T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 7

1 Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran'i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon'i Abinadaba teo an-kavoana*, ary nanamasina an'i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran'i Jehovah izy.[Na: Gebea]

2 [Ny nampibebahan'i Samoela ny Isiraely, sy ny nandreseny ny Filistina, ary ny nitsaran'i Samoela ny Isiraely] Ary hatramin'izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran'i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak'Isiraely rehetra nalahelo an'i Jehovah*.[Na: nivory ho eo amin'i Jehovah]

3 Ary hoy Samoela tamin'ny taranak'Isiraely rehetra: Raha miverina amin'i Jehovah amin'ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an'i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin'ny tanan'ny Filistina Izy.

4 Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak'Isiraely ka nanompo an'i Jehovah irery ihany.

5 Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin'i Jehovah ho anareo aho.

6 Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan'i Jehovah, sady nifady hanina tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak'Isiraely tany Mizpa.

7 Ary rehefa ren'ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak'Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan'ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak'Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina.

8 Dia hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin'i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin'ny tanan'ny Filistina.

9 Dia naka zanak'ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; dia nitaraina tamin'i Jehovah ho an'ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.

10 Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin'ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin'ny Filistina tamin'izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan'ny Isiraely izy.

11 Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin'i Beti-kara.

12 Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan'i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera*; fa hoy izy: Efa novonjen'i Jehovah isika hatramin'izao.[Ebnezera = Vato famonjena]

13 Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin'ny fari-tanin'ny Isiraely intsony; ary ny tànan'i Jehovah namely ny Filistina tamin'ny andro rehetra niainan'i Samoela.

14 Ary ny tanàna izay efa nalain'ny Filistina tamin'ny Isiraely dia azon'ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin'ireo dia nalain'ny Isiraely tamin'ny tanan'ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita.

15 Ary Samoela nitsara ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainany.

16 Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin'ireo tanàna rehetra ireo.

17 Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an'i Jehovah.

 

Chapitre 7

7:1 The men of Kiriath Jearim came, and fetched up the ark of Yahweh, and brought it into the house of Abinadab in the hill, and sanctified Eleazar his son to keep the ark of Yahweh.

7:2 It happened, from the day that the ark stayed in Kiriath Jearim, that the time was long; for it was twenty years: and all the house of Israel lamented after Yahweh.

7:3 Samuel spoke to all the house of Israel, saying, “If you do return to Yahweh with all your heart, then put away the foreign gods and the Ashtaroth from among you, and direct your hearts to Yahweh, and serve him only; and he will deliver you out of the hand of the Philistines.”

7:4 Then the children of Israel removed the Baals and the Ashtaroth, and served Yahweh only.

7:5 Samuel said, “Gather all Israel to Mizpah, and I will pray for you to Yahweh.”

7:6 They gathered together to Mizpah, and drew water, and poured it out before Yahweh, and fasted on that day, and said there, “We have sinned against Yahweh.” Samuel judged the children of Israel in Mizpah.

7:7 When the Philistines heard that the children of Israel were gathered together at Mizpah, the lords of the Philistines went up against Israel. When the children of Israel heard it, they were afraid of the Philistines. 7:8 The children of Israel said to Samuel, “Don’t cease to cry to Yahweh our God for us, that he will save us out of the hand of the Philistines.”

7:9 Samuel took a suckling lamb, and offered it for a whole burnt offering to Yahweh: and Samuel cried to Yahweh for Israel; and Yahweh answered him.

7:10 As Samuel was offering up the burnt offering, the Philistines drew near to battle against Israel; but Yahweh thundered with a great thunder on that day on the Philistines, and confused them; and they were struck down before Israel.

7:11 The men of Israel went out of Mizpah, and pursued the Philistines, and struck them, until they came under Beth Kar.

7:12 Then Samuel took a stone, and set it between Mizpah and Shen, and called its name Ebenezer, saying, “Yahweh helped us until now.”

7:13 So the Philistines were subdued, and they came no more within the border of Israel. The hand of Yahweh was against the Philistines all the days of Samuel.

7:14 The cities which the Philistines had taken from Israel were restored to Israel, from Ekron even to Gath; and Israel recovered its border out of the hand of the Philistines. There was peace between Israel and the Amorites.

7:15 Samuel judged Israel all the days of his life. 7:16 He went from year to year in circuit to Bethel and Gilgal, and Mizpah; and he judged Israel in all those places.

7:17 His return was to Ramah, for there was his house; and there he judged Israel: and he built there an altar to Yahweh.

 

Chapitre 7
1 Les gens de Kirjath-Jearim vinrent, et firent monter l'arche de l'Éternel; ils la conduisirent dans la maison d'Abinadab, sur la colline, et ils consacrèrent son fils Éléazar pour garder l'arche de l'Éternel.

2 Il s'était passé bien du temps depuis le jour où l'arche avait été déposée à Kirjath-Jearim. Vingt années s'étaient écoulées. Alors toute la maison d'Israël poussa des gémissements vers l'Éternel.

3 Samuel dit à toute la maison d'Israël: Si c'est de tout votre coeur que vous revenez à l'Éternel, ôtez du milieu de vous les dieux étrangers et les Astartés, dirigez votre coeur vers l'Éternel, et servez-le lui seul; et il vous délivrera de la main des Philistins.

4 Et les enfants d'Israël ôtèrent du milieu d'eux les Baals et les Astartés, et ils servirent l'Éternel seul.

5 Samuel dit: Assemblez tout Israël à Mitspa, et je prierai l'Éternel pour vous.

6 Et ils s'assemblèrent à Mitspa. Ils puisèrent de l'eau et la répandirent devant l'Éternel, et ils jeûnèrent ce jour-là, en disant: Nous avons péché contre l'Éternel! Samuel jugea les enfants d'Israël à Mitspa. 7 Les Philistins apprirent que les enfants d'Israël s'étaient assemblés à Mitspa, et les princes des Philistins montèrent contre Israël. A cette nouvelle, les enfants d'Israël eurent peur des Philistins,

8 et ils dirent à Samuel: Ne cesse point de crier pour nous à l'Éternel, notre Dieu, afin qu'il nous sauve de la main des Philistins.

9 Samuel prit un agneau de lait, et l'offrit tout entier en holocauste à l'Éternel. Il cria à l'Éternel pour Israël, et l'Éternel l'exauça.

10 Pendant que Samuel offrait l'holocauste, les Philistins s'approchèrent pour attaquer Israël. L'Éternel fit retentir en ce jour son tonnerre sur les Philistins, et les mit en déroute. Ils furent battus devant Israël.

11 Les hommes d'Israël sortirent de Mitspa, poursuivirent les Philistins, et les battirent jusqu'au-dessous de Beth-Car.

12 Samuel prit une pierre, qu'il plaça entre Mitspa et Schen, et il l'appela du nom d'Ében-Ézer, en disant: Jusqu'ici l'Éternel nous a secourus.

13 Ainsi les Philistins furent humiliés, et ils ne vinrent plus sur le territoire d'Israël. La main de l'Éternel fut contre les Philistins pendant toute la vie de Samuel.

14 Les villes que les Philistins avaient prises sur Israël retournèrent à Israël, depuis Ékron jusqu'à Gath, avec leur territoire; Israël les arracha de la main des Philistins. Et il y eut paix entre Israël et les Amoréens. 15 Samuel fut juge en Israël pendant toute sa vie.

16 Il allait chaque année faire le tour de Béthel, de Guilgal et de Mitspa, et il jugeait Israël dans tous ces lieux.

17 Puis il revenait à Rama, où était sa maison; et là il jugeait Israël, et il y bâtit un autel à l'Éternel.