T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 25

1 [Ny nahafatesan'i Samoela, ary ny amin'i Nabala sy Abigaila] Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin'ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.

2 Ary nisy lehilahy tao Maona, ary tao Karmela ny fananany; mpanjatobe ralehilahy ka nanana ondry telo arivo sy osy arivo, ary nanety ny ondriny tao Karmela izy.

3 Nabala no anaran-dralehilahy; ary Abigaila no anaran'ny vavy; vehivavy hendry sady tsara tarehy izy; fa ny lahy kosa saro-po sy ratsy amin'izay ataony; ary isan'ny taranak'i Kaleba izy.

4 Ary ren'i Davida tany an-efitra fa Nabala manety ny ondriny.

5 Dia naniraka zatovo folo lahy Davida ka nanao taminy hoe: Miakara any Karmela ianareo, ary mankanesa any amin'i Nabala, ka miarahabà azy amin'ny anarako.

6 Ary izao no holazainareo aminy: trarantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin'ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin'izay anananao rehetra.

7 Ary ankehitriny efa reko fa manety ondry ianao; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, tsy nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin'ny andro rehetra nitoerany tao Karmela.

8 Anontanio ny zatovonao, fa hilaza aminao izy. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo (fa andro fifaliana no ihavianay); masìna ianao, mba omeo amin'izay azon'ny tananao ireto mpanomponao sy Davida zanakao.

9 Ary rehefa tonga ny zatovon'i Davida, dia niteny tamin'i Nabala tamin'ny anaran'i Davida araka izany teny rehetra Izany izy, ka dia nipetraka.

10 Fa Nabala namaly ny mpanompon'i Davida hoe: Inona moa Davida? Ary inona moa ny zanak'i Jese? Misy mpanompo maro ankehitriny izay milefa miala amin'ny tompony.

11 Koa halaiko va ny mofoko sy ny ranoko ary ny zavatra izay efa novonoiko ho an'ny mpanety ondriko, ka homeko izay olona tsy fantatro nihaviana akory?

12 Dia nihodina ny zatovon'i Davida ka nankany amin'izay nalehany; ary dia nody tany aminy indray izy ka nanambara izany teny rehetra izany taminy.

13 Ary hoy Davida tamin'ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin'ny fehin-tsabany avy ianareo; ka dia samy nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany avy ny olona, ary dia mba nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany koa Davida; ary nisy tokony ho efa-jato lahy niakatra nanaraka an'i Davida, ary roan-jato lahy kosa nipetraka teo amin'ny entana.

14 Ary Abigaila, vadin'i Nabala, dia nilazan'ny anankiray tamin'ny zatovony hoe: Indro, Davida naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka tamin'ireny izy.

15 Fa ireo lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very tamin'izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha izahay.

16 Izy no mandanay andro aman'alina tamin'ny andro rehetra nitoeranay niandry ondry tao aminy.

17 Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan'ny tompontsika mbamin'ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.

18 Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran'ny tavoara* roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin'ny vata** sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan'aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin'ny boriky izany.[*Na: siny hoditra][**Heb. sea]

19 Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany.

20 Ary tamin'izany, nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin'ny takon'ny havoana, dia indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy.

21 Ary Davida efa nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa novaliany ratsy ny soa nataoko.

22 Mba hataon'Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon'i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan'ny andro.

23 Ary Abigaila, raha nahita an'i Davida, dia niala faingana tamin'ny boriky ary niankohoka teo anatrehan'i Davida ka nitsaoka azy.

24 Dia niankohoka tamin'ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin'ny ankizivavinao.

25 Masìna ianao, aoka ny tompoko tsy hisaina io Nabala lehilahy tena ratsy fanahy io, fa araka ny anarany ihany no toeny; Nabala* no anarany, ary hadalana no ao aminy; fa izaho ankizivavinao, tompoko, tsy mba nahita ny zatovo nirahinao.[Nabala = Adala]

26 Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, ho tahaka an'i Nabala.

27 Ary izao saotra nentin'ny ankizivavinao aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo manaraka ny Tompoko.

28 Masìna ianao, mamelà ny fahadisoan'ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin'i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin'ny andro rehetra iainanao.

29 Nefa raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin'ny fehin'aina ao amin'i Jehovah Andriamanitra ny fanahin'ny tompoko, fa ny fanahin'ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin'ny foitran'antsamotady.

