T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 21

1 [Ny nanisana ny vahoaka, sy ny aretina nanjo ny olona noho izany, ary ny fifonana nataon'i Davida] Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin'ny Isiraely ka nanome saina an'i Davida hanisa ny Isiraely.

2 Dia hoy Davida tamin'i Joaba sy tamin'ireo lehiben'ny vahoaka: Mandehana, isao ny Isiraely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana; ary ento atỳ amiko ny isany mba ho fantatro.

3 Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon'ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan'ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?

4 Nefa tsy azon'i Joaba nolavina ny tenin'ny mpanjaka; ka dia niainga izy ka nitety ny Isiraely rehetra; dia tonga tany Jerosalema indray izy.

5 Ary natolotr'i Joaba an'i Davida ny isan'ny olona voalamina, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Isiraely; ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'ny Joda.

6 Fa ny Levy sy ny Benjamina tsy mba nalaminy, satria fahavetavetana tamin'i Joaba ny tenin'ny mpanjaka.

7 Ary tsy sitrak'Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.

8 Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin'izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.

9 Ary hoy Jehovah tamin'i Gada mpahitan'i Davida:

10 Mandehana, ka lazao amin'i Davida hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Zavatra telo loha no apetrako eto anoloanao, koa fidio izay iray hataoko aminao.

11 Ary Gada nankany amin'i Davida ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Mifidia:

12 Mosary telo taona va? Sa fandringanana eo alohan'ny fahavalonao telo volana, raha tratry ny sabatry ny fahavalonao ianao? Sa ny sabatr'i Jehovah, dia areti-mandringana, no hamely ny tany hateloana, ka Ilay Anjelin'i Jehovah handringana eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra? Koa hevero tsara izay valiny ho entiko miverina any amin'Izay naniraka ahy.

13 Ary hoy Davida tamin'i Gada: Indrisy! poritra loatra aho! nefa aleoko ho azon'ny tànan'i Jehovah, fa lehibe ny famindram-pony toy izay ho azon'izay tànan'olona.

14 Dia nasian'i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.

15 Ary Andriamanitra naniraka Anjely hankany Jerosalema handrava azy; ary raha ilay mbola nandrava iny Izy, dia nijery Jehovah ka nanenina ny amin'ny loza ka nanao tamin'Ilay Anjely nandrava hoe: Aoka izay! Atsaharo ny tananao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anilan'ny famoloan'i Araona Jebosita.

16 Ary Davida nanopy ny masony ka nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nitsangana teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, izay natondrony manandrify an'i Jerosalema. Dia niankohoka Davida sy ny loholon'ny Isiraely, izay efa samy nitafy lamba fisaonana*.[Heb. lamba malailay]

17 Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra: Tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao ratsy tokoa; fa ireo ondry ireo kosa, inona moa no mba nataony? Eny, Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny mpianakavin'ny raiko, fa aza ny olonao no asianao amin'ny areti-mandringana.

18 Ary Gada nasain'Ilay Anjelin'i Jehovah hilaza amin'i Davida mba hiakatra hanangana alitara ho an'i Jehovah ao amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.

19 Koa dia niakatra Davida araka ny tenin'i Gada, izay nolazainy tamin'ny anaran'i Jehovah.

20 Ary Araona niherika ka nahita Ilay Anjely; ary ny zanany efa-dahy izay teo aminy dia niery. Ary Araona nively vary tao tamin'izay.

21 Ary nony tonga teo amin'i Araona Davida, dia nijery Araona ka nahita an'i Davida, ary dia niala avy teo amin'ny famoloana izy ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Davida.

22 Ary hoy Davida tamin'i Araona: Mba omeo ahy amin'izay tokom-bidiny ity famoloana ity hanorenako alitara ho an'i Jehovah; omeo ahy izy, mba hitsaharan'ny areti-mandringana tsy hamely ny vahoaka.

23 Fa hoy Araona tamin'i Davida: Ento ary ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay sitrany; indro, omeko koa ny omby ho fanatitra dorana ary ny fivelezam-bary ho kitay ary ny vary tritika ho fanatitra hohanina; foiko avokoa izy rehetra.

24 Fa hoy Davida mpanjaka tamin'i Araona: Tsia, fa hovidiko mihitsy araka izay tokom-bidiny; fa tsy haka izay anao ho an'i Jehovah aho ary tsy hanatitra fanatitra dorana amin'izay azoko fotsiny.

25 Dia nomen'i Davida sekely volamena lanjan'enin-jato Araona ho vidin'ny tany.

26 Ary Davida nanorina alitara teo ho an'i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an'i Jehovah izy ka novaliany tamin'ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.

27 Ary Jehovah nandidy Ilay Anjely, ka dia nampidiriny tamin'ny tranony ny sabany.

28 Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Davida fa novalian'i Jehovah teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita izy, dia namono zavatra hatao fanatitra teo izy.

