T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 19

1 [Ny nahatonga ny niadian'i Davida tamin'ny Syriana sy ny Amonita, ary ny nahareseny azy] Ary rehefa afaka izany, dia maty Nahasy, mpanjakan'ny taranak'i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy.

2 Ary hoy Davida: Hanisy soa an'i Hanona, zanak'i Nahasy, aho, fa soa no nataon'ny rainy tamiko. Ary Davida naniraka olona hitsapa alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany amin'i Hanona tany amin'ny tanin'ny Amonita ny mpanompon'i Davida hitsapa alahelo azy.

3 Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak'i Amona tamin'i Hanona: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan'i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nalehan'ireo mpanompony ireo atỳ aminao?

4 Dia nosamborin'i Hanona ny mpanompon'i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin'ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.

5 Ary dia nisy lasa nanambara tamin'i Davida izay natao tamin'ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka* loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.[Na: menatra]

6 Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin'i Davida izy, dia naniraka nampanatitra talenta volafotsy arivo hakaramany kalesy sy mpitaingin-tsoavaly any Mesopotamia sy Syriamaka ary Zoba Hanona sy ny taranak'i Amona.

7 Dia nanakarama kalesy roa arivo amby telo alina mbamin'ny mpanjakan'i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin'i Medeba. Ary nivory ny taranak'Amona niala tany amin'ny tanànany avy ka tamy hiady.

8 Ary nony ren'i Davida izany, dia naniraka an'i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.

9 Ary ny taranak'i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; fa ireo mpanjaka tonga ireo kosa dia nitokana teny an-tsaha.

10 Ary rehefa hitan'i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin'ireo voafantina tamin'ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin'ny Syriana.

11 Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin'i Abisay rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin'ny taranak'i Amona ireo.

12 Ary hoy Joaba: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak'i Amona, dia hovonjeko ianao;

13 mahereza, ary aoka hitombandahy isika ho an'ny firenentsika sy ireo tanànan'Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.

14 Ary nandroso hiady tamin'ny Syriana Joaba sy ny olona nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo anoloany ireo.

15 Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra niala teo anoloan'i Abisay, rahalahin'i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary dia tonga tany Jerosalema Joaba.

16 Ary nony hitan'ny Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin'ny Ony*; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadarezera, no nitarika azy.[Eofrata]

17 Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin'ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo.

18 Fa vaky nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin'ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin'ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin'ny miaramila.

19 Ary nony hitan'ireo nanoa an'i Hadarezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak'i Amona intsony ny Syriana.

Chapitre 19

1 In the course of time, Nahash king of the Ammonites died, and his son succeeded him as king.

2 David thought, “I will show kindness to Hanun son of Nahash, because his father showed kindness to me.” So David sent a delegation to express his sympathy to Hanun concerning his father.   When David’s envoys came to Hanun in the land of the Ammonites to express sympathy to him,

3 the Ammonite commanders said to Hanun, “Do you think David is honoring your father by sending envoys to you to express sympathy? Haven’t his envoys come to you only to explore and spy out the country and overthrow it?”

4 So Hanun seized David’s envoys, shaved them, cut off their garments at the buttocks, and sent them away.

 

 5 When someone came and told David about the men, he sent messengers to meet them, for they were greatly humiliated. The king said, “Stay at Jericho till your beards have grown, and then come back.”

 

 6 When the Ammonites realized that they had become obnoxious to David, Hanun and the Ammonites sent a thousand talents[a] of silver to hire chariots and charioteers from Aram Naharaim,[b] Aram Maakah and Zobah. 7 They hired thirty-two thousand chariots and charioteers, as well as the king of Maakah with his troops, who came and camped near Medeba, while the Ammonites were mustered from their towns and moved out for battle.

 8 On hearing this, David sent Joab out with the entire army of fighting men. 9 The Ammonites came out and drew up in battle formation at the entrance to their city, while the kings who had come were by themselves in the open country.

 10 Joab saw that there were battle lines in front of him and behind him; so he selected some of the best troops in Israel and deployed them against the Arameans. 11 He put the rest of the men under the command of Abishai his brother, and they were deployed against the Ammonites. 12 Joab said, “If the Arameans are too strong for me, then you are to rescue me; but if the Ammonites are too strong for you, then I will rescue you. 13 Be strong, and let us fight bravely for our people and the cities of our God. The LORD will do what is good in his sight.”

 14 Then Joab and the troops with him advanced to fight the Arameans, and they fled before him. 15 When the Ammonites realized that the Arameans were fleeing, they too fled before his brother Abishai and went inside the city. So Joab went back to Jerusalem.

