T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 8

1 [Ny nangatahan'ny Isiraely mpanjaka] Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely.

2 Ary Joela no anaran'ny lahimatoany, ary Abia no anaran'ny faralahiny; mpitsara tany Beri-sheba izy ireo.

3 Nefa ny zanany tsy nanaraka ny dian-drainy, fa nivily nitady vola aman-karena ka nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra.

4 Ary ny loholon'ny Isiraely rehetra nivory tao Rama ho any amin'i Samoela

5 ka nanao taminy hoe: Indro, efa antitra ianao, ary ny zanakao tsy manaraka ny dianao; koa manendre mpanjaka ho anay hitsara anay, tahaka ny firenena rehetra.

6 Fa tsy sitrak'i Samoela ny nanaovan'ny olona hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin'i Jehovah Samoela.

 

7 Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ihany ny tenin'ny olona amin'izany rehetra lazainy aminao; fa tsy ianao no laviny, fa Izaho no laviny tsy hanjaka aminy.

8 Araka ny asa rehetra izay nataony hatramin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany Egypta ka mandraka androany, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nanompoany andriamani-kafa, dia toy izany koa no ataony aminao.

9 Ary ankehitriny henoy ihany ny teniny, kanefa lazao aminy marimarina, ka asehoy azy ny ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminy.

10 Dia nambaran'i Samoela tamin'ny olona izay nangataka mpanjaka taminy ny teny rehetra nolazain'i Jehovah.

11 Ary hoy izy: Izao no ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka aminareo: Ny zanakareo-lahy dia halainy ka hotendreny ho amin'ny kalesiny sy ho mpitaingin-tsoavaliny ary hihazakazaka eo alohan'ny kalesiny,

12 ary hotendreny ho mpifehy arivo sy ho mpifehy dimam-polo, ary hiasa ny taniny sy hijinja ny vokany ary hanao ny fiadiany sy ny fanaka momba ny kalesiny;

13 ary ny zanakareo-vavy dia halainy ho mpangaroharo zava-manitra ary ho mpahandro sy mpanao mofo;

14 ary ny tsara indrindra amin'ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny tanin'olivanareo dia halainy ka homeny ho an'ny mpanompony;

15 ary ny ampahafolon'ny voan-javatrareo sy ny tanim-boalobokareo dia halainy ka homeny ho an'ny tandapany* sy ny tandonany.[Heb. ionoka]

16 Ary ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo sy ny zatovonareo tsara indrindra ary ny borikinareo dia halainy ka hampanaoviny ny asany.

17 Ary halainy koa ny ampahafolon'ny ondry aman'osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony.

18 Ary hitaraina amin'izany andro izany ianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin'izany andro izany.

19 Kanefa tsy nety nihaino ny tenin'i Samoela ny olona, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany hisy mpanjaka hanjaka aminay,

20 mba ho tahaka ny firenena rehetra koa izahay, ka ny mpanjakanay hitsara anay sy hivoaka eo alohanay ary hitarika ny adinay.

21 Ary ren'i Samoela ny teny rehetra nolazain'ny olona, ka dia nolazainy teo anatrehan'i Jehovah kosa.

22 Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Henoy ny teniny ka manendre mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely: Samia ary mandeha ho any amin'ny tanànanareo avy ianareo rehetra.

 

Chapitre 8

8:1 It happened, when Samuel was old, that he made his sons judges over Israel. 8:2 Now the name of his firstborn was Joel; and the name of his second, Abijah: they were judges in Beersheba. 8:3 His sons didn’t walk in his ways, but turned aside after lucre, and took bribes, and perverted justice. 8:4 Then all the elders of Israel gathered themselves together, and came to Samuel to Ramah; 8:5 and they said to him, “Behold, you are old, and your sons don’t walk in your ways: now make us a king to judge us like all the nations.” 8:6 But the thing displeased Samuel, when they said, “Give us a king to judge us.”

Samuel prayed to Yahweh. 8:7 Yahweh said to Samuel, “Listen to the voice of the people in all that they tell you; for they have not rejected you, but they have rejected me, that I should not be king over them. 8:8 According to all the works which they have done since the day that I brought them up out of Egypt even to this day, in that they have forsaken me, and served other gods, so do they also to you. 8:9 Now therefore listen to their voice: however you shall protest solemnly to them, and shall show them the way of the king who shall reign over them.”

