny anton'ny didy dia fitiavana avy amin'ny fo madio sy ny
fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy,
6 izay nivilian'ny sasany, ka nania ho amin'ny taria foana izy,
7 dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay
lazainy na izay itompoany.
8 Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin'ny olona araka izay antony,
9 ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny
mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an'Andriamanitra sy ny
mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray
sy ny mpamono reny, ny mpamono olona,
10 ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga,
ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy
kilema*, [* Gr. salama]
11 araka ny filazantsaran'ny voninahitr'Andriamanitra finaritra, izay
natolotra ho adidiko.
12 Misaotra an'i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa
nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin'ny fanompoana,
13 dia izaho, izay
mpiteny ratsy* fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po
aho, satria tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana. [*
Gr. mpanao blasfemia; izahao Mat. 9,3]
14 Fa be indrindra ny
fahasoavan'ny Tompontsika tamin'ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin'i
Kristy Jesosy.
15 Mahatoky ka tokony
hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin'ny
tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no lohany.
16 Kanefa izao no
namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany,
ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana
mandrakizay.
17 Ary ho an'ny
Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra
tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
18 Izao didy izao no
omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao
ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo,
19 amin'ny itananao ny
finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian'ny sasany, ka toy ny olona
vaky sambo izy ny amin'ny finoana;
20 naman'ireny Hymeneo
sy Aleksandro, izay natolotro ho an'i Satana mba hofaizana tsy hiteny ratsy. [
Gr. hanao blasfemia, izahao Mat. 9,3]
| | Chapitre 1
1:1 Paul, an apostle of Christ Jesus according to the commandment of God our
Savior, and Christ Jesus our hope; 1:2 to Timothy, my true child in faith:
Grace, mercy, and peace, from God our Father and Christ Jesus our Lord.
1:3
As I urged you when I was going into Macedonia, stay at Ephesus that you might
command certain men not to teach a different doctrine, 1:4 neither to pay
attention to myths and endless genealogies, which cause disputes, rather than
God’s stewardship, which is in faith— 1:5 but the goal of this command is love,
out of a pure heart and a good conscience and sincere faith; 1:6 from which
things some, having missed the mark, have turned aside to vain talking; 1:7
desiring to be teachers of the law, though they understand neither what they
say, nor about what they strongly affirm. 1:8 But we know that the law is good,
if a man uses it lawfully, 1:9 as knowing this, that law is not made for a
righteous man, but for the lawless and insubordinate, for the ungodly and
sinners, for the unholy and profane, for murderers of fathers and murderers of
mothers, for manslayers, 1:10 for the sexually immoral, for homosexuals, for
slave-traders, for liars, for perjurers, and for any other thing contrary to
the sound doctrine; 1:11 according to the Good News of the glory of the blessed
God, which was committed to my trust. 1:12 And I thank him who enabled me,
Christ Jesus our Lord, because he counted me faithful, appointing me to
service; 1:13 although I was before a blasphemer, a persecutor, and insolent. However,
I obtained mercy, because I did it ignorantly in unbelief. 1:14 The grace of
our Lord abounded exceedingly with faith and love which is in Christ Jesus. 1:15
The saying is faithful and worthy of all acceptance, that Christ Jesus came into
the world to save sinners; of whom I am chief. 1:16 However, for this cause I
obtained mercy, that in me first, Jesus Christ might display all his patience,
for an example of those who were going to believe in him for eternal life. 1:17
Now to the King eternal, immortal, invisible, to God who alone is wise, be
honor and glory forever and ever. Amen.
1:18
This instruction I commit to you, my child Timothy, according to the prophecies
which led the way to you, that by them you may wage the good warfare; 1:19
holding faith and a good conscience; which some having thrust away made a
shipwreck concerning the faith; 1:20 of whom is Hymenaeus and Alexander; whom I
delivered to Satan, that they might be taught not to blaspheme. | | Chapitre 1
1 Paul, apôtre de Jésus-Christ, par ordre de Dieu notre Sauveur et de
Jésus-Christ notre espérance, 2 à Timothée, mon enfant légitime en la foi: que
la grâce, la miséricorde et la paix, te soient données de la part de Dieu le
Père et de Jésus-Christ notre Seigneur! 3 Je te rappelle l'exhortation que je
te fis, à mon départ pour la Macédoine, lorsque je t'engageai à rester à
Éphèse, afin de recommander à certaines personnes de ne pas enseigner d'autres
doctrines, 4 et de ne pas s'attacher à des fables et à des généalogies sans
fin, qui produisent des discussions plutôt qu'elles n'avancent l'oeuvre de Dieu
dans la foi. 5 Le but du commandement, c'est une charité venant d'un coeur pur,
d'une bonne conscience, et d'une foi sincère. 6 Quelques-uns, s'étant détournés
de ces choses, se sont égarés dans de vains discours; 7 ils veulent être
docteurs de la loi, et ils ne comprennent ni ce qu'ils disent, ni ce qu'ils
affirment. 8 Nous n'ignorons pas que la loi est bonne, pourvu qu'on en fasse un
usage légitime, 9 sachant bien que la loi n'est pas faite pour le juste, mais
pour les méchants et les rebelles, les impies et les pécheurs, les irréligieux
et les profanes, les parricides, les meurtriers, 10 les impudiques, les
infâmes, les voleurs d'hommes, les menteurs, les parjures, et tout ce qui est
contraire à la saine doctrine, - 11 conformément à l'Évangile de la gloire du
Dieu bienheureux, Évangile qui m'a été confié. 12 Je rends grâces à celui qui
m'a fortifié, à Jésus-Christ notre Seigneur, de ce qu'il m'a jugé fidèle,
(1:13) en m'établissant dans le ministère, 13 moi qui étais auparavant un
blasphémateur, un persécuteur, un homme violent. Mais j'ai obtenu miséricorde,
parce que j'agissais par ignorance, dans l'incrédulité; 14 et la grâce de notre
Seigneur a surabondé, avec la foi et la charité qui est en Jésus-Christ. 15 C'est une parole certaine
et entièrement digne d'être reçue, que Jésus-Christ est venu dans le monde pour
sauver les pécheurs, dont je suis le premier. 16 Mais j'ai obtenu miséricorde,
afin que Jésus-Christ fît voir en moi le premier toute sa longanimité, pour que
je servisse d'exemple à ceux qui croiraient en lui pour la vie éternelle. 17 Au
roi des siècles, immortel, invisible, seul Dieu, soient honneur et gloire, aux
siècles des siècles! Amen! 18 Le commandement que je t'adresse, Timothée, mon
enfant, selon les prophéties faites précédemment à ton sujet, c'est que,
d'après elles, tu combattes le bon combat, 19 en gardant la foi et une bonne
conscience. Cette conscience, quelques-uns l'ont perdue, et ils ont fait
naufrage par rapport à la foi. 20 De ce nombre sont Hyménée et Alexandre, que
j'ai livrés à Satan, afin qu'ils apprennent à ne pas blasphémer. | |