| Chapitre 29 1 [Ny zavatra naterin'ny lehibe amin'ny Isiraely ho enti-manao ny tempoly] Ary hoy Davida mpanjaka tamin'ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin'Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an'olona, fa ho an'i Jehovah Andriamanitra. 2 Ary tamin'ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon'Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony* ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra** ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga*** betsaka.[*Na: beryla mbamin'ny tranontranony][**Na: tenona samy hafa soratra][***marmora fotsy] 3 Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon'Andriamanitro dia omeko ho an'ny tranon'Andriamanitra, ho fanampin'ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masina, izay volamena sy volafotsy ananako, 4 dia talenta volamena telo arivo, volamena avy any Ofira, ary talenta volafotsy voadio fito arivo hapetaka amin'ny rindrin'ny isan-efi-trano, 5 ny volamena hanaovana ny fanaka volamena ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samy hafa rehetra izay hataon'ny tanan'ny mpiasa mahay tao-zavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an'i Jehovah anio? 6 Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan'ny fianakaviana sy ny lehiben'ny firenen'Isiraely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin'ny mpitandrina ny raharahan'ny mpanjaka 7 ka nanome izay hanaovana ny fanompoana amin'ny tranon'Andriamanitra, dia talenta volamena dimy arivo sy darika* iray alina sy talenta volafotsy iray alina sy talenta varahina valo arivo amby iray alina ary talenta vy iray hetsy.[Ny darika dia anaran'ny farantsakely volamena, ary tokony ho ariary dimy sy loso no heviny] 8 Ary izay nanana vato soa dia nanome azy no amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah, hotehirizin'i Jehiela Gersonita. 9 Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan'ireo, fa tamin'ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an'i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly. 10 [Ny nisaoran'i Davida an'Andriamanitra sy ny fara-teniny tamin'ny Isiraely, sy ny nanendrena an'i Solomona, ary ny nahafatesan'i Davida] Koa dia nisaotra an'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr'Isiraely razanay, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. 11 Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra. 12 Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao. 13 Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra. 14 Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao. 15 Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana. 16 Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an'ny anaranao masina ireto dia avy tamin'ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra. 17 Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin'ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin'ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao. 18 Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon'ny olonao mandrakizay izany fikasan'ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony; 19 ary omeo fo marina Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lalànao ka hanao izany rehetra izany sady hahavita ny lapa izay efa namoriako ny hanaovana azy. 20 Ary hoy Davida tamin'ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah sy ny mpanjaka. 21 Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah nony ampitson'iny, dia vantotr'ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak'ondry arivo mbamin'ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an'ny Isiraely rehetra. 22 Ary nihinana sy nisotro tamin'ny fifaliana be teo anatrehan'i Jehovah ny olona tamin'izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak'i Davida, sady nohosorany ho an'i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona. 23 Ary Solomona dia nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'i Jehovah ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra. 24 Ary ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny zanak'i Davida rehetra koa dia samy nanaiky an'i Solomona mpanjaka. 25 Ary Jehovah nanandratra an'i Solomona indrindra teo imason'ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin'ny Isiraely. 26 Toy izany no nanjakan'i Davida, zanak'i Jese, tamin'ny Isiraely rehetra. 27 Ary ny andro nanjakany tamin'ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tany Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona. 28 Ary maty izy rehefa tratrantitra tsara sady lava andro ary be harena sy voninahitra*; ary Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.[Heb. voky andro sy harena ary voninahitra] 29 Ary ny tantaran'i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'i Samoela mpahita sy ao amin'ny bokin'i Natana mpaminany ary ao amin'ny bokin'i Gada mpahita izany, 30 mbamin'ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay niseho tamin'ny* ary tamin'ny Isiraely sy tamin'ny fanjakana rehetra tamin'ny tany.