30 Ary amin'izany, raha Jehovah mahavita amin'ny tompoko araka ny soa rehetra nilazany anao ka manendry anao ho mpanapaka ny Isiraely,

31 dia tsy ho alahelo* na ho nenina* amin'ny fon'ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-drà foana ianao, na namaly ho an'ny tenanao, tompoko; fa rehefa asian'i Jehovah soa ny tompoko, dia mba tsarovy aho ankizivavinao.[Heb. fahatafintohinana]

32 Ary hoy Davida tamin'i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.

33 Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenako.

34 Kanefa, raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin'i Nabala ambara-pahazavan'ny andro.

35 Ka dia noraisin'i Davida teny an-tànany ilay zavatra nentiny, ary hoy izy taminy: Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao ianao; indro, efa nohenoiko ny feonao, ary nankasitrahako ianao.

36 Ary Abigaila dia tonga tao amin'i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka ny fanasan'ny mpanjaka, ary faly ny fon'i Nabala tamin'izany, ary mamo loatra izy, ka dia tsy nisy nambaran'ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan'ny andro.

37 Ary nony maraina, ka afaka ny hamamoan'i Nabala, dia nambaran'ny vavy taminy izany zavatra izany, ka dia matihena ny fony ka tonga tahaka ny vato.

38 Ary nony afaka hafoloana, dia nasian'i Jehovah Nabala, ka dia maty izy.

39 Ary nony ren'i Davida fa maty Nabala, dia hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka nahafa-tondromaso ahy tamin'i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka ny ratsy; fa ny ratsy nataon'i Nabala dia nampodin'i Jehovah ho eo an-dohany ihany. Ary Davida naniraka hiresaka amin'i Abigaila hila azy ho vady.

40 Ary nony tonga tany amin'i Abigaila teo Karmela ny mpanompon'i Davida, dia hoy izy: Davida naniraka anay hankatỳ aminao hila anao ho vadiny.

41 Dia nitsangana izy ary niankohoka tamin'ny tany ka nanao hoe: Indro, aoka ny ankizivavinao ho mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon'itompokolahy.

42 Ary Abigaila nitsangana faingana ka nitaingina boriky, ary ankizivaviny dimy no nanaraka azy; dia nanaraka ny irak'i Davida izy, ka dia novadiny.

43 Ary Davida efa nanambady an'i Ahinoama avy any Jezirela koa; ary samy novadiny avokoa izy roa vavy.

44 Fa Saoly efa nanome an'i Mikala, zananivavy, vadin'i Davida, ho vadin'i Palty, zanak'i Laisy, avy any Galima.

Chapitre 25

25:1 Samuel died; and all Israel gathered themselves together, and lamented him, and buried him in his house at Ramah. David arose, and went down to the wilderness of Paran. 25:2 There was a man in Maon, whose possessions were in Carmel; and the man was very great, and he had three thousand sheep, and a thousand goats: and he was shearing his sheep in Carmel. 25:3 Now the name of the man was Nabal; and the name of his wife Abigail; and the woman was of good understanding, and of a beautiful face: but the man was churlish and evil in his doings; and he was of the house of Caleb. 25:4 David heard in the wilderness that Nabal was shearing his sheep. 25:5 David sent ten young men, and David said to the young men, “Go up to Carmel, and go to Nabal, and greet him in my name. 25:6 You shall tell him, ‘Long life to you! Peace be to you, and peace be to your house, and peace be to all that you have. 25:7 Now I have heard that you have shearers. Your shepherds have now been with us, and we didn’t hurt them, neither was there anything missing from them, all the while they were in Carmel. 25:8 Ask your young men, and they will tell you. Therefore let the young men find favor in your eyes; for we come in a good day. Please give whatever comes to your hand, to your servants, and to your son David.’”

25:9 When David’s young men came, they spoke to Nabal according to all those words in the name of David, and ceased.

25:10 Nabal answered David’s servants, and said, “Who is David? Who is the son of Jesse? There are many servants who break away from their masters these days. 25:11 Shall I then take my bread, and my water, and my meat that I have killed for my shearers, and give it to men who I don’t know where they come from?”

25:12 So David’s young men turned on their way, and went back, and came and told him according to all these words. 25:13 David said to his men, “Every man put on his sword!”