29 Fa ny tabernakelin'i Jehovah izay nataon'i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay;

30 nefa Davida tsy nahazo nankeo anoloan'izany hanontany amin'Andriamanitra; fa raiki-tahotra izy noho ny sabatr'Ilay Anjelin'i Jehovah.

 

Chapitre 21

21:1 Satan stood up against Israel, and moved David to number Israel. 21:2 David said to Joab and to the princes of the people, “Go, number Israel from Beersheba even to Dan; and bring me word, that I may know the sum of them.”

21:3 Joab said, “May Yahweh make his people a hundred times as many as they are. But, my lord the king, aren’t they all my lord’s servants? Why does my lord require this thing? Why will he be a cause of guilt to Israel?”

21:4 Nevertheless the king’s word prevailed against Joab. Therefore Joab departed, and went throughout all Israel, and came to Jerusalem. 21:5 Joab gave up the sum of the numbering of the people to David. All those of Israel were one million one hundred thousand men who drew sword: and in Judah were four hundred seventy thousand men who drew sword. 21:6 But he didn’t count Levi and Benjamin among them; for the king’s word was abominable to Joab. 21:7 God was displeased with this thing; therefore he struck Israel. 21:8 David said to God, “I have sinned greatly, in that I have done this thing. But now, put away, I beg you, the iniquity of your servant; for I have done very foolishly.”

21:9 Yahweh spoke to Gad, David’s seer, saying, 21:10 “Go and speak to David, saying, ‘Thus says Yahweh, “I offer you three things. Choose one of them, that I may do it to you.”’”

21:11 So Gad came to David, and said to him, “Thus says Yahweh, ‘Take your choice: 21:12 either three years of famine; or three months to be consumed before your foes, while the sword of your enemies overtakes you; or else three days the sword of Yahweh, even pestilence in the land, and the angel of Yahweh destroying throughout all the borders of Israel. Now therefore consider what answer I shall return to him who sent me.’”

21:13 David said to Gad, “I am in distress. Let me fall, I pray, into the hand of Yahweh; for his mercies are very great. Let me not fall into the hand of man.”

21:14 So Yahweh sent a pestilence on Israel; and seventy thousand men of Israel fell.

15 God sent an angel to Jerusalem to destroy it. As he was about to destroy, Yahweh saw, and he relented of the disaster, and said to the destroying angel, “It is enough; now stay your hand.” The angel of Yahweh was standing by the threshing floor of Ornan the Jebusite.

16 David lifted up his eyes, and saw the angel of Yahweh standing between earth and the sky, having a drawn sword in his hand stretched out over Jerusalem.

Then David and the elders, clothed in sackcloth, fell on their faces.

17 David said to God, “Isn’t it I who commanded the people to be numbered? It is even I who have sinned and done very wickedly; but these sheep, what have they done? Please let your hand, O Yahweh my God, be against me, and against my father’s house; but not against your people, that they should be plagued.”

18 Then the angel of Yahweh commanded Gad to tell David that David should go up, and raise an altar to Yahweh in the threshing floor of Ornan the Jebusite.

19 David went up at the saying of Gad, which he spoke in the name of Yahweh.

20 Ornan turned back, and saw the angel; and his four sons who were with him hid themselves. Now Ornan was threshing wheat.

21 As David came to Ornan, Ornan looked and saw David, and went out of the threshing floor, and bowed himself to David with his face to the ground.

22 Then David said to Ornan, “Give me the place of this threshing floor, that I may build thereon an altar to Yahweh. You shall sell it to me for the full price, that the plague may be stopped from afflicting the people.”

23 Ornan said to David, “Take it for yourself, and let my lord the king do that which is good in his eyes. Behold, I give the oxen for burnt offerings, and the threshing instruments for wood, and the wheat for the meal offering. I give it all.”

24 King David said to Ornan, “No; but I will most certainly buy it for the full price. For I will not take that which is yours for Yahweh, nor offer a burnt offering without cost.”

25 So David gave to Ornan six hundred shekels of gold by weight for the place.

26 David built an altar to Yahweh there, and offered burnt offerings and peace offerings, and called on Yahweh; and he answered him from the sky by fire on the altar of burnt offering.

27 Yahweh commanded the angel; and he put up his sword again into its sheath.

28 At that time, when David saw that Yahweh had answered him in the threshing floor of Ornan the Jebusite, then he sacrificed there.

29 For the tabernacle of Yahweh, which Moses made in the wilderness, and the altar of burnt offering, were at that time in the high place at Gibeon.

30 But David couldn’t go before it to inquire of God; for he was afraid because of the sword of the angel of Yahweh.

Chapitre 21
1 Satan se leva contre Israël, et il excita David à faire le dénombrement d'Israël.

2 Et David dit à Joab et aux chefs du peuple: Allez, faites le dénombrement d'Israël, depuis Beer-Schéba jusqu'à Dan, et rapportez-le-moi, afin que je sache à combien il s'élève.

