T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 5

1 Fa ny amin'ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo,

2 satria ianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin'ny alina ny andron'ny Tompo.

3 Raha misy olona manao hoe: Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, toy ny fahararian'ny vehivavy raha miteraka, ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy.

4 Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.

5 Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika.

6 Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina* ka hahonon-tena. [* Gr. hiari-tory]

7 Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina.

8 Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.

9 Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika,

10 Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.

11 Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.

12 [Fananarana sy fanaovam-beloma] Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, mba hekenareo izay mikely aina eo aminareo sy mitondra anareo amin'ny Tompo ary mananatra anareo,

13 ary mba hohajainareo indrindra amin'ny fitiavana izy noho ny asany. Mihavàna tsara.

14 Ary mananatra anareo izahay, ry rahalahy; anaro izay tsy mitoetra tsara; omeo toky ny malemy saina; ampaherezo ny reraka; mandefera amin'ny olona rehetra.

15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy olona; fa miezaha mandrakariva hitady izay tsara, na amin'ny namanareo na amin'ny olona rehetra.

16 Mifalia mandrakariva.

17 Mivavaha, ka aza mitsahatra.

18 Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.

19 Aza mamono ny Fanahy.

20 Aza manao tsinontsinona ny faminaniana.

21 Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.

22 Fadio ny fanao ratsy rehetra.

23 Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika.

24 Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.

25 Ry rahalahy, mivavaha ho anay.

26 Manaova veloma ny rahalahy rehetra amin'ny fanorohana masina.

27 Mampianiana anareo amin'ny Tompo aho mba hovakina amin'ny rahalahy* rehetra ity epistily ity. [* Na: (rahalahy masina)]

28 Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

 

Chapitre 5

5:1 But concerning the times and the seasons, brothers, you have no need that anything be written to you. 5:2 For you yourselves know well that the day of the Lord comes like a thief in the night. 5:3 For when they are saying, “Peace and safety,” then sudden destruction will come on them, like birth pains on a pregnant woman; and they will in no way escape. 5:4 But you, brothers, aren’t in darkness, that the day should overtake you like a thief. 5:5 You are all children of light, and children of the day. We don’t belong to the night, nor to darkness, 5:6 so then let’s not sleep, as the rest do, but let’s watch and be sober. 5:7 For those who sleep, sleep in the night, and those who are drunk are drunk in the night. 5:8 But let us, since we belong to the day, be sober, putting on the breastplate of faith and love, and, for a helmet, the hope of salvation. 5:9 For God didn’t appoint us to wrath, but to the obtaining of salvation through our Lord Jesus Christ, 5:10 who died for us, that, whether we wake or sleep, we should live together with him. 5:11 Therefore exhort one another, and build each other up, even as you also do. 5:12 But we beg you, brothers, to know those who labor among you, and are over you in the Lord, and admonish you, 5:13 and to respect and honor them in love for their work’s sake.

Be at peace among yourselves. 5:14 We exhort you, brothers, admonish the disorderly, encourage the fainthearted, support the weak, be patient toward all. 5:15 See that no one returns evil for evil to anyone, but always follow after that which is good, for one another, and for all.

5:16 Rejoice always. 5:17 Pray without ceasing. 5:18 In everything give thanks, for this is the will of God in Christ Jesus toward you. 5:19 Don’t quench the Spirit. 5:20 Don’t despise prophesies. 5:21 Test all things, and hold firmly that which is good. 5:22 Abstain from every form of evil.

5:23 May the God of peace himself sanctify you completely. May your whole spirit, soul, and body be preserved blameless at the coming of our Lord Jesus Christ.

5:24 He who calls you is faithful, who will also do it. 5:25 Brothers, pray for us. 5:26 Greet all the brothers with a holy kiss. 5:27 I solemnly command you by the Lord that this letter be read to all the holy brothers.

5:28 The grace of our Lord Jesus Christ be with you. Amen.

 

Chapitre 5
1 Pour ce qui est des temps et des moments, vous n'avez pas besoin, frères, qu'on vous en écrive. 2 Car vous savez bien vous-mêmes que le jour du Seigneur viendra comme un voleur dans la nuit. 3 Quand les hommes diront: Paix et sûreté! alors une ruine soudaine les surprendra, comme les douleurs de l'enfantement surprennent la femme enceinte, et ils n'échapperont point. 4 Mais vous, frères, vous n'êtes pas dans les ténèbres, pour que ce jour vous surprenne comme un voleur; 5 vous êtes tous des enfants de la lumière et des enfants du jour. Nous ne sommes point de la nuit ni des ténèbres. 6 Ne dormons donc point comme les autres, mais veillons et soyons sobres. 7 Car ceux qui dorment dorment la nuit, et ceux qui s'enivrent s'enivrent la nuit. 8 Mais nous qui sommes du jour, soyons sobres, ayant revêtu la cuirasse de la foi et de la charité, et ayant pour casque l'espérance du salut. 9 Car Dieu ne nous a pas destinés à la colère, mais à l'acquisition du salut par notre Seigneur Jésus-Christ, 10 qui est mort pour nous, afin que, soit que nous veillions, soit que nous dormions, nous vivions ensemble avec lui. 11 C'est pourquoi exhortez-vous réciproquement, et édifiez-vous les uns les autres, comme en réalité vous le faites. 12 Nous vous prions, frères, d'avoir de la considération pour ceux qui travaillent parmi vous, qui vous dirigent dans le Seigneur, et qui vous exhortent. 13 Ayez pour eux beaucoup d'affection, à cause de leur oeuvre. Soyez en paix entre vous. 14 Nous vous en prions aussi, frères, avertissez ceux qui vivent dans le désordre, consolez ceux qui sont abattus, supportez les faibles, usez de patience envers tous. 15 Prenez garde que personne ne rende à autrui le mal pour le mal; mais poursuivez toujours le bien, soit entre vous, soit envers tous. 16 Soyez toujours joyeux. 17 Priez sans cesse. 18 Rendez grâces en toutes choses, car c'est à votre égard la volonté de Dieu en Jésus-Christ. 19 N'éteignez pas l'Esprit. 20 Ne méprisez pas les prophéties. 21 Mais examinez toutes choses; retenez ce qui est bon; 22 abstenez-vous de toute espèce de mal. 23 Que le Dieu de paix vous sanctifie lui-même tout entiers, et que tout votre être, l'esprit, l'âme et le corps, soit conservé irrépréhensible, lors de l'avènement de notre Seigneur Jésus-Christ! 24 Celui qui vous a appelés est fidèle, et c'est lui qui le fera. 25 Frères, priez pour nous. 26 Saluez tous les frères par un saint baiser. 27 Je vous en conjure par le Seigneur, que cette lettre soit lue à tous les frères. 28 Que la grâce de notre Seigneur Jésus-Christ soit avec vous!