T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 20

1 [Ny faran'ny nitadiavan'i Jonatana hampihavana an-drainy amin'i Davida] Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan'i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy?

2 Ary hoy izy taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty ianao; indro, tsy misy tsy ambaran'ikaky ahy izay ataony na be na kely, ary hataon'ikaky ahoana no fanafina izany zavatra izany amiko? Tsy misy izany.

3 Ary Davida mbola nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr'i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana.

4 Dia hoy Jonatana tamin'i Davida: Na inona na inona no angatahinao, dia hatàoko aminao izany.

5 Ary hoy Davida tamin'i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony hiara-mipetraka hihinana amin'ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-pihavin'ny afaka ampitso harivariva.

6 Koa raha hitan'ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba hikaretsaka kely hankany Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanao amin'izy mianakavy rehetra isan-taona any.

7 Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an'ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy.

8 Koa mamindrà fo amin'ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken'i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin'ny rainao aho?

9 Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan'ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany.

10 Dia hoy Davida tamin'i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay teny sarotra havalin-drainao anao*? [Na: Iza anefa no hanambara amiko, raha tahìny mamaly sarotra anao rainao]

11 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Andeha ary isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy.

12 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an'i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao,

13 dia hataon'i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain'ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin'ny raiko anie Jehovah.

14 Ary raha mbola velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran'i Jehovah mba tsy hahafaty ahy?

15 Ary tsy hesorinao amin'ny taranako koa ny famindram-ponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay handringanan'i Jehovah ny fahavalon'i Davida rehetra tsy ho etỳ ambonin'ny tany.

16 Ary dia nanao fanekena Jonatana ny amin'ny taranak'i Davida hoe: Jehovah no hamaly ny fahavalon'i Davida.

17 Ary Jonatana nampianiana an'i Davida indray noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany izy.

18 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Rahampitso ho tsinam-bolana; ary ho hita fa tsy eo ianao, fa ho foana ny fipetrahanao.

19 Koa rehefa mby amin'ny andro fahatelo dia midìna faingana ianao, ary tongava ao amin'ilay nierenao tamin'ny andro nitrangan'ilay raharaha iny*, ka mitoera ao anilan'ny vato Ezela.[Izahao xix. 2, 3]

20 Ary izaho handefa zana-tsipìka telo eo anilany, toy ny mikendry marika.

21 Dia haniraka ny zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko mihitsy amin'ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento etỳ, dia avia ianao, fa hipetraka amin'ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha velona koa Jehovah.

22 Fa raha hoy kosa aho amin'ilay zazalahy: Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana ianao, fa Jehovah no nampandeha anao.

23 Ary ny amin'ilay noresahintsika, dia izaho sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao mandrakizay.

24 Ary Davida niery tany an-tsaha. Koa nony tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana

25 teo amin'ny fipetrahany tahaka ny isanandro ihany ny mpanjaka, dia teo amin'ny fipetrahana teo anilan'ny rindrina, koa Jonatana nitsangana, fa Abnera nipetraka teo anilan'i Saoly; ary foana kosa ny fipetrahan'i Davida.

26 Nefa Saoly tsy niteny na inona na inona tamin'izany andro izany; fa nataony ho nisy zavatra nanjo azy, ka tsy madio izy, eny, tsy madio izy.

27 Ary nony tamin'ny andro faharoa dia ny ampitson'ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan'i Davida, dia hoy Saoly tamin'i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba nahatongavan'ny zanak'i Jese hihinana omaly sy androany?

28 Ary Jonatana namaly an'i Saoly hoe: Davida niera fatratra tamiko hankany Betlehema

29 nanao hoe: Masìna ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna, ka asain'ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba nahatongavany teto amin'ny latabatry ny mpanjaka.

30 Dia nirehitra tamin'i Jonatana ny fahatezeran'i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak'i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon*'ny reninao.[Heb. fitanjahan']

31 Fa raha mbola velona etỳ ambonin'ny tany koa iny zanak'i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatỳ amiko, fa meloka tokony ho faty izy.

32 Ary Jonatana namaly an'i Saoly rainy ka nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona no nataony?

33 Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr'i Jonatana fa nofofoin'ny rainy hovonoina Davida.

34 Dia nitsangana niala teo amin'ny latabatra Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany, ka tsy nihinan-kanina izy tamin'ny ampitson'ny tsinam-bolana; fa nalahelo an'i Davida izy, satria nomen-drainy henatra.

35 Ary nony maraina, dia nivoaka nankany an-tsaha Jonatana tamin'ilay fotoana nataony tamin'i Davida, ary nisy zazalahy kely nanaraka azy.