8:10 Samuel told all the words of Yahweh to the people who asked of him a king. 8:11 He said, “This will be the way of the king who shall reign over you: he will take your sons, and appoint them to him, for his chariots, and to be his horsemen; and they shall run before his chariots; 8:12 and he will appoint them to him for captains of thousands, and captains of fifties; and he will assign some to plow his ground, and to reap his harvest, and to make his instruments of war, and the instruments of his chariots. 8:13 He will take your daughters to be perfumers, and to be cooks, and to be bakers. 8:14 He will take your fields, and your vineyards, and your olive groves, even their best, and give them to his servants. 8:15 He will take the tenth of your seed, and of your vineyards, and give to his officers, and to his servants. 8:16 He will take your male servants, and your female servants, and your best young men, and your donkeys, and put them to his work. 8:17 He will take the tenth of your flocks: and you shall be his servants. 8:18 You shall cry out in that day because of your king whom you shall have chosen you; and Yahweh will not answer you in that day.”

8:19 But the people refused to listen to the voice of Samuel; and they said, “No; but we will have a king over us, 8:20 that we also may be like all the nations, and that our king may judge us, and go out before us, and fight our battles.”

8:21 Samuel heard all the words of the people, and he rehearsed them in the ears of Yahweh. 8:22 Yahweh said to Samuel, “Listen to their voice, and make them a king.”

Samuel said to the men of Israel, “Every man go to his city.”

 

Chapitre 8
1 Lorsque Samuel devint vieux, il établit ses fils juges sur Israël. 2 Son fils premier-né se nommait Joël, et le second Abija; ils étaient juges à Beer-Schéba. 3 Les fils de Samuel ne marchèrent point sur ses traces; ils se livraient à la cupidité, recevaient des présents, et violaient la justice. 4 Tous les anciens d'Israël s'assemblèrent, et vinrent auprès de Samuel à Rama. 5 Ils lui dirent: Voici, tu es vieux, et tes fils ne marchent point sur tes traces; maintenant, établis sur nous un roi pour nous juger, comme il y en a chez toutes les nations. 6 Samuel vit avec déplaisir qu'ils disaient: Donne-nous un roi pour nous juger. Et Samuel pria l'Éternel. 7 L'Éternel dit à Samuel: Écoute la voix du peuple dans tout ce qu'il te dira; car ce n'est pas toi qu'ils rejettent, c'est moi qu'ils rejettent, afin que je ne règne plus sur eux. 8 Ils agissent à ton égard comme ils ont toujours agi depuis que je les ai fait monter d'Égypte jusqu'à ce jour; ils m'ont abandonné, pour servir d'autres dieux. 9 Écoute donc leur voix; mais donne-leur des avertissements, et fais-leur connaître le droit du roi qui régnera sur eux. 10 Samuel rapporta toutes les paroles de l'Éternel au peuple qui lui demandait un roi. 11 Il dit: Voici quel sera le droit du roi qui régnera sur vous. Il prendra vos fils, et il les mettra sur ses chars et parmi ses cavaliers, afin qu'ils courent devant son char; 12 il s'en fera des chefs de mille et des chefs de cinquante, et il les emploiera à labourer ses terres, à récolter ses moissons, à fabriquer ses armes de guerre et l'attirail de ses chars. 13 Il prendra vos filles, pour en faire des parfumeuses, des cuisinières et des boulangères. 14 Il prendra la meilleure partie de vos champs, de vos vignes et de vos oliviers, et la donnera à ses serviteurs. 15 Il prendra la dîme du produit de vos semences et de vos vignes, et la donnera à ses serviteurs. 16 Il prendra vos serviteurs et vos servantes, vos meilleurs boeufs et vos ânes, et s'en servira pour ses travaux. 17 Il prendra la dîme de vos troupeaux, et vous-mêmes serez ses esclaves. 18 Et alors vous crierez contre votre roi que vous vous serez choisi, mais l'Éternel ne vous exaucera point. 19 Le peuple refusa d'écouter la voix de Samuel. Non! dirent-ils, mais il y aura un roi sur nous, 20 et nous aussi nous serons comme toutes les nations; notre roi nous jugera il marchera à notre tête et conduira nos guerres. 21 Samuel, après avoir entendu toutes les paroles du peuple, les redit aux oreilles de l'Éternel. 22 Et l'Éternel dit à Samuel: Écoute leur voix, et établis un roi sur eux. Et Samuel dit aux hommes d'Israël: Allez-vous-en chacun dans sa ville.