| Chapitre 12 1 [Ny lehilahy mahery izay nanatona an'i Davida, fony izy mbola nenjehin'i Saoly] Ary izao no nankany amin'i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an'i Saoly, zanak'i Kisy; ary isan'ny lehilahy mahery mpanampy amin'ny ady ireo 2 sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan'ny Benjamita, rahalahin'i Saoly, ireo. 3 Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak'i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak'i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho Anatotita 4 ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan'ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita 5 sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita 6 sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama Koraita 7 ary Joela sy Zebadia, zanak'i Jerohama avy any Gedora. 8 Ary tamin'ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an'i Davida ho amin'ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela* eny an-tendrombohitra izy.[Izahao 2 Sam. i. 19] 9 Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo, 10 Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy, 11 Atahy no fahenina, Eliala no fahafito, 12 Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy, 13 Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin'ny folo. 14 Ireo no isan'ny taranak'i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo. 15 Ireo no nita an'i Jordana tamin'ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin'ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo. 16 Ary nisy tamin'ny taranak'i Benjamina sy Joda nankany amin'i Davida tany amin'ny fiarovana. 17 Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon'ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany. 18 Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza*, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.[Na: ny telo-polo lahy] 19 Ary nisy sasany tamin'ny Manase niala hanatona an'i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin'i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan'ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin'i Saoly tompony. 20 Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin'ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin'ny Manase. 21 Ary ireo dia nanampy an'i Davida hamely ny antokon'ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin'ny miaramila. 22 Fa tamin'izany nisy nankany amin'i Davida isan'andro isan'andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin'Andriamanitra. 23 [Ny amin'ny miaramila avy tamin'ny Isiraely rehetra izay nanatona an'i Davida tao Hebrona hampanjaka azy] Ary izao no isan'ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin'i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan'i Saoly ho azy araka ny tenin'i Jehovah: 24 Tamin'ny taranak'i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady. 25 Tamin'ny taranak'i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny ady. 26 Tamin'ny taranak'i Levy, enin-jato amby efatra arivo. 27 Ary Joiada dia lehiben'ny Aronita, ary nisy fiton-jato amby telo arivo teo aminy; 28 ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy. 29 Ary tamin'ny taranak'i Benjamina, havan'i Saoly, telo arivo; fa hatramin'izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin'i Saoly ihany. 30 Ary tamin'ny taranak'i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin'ny fianakaviany avy. 31 Ary tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia valo arivo amby iray alina, izay notononina anarana ho avy hampanjaka an'i Davida. 32 Ary tamin'ny taranak'Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon'ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny. 33 Tamin'ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin'ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin'ny firaisan-kina. 34 Ary tamin'ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo amby telo alina amin'ampinga lehibe sy lefona. 35 Ary tamin'ny Danita dia enin-jato amby valo arivo sy roa alina izay nahay niady. 36 Ary tamin'ny Asera, efatra alina izay azo nalefa hanafika sady nahay niady. 37 Ary avy tany an-dafin'i Jordana, tamin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa rehetra. 38 Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an'i Davida amin'ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin'ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an'i Davida. 39 Ary tao amin'i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny. 40 Ary izay teo akaikiny koa hatramin'ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin'ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan'aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman'osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin'ny Isiraely.
