T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 9

1 [Ny nanendrena an'i Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely] Ary nisy lehilahy avy amin'ny Benjamina, atao hoe Kisy, zanak'i Abiela, zanak'i Zerora, zanak'i Bekorata, zanak'i Afia, Benjamita izy sy mpanjatobe.

2 Ary nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy, ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin'ny Zanak'Isiraely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany.

 

3 Ary very ny borikivavin'i Kisy, rain'i Saoly. Dia hoy Kisy tamin'i Saoly zanany: Mitondrà zatovo anankiray hanaraka anao, dia miaingà, ka mandehana hitady ny boriky.

4 Dia nandeha namaky ny tany havoan'i Efraima izy ka namaky ny tany Salisa, fa tsy nahita azy; dia nandeha namaky ny tany Salima indray izy, nefa tsy tany ireny; dia nandeha namaky ny tanin'ny Benjamina izy, fa mbola tsy nahita azy ihany indray.

5 Ary nony tonga teo amin'ny tany Zofa izy, dia hoy Saoly tamin'ny zatovony nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao isika indray no ahin'ikaky, fa tsy ny boriky intsony.

6 Fa hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy lehilahin'Andriamanitra amin'iroa tanàna iroa, ary lehilahy malaza izy, fa izay rehetra lazainy dia tanteraka tokoa; koa andeha isika hankany, fa angamba hatorony antsika izay lalana tokony halehantsika.

7 Dia hoy Saoly tamin'ny zatovony: indro, raha mankany isika, inona moa no haterintsika ho an-dralehilahy? fa efa lany ny mofo rehetra tao amin'ny fitondrantsika, ary tsy misy zavatra haterintsika ho an'ny lehilahin'Andriamanitra; ka inona moa no atỳ amintsika?

8 Dia namaly an'i Saoly indray ilay zatovo ka nanao hoe: Indro, atỳ an-tanako misy vola ampahefatry ny sekely; koa homeko ny lehilahin'Andriamanitra izany, mba hanoroany antsika izay lalana tokony halehantsika.

9 (Fahiny teo amin'ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin'Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin'ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.)

10 Dia hoy Saoly tamin'ny mpanompony: Tsara izany, fa andeha isika hankany. Dia lasa izy roa lahy nankany amin'ny tanàna nitoeran'ilay lehilahin'Andriamanitra.

11 Ary raha mbola niakatra teo amin'ny fiakarana ho any an-tanàna izy roa lahy, dia nahita zazavavy mivoaka hantsaka, ka hoy izy taminy: Ao ihany va ny mpahita?

12 Dia namaly azy ireo ka nanao hoe: Ao ihany izy; indro ao alohanao ao izy; mandehana faingana, fa efa tonga ao an-tanàna izy izao, satria misy fanatitra hataon'ny vahoaka ao amin'ny fitoerana avo anio;

13 ary raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia ho hitanareo izy, raha tsy mbola miakatra hihinana ao amin'ny fitoerana avo, fa tsy hihinana ny vahoaka mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana amin'ny fanatitra, ary rehefa afaka izany, dia vao mihinana izay nasaina; koa miakara ianareo ankehitriny, fa amin'izao no hahitanareo azy.

14 Dia niakatra tao an-tanàna izy roa lahy; ary nony tonga tao izy, dia, indro, Samoela nivoaka niakatra ho any amin'ny fitoerana avo ka nifanena taminy.

15 Ary Jehovah efa nanambara tamin'i Samoela omalin'ny andro nahatongavan'i Saoly ka nanao hoe:

16 Rahampitso toy izao dia hampandehaniko ho atỳ aminao ny lehilahy anankiray avy amin'ny tanin'ny Benjamina, ary hohosoranao ho mpanapaka ny Isiraely oloko izy ka hamonjy azy amin'ny tanan'ny Filistina, fa efa nijery ny oloko Aho, satria efa mby etỳ amiko ny fitarainany.