Every man put on his sword. David also put on his sword. About four hundred men followed David; and two hundred stayed by the baggage. 25:14 But one of the young men told Abigail, Nabal’s wife, saying, “Behold, David sent messengers out of the wilderness to Greet our master; and he railed at them. 25:15 But the men were very good to us, and we were not hurt, neither missed we anything, as long as we went with them, when we were in the fields. 25:16 They were a wall to us both by night and by day, all the while we were with them keeping the sheep. 25:17 Now therefore know and consider what you will do; for evil is determined against our master, and against all his house; for he is such a worthless fellow that one can’t speak to him.”

25:18 Then Abigail hurried and took two hundred loaves of bread, two bottles of wine, five sheep ready dressed, five measures of parched grain, one hundred clusters of raisins, and two hundred cakes of figs, and laid them on donkeys. 25:19 She said to her young men, “Go on before me. Behold, I come after you.” But she didn’t tell her husband, Nabal. 25:20 It was so, as she rode on her donkey, and came down by the covert of the mountain, that behold, David and his men came down toward her; and she met them.

25:21 Now David had said, “Surely in vain have I kept all that this fellow has in the wilderness, so that nothing was missed of all that pertained to him. He has returned me evil for good. 25:22 God do so to the enemies of David, and more also, if I leave of all that belongs to him by the morning light so much as one who urinates on a wall.”

25:23 When Abigail saw David, she hurried, and alighted from her donkey, and fell before David on her face, and bowed herself to the ground. 25:24 She fell at his feet, and said, “On me, my lord, on me be the iniquity; and please let your handmaid speak in your ears. Hear the words of your handmaid. 25:25 Please don’t let my lord regard this worthless fellow, even Nabal; for as his name is, so is he. Nabal is his name, and folly is with him; but I, your handmaid, didn’t see the young men of my lord, whom you sent. 25:26 Now therefore, my lord, as Yahweh lives, and as your soul lives, since Yahweh has withheld you from blood guiltiness, and from avenging yourself with your own hand, now therefore let your enemies, and those who seek evil to my lord, be as Nabal. 25:27 Now this present which your servant has brought to my lord, let it be given to the young men who follow my lord. 25:28 Please forgive the trespass of your handmaid. For Yahweh will certainly make my lord a sure house, because my lord fights the battles of Yahweh; and evil shall not be found in you all your days. 25:29 Though men may rise up to pursue you, and to seek your soul, yet the soul of my lord shall be bound in the bundle of life with Yahweh your God. He will sling out the souls of your enemies, as from the hollow of a sling. 25:30 It shall come to pass, when Yahweh has done to my lord according to all the good that he has spoken concerning you, and shall have appointed you prince over Israel, 25:31 that this shall be no grief to you, nor offense of heart to my lord, either that you have shed blood without cause, or that my lord has avenged himself. When Yahweh has dealt well with my lord, then remember your handmaid.”

25:32 David said to Abigail, “Blessed is Yahweh, the God of Israel, who sent you this day to meet me! 25:33 Blessed is your discretion, and blessed are you, that have kept me this day from blood guiltiness, and from avenging myself with my own hand. 25:34 For indeed, as Yahweh, the God of Israel, lives, who has withheld me from hurting you, unless you had hurried and come to meet me, surely there wouldn’t have been left to Nabal by the morning light so much as one who urinates on a wall.”

25:35 So David received of her hand that which she had brought him: and he said to her, “Go up in peace to your house. Behold, I have listened to your voice, and have granted your request.”

25:36 Abigail came to Nabal; and behold, he held a feast in his house, like the feast of a king. Nabal’s heart was merry within him, for he was very drunken. Therefore she told him nothing, less or more, until the morning light. 25:37 It happened in the morning, when the wine was gone out of Nabal, that his wife told him these things, and his heart died within him, and he became as a stone. 25:38 It happened about ten days after, that Yahweh struck Nabal, so that he died. 25:39 When David heard that Nabal was dead, he said, “Blessed is Yahweh, who has pleaded the cause of my reproach from the hand of Nabal, and has kept back his servant from evil. Yahweh has returned the evildoing of Nabal on his own head.” David sent and spoke concerning Abigail, to take her to him as wife. 25:40 When the servants of David had come to Abigail to Carmel, they spoke to her, saying, “David has sent us to you, to take you to him as wife.”