| | Chapitre 12 1 Now these are those who came to David to Ziklag, while he yet kept himself close because of Saul the son of Kish; and they were among the mighty men, his helpers in war. 2 They were armed with bows, and could use both the right hand and the left in slinging stones and in shooting arrows from the bow: they were of Saul’s brothers of Benjamin. 3 The chief was Ahiezer; then Joash, the sons of Shemaah the Gibeathite, and Jeziel, and Pelet, the sons of Azmaveth, and Beracah, and Jehu the Anathothite, 4 and Ishmaiah the Gibeonite, a mighty man among the thirty, and over the thirty, and Jeremiah, and Jahaziel, and Johanan, and Jozabad the Gederathite, 5 Eluzai, and Jerimoth, and Bealiah, and Shemariah, and Shephatiah the Haruphite, 6 Elkanah, and Isshiah, and Azarel, and Joezer, and Jashobeam, the Korahites, 7 and Joelah, and Zebadiah, the sons of Jeroham of Gedor. 8 Of the Gadites there separated themselves to David to the stronghold in the wilderness, mighty men of valor, men trained for war, that could handle shield and spear; whose faces were like the faces of lions, and they were as swift as the roes on the mountains; 9 Ezer the chief, Obadiah the second, Eliab the third, 10 Mishmannah the fourth, Jeremiah the fifth, 11 Attai the sixth, Eliel the seventh, 12 Johanan the eighth, Elzabad the ninth, 13 Jeremiah the tenth, Machbannai the eleventh. 14 These of the sons of Gad were captains of the army: he who was least was equal to one hundred, and the greatest to one thousand. 15 These are those who went over the Jordan in the first month, when it had overflowed all its banks; and they put to flight all them of the valleys, both toward the east, and toward the west. 16 There came of the children of Benjamin and Judah to the stronghold to David. 17 David went out to meet them, and answered them, “If you have come peaceably to me to help me, my heart shall be knit to you; but if you have come to betray me to my adversaries, since there is no wrong in my hands, may the God of our fathers look thereon, and rebuke it.” 18 Then the Spirit came on Amasai, who was chief of the thirty, and he said, “We are yours, David, and on your side, you son of Jesse: peace, peace be to you, and peace be to your helpers; for your God helps you.” Then David received them, and made them captains of the band. 19 Of Manasseh also there fell away some to David, when he came with the Philistines against Saul to battle; but they didn’t help them; for the lords of the Philistines sent him away after consultation, saying, “He will fall away to his master Saul to the jeopardy of our heads.” 20 As he went to Ziklag, there fell to him of Manasseh, Adnah, and Jozabad, and Jediael, and Michael, and Jozabad, and Elihu, and Zillethai, captains of thousands who were of Manasseh. 21 They helped David against the band of rovers: for they were all mighty men of valor, and were captains in the army. 22 For from day to day men came to David to help him, until there was a great army, like the army of God. 23 These are the numbers of the heads of those who were armed for war, who came to David to Hebron, to turn the kingdom of Saul to him, according to the word of Yahweh. 24 The children of Judah who bore shield and spear were six thousand and eight hundred, armed for war. 25 Of the children of Simeon, mighty men of valor for the war, seven thousand and one hundred. 26 Of the children of Levi four thousand and six hundred. 27 Jehoiada was the leader of the household of Aaron; and with him were three thousand and seven hundred, 28 and Zadok, a young man mighty of valor, and of his father’s house twenty-two captains. 29 Of the children of Benjamin, the brothers of Saul, three thousand: for hitherto the greatest part of them had kept their allegiance to the house of Saul. 30 Of the children of Ephraim twenty thousand eight hundred, mighty men of valor, famous men in their fathers’ houses. 31 Of the half-tribe of Manasseh eighteen thousand, who were mentioned by name, to come and make David king. 32 Of the children of Issachar, men who had understanding of the times, to know what Israel ought to do, their heads were two hundred; and all their brothers were at their commandment. 33 Of Zebulun, such as were able to go out in the army, who could set the battle in array, with all kinds of instruments of war, fifty thousand, and who could command and were not of double heart. 34 Of Naphtali one thousand captains, and with them with shield and spear thirty-seven thousand. 35 Of the Danites who could set the battle in array, twenty-eight thousand six hundred. 36 Of Asher, such as were able to go out in the army, who could set the battle in array, forty thousand. 37 On the other side of the Jordan, of the Reubenites, and the Gadites, and of the half-tribe of Manasseh, with all kinds of instruments of war for the battle, one hundred twenty thousand. 38 All these being men of war, who could order the battle array, came with a perfect heart to Hebron, to make David king over all Israel: and all the rest also of Israel were of one heart to make David king. 39 They were there with David three days, eating and drinking; for their brothers had made preparation for them. 40 Moreover those who were near to them, as far as Issachar and Zebulun and Naphtali, brought bread on donkeys, and on camels, and on mules, and on oxen, food of meal, cakes of figs, and clusters of raisins, and wine, and oil, and cattle, and sheep in abundance: for there was joy in Israel.
