T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 20

1 Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin'ny andro fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny miaramila rehetra Joaba ka nandrava ny tanin'ny taranak'i Amona, dia tonga izy ka nanao fahirano an'i Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary Joaba nahafaka an'i Raba, ka dia nandrava azy.

2 Dia nesorin'i Davida ny satro-boninahitr'ilay mpanjaka* teo an-dohany, ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan'i Davida. Ary navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be dia be.[Na: Malkama; ]

3 Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany* tamin'ny tsofa sy tamin'ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon'i Davida tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.[Heb. notsofiny]

4 [Ny nataon'ny lehilahy maherin'i Davida tamin'ny niadiany tamin'ny Filistina] Ary nony afaka izany, dia nisy ady tamin'ny Filistina tao Gazera; tamin'izany no namonoan'i Sibekay Hosatita an'i Sipay, izay isan'ny taranaky ny Refaita, ka dia naetriny ny Filistina.

5 Ary dia nisy ady tamin'ny Filistina indray ary Elanana, zanak'i Jaira, namono an'i Lamy, rahalahin'i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.

6 Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan'ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan'ny taranaky ny Refaita.

7 Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida.

8 Ireo no taranaky ny Refaita tao Gata, ka matin'ny tànan'i Davida sy ny tanan'ny mpanompony ireo.

Chapitre 20

20:1 It happened, at the time of the return of the year, at the time when kings go out, that Joab led forth the army, and wasted the country of the children of Ammon, and came and besieged Rabbah. But David stayed at Jerusalem. Joab struck Rabbah, and overthrew it.

2 David took the crown of their king from off his head, and found it to weigh a talent of gold, and there were precious stones in it; and it was set on David’s head: and he brought forth the spoil of the city, exceeding much.

3 He brought forth the people who were therein, and cut them with saws, and with iron picks, and with axes. David did so to all the cities of the children of Ammon. David and all the people returned to Jerusalem.

4 It happened after this, that there arose war at Gezer with the Philistines: then Sibbecai the Hushathite killed Sippai, of the sons of the giant; and they were subdued.

5 There was again war with the Philistines; and Elhanan the son of Jair killed Lahmi the brother of Goliath the Gittite, the staff of whose spear was like a weaver’s beam.

6 There was again war at Gath, where there was a man of great stature, whose fingers and toes were twenty-four, six on each hand, and six on each foot; and he also was born to the giant.

7 When he defied Israel, Jonathan the son of Shimea David’s brother killed him.

8 These were born to the giant in Gath; and they fell by the hand of David, and by the hand of his servants.

Chapitre 20

1 L'année suivante, au temps où les rois se mettaient en campagne, Joab, à la tête d'une forte armée, alla ravager le pays des fils d'Ammon et assiéger Rabba. Mais David resta à Jérusalem. Joab battit Rabba et la détruisit.

2 David enleva la couronne de dessus la tête de son roi, et la trouva du poids d'un talent d'or: elle était garnie de pierres précieuses. On la mit sur la tête de David, qui emporta de la ville un très grand butin.

3 Il fit sortir les habitants, et il les mit en pièces avec des scies, des herses de fer et des haches; il traita de même toutes les villes des fils d'Ammon. David retourna à Jérusalem avec tout le peuple.

4 Après cela, il y eut une bataille à Guézer avec les Philistins. Alors Sibbecaï, le Huschatite, tua Sippaï, l'un des enfants de Rapha. Et les Philistins furent humiliés.

5 Il y eut encore une bataille avec les Philistins. Et Elchanan, fils de Jaïr, tua le frère de Goliath, Lachmi de Gath, qui avait une lance dont le bois était comme une ensouple de tisserand.

6 Il y eut encore une bataille à Gath. Il s'y trouva un homme de haute taille, qui avait six doigts à chaque main et à chaque pied, vingt-quatre en tout, et qui était aussi issu de Rapha.

7 Il jeta un défi à Israël; et Jonathan, fils de Schimea, frère de David, le tua. 8 Ces hommes étaient des enfants de Rapha à Gath. Ils périrent par la main de David et par la main de ses serviteurs.