25:41 She arose, and bowed herself with her face to the earth, and said, “Behold, your handmaid is a servant to wash the feet of the servants of my lord.” 25:42 Abigail hurried, and arose, and rode on a donkey, with five ladies of hers who followed her; and she went after the messengers of David, and became his wife. 25:43 David also took Ahinoam of Jezreel; and they both became his wives. 25:44 Now Saul had given Michal his daughter, David’s wife, to Palti the son of Laish, who was of Gallim.

Chapitre 25
1 Samuel mourut. Tout Israël s'étant assemblé le pleura, et on l'enterra dans sa demeure à Rama. Ce fut alors que David se leva et descendit au désert de Paran. 2 Il y avait à Maon un homme fort riche, possédant des biens à Carmel; il avait trois mille brebis et mille chèvres, et il se trouvait à Carmel pour la tonte de ses brebis. 3 Le nom de cet homme était Nabal, et sa femme s'appelait Abigaïl; c'était une femme de bon sens et belle de figure, mais l'homme était dur et méchant dans ses actions. Il descendait de Caleb. 4 David apprit au désert que Nabal tondait ses brebis. 5 Il envoya vers lui dix jeunes gens, auxquels il dit: Montez à Carmel, et allez auprès de Nabal. Vous le saluerez en mon nom, 6 et vous lui parlerez ainsi: Pour la vie sois en paix, et que la paix soit avec ta maison et tout ce qui t'appartient! 7 Et maintenant, j'ai appris que tu as les tondeurs. Or tes bergers ont été avec nous; nous ne leur avons fait aucun outrage, et rien ne leur a été enlevé pendant tout le temps qu'ils ont été à Carmel. 8 Demande-le à tes serviteurs, et ils te le diront. Que ces jeunes gens trouvent donc grâce à tes yeux, puisque nous venons dans un jour de joie. Donne donc, je te prie, à tes serviteurs et à ton fils David ce qui se trouvera sous ta main. 9 Lorsque les gens de David furent arrivés, ils répétèrent à Nabal toutes ces paroles, au nom de David. Puis ils se turent. 10 Nabal répondit aux serviteurs de David: Qui est David, et qui est le fils d'Isaï? Il y a aujourd'hui beaucoup de serviteurs qui s'échappent d'auprès de leurs maîtres. 11 Et je prendrais mon pain, mon eau, et mon bétail que j'ai tué pour mes tondeurs, et je les donnerais à des gens qui sont je ne sais d'où? 12 Les gens de David rebroussèrent chemin; ils s'en retournèrent, et redirent, à leur arrivée, toutes ces paroles à David. 13 Alors David dit à ses gens: Que chacun de vous ceigne son épée! Et ils ceignirent chacun leur épée. David aussi ceignit son épée, et environ quatre cents hommes montèrent à sa suite. Il en resta deux cents près des bagages. 14 Un des serviteurs de Nabal vint dire à Abigaïl, femme de Nabal: Voici, David a envoyé du désert des messagers pour saluer notre maître, qui les a rudoyés. 15 Et pourtant ces gens ont été très bons pour nous; ils ne nous ont fait aucun outrage, et rien ne nous a été enlevé, tout le temps que nous avons été avec eux lorsque nous étions dans les champs. 16 Ils nous ont nuit et jour servi de muraille, tout le temps que nous avons été avec eux, faisant paître les troupeaux. 17 Sache maintenant et vois ce que tu as à faire, car la perte de notre maître et de toute sa maison est résolue, et il est si méchant qu'on n'ose lui parler. 18 Abigaïl prit aussitôt deux cents pains, deux outres de vin, cinq pièces de bétail apprêtées, cinq mesures de grain rôti, cent masses de raisins secs, et deux cents de figues sèches. Elle les mit sur des ânes, 19 et elle dit à ses serviteurs: Passez devant moi, je vais vous suivre. Elle ne dit rien à Nabal, son mari. 20 Montée sur un âne, elle descendit la montagne par un chemin couvert; et voici, David et ses gens descendaient en face d'elle, en sorte qu'elle les rencontra. 