3 Joab répondit: Que l'Éternel rende son peuple cent fois plus nombreux! O roi mon seigneur, ne sont-ils pas tous serviteurs de mon seigneur? Mais pourquoi mon seigneur demande-t-il cela? Pourquoi faire ainsi pécher Israël?

4 Le roi persista dans l'ordre qu'il donnait à Joab. Et Joab partit, et parcourut tout Israël; puis il revint à Jérusalem.

5 Joab remit à David le rôle du dénombrement du peuple: il y avait dans tout Israël onze cent mille hommes tirant l'épée, et en Juda quatre cent soixante-dix mille hommes tirant l'épée.

6 Il ne fit point parmi eux le dénombrement de Lévi et de Benjamin, car l'ordre du roi lui paraissait une abomination.

7 Cet ordre déplut à Dieu, qui frappa Israël.

8 Et David dit à Dieu: J'ai commis un grand péché en faisant cela! Maintenant, daigne pardonner l'iniquité de ton serviteur, car j'ai complètement agi en insensé!

9 L'Éternel adressa ainsi la parole à Gad, le voyant de David:

10 Va dire à David: Ainsi parle l'Éternel: Je te propose trois fléaux; choisis-en un, et je t'en frapperai.

11 Gad alla vers David, et lui dit: Ainsi parle l'Éternel: (21:12) Accepte,

12 ou trois années de famine, ou trois mois pendant lesquels tu seras détruit par tes adversaires et atteint par l'épée de tes ennemis, ou trois jours pendant lesquels l'épée de l'Éternel et la peste seront dans le pays et l'ange de l'Éternel portera la destruction dans tout le territoire d'Israël. Vois maintenant ce que je dois répondre à celui qui m'envoie.

13 David répondit à Gad: Je suis dans une grande angoisse! Oh! que je tombe entre les mains de l'Éternel, car ses compassions sont immenses; mais que je ne tombe pas entre les mains des hommes!

14 L'Éternel envoya la peste en Israël, et il tomba soixante-dix mille hommes d'Israël.

15 Dieu envoya un ange à Jérusalem pour la détruire; et comme il la détruisait, l'Éternel regarda et se repentit de ce mal, et il dit à l'ange qui détruisait: Assez! Retire maintenant ta main. L'ange de l'Éternel se tenait près de l'aire d'Ornan, le Jébusien.

16 David leva les yeux, et vit l'ange de l'Éternel se tenant entre la terre et le ciel et ayant à la main son épée nue tournée contre Jérusalem. Alors David et les anciens, couverts de sacs, tombèrent sur leur visage.

17 Et David dit à Dieu: N'est-ce pas moi qui ai ordonné le dénombrement du peuple? C'est moi qui ai péché et qui ai fait le mal; mais ces brebis, qu'ont-elles fait? Éternel, mon Dieu, que ta main soit donc sur moi et sur la maison de mon père, et qu'elle ne fasse point une plaie parmi ton peuple!

18 L'ange de l'Éternel dit à Gad de parler à David, afin qu'il montât pour élever un autel à l'Éternel dans l'aire d'Ornan, le Jébusien.

19 David monta, selon la parole que Gad avait prononcée au nom de l'Éternel.

20 Ornan se retourna et vit l'ange, et ses quatre fils se cachèrent avec lui: il foulait alors du froment.

21 Lorsque David arriva auprès d'Ornan, Ornan regarda, et il aperçut David; puis il sortit de l'aire, et se prosterna devant David, le visage contre terre.

22 David dit à Ornan: Cède-moi l'emplacement de l'aire pour que j'y bâtisse un autel à l'Éternel; cède-le-moi contre sa valeur en argent, afin que la plaie se retire de dessus le peuple.

23 Ornan répondit à David: Prends-le, et que mon seigneur le roi fasse ce qui lui semblera bon; vois, je donne les boeufs pour l'holocauste, les chars pour le bois, et le froment pour l'offrande, je donne tout cela.

24 Mais le roi David dit à Ornan: Non! je veux l'acheter contre sa valeur en argent, car je ne présenterai point à l'Éternel ce qui est à toi, et je n'offrirai point un holocauste qui ne me coûte rien.

25 Et David donna à Ornan six cents sicles d'or pour l'emplacement.

26 David bâtit là un autel à l'Éternel, et il offrit des holocaustes et des sacrifices d'actions de grâces. Il invoqua l'Éternel, et l'Éternel lui répondit par le feu, qui descendit du ciel sur l'autel de l'holocauste.

27 Alors l'Éternel parla à l'ange, qui remit son épée dans le fourreau.

28 A cette époque-là, David, voyant que l'Éternel l'avait exaucé dans l'aire d'Ornan, le Jébusien, y offrait des sacrifices.

29 Mais le tabernacle de l'Éternel, construit par Moïse au désert, et l'autel des holocaustes, étaient alors sur le haut lieu de Gabaon.

30 David ne pouvait pas aller devant cet autel pour chercher Dieu, parce que l'épée de l'ange de l'Éternel lui avait causé de l'épouvante.