36 Ary hoy Jonatana taminy: Mihazakazaha, ka izahao ny zana-tsipìka alefako. Ary nony nihazakazaka ilay zazalahy, dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka.

37 Ary nony efa tonga teo amin'ilay nipetrahan'ny zana-tsipìka nalefan'i Jonatana ilay zazalahy, dia nantsoin'i Jonatana izy hoe: Tsy ireo alohanao ireo va ny zana-tsipìka?

38 Ary Jonatana niantso ilay zazalahy hoe: Haingàna dia haingàna, ka aza mijanonjanona. Ary ny zazalahin'i Jonatana nanangona ny zana-tsipìka, dia nankeo amin'ny tompony.

39 Nefa ilay zazalahy tsy nahalala na inona na inona; fa Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny anton'izany.

40 Dia nomen'i Jonatana ilay zazalahy ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Mandehana, ka ento ho any an-tanàna ireto.

41 Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin'ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an'i Davida dia mafy loatra.

42 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin'ny anaran'i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin'ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.

 

Chapitre 20

20:1 David fled from Naioth in Ramah, and came and said before Jonathan, “What have I done? What is my iniquity? What is my sin before your father, that he seeks my life?”

20:2 He said to him, “Far from it; you shall not die. Behold, my father does nothing either great or small, but that he discloses it to me; and why should my father hide this thing from me? It is not so.”

20:3 David swore moreover, and said, “Your father knows well that I have found favor in your eyes; and he says, ‘Don’t let Jonathan know this, lest he be grieved:’ but truly as Yahweh lives, and as your soul lives, there is but a step between me and death.”

20:4 Then Jonathan said to David, “Whatever your soul desires, I will even do it for you.”

20:5 David said to Jonathan, “Behold, tomorrow is the new moon, and I should not fail to dine with the king; but let me go, that I may hide myself in the field to the third day at evening. 20:6 If your father miss me at all, then say, ‘David earnestly asked leave of me that he might run to Bethlehem his city; for it is the yearly sacrifice there for all the family.’ 20:7 If he says, ‘It is well;’ your servant shall have peace: but if he be angry, then know that evil is determined by him. 20:8 Therefore deal kindly with your servant; for you have brought your servant into a covenant of Yahweh with you: but if there is iniquity in me, kill me yourself; for why should you bring me to your father?”

20:9 Jonathan said, “Far be it from you; for if I should at all know that evil were determined by my father to come on you, then wouldn’t I tell you that?”

20:10 Then David said to Jonathan, “Who shall tell me if perchance your father answers you roughly?”

20:11 Jonathan said to David, “Come, and let us go out into the field.” They both went out into the field. 20:12 Jonathan said to David, “By Yahweh, the God of Israel, when I have sounded my father about this time tomorrow, or the third day, behold, if there is good toward David, shall I not then send to you, and disclose it to you? 20:13 Yahweh do so to Jonathan, and more also, should it please my father to do you evil, if I don’t disclose it to you, and send you away, that you may go in peace: and Yahweh be with you, as he has been with my father. 20:14 You shall not only while yet I live show me the loving kindness of Yahweh, that I not die; 20:15 but also you shall not cut off your kindness from my house forever; no, not when Yahweh has cut off the enemies of David everyone from the surface of the earth.” 20:16 So Jonathan made a covenant with the house of David, saying, “Yahweh will require it at the hand of David’s enemies.” 20:17 Jonathan caused David to swear again, for the love that he had to him; for he loved him as he loved his own soul. 20:18 Then Jonathan said to him, “Tomorrow is the new moon: and you will be missed, because your seat will be empty. 20:19 When you have stayed three days, you shall go down quickly, and come to the place where you hid yourself when this started, and shall remain by the stone Ezel. 20:20 I will shoot three arrows on its side, as though I shot at a mark. 20:21 Behold, I will send the boy, saying, ‘Go, find the arrows!’ If I tell the boy, ‘Behold, the arrows are on this side of you. Take them;’ then come; for there is peace to you and no hurt, as Yahweh lives. 20:22 But if I say this to the boy, ‘Behold, the arrows are beyond you;’ then go your way; for Yahweh has sent you away. 20:23 Concerning the matter which you and I have spoken of, behold, Yahweh is between you and me forever.”

20:24 So David hid himself in the field: and when the new moon had come, the king sat him down to eat food. 20:25 The king sat on his seat, as at other times, even on the seat by the wall; and Jonathan stood up, and Abner sat by Saul’s side: but David’s place was empty. 20:26 Nevertheless Saul didn’t say anything that day: for he thought, “Something has happened to him. He is not clean. Surely he is not clean.”

20:27 It happened on the next day after the new moon, the second day, that David’s place was empty. Saul said to Jonathan his son, “Why doesn’t the son of Jesse come to eat, neither yesterday, nor today?”