21 David avait dit: C'est bien en vain que j'ai gardé tout ce que cet homme a dans le désert, et que rien n'a été enlevé de tout ce qu'il possède; il m'a rendu le mal pour le bien. 22 Que Dieu traite son serviteur David dans toute sa rigueur, si je laisse subsister jusqu'à la lumière du matin qui que ce soit de tout ce qui appartient à Nabal! 23 Lorsque Abigaïl aperçut David, elle descendit rapidement de l'âne, tomba sur sa face en présence de David, et se prosterna contre terre. 24 Puis, se jetant à ses pieds, elle dit: A moi la faute, mon seigneur! Permets à ta servante de parler à tes oreilles, et écoute les paroles de ta servante. 25 Que mon seigneur ne prenne pas garde à ce méchant homme, à Nabal, car il est comme son nom; Nabal est son nom, et il y a chez lui de la folie. Et moi, ta servante, je n'ai pas vu les gens que mon seigneur a envoyés. 26 Maintenant, mon seigneur, aussi vrai que l'Éternel est vivant et que ton âme est vivante, c'est l'Éternel qui t'a empêché de répandre le sang et qui a retenu ta main. Que tes ennemis, que ceux qui veulent du mal à mon seigneur soient comme Nabal! 27 Accepte ce présent que ta servante apporte à mon seigneur, et qu'il soit distribué aux gens qui marchent à la suite de mon seigneur. 28 Pardonne, je te prie, la faute de ta servante, car l'Éternel fera à mon seigneur une maison stable; pardonne, car mon seigneur soutient les guerres de l'Éternel, et la méchanceté ne se trouvera jamais en toi. 29 S'il s'élève quelqu'un qui te poursuive et qui en veuille à ta vie, l'âme de mon seigneur sera liée dans le faisceau des vivants auprès de l'Éternel, ton Dieu, et il lancera du creux de la fronde l'âme de tes ennemis. 30 Lorsque l'Éternel aura fait à mon seigneur tout le bien qu'il t'a annoncé, et qu'il t'aura établi chef sur Israël, 31 mon seigneur n'aura ni remords ni souffrance de coeur pour avoir répandu le sang inutilement et pour s'être vengé lui-même. Et lorsque l'Éternel aura fait du bien à mon seigneur, souviens-toi de ta servante. 32 David dit à Abigaïl: Béni soit l'Éternel, le Dieu d'Israël, qui t'a envoyée aujourd'hui à ma rencontre! 33 Béni soit ton bon sens, et bénie sois-tu, toi qui m'as empêché en ce jour de répandre le sang, et qui as retenu ma main! 34 Mais l'Éternel, le Dieu d'Israël, qui m'a empêché de te faire du mal, est vivant! si tu ne t'étais hâtée de venir au-devant de moi, il ne serait resté qui que ce soit à Nabal, d'ici à la lumière du matin. 35 Et David prit de la main d'Abigaïl ce qu'elle lui avait apporté, et lui dit: Monte en paix dans ta maison; vois, j'ai écouté ta voix, et je t'ai favorablement accueillie. 36 Abigaïl arriva auprès de Nabal. Et voici, il faisait dans sa maison un festin comme un festin de roi; il avait le coeur joyeux, et il était complètement dans l'ivresse. Elle ne lui dit aucune chose, petite ou grande, jusqu'à la lumière du matin. 37 Mais le matin, l'ivresse de Nabal s'étant dissipée, sa femme lui raconta ce qui s'était passé. Le coeur de Nabal reçut un coup mortel, et devint comme une pierre. 38 Environ dix jours après, l'Éternel frappa Nabal, et il mourut. 39 David apprit que Nabal était mort, et il dit: Béni soit l'Éternel, qui a défendu ma cause dans l'outrage que m'a fait Nabal, et qui a empêché son serviteur de faire le mal! L'Éternel a fait retomber la méchanceté de Nabal sur sa tête. David envoya proposer à Abigaïl de devenir sa femme. 40 Les serviteurs de David arrivèrent chez Abigaïl à Carmel, et lui parlèrent ainsi: David nous a envoyés vers toi, afin de te prendre pour sa femme. 41 Elle se leva, se prosterna le visage contre terre, et dit: Voici, ta servante sera une esclave pour laver les pieds des serviteurs de mon seigneur. 42 Et aussitôt Abigaïl partit, montée sur un âne, et accompagnée de cinq jeunes filles; elle suivit les messagers de David, et elle devint sa femme. 43 David avait aussi pris Achinoam de Jizreel, et toutes les deux furent ses femmes. 44 Et Saül avait donné sa fille Mical, femme de David, à Palthi de Gallim, fils de Laïsch.