17 Ary nony hitan'i Samoela Saoly, dia hoy Jehovah taminy*: Indro ny lehilahy voalazako taminao; io no hanjaka amin'ny oloko.[Heb. Jehovah namaly azy hoe]

18 Ary Saoly dia nanatona an'i Samoela teo am-bavahady ka nanao hoe: Masìna ianao, atoroy ahy ny tranon'ny mpahita.

19 Ary Samoela dia namaly an'i Saoly hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin'ny fitoerana avo; fa hiara-mihinana amiko ianareo anio, ary raha maraina dia halefako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.

20 Ary aza malahelo ny amin'ny borikinao izay efa very hateloana, fa efa hita ireny; ary ho an'iza ny zavatra irina rehetra eo amin'ny Isiraely? Tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao va?

21 Dia namaly Saoly ka nanao hoe: Tsy Benjamita va aho, avy amin'ilay kely indrindra amin'ny firenen'Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin'ny mpianakavin'ny firenen'i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany ianao?

22 Ary Samoela dia nitondra an'i Saoly sy ny zatovony ka nampiditra azy tao amin'ny efi-trano, dia nanome azy toerana aloha teo amin'izay nasaina; ary tokony ho olona telo-polo ireo.

23 Ary hoy Samoela tamin'ny mpanao nahandro: Ento ilay anjara nomeko anao, izay efa nolazaiko taminao hoe. Tehirizo ity.

24 Dia nalain'ny mpanao nahandro ny soro-kena* mbamin'ny eo aminy ka napetrany teo anoloan'i Saoly, ary hoy Samoela: Indro, izay efa natokana dia voapetraka eto anoloanao, koa hano; fa ho amin'izao fotoana izao no nitehirizana izany ho anao hatramin'izay nanaovako hoe: Efa nanasa ny vahoaka aho. Ary Saoly dia niara-nihinana tamin'i Samoela androtrizay.[Na: fe]

25 Ary izy roa lahy nidina avy tao amin'ny fitoerana avo hankany an-tanàna, ary dia niresaka tamin'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela.

26 Ary nifoha maraina koa izy ireo; ary nony nazavaratsy ny andro, dia niantso an'i Saoly teo an-tampon-trano Samoela ka nanao hoe: Mitsangàna ianao mba havoakako. Dia nitsangana Saoly, ka lasa nivoaka ho any ala-trano izy roa lahy, dia izy sy Samoela.

27 Ary nony nidina teo amin'ny faran'ny tanàna izy, dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Ampandehano eo alohantsika ny zatovo (dia lasa nandeha izy), fa mijanòna kely ianao hilazako ny tenin'Andriamanitra.

 

Chapitre 9

9:1 Now there was a man of Benjamin, whose name was Kish, the son of Abiel, the son of Zeror, the son of Becorath, the son of Aphiah, the son of a Benjamite, a mighty man of valor. 9:2 He had a son, whose name was Saul, an impressive young man; and there was not among the children of Israel a better person than he. From his shoulders and upward he was higher than any of the people.

9:3 The donkeys of Kish, Saul’s father, were lost. Kish said to Saul his son, “Take now one of the servants with you, and arise, go seek the donkeys.” 9:4 He passed through the hill country of Ephraim, and passed through the land of Shalishah, but they didn’t find them: then they passed through the land of Shaalim, and there they weren’t there: and he passed through the land of the Benjamites, but they didn’t find them.

9:5 When they had come to the land of Zuph, Saul said to his servant who was with him, “Come, and let us return, lest my father stop caring about the donkeys, and be anxious for us.”

9:6 He said to him, “See now, there is in this city a man of God, and he is a man who is held in honor. All that he says comes surely to pass. Now let us go there. Perhaps he can tell us concerning our journey whereon we go.”

9:7 Then Saul said to his servant, “But, behold, if we go, what shall we bring the man? For the bread is spent in our vessels, and there is not a present to bring to the man of God. What do we have?”

9:8 The servant answered Saul again, and said, “Behold, I have in my hand the fourth part of a shekel of silver. I will give that to the man of God, to tell us our way.” 9:9 (In earlier times in Israel, when a man went to inquire of God, thus he said, “Come, and let us go to the seer”; for he who is now called a prophet was before called a Seer.)

