| Chapitre 22 1 Niala teo Davida ka nandositra tany amin'ny zohin'i Odolama. Nony nandre izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nidina nankany aminy koa. 2 Ary niangona teo aminy avokoa ny nampahorina, ny ananan'olon-trosa, ny manan'alahelo, rehetra, ka tonga filohan'ireo izy, ary nisy sahabo ho efa-jato lahy no teo aminy. 3 Avy eo Davida dia nankany Masfà any Moaba, ka nanao tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe: Raha sitrakao, aoka homena malalaka hihataka aty aminao ny ray aman-dreniko, mandra-pahafantatro izay hanaovan' Andriamanitra ahy. 4 Dia nentiny ho eo anatrehan'ny mpanjakan'i Moaba izy ireo, ka nonina teo aminy, mandritra ny fotoana rehetra nipetrahan'i Davida tao amin'ny fitoerana mimanda. 5 Hoy ny mpaminany Gada tamin'i Davida hoe: Aza mitoetra amin'ny fitoerana mimanda hianao, fa mandehana miverina any amin'ny tanin'i Jodà. Dia lasa Davida nankany amin'ny ala Hareta. 6 Ren'i Saola fa hoe hita Davida sy ny olona niaraka taminy. Tamin'izay Saola hipetraka tao Gabaà, tambanin'ny tamariska teo an-kavoana, nitana lefona teny an-tànany; ary nilahatra nanodidina azy ny mpanompony rehetra. 7 Niteny tamin'ny mpanompony nilahatra teo anoloany Saola nanao hoe: Mihainoa, hianareo Benjamita: MOa ve ny zanak'Isa hanome anareo rehetra saha aman-tanim-boaloboka koa, hanao anareo rehetra ho tompon'arivo aman-tompon-jato, 8 no dia niray tetika hamely ahy hianareo rehetra, ka tsy mba nisy nilaza tamiko fa nanao fanekena tamin'ny zanak'Isa ny zanako, sady tsy nisy malahelo ahy amin'izany hianareo na nampandre ahy fa ny zanako nampiodina ny mpanompoko tamiko, hamelarany fandrika amiko, araka izao ataony ankehitriny izao? 9 Dia hoy Doega ilay Edomita lehiben'ny mpanompon'i Saola namaly azy: Hitako tonga tany Nobe, tao amin'i Akemeleka zanak'i Akitoba, ny zanak'i Isa. 10 Ary Akimeleka nanontany an'Iaveh ho azy, sy nanome vatsy azy, sady nanome azy ny sabatra'i Goliata Filistina. 11 Nampiantsoin'ny mpanjaka Akimeleka mpisorona, zanak'i Akitoba, mbamin'ny fianakavian-drainy rehetra dia ireo mpisorona tany Nobe. 12 Dia nankany amin'ny mpanjaka izy rehetra ireo, ka hoy Saola: Henoy, ry zanak'i Akitoba. Ary hoy ny navalin'io: Inty aho tompoko! 13 Hoy Saola taminy: Nahoana hianao sy ny zanak'Isa no niray tatika hamely ahy: Fa nanome mofo sy sabatra azy hianao, ary nanontany an'Andriamanitra ho azy mba hikomiany amiko sy hamelarany fandrika amiko toy izao ankehitriny izao? 14 Fa namaly ny mpanjaka, Akimeleka ka nanao hoe: Iza moa amin'ny mpanomponao rehetra no tahaka an'i Davida, mahatoky indrindra, vinanton'ny mpanjaka, mpanolo-tsaina anao, sady manan-kaja ao an-tranonao? 15 Ary moa vao androany va aho no nanomboka nanontany an'Andriamanitra ho azy? Sanatria ahy izany! Ka aoka re ny mpanjaka tsy hanadidy ny mpanompony, amin'izao zavatra mety hahatratra ny ankohonan'ikaky rehetra izao, fa tsy mahalala kely na be amin'izany velively akory ny mpanomponao. 16 Hoy ny mpanjaka: Hovonoina hianao, ry Akimeleka, dia hianao sy ny ankohonan-drainao rehetra! 17 Dia hoy ny mpanjaka tamin'ireo miaramila mpanotrona azy nitsangana teo akaikiny: Mihodìna ka vonoy ny mpisoron'Iaveh! fa momba an'i Davida ny tànan'ireo; nahalala azy ho mandositra ireo, nefa tsy nilaza izany tamiko akory. Tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron'Iaveh anefa ny mpanompon'ny mpanjaka. 18 Ka hoy ny mpanjaka tamin'i Doega: Mihodìna, hianao ka vonoy ny mpisorona! Dia nihodina Doega ilay Edomita ka izy no namono ny mpisorona, ary olona valopolo lahy samy manao efoda rongony no matiny tamin'izay andro izay. 19 Nasian'i Saola tamin'ny lelan-tsabatra koa Nobe, tanànam-pisorona, ka matin'ny sabatra avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika na zaza minono, na omby na ampondra na ondry. 20 Anankiray ihany tamin'ny zanak'i Akimeleka zanak'i Akitoba no afa-nandositra; Abiatara no anarany, ary nandositra tany amin'i Davida izy. 21 Nambaran'i Abiatara tamin'i Davida ny namonoan'i Saola ny mpisoron'Iaveh. 22 Ka hoy Davida tamin'i Abiatara: Efa fantatro androtr'izay ihany fa Doega Edomita izay tao tamin'izay dia tsy maintsy hilaza amin'i Saola. Koa izaho no antony namonoana ny fianakavian-drainao rehetra. 23 Mijanòna aty amiko, ary aza matahotra, fa izay mitady ny aiko mitady ny ainao koa, ka ho tsara ambina hianao eto anilako.
