T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 6

1 Ary ny fiaran'i Jehovah dia tany amin'ny tanin'ny Filistina fito volana.

2 Ary ny Filistina nampaka ny mpisorona sy ny mpanao fankatovana ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika amin'ny fiaran'i Jehovah? Lazao aminay izay hanateranay azy ho any amin'ny fitoerany.

3 Ary hoy ireo: Raha aterinareo ny fiaran'ny Andriamanitry ny Isiraely, aza aterina foana izy, fa manatera fanati-panonerana ho Azy mihitsy, dia ho sitrana ianareo, ary ho fantatrareo koa izay tsy ialan'ny tànany aminareo.

4 Dia hoy ny olona: Inona ary no fanati-panonerana haterinay ho Azy? Ary hoy kosa ireo: Vay volamena dimy sy totozy volamena dimy, araka ny isan'ireo andrianan'ny Filistina; fa aretina iray ihany no manjo anareo rehetra sy ny andriananareo.

5 Koa manaova sarin'ny vainareo sy sarin'ny totozinareo izay manimba ny tany; ary omeo voninahitra ny Andriamanitry ny Isiraely; angamba hanamaivana ny tanany hiala aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo Izy.

6 Fa nahoana no manamafy ny fonareo ianareo, toy ny nanamafian'ny Egyptiana sy Farao ny fony? Raha nanao fahagagana namelezany azy Izy, moa tsy nalefany handeha va ny olona, ka dia lasa?

7 Koa ankehitriny manaova sariety vaovao, ary mangalà ombivavy roa mitaiza, izay tsy mbola nasiana zioga, dia afehezo amin'ny sariety ny ombivavy, ka ento mody ny zanany hiala aminy.

8 Ary alao ny fiaran'i Jehovah, ka apetraho eo ambonin'ny sariety, dia ataovy ao anaty vata kely eo anilany ny fanaka volamena haterinareo ho Azy ho fanati-panonerana, ka ampandehano izany.

9 Ary izahao, ka raha miakatra amin'ny lalana mankany amin'ny taniny ihany ho any Beti-semesy izany, dia Jehovah no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika; fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa mby amin'izay hanjo antsika.

10 Dia nataon'ny olona izany, ka naka ombivavy roa mitaiza izy, dia nafehiny tamin'ny sariety ireo, fa ny zanany narindriny tao an-trano.

11 Dia napetrany teo ambonin'ny sariety ny fiaran'i Jehovah sy ny vata kely ary ny totozy volamena sy ny sarin'ny vay.

12 Ary ny ombivavy nizotra mahitsy tamin'ny lalana mankany Beti-semesy, dia nandeha tamin'ny lalambe ka nimàmà teny am-pandehanana, ary tsy nania, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, ary ireo andrianan'ny Filistina nanaraka azy hatramin'ny fari-tanin'i Beti-semesy.

13 Ary ny Beti-semesita nijinja ny vary tritika teny an-dohasaha; ary nanopy ny masony izy ka nahita ny fiara, dia faly raha nahita izany.

 

14 Ary ny sariety tonga teo an-tanimbarin'i Josoa Beti-semesita, dia nijanona teo, ary nisy vato lehibe teo; dia namaky ny hazon'ny sariety ny olona ka nanatitra ny ombivavy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.

15 Ary ny Levita nampidina ny fiaran'i Jehovah sy ny vata kely izay teo aminy, dia ilay nitoeran'ny fanaka volamena, ka nametraka azy teo ambonin'ny vato lehibe; ary tamin'izany andro izany ny mponina tao Beti-semesy nanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'i Jehovah.

16 Ary raha hitan'ireo andriana dimy tamin'ny Filistina izany, dia niverina nankany Ekrona androtrizay ihany izy.

17 Ary izao no sary volamenan'ny vay naterin'ny Filistina ho fanati-panonerana ho an'i Jehovah: an'i Asdoda iray, an'i Gaza iray, an'i Askelona iray, an'i Gata iray, an'i Ekrona iray;

18 ary ny totozy volamena dia araka ny isan'ny tanàna rehetra an'ny Filistina, izay an'ireo andriana dimy, an'ny tanàna mimanda, na ny vohitra any ivelany, ka hatramin'ny vato lehibe izay nametrahany ny fiaran'i Jehovah; ary mbola any an-tanimbarin'i Josoa Beti-semesita mandraka androany izany.

