T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 3

1 Ary amin'izany, raha tsy naharitra intsony izahay, dia nataonay fa mety ny hilaozana hitoetra irery tany Atena,

2 ka dia nirahinay Timoty, rahalahinay sady mpanompon'Andriamanitra amin'ny filazantsaran'i Kristy, mba hampahery sy hamporisika anareo amin'ny finoanareo,

3 mba tsy hisy ho taitra amin'izao fahoriana izao; fa ny tenanareo mahalala fa ho amin'izao no nanendrena antsika.

4 Fa fony teo aminareo aza izahay, dia nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina isika, dia toy ny efa nanjo ihany ka fantatrareo.

5 Ary noho izany izaho koa, raha tsy naharitra intsony, dia naniraka hahafantatra ny finoanareo, fandrao sendra naka fanahy anareo ny mpaka-fanahy, ka ho foana ny nikelezanay aina.

6 Fa raha vao tonga atỳ aminay ankehitriny Timoty avy tatỳ aminareo ka nilaza teny taminay ny amin'ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fahatsiarovana anareo tsara anay mandrakariva, ka maniry hahita anay indrindra ianareo, tahaka anay aminareo koa,-

7 noho izany, ry rahalahy, dia nampionona anay teo amin'ny fahaterenay sy ny fahorianay rehetra ny finoanareo;

8 fa ankehitriny velona izahay, raha tomoetra tsara amin'ny Tompo ianareo.

9 Fa manao ahoana no saotra azonay havaly an'Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana rehetra izay ifalianay noho ny aminareo eo anatrehan'Andriamanitray,

10 amin'ny fangatahanay fatratra andro aman'alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka ny tsy ampy amin'ny finoanareo?

11 Ary Andriamanitra Raintsika anie sy Jesosy Tompontsika hanitsy ny lalanay ho atỳ

12 Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa,

13 mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra.

 

Chapitre 3

3:1 Therefore when we couldn’t stand it any longer, we thought it good to be left behind at Athens alone, 3:2 and sent Timothy, our brother and God’s servant in the Good News of Christ, to establish you, and to comfort you concerning your faith; 3:3 that no one be moved by these afflictions. For you know that we are appointed to this task. 3:4 For most certainly, when we were with you, we told you beforehand that we are to suffer affliction, even as it happened, and you know. 3:5 For this cause I also, when I couldn’t stand it any longer, sent that I might know your faith, for fear that by any means the tempter had tempted you, and our labor would have been in vain. 3:6 But when Timothy came just now to us from you, and brought us glad news of your faith and love, and that you have good memories of us always, longing to see us, even as we also long to see you; 3:7 for this cause, brothers, we were comforted over you in all our distress and affliction through your faith. 3:8 For now we live, if you stand fast in the Lord. 3:9 For what thanksgiving can we render again to God for you, for all the joy with which we rejoice for your sakes before our God; 3:10 night and day praying exceedingly that we may see your face, and may perfect that which is lacking in your faith? 3:11 Now may our God and Father himself, and our Lord Jesus Christ, direct our way to you; 3:12 and the Lord make you to increase and abound in love one toward another, and toward all men, even as we also do toward you, 3:13 to the end he may establish your hearts blameless in holiness before our God and Father, at the coming of our Lord Jesus with all his saints.

 

Chapitre 3
1 C'est pourquoi, impatients que nous étions, et nous décidant à rester seuls à Athènes, 2 nous envoyâmes Timothée, notre frère, ministre de Dieu dans l'Évangile de Christ, pour vous affermir et vous exhorter au sujet de votre foi, 3 afin que personne ne fût ébranlé au milieu des tribulations présentes; car vous savez vous-mêmes que nous sommes destinés à cela. 4 Et lorsque nous étions auprès de vous, nous vous annoncions d'avance que nous serions exposés à des tribulations, comme cela est arrivé, et comme vous le savez. 5 Ainsi, dans mon impatience, j'envoyai m'informer de votre foi, dans la crainte que le tentateur ne vous eût tentés, et que nous n'eussions travaillé en vain. 6 Mais Timothée, récemment arrivé ici de chez vous, nous a donné de bonnes nouvelles de votre foi et de votre charité, et nous a dit que vous avez toujours de nous un bon souvenir, désirant nous voir comme nous désirons aussi vous voir. 7 En conséquence, frères, au milieu de toutes nos calamités et de nos tribulations, nous avons été consolés à votre sujet, à cause de votre foi. 8 Car maintenant nous vivons, puisque vous demeurez fermes dans le Seigneur. 9 Quelles actions de grâces, en effet, nous pouvons rendre à Dieu à votre sujet, pour toute la joie que nous éprouvons à cause de vous, devant notre Dieu! 10 Nuit et jour, nous le prions avec une extrême ardeur de nous permettre de vous voir, et de compléter ce qui manque à votre foi. 11 Que Dieu lui-même, notre Père, et notre Seigneur Jésus, aplanissent notre route pour que nous allions à vous! 12 Que le Seigneur augmente de plus en plus parmi vous, et à l'égard de tous, cette charité que nous avons nous-mêmes pour vous, 13 afin d'affermir vos coeurs pour qu'ils soient irréprochables dans la sainteté devant Dieu notre Père, lors de l'avènement de notre Seigneur Jésus avec tous ses saints!