| Chapitre 18 1 [Ny nandresen'i Davida ny fahavalony] Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy, ary Gata sy ny zana-bohiny dia nesoriny tamin'ny tanan'ny Filistina. 2 Ary nandresy ny Moabita koa izy, ka dia tonga mpanompon'i Davida nandoa hetra ireo. 3 Dia resin'i Davida koa Hadarezera, mpanjakan'i Zoba akaikin'i Hamata, tamin'izy lasa nampiorina ny fanjakany* teo amoron'ny ony Eofrata.[Na: nanangana saina] 4 Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany. 5 Ary nony tonga ny Syriana avy any Damaskosy hanampy an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba, dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina ny Syriana. 6 Ary nisy namponenin'i Davida tany Syria any Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany. 7 Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena teny amin'ny mpanompon'i Hadarezera ka nentiny nankany Jerosalema. 8 Ary tao Tibata sy Kona, tanànan'i Hadarezera, no nahazoan'i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan'i Solomona ilay tavin-drano* varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.[Heb. ranomasina] 9 Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa Davida efa naharesy ny miaramila rehetra an'i Hadarezera, mpanjakan'i Zoba, 10 dia naniraka an'i Hadorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon'i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy. 11 Dia nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin'ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita 12 Ary Abisay, zanak'i Zeroia, naharesy ny Edomita teo amin'ny Lohasahan-tsira, dia lehilahy valo arivo sy iray alina. 13 Ary nametraka miaramila tany Edoma izy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Edomita rehetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany. 14 [Ny mpanao raharaham-panjakana tamin'i Davida] Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra ny vahoakany rehetra tamin'ny fahamarinana. 15 Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana. 16 Ary Zadoka, zanak'i Ahitoba, sy Abimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Saosa no mpanoratra. 17 Ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny miaramila mpiambina andriana*; ary ny zanak'i Davida no lehibe tamin'izay nanolotra ny mpanjaka.[Heb. Keretita sy Peletita] | | Chapitre 18 18:1 After this it happened, that David struck the Philistines, and subdued them, and took Gath and its towns out of the hand of the Philistines. 18:2 He struck Moab; and the Moabites became servants to David, and brought tribute. 18:3 David struck Hadadezer king of Zobah to Hamath, as he went to establish his dominion by the river Euphrates. 18:4 David took from him one thousand chariots, and seven thousand horsemen, and twenty thousand footmen; and David hamstrung all the chariot horses, but reserved of them for one hundred chariots. 18:5 When the Syrians of Damascus came to help Hadadezer king of Zobah, David struck of the Syrians twenty-two thousand men. 18:6 Then David put garrisons in Syria of Damascus; and the Syrians became servants to David, and brought tribute. Yahweh gave victory to David wherever he went. 18:7 David took the shields of gold that were on the servants of Hadadezer, and brought them to Jerusalem. 18:8 From Tibhath and from Cun, cities of Hadadezer, David took very much brass, with which Solomon made the bronze sea, and the pillars, and the vessels of brass. 18:9 When Tou king of Hamath heard that David had struck all the army of Hadadezer king of Zobah, 18:10 he sent Hadoram his son to king David, to Greet him, and to bless him, because he had fought against Hadadezer and struck him; (for Hadadezer had wars with Tou;) and he had with him all kinds of vessels of gold and silver and brass. 18:11 King David also dedicated these to Yahweh, with the silver and the gold that he carried away from all the nations; from Edom, and from Moab, and from the children of Ammon, and from the Philistines, and from Amalek. 18:12 Moreover Abishai the son of Zeruiah struck of the Edomites in the Valley of Salt eighteen thousand. 18:13 He put garrisons in Edom; and all the Edomites became servants to David. Yahweh gave victory to David wherever he went. 18:14 David reigned over all Israel; and he executed justice and righteousness to all his people. 18:15 Joab the son of Zeruiah was over the army; and Jehoshaphat the son of Ahilud was recorder; 18:16 and Zadok the son of Ahitub, and Abimelech the son of Abiathar, were priests; and Shavsha was scribe; 18:17 and Benaiah the son of Jehoiada was over the Cherethites and the Pelethites; and the sons of David were chief about the king.
| | Chapitre 18 1 Après cela, David battit les Philistins et les humilia, et il enleva de la main des Philistins Gath et les villes de son ressort. 2 Il battit les Moabites, et les Moabites furent assujettis à David et lui payèrent un tribut. 3 David battit Hadarézer, roi de Tsoba, vers Hamath, lorsqu'il alla établir sa domination sur le fleuve de l'Euphrate. 4 David lui prit mille chars, sept mille cavaliers, et vingt mille hommes de pied; il coupa les jarrets à tous les chevaux de trait, et ne conserva que cent attelages. 5 Les Syriens de Damas vinrent au secours d'Hadarézer, roi de Tsoba, et David battit vingt-deux mille Syriens. 6 David mit des garnisons dans la Syrie de Damas. Et les Syriens furent assujettis à David, et lui payèrent un tribut. L'Éternel protégeait David partout où il allait. 7 Et David prit les boucliers d'or qu'avaient les serviteurs d'Hadarézer, et les apporta à Jérusalem. 8 David prit encore une grande quantité d'airain à Thibchath et à Cun, villes d'Hadarézer. Salomon en fit la mer d'airain, les colonnes et les ustensiles d'airain. 9 Thohu, roi de Hamath, apprit que David avait battu toute l'armée d'Hadarézer, roi de Tsoba, 10 et il envoya Hadoram, son fils, vers le roi David, pour le saluer, et pour le féliciter d'avoir attaqué Hadarézer et de l'avoir battu. Car Thohu était en guerre avec Hadarézer. Il envoya aussi toutes sortes de vases d'or, d'argent et d'airain. 11 Le roi David les consacra à l'Éternel, avec l'argent et l'or qu'il avait pris sur toutes les nations, sur Édom, sur Moab, sur les fils d'Ammon, sur les Philistins et sur Amalek. 12 Abischaï, fils de Tseruja, battit dans la vallée du sel dix-huit mille Édomites. 13 Il mit des garnisons dans Édom, et tout Édom fut assujetti à David. L'Éternel protégeait David partout où il allait. 14 David régna sur tout Israël, et il faisait droit et justice à tout son peuple. 15 Joab, fils de Tseruja, commandait l'armée; Josaphat, fils d'Achilud, était archiviste; 16 Tsadok, fils d'Achithub, et Abimélec, fils d'Abiathar, étaient sacrificateurs; Schavscha était secrétaire; 17 Benaja, fils de Jehojada, était chef des Kéréthiens et des Péléthiens; et les fils de David étaient les premiers auprès du roi. | |