19 Ary Jehovah namely ny mponina tao Beti-semesy noho ny nijerijeren'ireo ny fiarany, ka dia olona fito-polo amby dimy alina no maty; dia nisaona ny olona, satria nasian'i Jehovah, ka be dia be no maty.

20 Ary hoy ny mponina tao Beti-semesy: Iza no mahajanona eo anoloan'izao Jehovah Andriamanitra masina izao? Ary ho amin'iza no hiakarany, rehefa miala amintsika?

21 Dia naniraka olona nankany amin'ny mponina tao Kiriata-jearima izy hanao hoe: Efa naverin'ny Filistina ny fiaran'i Jehovah; koa midìna ianareo, dia ento miakatra ho any aminareo izy.

 

Chapitre 6

6:1 The ark of Yahweh was in the country of the Philistines seven months. 6:2 The Philistines called for the priests and the diviners, saying, “What shall we do with the ark of Yahweh? Show us with which we shall send it to its place.”

6:3 They said, “If you send away the ark of the God of Israel, don’t send it empty; but by all means return him a trespass offering: then you shall be healed, and it shall be known to you why his hand is not removed from you.”

6:4 Then they said, “What shall be the trespass offering which we shall return to him?”

They said, “Five golden tumors, and five golden mice, for the number of the lords of the Philistines; for one plague was on you all, and on your lords.

6:5 Therefore you shall make images of your tumors, and images of your mice that mar the land; and you shall give glory to the God of Israel: perhaps he will lighten his hand from off you, and from off your gods, and from off your land.

6:6 Why then do you harden your hearts, as the Egyptians and Pharaoh hardened their hearts? When he had worked wonderfully among them, didn’t they let the people go, and they departed?

6:7 “Now therefore take and prepare yourselves a new cart, and two milk cows, on which there has come no yoke; and tie the cows to the cart, and bring their calves home from them;

6:8 and take the ark of Yahweh, and lay it on the cart; and put the jewels of gold, which you return him for a trespass offering, in a coffer by its side; and send it away, that it may go.

6:9 Behold; if it goes up by the way of its own border to Beth Shemesh, then he has done us this great evil: but if not, then we shall know that it is not his hand that struck us; it was a chance that happened to us.”

6:10 The men did so, and took two milk cows, and tied them to the cart, and shut up their calves at home;

6:11 and they put the ark of Yahweh on the cart, and the coffer with the mice of gold and the images of their tumors.

6:12 The cows took the straight way by the way to Beth Shemesh; they went along the highway, lowing as they went, and didn’t turn aside to the right hand or to the left; and the lords of the Philistines went after them to the border of Beth Shemesh. 6:13 They of Beth Shemesh were reaping their wheat harvest in the valley; and they lifted up their eyes, and saw the ark, and rejoiced to see it.

6:14 The cart came into the field of Joshua of Beth Shemesh, and stood there, where there was a great stone: and they split the wood of the cart, and offered up the cows for a burnt offering to Yahweh. 6:15 The Levites took down the ark of Yahweh, and the coffer that was with it, in which the jewels of gold were, and put them on the great stone: and the men of Beth Shemesh offered burnt offerings and sacrificed sacrifices the same day to Yahweh.

6:16 When the five lords of the Philistines had seen it, they returned to Ekron the same day.

6:17 These are the golden tumors which the Philistines returned for a trespass offering to Yahweh: for Ashdod one, for Gaza one, for Ashkelon one, for Gath one, for Ekron one;

6:18 and the golden mice, according to the number of all the cities of the Philistines belonging to the five lords, both of fortified cities and of country villages, even to the great stone, whereon they set down the ark of Yahweh. That stone remains to this day in the field of Joshua of Beth Shemesh. 6:19 He struck of the men of Beth Shemesh, because they had looked into the ark of Yahweh, he struck of the people fifty thousand seventy men; and the people mourned, because Yahweh had struck the people with a great slaughter.

6:20 The men of Beth Shemesh said, “Who is able to stand before Yahweh, this holy God? To whom shall he go up from us?”

6:21 They sent messengers to the inhabitants of Kiriath Jearim, saying, “The Philistines have brought back the ark of Yahweh; come down, and bring it up to yourselves.”

 

 

Chapitre 6
1 L'arche de l'Éternel fut sept mois dans le pays des Philistins.

2 Et les Philistins appelèrent les prêtres et les devins, et ils dirent: Que ferons-nous de l'arche de l'Éternel? Faites-nous connaître de quelle manière nous devons la renvoyer en son lieu.