 16 After the Arameans saw that they had been routed by Israel, they sent messengers and had Arameans brought from beyond the Euphrates River, with Shophak the commander of Hadadezer’s army leading them.

 17 When David was told of this, he gathered all Israel and crossed the Jordan; he advanced against them and formed his battle lines opposite them. David formed his lines to meet the Arameans in battle, and they fought against him.

18 But they fled before Israel, and David killed seven thousand of their charioteers and forty thousand of their foot soldiers. He also killed Shophak the commander of their army.

 

 19 When the vassals of Hadadezer saw that they had been routed by Israel, they made peace with David and became subject to him.

 

   So the Arameans were not willing to help the Ammonites anymore.

Chapitre 19

1 Et il arriva, après cela, que Nakhash, roi des fils d’Ammon, mourut ; et son fils régna à sa place.

2 Et David dit : J’userai de bonté envers Hanun, fils de Nakhash, car son père a usé de bonté envers moi. Et David envoya des messagers pour le consoler au sujet de son père. Et les serviteurs de David arrivèrent dans le pays des fils d’Ammon, vers Hanun, pour le consoler.

3 Et les chefs des fils d’Ammon dirent à Hanun : Est-ce, à tes yeux, pour honorer ton père que David t’a envoyé des consolateurs ? N’est-ce pas pour reconnaître et détruire et explorer le pays, que ses serviteurs sont venus vers toi ?

4 Et Hanun prit les serviteurs de David, et les fit raser, et fit couper leurs vêtements par le milieu jusqu’au bas des reins, et les renvoya.

5 Et on alla, et on informa David au sujet de ces hommes ; et il envoya à leur rencontre, car les hommes étaient très-confus. Et le roi dit : Habitez à Jéricho jusqu’à ce que votre barbe ait poussé, alors vous reviendrez. 

6 Et les fils d’Ammon virent qu’ils s’étaient mis en mauvaise odeur auprès de David ; et Hanun et les fils d’Ammon envoyèrent mille talents d’argent pour prendre à leur solde, de la Mésopotamie, et de la Syrie de Maaca, et de Tsoba, des chars et des cavaliers.

7 Et ils prirent à leur solde trente-deux mille hommes de chars, et le roi de Maaca avec son peuple ; et ils vinrent et campèrent devant Médeba. Et les fils d’Ammon s’assemblèrent de leurs villes, et vinrent pour combattre.

8 Et David l’apprit, et il envoya Joab et toute l’armée, les hommes forts.

9 Et les fils d’Ammon sortirent, et se rangèrent en bataille à l’entrée de la ville ; et les rois qui étaient venus étaient à part dans la campagne.

10 Et Joab vit que le front de la bataille était contre lui, devant et derrière ; et il choisit des hommes de toute l’élite d’Israël, et les rangea contre les Syriens ;

11 et le reste du peuple, il le plaça sous la main d’Abishaï, son frère, et ils se rangèrent contre les fils d’Ammon.

12 Et il dit : Si les Syriens sont plus forts que moi, tu me seras en aide ; et si les fils d’Ammon sont plus forts que toi, je t’aiderai.

13 Sois fort, et fortifions-nous à cause de notre peuple et à cause des villes de notre Dieu ; et que l’Éternel fasse ce qui est bon à ses yeux.

14 Et Joab s’approcha, et le peuple qui était avec lui, au-devant des Syriens, pour livrer bataille ; et ils s’enfuirent devant lui.

15 Et quand les fils d’Ammon virent que les Syriens s’étaient enfuis, ils s’enfuirent, eux aussi, devant Abishaï, son frère, et rentrèrent dans la ville. Et Joab vint à Jérusalem.

16 Et quand les Syriens virent qu’ils étaient battus devant Israël, ils envoyèrent des messagers, et firent sortir les Syriens qui étaient au delà du fleuve ; et Shophac, chef de l’armée d’Hadarézer, était à leur tête.

17 Et cela fut rapporté à David, et il assembla tout Israël, et passa le Jourdain, et vint à eux, et se rangea [en bataille] contre eux. Et David se rangea en bataille contre les Syriens ; et ils se battirent avec lui.

18 Et les Syriens s’enfuirent de devant Israël ; et David tua aux Syriens sept mille chars, et quarante mille hommes de pied, et il mit à mort Shophac, chef de l’armée.

19 Et les serviteurs* d’Hadarézer virent qu’ils étaient battus devant Israël, et ils firent la paix avec David, et le servirent. Et les Syriens ne voulurent plus aider aux fils d’Ammon.