| | Chapitre 12 1 Voici ceux qui se rendirent auprès de David à Tsiklag, lorsqu'il était encore éloigné de la présence de Saül, fils de Kis. Ils faisaient partie des vaillants hommes qui lui prêtèrent leur secours pendant la guerre. 2 C'étaient des archers, lançant des pierres de la main droite et de la main gauche, et tirant des flèches avec leur arc: ils étaient de Benjamin, du nombre des frères de Saül. 3 Le chef Achiézer et Joas, fils de Schemaa, de Guibea; Jeziel, et Péleth, fils d'Azmaveth; Beraca; Jéhu, d'Anathoth; 4 Jischmaeja, de Gabaon, vaillant parmi les trente et chef des trente; Jérémie; Jachaziel; Jochanan; Jozabad, de Guedéra; 5 Éluzaï; Jerimoth; Bealia; Schemaria; Schephathia, de Haroph; 6 Elkana, Jischija, Azareel, Joézer et Jaschobeam, Koréites; 7 Joéla et Zebadia, fils de Jerocham, de Guedor. 8 Parmi les Gadites, des hommes vaillants partirent pour se rendre auprès de David dans la forteresse du désert, des soldats exercés à la guerre, armés du bouclier et de la lance, semblables à des lions, et aussi prompts que des gazelles sur les montagnes. 9 Ézer, le chef; Abdias, le second; Éliab, le troisième; 10 Mischmanna, le quatrième; Jérémie, le cinquième; 11 Attaï, le sixième; Éliel, le septième; 12 Jochanan, le huitième; Elzabad, le neuvième; 13 Jérémie, le dixième; Macbannaï, le onzième. 14 C'étaient des fils de Gad, chefs de l'armée; un seul, le plus petit, pouvait s'attaquer à cent hommes, et le plus grand à mille. 15 Voilà ceux qui passèrent le Jourdain au premier mois, lorsqu'il débordait sur toutes ses rives, et qui mirent en fuite tous les habitants des vallées, à l'orient et à l'occident. 16 Il y eut aussi des fils de Benjamin et de Juda qui se rendirent auprès de David dans la forteresse. 17 David sortit au-devant d'eux, et leur adressa la parole, en disant: Si vous venez à moi dans de bonnes intentions pour me secourir, mon coeur s'unira à vous; mais si c'est pour me tromper au profit de mes ennemis, quand je ne commets aucune violence, que le Dieu de nos pères le voie et qu'il fasse justice! 18 Amasaï, l'un des principaux officiers, fut revêtu de l'esprit, et dit: Nous sommes à toi, David, et avec toi, fils d'Isaï! Paix, paix à toi, et paix à ceux qui te secourent, car ton Dieu t'a secouru! Et David les accueillit, et les plaça parmi les chefs de la troupe. 19 Des hommes de Manassé se joignirent à David, lorsqu'il alla faire la guerre à Saül avec les Philistins. Mais ils ne furent pas en aide aux Philistins; car, après s'être consultés, les princes des Philistins renvoyèrent David, en disant: Il passerait du côté de son maître Saül, au péril de nos têtes. 20 Quand il retourna à Tsiklag, voici ceux de Manassé qui se joignirent à lui: Adnach, Jozabad, Jediaël, Micaël, Jozabad, Élihu et Tsilthaï, chefs des milliers de Manassé. 21 Ils prêtèrent leur secours à David contre la troupe des pillards Amalécites, car ils étaient tous de vaillants hommes, et ils furent chefs dans l'armée. 22 Et de jour en jour des gens arrivaient auprès de David pour le secourir, jusqu'à ce qu'il eût un grand camp, comme un camp de Dieu. 23 Voici le nombre des hommes armés pour la guerre qui se rendirent auprès de David à Hébron, afin de lui transférer la royauté de Saül, selon l'ordre de l'Éternel. 24 Fils de Juda, portant le bouclier et la lance, six mille huit cents, armés pour la guerre. 25 Des fils de Siméon, hommes vaillants à la guerre, sept mille cent. 26 Des fils de Lévi, quatre mille six cents; 27 et Jehojada, prince d'Aaron, et avec lui trois mille sept cents; 28 et Tsadok, vaillant jeune homme, et la maison de son père, vingt-deux chefs. 29 Des fils de Benjamin, frères de Saül, trois mille; car jusqu'alors la plus grande partie d'entre eux étaient restés fidèles à la maison de Saül. 30 Des fils d'Éphraïm, vingt mille huit cents, hommes vaillants, gens de renom, d'après les maisons de leurs pères. 31 De la demi-tribu de Manassé, dix-huit mille, qui furent nominativement désignés pour aller établir roi David. 32 Des fils d'Issacar, ayant l'intelligence des temps pour savoir ce que devait faire Israël, deux cents chefs, et tous leurs frères sous leurs ordres. 33 De Zabulon, cinquante mille, en état d'aller à l'armée, munis pour le combat de toutes les armes de guerre, et prêts à livrer bataille d'un coeur résolu. 34 De Nephthali, mille chefs, et avec eux trente-sept mille, portant le bouclier et la lance. 35 Des Danites, armés pour la guerre, vingt-huit mille six cents. 36 D'Aser, en état d'aller à l'armée et prêts à combattre: quarante mille. 37 Et de l'autre côté du Jourdain, des Rubénites, des Gadites, et de la demi-tribu de Manassé, avec toutes les armes de guerre, cent vingt mille. 38 Tous ces hommes, gens de guerre, prêts à combattre, arrivèrent à Hébron en sincérité de coeur pour établir David roi sur tout Israël. Et tout le reste d'Israël était également unanime pour faire régner David. 39 Ils furent là trois jours avec David, mangeant et buvant, car leurs frères leur avaient préparé des vivres. 40 Et même ceux qui habitaient près d'eux jusqu'à Issacar, à Zabulon et à Nephthali, apportaient des aliments sur des ânes, sur des chameaux, sur des mulets et sur des boeufs, des mets de farine, des masses de figues sèches et de raisins secs, du vin, de l'huile, des boeufs et des brebis en abondance, car Israël était dans la joie. | |