3 Ils répondirent: Si vous renvoyez l'arche du Dieu d'Israël, ne la renvoyez point à vide, mais faites à Dieu un sacrifice de culpabilité; alors vous guérirez, et vous saurez pourquoi sa main ne s'est pas retirée de dessus vous.

4 Les Philistins dirent: Quelle offrande lui ferons-nous? Ils répondirent: Cinq tumeurs d'or et cinq souris d'or, d'après le nombre des princes des Philistins, car une même plaie a été sur vous tous et sur vos princes.

5 Faites des figures de vos tumeurs et des figures de vos souris qui ravagent le pays, et donnez gloire au Dieu d'Israël: peut-être cessera-t-il d'appesantir sa main sur vous, sur vos dieux, et sur votre pays.

6 Pourquoi endurciriez-vous votre coeur, comme les Égyptiens et Pharaon ont endurci leur coeur? N'exerça-t-il pas ses châtiments sur eux, et ne laissèrent-ils pas alors partir les enfants d'Israël?

7 Maintenant, faites un char tout neuf, et prenez deux vaches qui allaitent et qui n'aient point porté le joug; attelez les vaches au char, et ramenez à la maison leurs petits qui sont derrière elles.

8 Vous prendrez l'arche de l'Éternel, et vous la mettrez sur le char; vous placerez à côté d'elle, dans un coffre, les objets d'or que vous donnez à l'Éternel en offrande pour le péché; puis vous la renverrez, et elle partira.

9 Suivez-la du regard: si elle monte par le chemin de sa frontière vers Beth-Schémesch, c'est l'Éternel qui nous a fait ce grand mal; sinon, nous saurons que ce n'est pas sa main qui nous a frappés, mais que cela nous est arrivé par hasard.

10 Ces gens firent ainsi. Ils prirent deux vaches qui allaitaient et les attelèrent au char, et ils enfermèrent les petits dans la maison.

11 Ils mirent sur le char l'arche de l'Éternel, et le coffre avec les souris d'or et les figures de leurs tumeurs.

12 Les vaches prirent directement le chemin de Beth-Schémesch; elles suivirent toujours la même route en mugissant, et elles ne se détournèrent, ni à droite ni à gauche. Les princes des Philistins allèrent derrière elles jusqu'à la frontière de Beth-Schémesch.

13 Les habitants de Beth-Schémesch moissonnaient les blés dans la vallée; ils levèrent les yeux, aperçurent l'arche, et se réjouirent en la voyant.

14 Le char arriva dans le champ de Josué de Beth-Schémesch, et s'y arrêta. Il y avait là une grande pierre. On fendit le bois du char, et l'on offrit les vaches en holocauste à l'Éternel.

15 Les Lévites descendirent l'arche de l'Éternel, et le coffre qui était à côté d'elle et qui contenait les objets d'or; et ils posèrent le tout sur la grande pierre. Les gens de Beth-Schémesch offrirent en ce jour des holocaustes et des sacrifices à l'Éternel. 16 Les cinq princes des Philistins, après avoir vu cela, retournèrent à Ékron le même jour.

17 Voici les tumeurs d'or que les Philistins donnèrent à l'Éternel en offrande pour le péché: une pour Asdod, une pour Gaza, une pour Askalon, une pour Gath, une pour Ékron.

18 Il y avait aussi des souris d'or selon le nombre de toutes les villes des Philistins, appartenant aux cinq chefs, tant des villes fortifiées que des villages sans murailles. C'est ce qu'atteste la grande pierre sur laquelle on déposa l'arche de l'Éternel, et qui est encore aujourd'hui dans le champ de Josué de Beth-Schémesch.

19 L'Éternel frappa les gens de Beth-Schémesch, lorsqu'ils regardèrent l'arche de l'Éternel; il frappa cinquante mille soixante-dix hommes parmi le peuple. Et le peuple fut dans la désolation, parce que l'Éternel l'avait frappé d'une grande plaie.

20 Les gens de Beth-Schémesch dirent: Qui peut subsister en présence de l'Éternel, de ce Dieu saint? Et vers qui l'arche doit-elle monter, en s'éloignant de nous?

21 Ils envoyèrent des messagers aux habitants de Kirjath-Jearim, pour leur dire: Les Philistins ont ramené l'arche de l'Éternel; descendez, et faites-la monter vers vous.