| Chapitre 17 1 [Ny nanirian'i Davida hanao tempoly, sy ny toky nomen'Andriamanitra azy ny amin'ny haharetan'ny fanjakany] Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin'i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'ny neken'i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay! 2 Ary hoy Natana tamin'i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao. 3 Nefa tamin'ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'Andriamanitra nanao hoe: 4 Andeha, lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano hitoerako; 5 fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby* sy nifindrafindra toerana**. [*Heb. lay][**Heb. tabernakely] 6 Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran'ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo? 7 Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko. 8 Ary nomba anao tamin'izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao. 9 Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha 10 sy tahaka ny hatramin'ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao*.[Heb. hanao trano ho anao] 11 Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan'ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany; 12 dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay. 13 Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin'ilay nodiasanao; 14 fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin'ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany. 15 Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida. 16 Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka ankehitriny aho? 17 Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon'ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy. 18 Inona intsony no holazain'i Davida aminao ny amin'ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao. 19 Jehovah ô, noho ny amin'ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo. 20 Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay. 21 Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin'ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan'ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta? 22 Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny. 23 Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao. 24 Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao. 25 Fa Hianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin'ny mpanomponao fa homenao taranaka izy*; koa Izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.[Heb. hanao trano ho azy Hianao] 26 Ary noho izany, Jehovah ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao, 27 dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.
| | Chapitre 17 17:1 It happened, when David lived in his house, that David said to Nathan the prophet, “Behold, I dwell in a house of cedar, but the ark of the covenant of Yahweh is under curtains.” 17:2 Nathan said to David, “Do all that is in your heart; for God is with you.” 17:3 It happened the same night, that the word of God came to Nathan, saying, 17:4 “Go and tell David my servant, ‘Thus says Yahweh, “You shall not build me a house to dwell in; 17:5 for I have not lived in a house since the day that I brought up Israel, to this day, but have gone from tent to tent, and from one tent to another. 17:6 In all places in which I have walked with all Israel, did I speak a word with any of the judges of Israel, whom I commanded to be shepherd of my people, saying, ‘Why have you not built me a house of cedar?’”’ 17:7 “Now therefore, you shall tell my servant David, ‘Thus says Yahweh of Armies, “I took you from the sheep pen, from following the sheep, that you should be prince over my people Israel. 17:8 I have been with you wherever you have gone, and have cut off all your enemies from before you. I will make you a name, like the name of the great ones who are in the earth. 17:9 I will appoint a place for my people Israel, and will plant them, that they may dwell in their own place, and be moved no more; neither shall the children of wickedness waste them any more, as at the first, 17:10 and from the day that I commanded judges to be over my people Israel; and I will subdue all your enemies. Moreover I tell you that Yahweh will build you a house. 17:11 It shall happen, when your days are fulfilled that you must go to be with your fathers, that I will set up your seed after you, who shall be of your sons; and I will establish his kingdom. 17:12 He shall build me a house, and I will establish his throne forever. 17:13 I will be his father, and he shall be my son. I will not take my loving kindness away from him, as I took it from him that was before you; 17:14 but I will settle him in my house and in my kingdom forever. His throne shall be established forever.”’” 17:15 According to all these words, and according to all this vision, so Nathan spoke to David. 17:16 Then David the king went in, and sat before Yahweh; and he said, “Who am I, Yahweh God, and what is my house, that you have brought me thus far? 17:17 This was a small thing in your eyes, God; but you have spoken of your servant’s house for a great while to come, and have respected me according to the estate of a man of high degree, Yahweh God. 17:18 What can David say yet more to you concerning the honor which is done to your servant? For you know your servant. 