| | Chapitre 22 22:1 David therefore departed there, and escaped to the cave of Adullam. When his brothers and all his father’s house heard it, they went down there to him. 22:2 Everyone who was in distress, and everyone who was in debt, and everyone who was discontented, gathered themselves to him; and he became captain over them: and there were with him about four hundred men. 22:3 David went there to Mizpeh of Moab, and he said to the king of Moab, “Please let my father and my mother come out with you, until I know what God will do for me.” 22:4 He brought them before the king of Moab; and they lived with him all the while that David was in the stronghold. 22:5 The prophet Gad said to David, “Don’t stay in the stronghold. Depart, and go into the land of Judah.” Then David departed, and came into the forest of Hereth. 22:6 Saul heard that David was discovered, and the men who were with him. Now Saul was sitting in Gibeah, under the tamarisk tree in Ramah, with his spear in his hand, and all his servants were standing about him. 22:7 Saul said to his servants who stood about him, “Hear now, you Benjamites! Will the son of Jesse give everyone of you fields and vineyards, will he make you all captains of thousands and captains of hundreds, 22:8 that all of you have conspired against me, and there is none who discloses to me when my son makes a treaty with the son of Jesse, and there is none of you who is sorry for me, or discloses to me that my son has stirred up my servant against me, to lie in wait, as at this day?” 22:9 Then Doeg the Edomite, who stood by the servants of Saul, answered and said, “I saw the son of Jesse coming to Nob, to Ahimelech the son of Ahitub. 22:10 He inquired of Yahweh for him, gave him food, and gave him the sword of Goliath the Philistine.” 22:11 Then the king sent to call Ahimelech the priest, the son of Ahitub, and all his father’s house, the priests who were in Nob: and they came all of them to the king. 22:12 Saul said, “Hear now, you son of Ahitub.” He answered, “Here I am, my lord.” 22:13 Saul said to him, “Why have you conspired against me, you and the son of Jesse, in that you have given him bread, and a sword, and have inquired of God for him, that he should rise against me, to lie in wait, as at this day?” 22:14 Then Ahimelech answered the king, and said, “Who among all your servants is so faithful as David, who is the king’s son-in-law, and is taken into your council, and is honorable in your house? 22:15 Have I today begun to inquire of God for him? Be it far from me! Don’t let the king impute anything to his servant, nor to all the house of my father; for your servant knows nothing of all this, less or more.” 22:16 The king said, “You shall surely die, Ahimelech, you, and all your father’s house.” 22:17 The king said to the guard who stood about him, “Turn, and kill the priests of Yahweh; because their hand also is with David, and because they knew that he fled, and didn’t disclose it to me.” But the servants of the king wouldn’t put forth their hand to fall on the priests of Yahweh. 22:18 The king said to Doeg, “Turn and attack the priests!” Doeg the Edomite turned, and he attacked the priests, and he killed on that day eighty-five people who wore a linen ephod. 22:19 He struck Nob, the city of the priests, with the edge of the sword, both men and women, children and nursing babies, and cattle and donkeys and sheep, with the edge of the sword. 22:20 One of the sons of Ahimelech, the son of Ahitub, named Abiathar, escaped, and fled after David. 22:21 Abiathar told David that Saul had slain Yahweh’s priests. 22:22 David said to Abiathar, “I knew on that day, when Doeg the Edomite was there, that he would surely tell Saul. I am responsible for the death of all the persons of your father’s house. 