| Chapitre 15 1 [Ny amin'ny nitondrana ny fiara niakatra tany Jerosalema] Ary Davida nanao trano ho azy tao an-Tanànan'i Davida sady namboatra fitoerana sy nanorin-day ho an'ny fiaran'Andriamanitra. 2 Ary tamin'izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran'Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin'i Jehovah hitondra ny fiaran'Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay. 3 Dia novorin'i Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran'i Jehovah ho any amin'ny fitoerana izay namboariny ho azy. 4 Ary novorin'i Davida ny taranak'i Arona sy ny Levita: 5 tamin'ny taranak'i Kehata dia Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby zato; 6 tamin'ny taranak'i Merary dia Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby roan-jato; 7 tamin'ny taranak'i Gersona dia Joela lehibeny sy ny rahalahiny telo-polo amby zato; 8 tamin'ny taranak'i Elizafana dia Semaia lehibeny sy ny rahalahiny roan-jato; 9 tamin'ny taranak'i Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny rahalahiny valo-polo, 10 tamin'ny taranak'i Oziela dia Aminadaba lehibeny sy ny rahalahiny roa ambin'ny folo amby zato. 11 Ary Davida niantso an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba, 12 ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan'ny fianakavian'ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin'ilay namboariko ho azy. 13 Satria tsy ianareo no tamin'ilay teo, dia nasian'i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy. 14 Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. 15 Ary ny Levita nilanja ny fiaran'Andriamanitra tamin'ny hazo, tahaka ny nandidian'i Mosesy araka ny tenin'i Jehovah. 16 Ary ireo lehiben'ny Levita dia nasain'i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin'ny fifaliana. 17 Ka dia notendren'ny Levita Hemana, zanak'i Joela; ary tamin'ny rahalahiny dia Asafa, zanak'i Berekia; ary tamin'ny taranak'i Merary rahalahiny dia Etana, zanak'i Kosaia; 18 ary naman'ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela, mpiandry varavarana. 19 Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina. 20 Ary Zakaria sy Aziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Mahaseia sy Benaia no nasaina nitendry valiha tamin'ny Alamota. 21 Ary Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma sy Jeiela ary Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin'ny Seminita ho mpitarika. 22 Ary Kenania, lehiben'ny Levita, no tonian'ny fitondrana*; ary nampianatra ny fitondrana izy, fa nahay.[Na: ny hira] 23 Ary Berekia sy Elikana no mpiandry varavarana amin'ny fiara. 24 Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan'ny fiaran'Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin'ny fiara. 25 Ary Davida sy ny loholon'ny Isiraely mbamin'ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah avy tao an-tranon'i Obed-edoma tamin'ny fifaliana. 26 Ary rehefa nomban'Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia namono vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy. 27 Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian'ny fitondrana, mbamin'ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa. 28 Toy izany no nampakaran'ny Isiraely rehetra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tamin'ny fihobiana sy ny feon'ny anjomara sy ny trompetra ary ny kipantsona sy tamin'ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga. 29 Ary nony tonga tao an-Tanànan'i Davida ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy. | | Chapitre 15 1 David made him houses in the city of David; and he prepared a place for the ark of God, and pitched for it a tent. 2 Then David said, “No one ought to carry the ark of God but the Levites. For Yahweh has chosen them to carry the ark of God, and to minister to him forever.” 3 David assembled all Israel at Jerusalem, to bring up the ark of Yahweh to its place, which he had prepared for it. 4 David gathered together the sons of Aaron, and the Levites: 5 of the sons of Kohath, Uriel the chief, and his brothers one hundred twenty; 6 of the sons of Merari, Asaiah the chief, and his brothers two hundred twenty; 7 of the sons of Gershom, Joel the chief, and his brothers one hundred thirty; 8 of the sons of Elizaphan, Shemaiah the chief, and his brothers two hundred; 9 of the sons of Hebron, Eliel the chief, and his brothers eighty; 10 of the sons of Uzziel, Amminadab the chief, and his brothers one hundred twelve. 11 David called for Zadok and Abiathar the priests, and for the Levites, for Uriel, Asaiah, and Joel, Shemaiah, and Eliel, and Amminadab, 12 and said to them, “You are the heads of the fathers’ households of the Levites. Sanctify yourselves, both you and your brothers, that you may bring up the ark of Yahweh, the God of Israel, to the place that I have prepared for it. 13 For because you didn’t carry it at first, Yahweh our God made broke out against us, because we didn’t seek him according to the ordinance.” 15:14 So the priests and the Levites sanctified themselves to bring up the ark of Yahweh, the God of Israel. 15 The children of the Levites bore the ark of God on their shoulders with the poles thereon, as Moses commanded according to the word of Yahweh. 16 David spoke to the chief of the Levites to appoint their brothers the singers, with instruments of music, stringed instruments and harps and cymbals, sounding aloud and lifting up the voice with joy. 17 So the Levites appointed Heman the son of Joel; and of his brothers, Asaph the son of Berechiah; and of the sons of Merari their brothers, Ethan the son of Kushaiah; 18 and with them their brothers of the second degree, Zechariah, Ben, and Jaaziel, and Shemiramoth, and Jehiel, and Unni, Eliab, and Benaiah, and Maaseiah, and Mattithiah, and Eliphelehu, and Mikneiah, and Obed-Edom, and Jeiel, the doorkeepers. 19 So the singers, Heman, Asaph, and Ethan, were given cymbals of brass to sound aloud; 20 and Zechariah, and Aziel, and Shemiramoth, and Jehiel, and Unni, and Eliab, and Maaseiah, and Benaiah, with stringed instruments set to Alamoth; 21 and Mattithiah, and Eliphelehu, and Mikneiah, and Obed-Edom, and Jeiel, and Azaziah, with harps tuned to the eight-stringed lyre, to lead. 22 Chenaniah, chief of the Levites, was over the song: he instructed about the song, because he was skillful. 23 Berechiah and Elkanah were doorkeepers for the ark. 24 Shebaniah, and Joshaphat, and Nethanel, and Amasai, and Zechariah, and Benaiah, and Eliezer, the priests, blew the trumpets before the ark of God: and Obed-Edom and Jehiah were doorkeepers for the ark. 25 So David, and the elders of Israel, and the captains over thousands, went to bring up the ark of the covenant of Yahweh out of the house of Obed-Edom with joy. 26 It happened, when God helped the Levites who bore the ark of the covenant of Yahweh, that they sacrificed seven bulls and seven rams. 27 David was clothed with a robe of fine linen, and all the Levites who bore the ark, and the singers, and Chenaniah the master of the song with the singers: and David had on him an ephod of linen. 28 Thus all Israel brought up the ark of the covenant of Yahweh with shouting, and with sound of the cornet, and with trumpets, and with cymbals, sounding aloud with stringed instruments and harps. 29 It happened, as the ark of the covenant of Yahweh came to the city of David, that Michal the daughter of Saul looked out at the window, and saw king David dancing and playing; and she despised him in her heart.