[Heb. ny andro niseho taminy] | | Chapitre 29 29:1 David the king said to all the assembly, “Solomon my son, whom alone God has chosen, is yet young and tender, and the work is great; for the palace is not for man, but for Yahweh God. 29:2 Now I have prepared with all my might for the house of my God the gold for the things of gold, and the silver for the things of silver, and the brass for the things of brass, the iron for the things of iron, and wood for the things of wood; onyx stones, and stones to be set, stones for inlaid work, and of various colors, and all kinds of precious stones, and marble stones in abundance. 29:3 In addition, because I have set my affection on the house of my God, since I have a treasure of my own of gold and silver, I give it to the house of my God, over and above all that I have prepared for the holy house, 29:4 even three thousand talents of gold, of the gold of Ophir, and seven thousand talents of refined silver, with which to overlay the walls of the houses; 29:5 of gold for the things of gold, and of silver for the things of silver, and for all kinds of work to be made by the hands of artisans. Who then offers willingly to consecrate himself this day to Yahweh?” 29:6 Then the princes of the fathers’ households, and the princes of the tribes of Israel, and the captains of thousands and of hundreds, with the rulers over the king’s work, offered willingly; 29:7 and they gave for the service of God’s house of gold five thousand talents and ten thousand darics, and of silver ten thousand talents, and of brass eighteen thousand talents, and of iron a hundred thousand talents. 29:8 They with whom precious stones were found gave them to the treasure of the house of Yahweh, under the hand of Jehiel the Gershonite. 29:9 Then the people rejoiced, because they offered willingly, because with a perfect heart they offered willingly to Yahweh: and David the king also rejoiced with great joy. 29:10 Therefore David blessed Yahweh before all the assembly; and David said, “You are blessed, Yahweh, the God of Israel our father, forever and ever. 29:11 Yours, Yahweh, is the greatness, the power, the glory, the victory, and the majesty! For all that is in the heavens and in the earth is yours. Yours is the kingdom, Yahweh, and you are exalted as head above all. 29:12 Both riches and honor come from you, and you rule over all; and in your hand is power and might; and it is in your hand to make great, and to give strength to all. 29:13 Now therefore, our God, we thank you, and praise your glorious name. 29:14 But who am I, and what is my people, that we should be able to offer so willingly as this? For all things come from you, and of your own have we given you. 29:15 For we are strangers before you, and foreigners, as all our fathers were. Our days on the earth are as a shadow, and there is no remaining. 29:16 Yahweh our God, all this store that we have prepared to build you a house for your holy name comes from your hand, and is all your own. 29:17 I know also, my God, that you try the heart, and have pleasure in uprightness. As for me, in the uprightness of my heart I have willingly offered all these things. Now have I seen with joy your people, that are present here, offer willingly to you. 29:18 Yahweh, the God of Abraham, of Isaac, and of Israel, our fathers, keep this forever in the imagination of the thoughts of the heart of your people, and prepare their heart for you; 29:19 and give to Solomon my son a perfect heart, to keep your commandments, your testimonies, and your statutes, and to do all these things, and to build the palace, for which I have made provision.” 29:20 David said to all the assembly, “Now bless Yahweh your God!” All the assembly blessed Yahweh, the God of their fathers, and bowed down their heads and prostrated themselves before Yahweh and the king. 29:21 They sacrificed sacrifices to Yahweh, and offered burnt offerings to Yahweh, on the next day after that day, even one thousand bulls, one thousand rams, and one thousand lambs, with their drink offerings, and sacrifices in abundance for all Israel, 29:22 and ate and drink before Yahweh on that day with great gladness. They made Solomon the son of David king the second time, and anointed him to Yahweh to be prince, and Zadok to be priest. 29:23 Then Solomon sat on the throne of Yahweh as king instead of David his father, and prospered; and all Israel obeyed him. 29:24 All the princes, the mighty men, and also all of the sons of king David submitted themselves to Solomon the king. 29:25 Yahweh magnified Solomon exceedingly in the sight of all Israel, and bestowed on him such royal majesty as had not been on any king before him in Israel. 29:26 Now David the son of Jesse reigned over all Israel. 29:27 The time that he reigned over Israel was forty years; he reigned seven years in Hebron, and he reigned thirty-three years in Jerusalem. 29:28 He died in a good old age, full of days, riches, and honor: and Solomon his son reigned in his place. 