9:10 Then Saul said to his servant, “Well said. Come, let us go.” So they went to the city where the man of God was. 9:11 As they went up the ascent to the city, they found young maidens going out to draw water, and said to them, “Is the seer here?”

9:12 They answered them, and said, “He is. Behold, he is before you. Hurry now, for he has come today into the city; for the people have a sacrifice today in the high place. 9:13 As soon as you have come into the city, you shall immediately find him, before he goes up to the high place to eat; for the people will not eat until he come, because he blesses the sacrifice. Afterwards those who are invited eat. Now therefore go up; for at this time you shall find him.”

9:14 They went up to the city. As they came within the city, behold, Samuel came out toward them, to go up to the high place.

9:15 Now Yahweh had revealed to Samuel a day before Saul came, saying, 9:16 “Tomorrow about this time I will send you a man out of the land of Benjamin, and you shall anoint him to be prince over my people Israel; and he shall save my people out of the hand of the Philistines: for I have looked on my people, because their cry has come to me.”

9:17 When Samuel saw Saul, Yahweh said to him, “Behold, the man of whom I spoke to you! this same shall have authority over my people.”

9:18 Then Saul drew near to Samuel in the gate, and said, “Please tell me where the seer’s house is.”

9:19 Samuel answered Saul, and said, “I am the seer. Go up before me to the high place, for you shall eat with me today. In the morning I will let you go, and will tell you all that is in your heart. 9:20 As for your donkeys who were lost three days ago, don’t set your mind on them; for they are found. For whom is all that is desirable in Israel? Is it not for you, and for all your father’s house?”

9:21 Saul answered, “Am I not a Benjamite, of the smallest of the tribes of Israel? And my family the least of all the families of the tribe of Benjamin? Why then do you speak to me like this?”

9:22 Samuel took Saul and his servant, and brought them into the guest room, and made them sit in the best place among those who were invited, who were about thirty persons. 9:23 Samuel said to the cook, “Bring the portion which I gave you, of which I said to you, ‘Set it aside.’” 9:24 The cook took up the thigh, and that which was on it, and set it before Saul. Samuel said, “Behold, that which has been reserved! Set it before yourself and eat; because for the appointed time has it been kept for you, for I said, ‘I have invited the people.’” So Saul ate with Samuel that day.

9:25 When they had come down from the high place into the city, he talked with Saul on the housetop. 9:26 They arose early: and it happened about the spring of the day, that Samuel called to Saul on the housetop, saying, “Get up, that I may send you away.” Saul arose, and they went out both of them, he and Samuel, abroad. 9:27 As they were going down at the end of the city, Samuel said to Saul, “Tell the servant pass on before us” (and he passed on), “but stand still first, that I may cause you to hear the word of God.”

 