22:23 Stay with me, don’t be afraid; for he who seeks my life seeks your life. For with me you shall be in safeguard.” | | Chapitre 22 1 David partit de là, et se sauva dans la caverne d'Adullam. Ses frères et toute la maison de son père l'apprirent, et ils descendirent vers lui. 2 Tous ceux qui se trouvaient dans la détresse, qui avaient des créanciers, ou qui étaient mécontents, se rassemblèrent auprès de lui, et il devint leur chef. Ainsi se joignirent à lui environ quatre cents hommes. 3 De là David s'en alla à Mitspé dans le pays de Moab. Il dit au roi de Moab: Permets, je te prie, à mon père et à ma mère de se retirer chez vous, jusqu'à ce que je sache ce que Dieu fera de moi. 4 Et il les conduisit devant le roi de Moab, et ils demeurèrent avec lui tout le temps que David fut dans la forteresse. 5 Le prophète Gad dit à David: Ne reste pas dans la forteresse, va-t'en, et entre dans le pays de Juda. Et David s'en alla, et parvint à la forêt de Héreth. 6 Saül apprit que l'on avait des renseignements sur David et sur ses gens. Saül était assis sous le tamarisc, à Guibea, sur la hauteur; il avait sa lance à la main, et tous ses serviteurs se tenaient près de lui. 7 Et Saül dit à ses serviteurs qui se tenaient près de lui: Écoutez, Benjamites! Le fils d'Isaï vous donnera-t-il à tous des champs et des vignes? Fera-t-il de vous tous des chefs de mille et des chefs de cent? 8 Sinon, pourquoi avez-vous tous conspiré contre moi, et n'y a-t-il personne qui m'informe de l'alliance de mon fils avec le fils d'Isaï? Pourquoi n'y a-t-il personne de vous qui souffre à mon sujet, et qui m'avertisse que mon fils a soulevé mon serviteur contre moi, afin qu'il me dressât des embûches, comme il le fait aujourd'hui? 9 Doëg, l'Édomite, qui se trouvait aussi parmi les serviteurs de Saül, répondit: J'ai vu le fils d'Isaï venir à Nob, auprès d'Achimélec, fils d'Achithub. 10 Achimélec a consulté pour lui l'Éternel, il lui a donné des vivres et lui a remis l'épée de Goliath, le Philistin. 11 Le roi envoya chercher Achimélec, fils d'Achithub, le sacrificateur, et toute la maison de son père, les sacrificateurs qui étaient à Nob. Ils se rendirent tous vers le roi. 12 Saül dit: Écoute, fils d'Achithub! Il répondit: Me voici, mon seigneur! 13 Saül lui dit: Pourquoi avez-vous conspiré contre moi, toi et le fils d'Isaï? Pourquoi lui as-tu donné du pain et une épée, et as-tu consulté Dieu pour lui, afin qu'il s'élevât contre moi et me dressât des embûches, comme il le fait aujourd'hui? 14 Achimélec répondit au roi: Lequel d'entre tous tes serviteurs peut être comparé au fidèle David, gendre du roi, dévoué à ses ordres, et honoré dans ta maison? 15 Est-ce aujourd'hui que j'ai commencé à consulter Dieu pour lui? Loin de moi! Que le roi ne mette rien à la charge de son serviteur ni de personne de la maison de mon père, car ton serviteur ne connaît de tout ceci aucune chose, petite ou grande. 16 Le roi dit: Tu mourras, Achimélec, toi et toute la maison de ton père. 17 Et le roi dit aux coureurs qui se tenaient près de lui: Tournez-vous, et mettez à mort les sacrificateurs de l'Éternel; car ils sont d'accord avec David, ils ont bien su qu'il s'enfuyait, et ils ne m'ont point averti. Mais les serviteurs du roi ne voulurent pas avancer la main pour frapper les sacrificateurs de l'Éternel. 18 Alors le roi dit à Doëg: Tourne-toi, et frappe les sacrificateurs. Et Doëg, l'Édomite, se tourna, et ce fut lui qui frappa les sacrificateurs; il fit mourir en ce jour quatre-vingt-cinq hommes portant l'éphod de lin. 19 Saül frappa encore du tranchant de l'épée Nob, ville sacerdotale; hommes et femmes, enfants et nourrissons, boeufs, ânes, et brebis, tombèrent sous le tranchant de l'épée. 20 Un fils d'Achimélec, fils d'Achithub, échappa. Son nom était Abiathar. Il s'enfuit auprès de David, 21 et lui rapporta que Saül avait tué les sacrificateurs de l'Éternel. 22 David dit à Abiathar: J'ai bien pensé ce jour même que Doëg, l'Édomite, se trouvant là, ne manquerait pas d'informer Saül. C'est moi qui suis cause de la mort de toutes les personnes de la maison de ton père. 23 Reste avec moi, ne crains rien, car celui qui cherche ma vie cherche la tienne; près de moi tu seras bien gardé. | |