| | Chapitre 15 1 David se bâtit des maisons dans la cité de David; il prépara une place à l'arche de Dieu, et dressa pour elle une tente. 2 Alors David dit: L'arche de Dieu ne doit être portée que par les Lévites, car l'Éternel les a choisis pour porter l'arche de Dieu et pour en faire le service à toujours. 3 Et David assembla tout Israël à Jérusalem pour faire monter l'arche de l'Éternel à la place qu'il lui avait préparée. 4 David assembla les fils d'Aaron et les Lévites: 5 des fils de Kehath, Uriel le chef et ses frères, cent vingt; 6 des fils de Merari, Asaja le chef et ses frères, deux cent vingt; 7 des fils de Guerschom, Joël le chef et ses frères, cent trente; 8 des fils d'Élitsaphan, Schemaeja le chef et ses frères, deux cents; 9 des fils d'Hébron, Éliel le chef et ses frères, quatre-vingts; 10 des fils d'Uziel, Amminadab le chef et ses frères, cent douze. 11 David appela les sacrificateurs Tsadok et Abiathar, et les Lévites Uriel, Asaja, Joël, Schemaeja, Éliel et Amminadab. 12 Il leur dit: Vous êtes les chefs de famille des Lévites; sanctifiez-vous, vous et vos frères, et faites monter à la place que je lui ai préparée l'arche de l'Éternel, du Dieu d'Israël. 13 Parce que vous n'y étiez pas la première fois, l'Éternel, notre Dieu, nous a frappés; car nous ne l'avons pas cherché selon la loi. 14 Les sacrificateurs et les Lévites se sanctifièrent pour faire monter l'arche de l'Éternel, du Dieu d'Israël. 15 Les fils des Lévites portèrent l'arche de Dieu sur leurs épaules avec des barres, comme Moïse l'avait ordonné d'après la parole de l'Éternel. 16 Et David dit aux chefs des Lévites de disposer leurs frères les chantres avec des instruments de musique, des luths, des harpes et des cymbales, qu'ils devaient faire retentir de sons éclatants en signe de réjouissance. 17 Les Lévites disposèrent Héman, fils de Joël; parmi ses frères, Asaph, fils de Bérékia; et parmi les fils de Merari, leurs frères, Éthan, fils de Kuschaja; 18 puis avec eux leurs frères du second ordre Zacharie, Ben, Jaaziel, Schemiramoth, Jehiel, Unni, Éliab, Benaja, Maaséja, Matthithia, Éliphelé et Miknéja, et Obed-Édom et Jeïel, les portiers. 19 Les chantres Héman, Asaph et Éthan avaient des cymbales d'airain, pour les faire retentir. 20 Zacharie, Aziel, Schemiramoth, Jehiel, Unni, Éliab, Maaséja et Benaja avaient des luths sur alamoth; 21 et Matthithia, Éliphelé, Miknéja, Obed-Édom, Jeïel et Azazia, avaient des harpes à huit cordes, pour conduire le chant. 22 Kenania, chef de musique parmi les Lévites, dirigeait la musique, car il était habile. 23 Bérékia et Elkana étaient portiers de l'arche. 24 Schebania, Josaphat, Nethaneel, Amasaï, Zacharie, Benaja et Éliézer, les sacrificateurs, sonnaient des trompettes devant l'arche de Dieu. Obed-Édom et Jechija étaient portiers de l'arche. 25 David, les anciens d'Israël, et les chefs de milliers se mirent en route pour faire monter l'arche de l'alliance de l'Éternel depuis la maison d'Obed-Édom, au milieu des réjouissances. 26 Ce fut avec l'assistance de Dieu que les Lévites portèrent l'arche de l'alliance de l'Éternel; et l'on sacrifia sept taureaux et sept béliers. 27 David était revêtu d'un manteau de byssus; il en était de même de tous les Lévites qui portaient l'arche, des chantres, et de Kenania, chef de musique parmi les chantres; et David avait sur lui un éphod de lin. 28 Tout Israël fit monter l'arche de l'alliance de l'Éternel avec des cris de joie, au son des clairons, des trompettes et des cymbales, et en faisant retentir les luths et les harpes. 29 Comme l'arche de l'alliance de l'Éternel entrait dans la cité de David, Mical, fille de Saül, regardait par la fenêtre, et voyant le roi David sauter et danser, elle le méprisa dans son coeur. | |