20:28 Jonathan answered Saul, “David earnestly asked leave of me to go to Bethlehem. 20:29 He said, ‘Please let me go, for our family has a sacrifice in the city. My brother has commanded me to be there. Now, if I have found favor in your eyes, please let me go away and see my brothers.’ Therefore he has not come to the king’s table.”

20:30 Then Saul’s anger was kindled against Jonathan, and he said to him, “You son of a perverse rebellious woman, don’t I know that you have chosen the son of Jesse to your own shame, and to the shame of your mother’s nakedness? 20:31 For as long as the son of Jesse lives on the earth, you shall not be established, nor your kingdom. Therefore now send and bring him to me, for he shall surely die!”

20:32 Jonathan answered Saul his father, and said to him, “Why should he be put to death? What has he done?”

20:33 Saul cast his spear at him to strike him. By this Jonathan knew that his father was determined to put David to death. 20:34 So Jonathan arose from the table in fierce anger, and ate no food the second day of the month; for he was grieved for David, because his father had done him shame. 20:35 It happened in the morning, that Jonathan went out into the field at the time appointed with David, and a little boy with him. 20:36 He said to his boy, “Run, find now the arrows which I shoot.” As the boy ran, he shot an arrow beyond him. 20:37 When the boy had come to the place of the arrow which Jonathan had shot, Jonathan cried after the boy, and said, “Isn’t the arrow beyond you?” 20:38 Jonathan cried after the boy, “Go fast! Hurry! Don’t delay!” Jonathan’s boy gathered up the arrows, and came to his master. 20:39 But the boy didn’t know anything. Only Jonathan and David knew the matter. 20:40 Jonathan gave his weapons to his boy, and said to him, “Go, carry them to the city.”

20:41 As soon as the boy was gone, David arose out of the south, and fell on his face to the ground, and bowed himself three times. They kissed one another, and wept one with another, and David wept the most. 20:42 Jonathan said to David, “Go in peace, because we have both sworn in the name of Yahweh, saying, ‘Yahweh shall be between me and you, and between my seed and your seed, forever.’” He arose and departed; and Jonathan went into the city.

 

