T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 31

1 [Ny nahafatesan'i Saoly sy ny zanany, ary ny nandevenana azy] Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.

2 Ary ny Filistina nanenjika mafy an'i Saoly sy ny zanany, ka matin'ny Filistina Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa, zanak'i Saoly.

3 Ary mafy ny ady tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra indrindra izy noho ny mpandefa tsipìka.

4 Ary hoy Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho, fandrao avy irery tsy mifora irery ka hotsatohany miboroaka aho, dia hataony ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain'i Saoly ny sabatra ka nianjerany.

5 Ary rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiany fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy ka niara-maty taminy.

6 Ka dia niara-maty androtrizay ihany Saoly sy ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fiadiany ary ny olony rehetra.

7 Ary nony hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely teny an-dafin'ny lohasaha sy teny an-dafin'i Jordana fa nandositra ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tao an-tanàna izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.

8 Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin'ny maty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ny zanany telo lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.

9 Ary notapahiny ny lohany, sady nalainy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny tanin'ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany ao amin'ny tranon'ny sampiny sy amin'ny olona.

10 Dia napetrany tao amin'ny tranon'i Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny nohomboany teo amin'ny màndan'i Beti-sana.

11 Ary nony ren'ny mponina tany Jabesi-gileada izay nataon'ny Filistina tamin'i Saoly,

12 dia niainga ny lehilahy mahery rehetra ka nandeha mandritra ny alina ary naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin'ny zanany teo amin'ny màndan'i Beti-sana; ary tonga tao Jabesy izy ka nandoro azy tao.

13 Ary nentiny ny taolany ka naleviny tao ambanin'ilay hazo tamariska tao Jabesy, ary dia nifady hanina hafitoana izy.

 

Chapitre 31

31:1 Now the Philistines fought against Israel: and the men of Israel fled from before the Philistines, and fell down slain on Mount Gilboa. 31:2 The Philistines followed hard on Saul and on his sons; and the Philistines killed Jonathan, and Abinadab, and Malchishua, the sons of Saul. 31:3 The battle went hard against Saul, and the archers overtook him; and he was greatly distressed by reason of the archers. 31:4 Then Saul said to his armor bearer, “Draw your sword, and thrust me through with it, lest these uncircumcised come and thrust me through, and abuse me!” But his armor bearer would not; for he was terrified. Therefore Saul took his sword, and fell on it. 31:5 When his armor bearer saw that Saul was dead, he likewise fell on his sword, and died with him. 31:6 So Saul died, and his three sons, and his armor bearer, and all his men, that same day together. 31:7 When the men of Israel who were on the other side of the valley, and those who were beyond the Jordan, saw that the men of Israel fled, and that Saul and his sons were dead, they forsook the cities, and fled; and the Philistines came and lived in them. 31:8 It happened on the next day, when the Philistines came to strip the slain, that they found Saul and his three sons fallen on Mount Gilboa. 31:9 They cut off his head, and stripped off his armor, and sent into the land of the Philistines all around, to carry the news to the house of their idols, and to the people. 31:10 They put his armor in the house of the Ashtaroth; and they fastened his body to the wall of Beth Shan. 31:11 When the inhabitants of Jabesh Gilead heard concerning him that which the Philistines had done to Saul, 31:12 all the valiant men arose, and went all night, and took the body of Saul and the bodies of his sons from the wall of Beth Shan; and they came to Jabesh, and burnt them there. 31:13 They took their bones, and buried them under the tamarisk tree in Jabesh, and fasted seven days.

 

Chapitre 31

1 Les Philistins livrèrent bataille à Israël, et les hommes d'Israël prirent la fuite devant les Philistins et tombèrent morts sur la montagne de Guilboa. 2 Les Philistins poursuivirent Saül et ses fils, et tuèrent Jonathan, Abinadab et Malkischua, fils de Saül. 3 L'effort du combat porta sur Saül; les archers l'atteignirent, et le blessèrent grièvement. 4 Saül dit alors à celui qui portait ses armes: Tire ton épée, et m'en transperce, de peur que ces incirconcis ne viennent me percer et me faire subir leurs outrages. Celui qui portait ses armes ne voulut pas, car il était saisi de crainte. Et Saül prit son épée, et se jeta dessus. 5 Celui qui portait les armes de Saül, le voyant mort, se jeta aussi sur son épée, et mourut avec lui. 6 Ainsi périrent en même temps, dans cette journée, Saül et ses trois fils, celui qui portait ses armes, et tous ses gens. 7 Ceux d'Israël qui étaient de ce côté de la vallée et de ce côté du Jourdain, ayant vu que les hommes d'Israël s'enfuyaient et que Saül et ses fils étaient morts, abandonnèrent leurs villes pour prendre aussi la fuite. Et les Philistins allèrent s'y établir. 8 Le lendemain, les Philistins vinrent pour dépouiller les morts, et ils trouvèrent Saül et ses trois fils tombés sur la montagne de Guilboa. 9 Ils coupèrent la tête de Saül, et enlevèrent ses armes. Puis ils firent annoncer ces bonnes nouvelles par tout le pays des Philistins dans les maisons de leurs idoles et parmi le peuple. 10 Ils mirent les armes de Saül dans la maison des Astartés, et ils attachèrent son cadavre sur les murs de Beth-Schan. 11 Lorsque les habitants de Jabès en Galaad apprirent comment les Philistins avaient traité Saül, 12 tous les vaillants hommes se levèrent, et, après avoir marché toute la nuit, ils arrachèrent des murs de Beth-Schan le cadavre de Saül et ceux de ses fils. Puis ils revinrent à Jabès, où ils les brûlèrent; 13 ils prirent leurs os, et les enterrèrent sous le tamarisc à Jabès. Et ils jeûnèrent sept jours.