Chapitre 9
1 Il y avait un homme de Benjamin, nommé Kis, fils d'Abiel, fils de Tseror, fils de Becorath, fils d'Aphiach, fils d'un Benjamite. C'était un homme fort et vaillant. 2 Il avait un fils du nom de Saül, jeune et beau, plus beau qu'aucun des enfants d'Israël, et les dépassant tous de la tête. 3 Les ânesses de Kis, père de Saül, s'égarèrent; et Kis dit à Saül, son fils: Prends avec toi l'un des serviteurs, lève-toi, va, et cherche les ânesses. 4 Il passa par la montagne d'Éphraïm et traversa le pays de Schalischa, sans les trouver; ils passèrent par le pays de Schaalim, et elles n'y étaient pas; ils parcoururent le pays de Benjamin, et ils ne les trouvèrent pas. 5 Ils étaient arrivés dans le pays de Tsuph, lorsque Saül dit à son serviteur qui l'accompagnait: Viens, retournons, de peur que mon père, oubliant les ânesses, ne soit en peine de nous. 6 Le serviteur lui dit: Voici, il y a dans cette ville un homme de Dieu, et c'est un homme considéré; tout ce qu'il dit ne manque pas d'arriver. Allons y donc; peut-être nous fera-t-il connaître le chemin que nous devons prendre. 7 Saül dit à son serviteur: Mais si nous y allons, que porterons-nous à l'homme de Dieu? Car il n'y a plus de provisions dans nos sacs, et nous n'avons aucun présent à offrir à l'homme de Dieu. Qu'est-ce que nous avons? 8 Le serviteur reprit la parole, et dit à Saül: Voici, j'ai sur moi le quart d'un sicle d'argent; je le donnerai à l'homme de Dieu, et il nous indiquera notre chemin. 9 Autrefois en Israël, quand on allait consulter Dieu, on disait: Venez, et allons au voyant! Car celui qu'on appelle aujourd'hui le prophète s'appelait autrefois le voyant. - 10 Saül dit à son serviteur: Tu as raison: viens, allons! Et ils se rendirent à la ville où était l'homme de Dieu. 11 Comme ils montaient à la ville, ils rencontrèrent des jeunes filles sorties pour puiser de l'eau, et ils leur dirent: Le voyant est-il ici? 12 Elles leur répondirent en disant: Oui, il est devant toi; mais va promptement, car aujourd'hui il est venu à la ville parce qu'il y a un sacrifice pour le peuple sur le haut lieu. 13 Quand vous serez entrés dans la ville, vous le trouverez avant qu'il monte au haut lieu pour manger; car le peuple ne mangera point qu'il ne soit arrivé, parce qu'il doit bénir le sacrifice; après quoi, les conviés mangeront. Montez donc, car maintenant vous le trouverez. 14 Et ils montèrent à la ville. Ils étaient arrivés au milieu de la ville, quand ils furent rencontrés par Samuel qui sortait pour monter au haut lieu. 15 Or, un jour avant l'arrivée de Saül, l'Éternel avait averti Samuel, en disant: 16 Demain, à cette heure, je t'enverrai un homme du pays de Benjamin, et tu l'oindras pour chef de mon peuple d'Israël. Il sauvera mon peuple de la main des Philistins; car j'ai regardé mon peuple, parce que son cri est venu jusqu'à moi. 17 Lorsque Samuel eut aperçu Saül, l'Éternel lui dit: Voici l'homme dont je t'ai parlé; c'est lui qui régnera sur mon peuple. 18 Saül s'approcha de Samuel au milieu de la porte, et dit: Indique-moi, je te prie, où est la maison du voyant. 19 Samuel répondit à Saül: C'est moi qui suis le voyant. Monte devant moi au haut lieu, et vous mangerez aujourd'hui avec moi. Je te laisserai partir demain, et je te dirai tout ce qui se passe dans ton coeur. 20 Ne t'inquiète pas des ânesses que tu as perdues il y a trois jours, car elles sont retrouvées. Et pour qui est réservé tout ce qu'il y a de précieux en Israël? N'est-ce pas pour toi et pour toute la maison de ton père? 21 Saül répondit: Ne suis-je pas Benjamite, de l'une des plus petites tribus d'Israël? et ma famille n'est-elle pas la moindre de toutes les familles de la tribu de Benjamin? Pourquoi donc me parles-tu de la sorte? 22 Samuel prit Saül et son serviteur, les fit entrer dans la salle, et leur donna une place à la tête des conviés, qui étaient environ trente hommes. 23 Samuel dit au cuisinier: Sers la portion que je t'ai donnée, en te disant: Mets-la à part. 24 Le cuisinier donna l'épaule et ce qui l'entoure, et il la servit à Saül. Et Samuel dit: Voici ce qui a été réservé; mets-le devant toi, et mange, car on l'a gardé pour toi lorsque j'ai convié le peuple. Ainsi Saül mangea avec Samuel ce jour-là. 25 Ils descendirent du haut lieu à la ville, et Samuel s'entretint avec Saül sur le toit. 26 Puis ils se levèrent de bon matin; et, dès l'aurore, Samuel appela Saül sur le toit, et dit: Viens, et je te laisserai partir. Saül se leva, et ils sortirent tous deux, lui et Samuel. 27 Quand ils furent descendus à l'extrémité de la ville, Samuel dit à Saül: Dis à ton serviteur de passer devant nous. Et le serviteur passa devant. Arrête-toi maintenant, reprit Samuel, et je te ferai entendre la parole de Dieu.