T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 13

1 [Ny namindrana ny fiara niala tao Kiriata-jearima, sy ny nitoerany tao an-tranon'i Obed-edoma] Ary Davida naka saina tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra,

2 Ka hoy Davida tamin'ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin'i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin'ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra ary amin'ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin'ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika;

3 Ary aoka ho entintsika atỳ amintsika indray ny fiaran'Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin'ny andron'i Saoly izany.

4 Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanao izany, satria marina teo imason'ny olona rehetra izany.

5 Dia novorin'i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin'i Hamata haka ny fiaran'Andriamanitra avy any Kiriata-jearima.

6 Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran'i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin'ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany.

7 Ary nentiny tamin'ny sariety vaovao niala tao an-tranon'i Abinadaba ny fiaran'Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny sariety.

8 Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.

9 Ary nony tonga teo amin'ny famoloan'i Kidona izy, dia naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Oza, satria nazeran'ny omby izany.

10 Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin'ny fiara, dia maty teo anatrehan'Andriamanitra izy.

11 Ary dia tezitra* Davida noho ny namelezan'i Jehovah an'i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza** no anaran'izany tany izany mandraka androany.[*Na: nalahelo][**Perez-oza = Famelezana an'i Oza]

12 Ary Davida natahotra an'Andriamanitra tamin'izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran'Andriamanitra ho atỳ amiko?

13 Dia tsy nafindran'i Davida ho ao aminy ao an-tanànan'i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon'i Obededoma Gatita.

14 Ary nipetraka telo volana tao amin'ny ankohonan'i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran'Andriamanitra; ka dia notahin'i Jehovah ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.

 

Chapitre 13

1 David consulted with the captains of thousands and of hundreds, even with every leader.

2 David said to all the assembly of Israel, “If it seems good to you, and if it is of Yahweh our God, let us send abroad everywhere to our brothers who are left in all the land of Israel, with whom the priests and Levites are in their cities that have suburbs, that they may gather themselves to us;

3 and let us bring again the ark of our God to us. For we didn’t seek it in the days of Saul.”

4 All the assembly said that they would do so; for the thing was right in the eyes of all the people.

5 So David assembled all Israel together, from the Shihor the brook of Egypt even to the entrance of Hamath, to bring the ark of God from Kiriath Jearim.

6 David went up, and all Israel, to Baalah, that is, to Kiriath Jearim, which belonged to Judah, to bring up from there the ark of God Yahweh that sits above the cherubim, that is called by the Name.

7 They carried the ark of God on a new cart, and brought it out of the house of Abinadab: and Uzza and Ahio drove the cart.

8 David and all Israel played before God with all their might, even with songs, and with harps, and with stringed instruments, and with tambourines, and with cymbals, and with trumpets.

9 When they came to the threshing floor of Chidon, Uzza put forth his hand to hold the ark; for the oxen stumbled.

10 The anger of Yahweh was kindled against Uzza, and he struck him, because he put forth his hand to the ark; and there he died before God.

11 David was displeased, because Yahweh had broken forth on Uzza; and he called that place Perez Uzza, to this day.

12 David was afraid of God that day, saying, “How shall I bring the ark of God home to me?”

13 So David didn’t move the ark to him into the city of David, but carried it aside into the house of Obed-Edom the Gittite.

14 The ark of God remained with the family of Obed-Edom in his house three months: and Yahweh blessed the house of Obed-Edom, and all that he had.

 

Chapitre 13
1 David tint conseil avec les chefs de milliers et de centaines, avec tous les princes.

2 Et David dit à toute l'assemblée d'Israël: Si vous le trouvez bon, et si cela vient de l'Éternel, notre Dieu, envoyons de tous côtés vers nos frères qui restent dans toutes les contrées d'Israël, et aussi vers les sacrificateurs et les Lévites dans les villes où sont leurs banlieues, afin qu'ils se réunissent à nous,

3 et ramenons auprès de nous l'arche de notre Dieu, car nous ne nous en sommes pas occupés du temps de Saül.

4 Toute l'assemblée décida de faire ainsi, car la chose parut convenable à tout le peuple.

5 David assembla tout Israël, depuis le Schichor d'Égypte jusqu'à l'entrée de Hamath, pour faire venir de Kirjath-Jearim l'arche de Dieu.

6 Et David, avec tout Israël, monta à Baala, à Kirjath-Jearim, qui est à Juda, pour faire monter de là l'arche de Dieu, devant laquelle est invoqué le nom de l'Éternel qui réside entre les chérubins.

7 Ils mirent sur un char neuf l'arche de Dieu, qu'ils emportèrent de la maison d'Abinadab: Uzza et Achjo conduisaient le char.

8 David et tout Israël dansaient devant Dieu de toute leur force, en chantant, et en jouant des harpes, des luths, des tambourins, des cymbales et des trompettes.

9 Lorsqu'ils furent arrivés à l'aire de Kidon, Uzza étendit la main pour saisir l'arche, parce que les boeufs la faisaient pencher.

10 La colère de l'Éternel s'enflamma contre Uzza, et l'Éternel le frappa parce qu'il avait étendu la main sur l'arche. Uzza mourut là, devant Dieu.

11 David fut irrité de ce que l'Éternel avait frappé Uzza d'un tel châtiment. Et ce lieu a été appelé jusqu'à ce jour Pérets-Uzza.

12 David eut peur de Dieu en ce jour-là, et il dit: Comment ferais-je entrer chez moi l'arche de Dieu?

13 David ne retira pas l'arche chez lui dans la cité de David, et il la fit conduire dans la maison d'Obed-Édom de Gath.

14 L'arche de Dieu resta trois mois dans la maison d'Obed-Édom, dans sa maison. Et l'Éternel bénit la maison d'Obed-Édom et tout ce qui lui appartenait.