17:19 Yahweh, for your servant’s sake, and according to your own heart, you have worked all this greatness, to make known all these great things. 17:20 Yahweh, there is none like you, neither is there any God besides you, according to all that we have heard with our ears. 17:21 What one nation in the earth is like your people Israel, whom God went to redeem to himself for a people, to make you a name by great and awesome things, in driving out nations from before your people, whom you redeem out of Egypt? 17:22 For your people Israel you made your own people forever; and you, Yahweh, became their God. 17:23 Now, Yahweh, let the word that you have spoken concerning your servant, and concerning his house, be established forever, and do as you have spoken. 17:24 Let your name be established and magnified forever, saying, ‘Yahweh of Armies is the God of Israel, even a God to Israel. The house of David your servant is established before you.’ 17:25 For you, my God, have revealed to your servant that you will build him a house. Therefore your servant has found courage to pray before you. 17:26 Now, Yahweh, you are God, and have promised this good thing to your servant. 17:27 Now it has pleased you to bless the house of your servant, that it may continue forever before you; for you, Yahweh, have blessed, and it is blessed forever.” | | Chapitre 17 1 Lorsque David fut établi dans sa maison, il dit à Nathan le prophète: Voici, j'habite dans une maison de cèdre, et l'arche de l'alliance de l'Éternel est sous une tente. 2 Nathan répondit à David: Fais tout ce que tu as dans le coeur, car Dieu est avec toi. 3 La nuit suivante, la parole de Dieu fut adressée à Nathan: 4 Va dire à mon serviteur David: Ainsi parle l'Éternel: Ce ne sera pas toi qui me bâtiras une maison pour que j'en fasse ma demeure. 5 Car je n'ai point habité dans une maison depuis le jour où j'ai fait monter Israël jusqu'à ce jour; mais j'ai été de tente en tente et de demeure en demeure. 6 Partout où j'ai marché avec tout Israël, ai-je dit un mot à quelqu'un des juges d'Israël à qui j'avais ordonné de paître mon peuple, ai-je dit: Pourquoi ne me bâtissez-vous pas une maison de cèdre? 7 Maintenant tu diras à mon serviteur David: Ainsi parle l'Éternel des armées: Je t'ai pris au pâturage, derrière les brebis, pour que tu fusses chef de mon peuple d'Israël; 8 j'ai été avec toi partout où tu as marché, j'ai exterminé tous tes ennemis devant toi, et j'ai rendu ton nom semblable au nom des grands qui sont sur la terre; 9 j'ai donné une demeure à mon peuple d'Israël, et je l'ai planté pour qu'il y soit fixé et ne soit plus agité, pour que les méchants ne le détruisent plus comme auparavant 10 et comme à l'époque où j'avais établi des juges sur mon peuple d'Israël. J'ai humilié tous tes ennemis. Et je t'annonce que l'Éternel te bâtira une maison. 11 Quand tes jours seront accomplis et que tu iras auprès de tes pères, j'élèverai ta postérité après toi, l'un de tes fils, et j'affermirai son règne. 12 Ce sera lui qui me bâtira une maison, et j'affermirai pour toujours son trône. 13 Je serai pour lui un père, et il sera pour moi un fils; et je ne lui retirerai point ma grâce, comme je l'ai retirée à celui qui t'a précédé. 14 Je l'établirai pour toujours dans ma maison et dans mon royaume, et son trône sera pour toujours affermi. 15 Nathan rapporta à David toutes ces paroles et toute cette vision. 16 Et le roi David alla se présenter devant l'Éternel, et dit: Qui suis-je, Éternel Dieu, et quelle est ma maison, pour que tu m'aies fait parvenir où je suis? 17 C'est peu de chose à tes yeux, ô Dieu! Tu parles de la maison de ton serviteur pour les temps à venir. Et tu daignes porter les regards sur moi à la manière des hommes, toi qui es élevé, Éternel Dieu! 18 Que pourrait te dire encore David sur la gloire accordée à ton serviteur? Tu connais ton serviteur. 19 O Éternel! c'est à cause de ton serviteur, et selon ton coeur, que tu as fait toutes ces grandes choses, pour les lui révéler. 20 O Éternel! nul n'est semblable à toi et il n'y a point d'autre Dieu que toi, d'après tout ce que nous avons entendu de nos oreilles. 21 Est-il sur la terre une seule nation qui soit comme ton peuple d'Israël, que Dieu est venu racheter pour en former son peuple, pour te faire un nom et pour accomplir des miracles et des prodiges, en chassant des nations devant ton peuple que tu as racheté d'Égypte? 22 Tu as établi ton peuple d'Israël, pour qu'il fût ton peuple à toujours; et toi, Éternel, tu es devenu son Dieu. 23 Maintenant, ô Éternel! que la parole que tu as prononcée sur ton serviteur et sur sa maison subsiste éternellement, et agis selon ta parole! 24 Qu'elle subsiste, afin que ton nom soit à jamais glorifié et que l'on dise: L'Éternel des armées, le Dieu d'Israël, est un Dieu pour Israël! Et que la maison de David, ton serviteur, soit affermie devant toi! 25 Car toi-même, ô mon Dieu, tu as révélé à ton serviteur que tu lui bâtirais une maison. C'est pourquoi ton serviteur a osé prier devant toi. 26 Maintenant, ô Éternel! tu es Dieu, et tu as annoncé cette grâce à ton serviteur. 27 Veuille donc bénir la maison de ton serviteur, afin qu'elle subsiste à toujours devant toi! Car ce que tu bénis, ô Éternel! est béni pour l'éternité. | |