| Chapitre 3 1 [Ny niantsoana an'i Samoela ho mpaminanin'Jehovah] Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely. Ary tamin'izany andro izany efa nahàlana ny tenin'i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra. 2 Ary tamin'izany andro izany, raha nandry tao amin'ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy), 3 sady tsy mbola maty ny jiron'Andriamanitra, ary Samoela efa nandry tao amin'ny tempolin'i Jehovah, izay nisy ny fiaran'Andriamanitra, 4 dia niantso an'i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho. 5 Dia nihazakazaka nankeo amin'i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy. 6 Ary Jehovah niantso azy indray hoe: Ry Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin'i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha mandry ihany. 7 Ary Samoela tsy mbola nahalala an'i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin'i Jehovah izy. 8 Ary Jehovah niantso an'i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin'i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr'i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza. 9 Ary hoy Ely tamin'i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia valio hoe: Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao amin'ny fandriany. 10 Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao. 11 Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin'ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa. 12 Amin'izany andro izany dia hotanterahiko amin'i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin'ny taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko. 13 Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an'ny tenany, nefa tsy nosakanany. 14 Koa izany no nianianako ny amin'ny taranak'i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay. 15 Ary nandry Samoela mandra-pahamarain'ny andro, dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah izy. Ary Samoela natahotra hilaza ny fahitana tamin'i Ely. 16 Fa Ely niantso an'i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho. 17 Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain'i Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy; hataon'Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao. 18 Dia nambaran'i Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony. 19 Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny. 20 Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin'i Jehovah tokoa Samoela. 21 Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin'i Samoela tao Silo Jehovah tamin'ny teniny.
| | Chapitre 3 3:1 The child Samuel ministered to Yahweh before Eli. The word of Yahweh was precious in those days; there was no frequent vision. 3:2 It happened at that time, when Eli was laid down in his place (now his eyes had begun to grow dim, so that he could not see), 3:3 and the lamp of God hadn’t yet gone out, and Samuel had laid down in Yahweh’s temple, where the ark of God was; 3:4 that Yahweh called Samuel; and he said, “Here I am.” 3:5 He ran to Eli, and said, “Here I am; for you called me.” He said, “I didn’t call; lie down again.” He went and lay down. 3:6 Yahweh called yet again, “Samuel!” Samuel arose and went to Eli, and said, “Here I am; for you called me.” He answered, “I didn’t call, my son; lie down again.” 3:7 Now Samuel didn’t yet know Yahweh, neither was the word of Yahweh yet revealed to him. 3:8 Yahweh called Samuel again the third time. He arose and went to Eli, and said, “Here I am; for you called me.” Eli perceived that Yahweh had called the child. 3:9 Therefore Eli said to Samuel, “Go, lie down: and it shall be, if he calls you, that you shall say, ‘Speak, Yahweh; for your servant hears.’” So Samuel went and lay down in his place. 3:10 Yahweh came, and stood, and called as at other times, “Samuel! Samuel!” Then Samuel said, “Speak; for your servant hears.” 3:11 Yahweh said to Samuel, “Behold, I will do a thing in Israel, at which both the ears of everyone who hears it shall tingle. 3:12 In that day I will perform against Eli all that I have spoken concerning his house, from the beginning even to the end. 3:13 For I have told him that I will judge his house forever, for the iniquity which he knew, because his sons brought a curse on themselves, and he didn’t restrain them. 3:14 Therefore I have sworn to the house of Eli, that the iniquity of Eli’s house shall not be removed with sacrifice nor offering forever.” 3:15 Samuel lay until the morning, and opened the doors of the house of Yahweh. Samuel feared to show Eli the vision. 3:16 Then Eli called Samuel, and said, “Samuel, my son!” He said, “Here I am.” 3:17 He said, “What is the thing that he has spoken to you? Please don’t hide it from me. God do so to you, and more also, if you hide anything from me of all the things that he spoke to you.” 3:18 Samuel told him every bit, and hid nothing from him. He said, “It is Yahweh. Let him do what seems good to him.” 3:19 Samuel grew, and Yahweh was with him, and let none of his words fall to the ground. 3:20 All Israel from Dan even to Beersheba knew that Samuel was established to be a prophet of Yahweh. 3:21 Yahweh appeared again in Shiloh; for Yahweh revealed himself to Samuel in Shiloh by the word of Yahweh.
| | Chapitre 3 1 Le jeune Samuel était au service de l'Éternel devant Éli. La parole de l'Éternel était rare en ce temps-là, les visions n'étaient pas fréquentes. 2 En ce même temps, Éli, qui commençait à avoir les yeux troubles et ne pouvait plus voir, était couché à sa place, 3 la lampe de Dieu n'était pas encore éteinte, et Samuel était couché dans le temple de l'Éternel, où était l'arche de Dieu. 4 Alors l'Éternel appela Samuel. Il répondit: Me voici! 5 Et il courut vers Éli, et dit: Me voici, car tu m'as appelé. Éli répondit: Je n'ai point appelé; retourne te coucher. Et il alla se coucher. 6 L'Éternel appela de nouveau Samuel. Et Samuel se leva, alla vers Éli, et dit: Me voici, car tu m'as appelé. Éli répondit: Je n'ai point appelé, mon fils, retourne te coucher. 7 Samuel ne connaissait pas encore l'Éternel, et la parole de l'Éternel ne lui avait pas encore été révélée. 8 L'Éternel appela de nouveau Samuel, pour la troisième fois. Et Samuel se leva, alla vers Éli, et dit: Me voici, car tu m'as appelé. Éli comprit que c'était l'Éternel qui appelait l'enfant, 9 et il dit à Samuel: Va, couche-toi; et si l'on t'appelle, tu diras: Parle, Éternel, car ton serviteur écoute. Et Samuel alla se coucher à sa place. 10 L'Éternel vint et se présenta, et il appela comme les autres fois: Samuel, Samuel! Et Samuel répondit: Parle, car ton serviteur écoute. 11 Alors l'Éternel dit à Samuel: Voici, je vais faire en Israël une chose qui étourdira les oreilles de quiconque l'entendra. 12 En ce jour j'accomplirai sur Éli tout ce que j'ai prononcé contre sa maison; je commencerai et j'achèverai. 13 Je lui ai déclaré que je veux punir sa maison à perpétuité, à cause du crime dont il a connaissance, et par lequel ses fils se sont rendus méprisables, sans qu'il les ait réprimés. 14 C'est pourquoi je jure à la maison d'Éli que jamais le crime de la maison d'Éli ne sera expié, ni par des sacrifices ni par des offrandes. 15 Samuel resta couché jusqu'au matin, puis il ouvrit les portes de la maison de l'Éternel. Samuel craignait de raconter la vision à Éli. 16 Mais Éli appela Samuel, et dit: Samuel, mon fils! Il répondit: Me voici! 17 Et Éli dit: Quelle est la parole que t'a adressée l'Éternel? Ne me cache rien. Que Dieu te traite dans toute sa rigueur, si tu me caches quelque chose de tout ce qu'il t'a dit! 18 Samuel lui raconta tout, sans lui rien cacher. Et Éli dit: C'est l'Éternel, qu'il fasse ce qui lui semblera bon! 19 Samuel grandissait. L'Éternel était avec lui, et il ne laissa tomber à terre aucune de ses paroles. 20 Tout Israël, depuis Dan jusqu'à Beer-Schéba, reconnut que Samuel était établi prophète de l'Éternel. 21 L'Éternel continuait à apparaître dans Silo; car l'Éternel se révélait à Samuel, dans Silo, par la parole de l'Éternel. | |