29:29 Now the acts of David the king, first and last, behold, they are written in the history of Samuel the seer, and in the history of Nathan the prophet, and in the history of Gad the seer, 29:30 with all his reign and his might, and the times that went over him, and over Israel, and over all the kingdoms of the countries | | Chapitre 29 1 Le roi David dit à toute l'assemblée: Mon fils Salomon, le seul que Dieu ait choisi, est jeune et d'un âge faible, et l'ouvrage est considérable, car ce palais n'est pas pour un homme, mais il est pour l'Éternel Dieu. 2 J'ai mis toutes mes forces à préparer pour la maison de mon Dieu de l'or pour ce qui doit être d'or, de l'argent pour ce qui doit être d'argent, de l'airain pour ce qui doit être d'airain, du fer pour ce qui doit être de fer, et du bois pour ce qui doit être de bois, des pierres d'onyx et des pierres à enchâsser, des pierres brillantes et de diverses couleurs, toutes sortes de pierres précieuses, et du marbre blanc en quantité. 3 De plus, dans mon attachement pour la maison de mon Dieu, je donne à la maison de mon Dieu l'or et l'argent que je possède en propre, outre tout ce que j'ai préparé pour la maison du sanctuaire: 4 trois mille talents d'or, d'or d'Ophir, et sept mille talents d'argent épuré, pour en revêtir les parois des bâtiments, 5 l'or pour ce qui doit être d'or, et l'argent pour ce qui doit être d'argent, et pour tous les travaux qu'exécuteront les ouvriers. Qui veut encore présenter volontairement aujourd'hui ses offrandes à l'Éternel? 6 Les chefs des maisons paternelles, les chefs des tribus d'Israël, les chefs de milliers et de centaines, et les intendants du roi firent volontairement des offrandes. 7 Ils donnèrent pour le service de la maison de Dieu cinq mille talents d'or, dix mille dariques, dix mille talents d'argent, dix-huit mille talents d'airain, et cent mille talents de fer. 8 Ceux qui possédaient des pierres les livrèrent pour le trésor de la maison de l'Éternel entre les mains de Jehiel, le Guerschonite. 9 Le peuple se réjouit de leurs offrandes volontaires, car c'était avec un coeur bien disposé qu'ils les faisaient à l'Éternel; et le roi David en eut aussi une grande joie. 10 David bénit l'Éternel en présence de toute l'assemblée. Il dit: Béni sois-tu, d'éternité en éternité, Éternel, Dieu de notre père Israël. 11 A toi, Éternel, la grandeur, la force et la magnificence, l'éternité et la gloire, car tout ce qui est au ciel et sur la terre t'appartient; à toi, Éternel, le règne, car tu t'élèves souverainement au-dessus de tout! 12 C'est de toi que viennent la richesse et la gloire, c'est toi qui domines sur tout, c'est dans ta main que sont la force et la puissance, et c'est ta main qui a le pouvoir d'agrandir et d'affermir toutes choses. 13 Maintenant, ô notre Dieu, nous te louons, et nous célébrons ton nom glorieux. 14 Car qui suis-je et qui est mon peuple, pour que nous puissions te faire volontairement ces offrandes? Tout vient de toi, et nous recevons de ta main ce que nous t'offrons. 15 Nous sommes devant toi des étrangers et des habitants, comme tous nos pères; nos jours sur la terre sont comme l'ombre, et il n'y a point d'espérance. 16 Éternel, notre Dieu, c'est de ta main que viennent toutes ces richesses que nous avons préparées pour te bâtir une maison, à toi, à ton saint nom, et c'est à toi que tout appartient. 17 Je sais, ô mon Dieu, que tu sondes le coeur, et que tu aimes la droiture; aussi je t'ai fait toutes ces offrandes volontaires dans la droiture de mon coeur, et j'ai vu maintenant avec joie ton peuple qui se trouve ici t'offrir volontairement ses dons. 18 Éternel, Dieu d'Abraham, d'Isaac et d'Israël, nos pères, maintiens à toujours dans le coeur de ton peuple ces dispositions et ces pensées, et affermis son coeur en toi. 19 Donne à mon fils Salomon un coeur dévoué à l'observation de tes commandements, de tes préceptes et de tes lois, afin qu'il mette en pratique toutes ces choses, et qu'il bâtisse le palais pour lequel j'ai fait des préparatifs. 20 David dit à toute l'assemblée: Bénissez l'Éternel, votre Dieu! Et toute l'assemblée bénit l'Éternel, le Dieu de leurs pères. Ils s'inclinèrent et se prosternèrent devant l'Éternel et devant le roi. 21 Le lendemain de ce jour, ils offrirent en sacrifice et en holocauste à l'Éternel mille taureaux, mille béliers et mille agneaux, avec les libations ordinaires, et d'autres sacrifices en grand nombre pour tout Israël. 22 Ils mangèrent et burent ce jour-là devant l'Éternel avec une grande joie, ils proclamèrent roi pour la seconde fois Salomon, fils de David, ils l'oignirent devant l'Éternel comme chef, et ils oignirent Tsadok comme sacrificateur. 23 Salomon s'assit sur le trône de l'Éternel, comme roi à la place de David, son père. Il prospéra, et tout Israël lui obéit. 24 Tous les chefs et les héros, et même tous les fils du roi David se soumirent au roi Salomon. 25 L'Éternel éleva au plus haut degré Salomon sous les yeux de tout Israël, et il rendit son règne plus éclatant que ne fut celui d'aucun roi d'Israël avant lui. 26 David, fils d'Isaï, régna sur tout Israël. 27 Le temps qu'il régna sur Israël fut de quarante ans: à Hébron il régna sept ans, et à Jérusalem il régna trente-trois ans. 28 Il mourut dans une heureuse vieillesse, rassasié de jours, de richesse et de gloire. Et Salomon, son fils, régna à sa place. 29 Les actions du roi David, les premières et les dernières, sont écrites dans le livre de Samuel le voyant, dans le livre de Nathan, le prophète, et dans le livre de Gad, le prophète, 30 avec tout son règne et tous ses exploits, et ce qui s'est passé de son temps, soit en Israël, soit dans tous les royaumes des autres pays. | |