Chapitre 20
1 David s'enfuit de Najoth, près de Rama. Il alla trouver Jonathan, et dit: Qu'ai-je fait? quel est mon crime, quel est mon péché aux yeux de ton père, pour qu'il en veuille à ma vie? 2 Jonathan lui répondit: Loin de là! tu ne mourras point. Mon père ne fait aucune chose, grande ou petite, sans m'en informer; pourquoi donc mon père me cacherait-il celle-là? Il n'en est rien. 3 David dit encore, en jurant: Ton père sait bien que j'ai trouvé grâce à tes yeux, et il aura dit: Que Jonathan ne le sache pas; cela lui ferait de la peine. Mais l'Éternel est vivant et ton âme est vivante! il n'y a qu'un pas entre moi et la mort. 4 Jonathan dit à David: Je ferai pour toi ce que tu voudras. 5 Et David lui répondit: Voici, c'est demain la nouvelle lune, et je devrais m'asseoir avec le roi pour manger; laisse-moi aller, et je me cacherai dans les champs jusqu'au soir du troisième jour. 6 Si ton père remarque mon absence, tu diras: David m'a prié de lui laisser faire une course à Bethléhem, sa ville, parce qu'il y a pour toute la famille un sacrifice annuel. 7 Et s'il dit: C'est bien! ton serviteur alors n'a rien à craindre; mais si la colère s'empare de lui, sache que le mal est résolu de sa part. 8 Montre donc ton affection pour ton serviteur, puisque tu as fait avec ton serviteur une alliance devant l'Éternel. Et, s'il y a quelque crime en moi, ôte-moi la vie toi-même, car pourquoi me mènerais-tu jusqu'à ton père? 9 Jonathan lui dit: Loin de toi la pensée que je ne t'informerai pas, si j'apprends que le mal est résolu de la part de mon père et menace de t'atteindre! 10 David dit à Jonathan: Qui m'informera dans le cas où ton père te répondrait durement? 11 Et Jonathan dit à David: Viens, sortons dans les champs. Et ils sortirent tous deux dans les champs. 12 Jonathan dit à David: Je prends à témoin l'Éternel, le Dieu d'Israël! Je sonderai mon père demain ou après-demain; et, dans le cas où il serait bien disposé pour David, si je n'envoie vers toi personne pour t'en informer, 13 que l'Éternel traite Jonathan dans toute sa rigueur! Dans le cas où mon père trouverait bon de te faire du mal, je t'informerai aussi et je te laisserai partir, afin que tu t'en ailles en paix; et que l'Éternel soit avec toi, comme il a été avec mon père! 14 Si je dois vivre encore, veuille user envers moi de la bonté de l'Éternel; (20:15) et si je meurs, 15 ne retire jamais ta bonté envers ma maison, pas même lorsque l'Éternel retranchera chacun des ennemis de David de dessus la face de la terre. 16 Car Jonathan a fait alliance avec la maison de David. Que l'Éternel tire vengeance des ennemis de David! 17 Jonathan protesta encore auprès de David de son affection pour lui, car il l'aimait comme son âme. 18 Jonathan lui dit: C'est demain la nouvelle lune; on remarquera ton absence, car ta place sera vide. 19 Tu descendras le troisième jour jusqu'au fond du lieu où tu t'étais caché le jour de l'affaire, et tu resteras près de la pierre d'Ézel. 20 Je tirerai trois flèches du côté de la pierre, comme si je visais un but. 21 Et voici, j'enverrai un jeune homme, et je lui dirai: Va, trouve les flèches. Si je lui dis: Voici, les flèches sont en deçà de toi, prends-les! alors viens, car il y a paix pour toi, et tu n'as rien à craindre, l'Éternel est vivant! 22 Mais si je dis au jeune homme: Voici, les flèches sont au delà de toi! alors va-t-en, car l'Éternel te renvoie. 23 L'Éternel est à jamais témoin de la parole que nous nous sommes donnée l'un à l'autre. 24 David se cacha dans les champs. C'était la nouvelle lune, et le roi prit place au festin pour manger. 25 Le roi s'assit comme à l'ordinaire sur son siège contre la paroi, Jonathan se leva, et Abner s'assit à côté de Saül; mais la place de David resta vide. 26 Saül ne dit rien ce jour-là; car, pensa-t-il, c'est par hasard, il n'est pas pur, certainement il n'est pas pur. 27 Le lendemain, second jour de la nouvelle lune, la place de David était encore vide. Et Saül dit à Jonathan, son fils: Pourquoi le fils d'Isaï n'a-t-il paru au repas ni hier ni aujourd'hui? 28 Jonathan répondit à Saül: David m'a demandé la permission d'aller à Bethléhem. 29 Il a dit: Laisse-moi aller, je te prie, car nous avons dans la ville un sacrifice de famille, et mon frère me l'a fait savoir; si donc j'ai trouvé grâce à tes yeux, permets que j'aille en hâte voir mes frères. C'est pour cela qu'il n'est point venu à la table du roi. 30 Alors la colère de Saül s'enflamma contre Jonathan, et il lui dit: Fils pervers et rebelle, ne sais je pas que tu as pour ami le fils d'Isaï, à ta honte et à la honte de ta mère? 31 Car aussi longtemps que le fils d'Isaï sera vivant sur la terre, il n'y aura point de sécurité ni pour toi ni pour ta royauté. Et maintenant, envoie-le chercher, et qu'on me l'amène, car il est digne de mort. 32 Jonathan répondit à Saül, son père, et lui dit: Pourquoi le ferait-on mourir? Qu'a-t-il fait? 33 Et Saül dirigea sa lance contre lui, pour le frapper. Jonathan comprit que c'était chose résolue chez son père que de faire mourir David. 34 Il se leva de table dans une ardente colère, et ne participa point au repas le second jour de la nouvelle lune; car il était affligé à cause de David, parce que son père l'avait outragé. 35 Le lendemain matin, Jonathan alla dans les champs au lieu convenu avec David, et il était accompagné d'un petit garçon. 36 Il lui dit: Cours, trouve les flèches que je vais tirer. Le garçon courut, et Jonathan tira une flèche qui le dépassa. 37 Lorsqu'il arriva au lieu où était la flèche que Jonathan avait tirée, Jonathan cria derrière lui: La flèche n'est-elle pas plus loin que toi? 38 Il lui cria encore: Vite, hâte-toi, ne t'arrête pas! Et le garçon de Jonathan ramassa les flèches et revint vers son maître. 39 Le garçon ne savait rien; Jonathan et David seuls comprenaient la chose. 40 Jonathan remit ses armes à son garçon, et lui dit: Va, porte-les à la ville. 41 Après le départ du garçon, David se leva du côté du midi, puis se jeta le visage contre terre et se prosterna trois fois. Les deux amis s'embrassèrent et pleurèrent ensemble, David surtout fondit en larmes. 42 Et Jonathan dit à David: Va en paix, maintenant que nous avons juré l'un et l'autre, au nom de l'Éternel, en disant: Que l'Éternel soit à jamais entre moi et toi, entre ma postérité et ta postérité! (20:43) David se leva, et s'en alla, et Jonathan rentra dans la ville.