T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 2

1 [Fisaorana nataon'i Hana] Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin'i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin'ny famonjenao aho.

2 Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika .

3 Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa.

4 Tapaka ny tsipìkan'ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery.

5 Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka.

6 Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ary mampitsangana.[Heb. Sheola]

7 Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra.

8 Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin'ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin'ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin'ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an'i Jehovah ny andrin'ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao.

9 Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy* any amin'ny maizina; fa tsy amin'ny hery no handresen'ny olona.[Na: hangina]

10 Ho torotoro izay miady amin'i Jehovah; any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy. Jehovah hitsara ny vazan-tany, ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra ny tandroky ny voahosony.

11 [Ny nanompoan'i Samoela teo anatrehan'i Ely, ary ny ratsy nataon'ny zanakalahin'i Ely, sy ny nampilazan'Andriamanitra ny loza hanjo azy] Ary Elkana nankany an-tranony tany Rama; fa ny zaza kosa nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely mpisorona.

*

12 Ary ny zanakalahin'i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an'i Jehovah.

13 Ary izao no fanaon'ny mpisorona tamin'ny olona: Raha* nisy olona namono zavatra hatao fanatitra, dia avy ny zatovon'ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tànany, raha mbola nahandroina ny hena,[Na: tsy nahalala an'i Jehovah, na ny tokony ho anjaran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha]

14 dia natsindrony tao anatin'ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin'ny fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, ka izay rehetra azon'ny fitrebika tao dia nalain'ny mpisorona ho azy. Ary izany no fanaony tao Silo tamin'ny Isiraely rehetra izay tonga tao.

15 Ary raha tsy mbola nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon'ny mpisorona ka nanao tamin'izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an'ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany.

16 Ary raha nisy olona nanao taminy hoe: Hodorana aloha ny sabora, dia amin'izay vao halainao izay sitraky ny fonao, dia novaliany hoe: Tsia; fa omeo ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny.

17 Ka dia lehibe indrindra ny helok'ireo zatovo ireo teo anatrehan'i Jehovah, satria halan'ny olona ny fanatitra ho an'i Jehovah.

18 Fa Samoela nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan'i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra efoda rongony fotsy izy.

19 Ary nanaovan-dreniny akanjo kely izy, ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, raha niara-ran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha niakatra tamin'ny vadiny hanatitra ny fanatitra fanao isan-taona izy.

20 Ary Ely nitso-drano an'i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen'i Jehovah zaza amin'ity vehivavy ity anie ianao ho solon'ilay voatolotra ho an'i Jehovah. Dia lasa nody izy mivady.

21 Ary Jehovah namangy an'i Hana, ka dia nanan'anaka koa izy ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Ary Samoela zaza nitombo teo anatrehan'i Jehovah.

22 Ary efa antitra indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon'ny zananilahy tamin'ny Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin'ireo vehivavy izay nanompo teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.

23 Dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no manao izany zavatra izany? fa reko amin'izao olona rehetra izao ny ratsy ataonareo.

24 Tsia anaka, fa tsy tsara ny teny reko; fa mampanota ny olon'i Jehovah ianareo.

25 Raha misy olona manota amin'olona, dia ny mpitsara* no hitsara azy; fa raha misy manota amin'i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak'i Jehovah ny hahafaty azy.[Heb. Andriamanitra]

26 Ary Samoela zaza nitombo, sady tian'i Jehovah sy ny olona koa izy.

27 Ary nisy lehilahin'Andriamanitra nankany amin'i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin'ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon'i Farao izy?

28 Eny, nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra fanatitra eo ambonin'ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako, ary nomeko ho an'ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon'ny Zanak'Isiraely amin'ny afo.

29 Nahoana no hitsahinareo ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko hatao ao amin'ny fonenako, ka ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin'izay tsara indrindra amin'ny fanatitra rehetra aterin'ny Isiraely oloko?

30 Koa izany no anaovan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.

31 Indro, avy ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin'ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao.

32 Ary hahita ny manjo* ny fonenako ianao na inona na inona soa omena ho an'ny Isiraely, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao mandrakizay.[Na: fahavalo eo amin']

33 Nefa tsy dia hofongorako avokoa tsy ho eo anilan'ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao*; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony.[Na: Ary ny lehilahy amin'ny taranakao izay tsy hofongorako tsy ho eo anilan'ny alitarako dia hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao]

34 Ary izao no ho famantarana ho anao, izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia Hofinia sy Finehasa: ho indray andro maty izy mirahalahy.

35 Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan'ny voahosotro mandrakizay izy.

36 Ary ho avy izay sisa rehetra amin'ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan'ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.

 

Chapitre 2

1 Hannah prayed, and said:

“My heart exults in Yahweh!
My horn is exalted in Yahweh.
My mouth is enlarged over my enemies,
because I rejoice in your salvation.
2:2 There is no one as holy as Yahweh,
For there is no one besides you,
nor is there any rock like our God.
2:3 “Talk no more so exceeding proudly.
Don’t let arrogance come out of your mouth,
For Yahweh is a God of knowledge.
By him actions are weighed.
2:4 “The bows of the mighty men are broken.
Those who stumbled are armed with strength.
2:5 Those who were full have hired themselves out for bread.
Those who were hungry are satisfied.
Yes, the barren has borne seven.
She who has many children languishes.
2:6 “Yahweh kills, and makes alive.
He brings down to Sheol, and brings up.
2:7 Yahweh makes poor, and makes rich.
He brings low, he also lifts up.
2:8 He raises up the poor out of the dust.
He lifts up the needy from the dunghill,
To make them sit with princes,
and inherit the throne of glory.
For the pillars of the earth are Yahweh’s.
He has set the world on them.
2:9 He will keep the feet of his holy ones,
but the wicked shall be put to silence in darkness;
for no man shall prevail by strength.
2:10 Those who strive with Yahweh shall be broken to pieces.
He will thunder against them in the sky.
“Yahweh will judge the ends of the earth.
He will give strength to his king,
and exalt the horn of his anointed.”
2:11 Elkanah went to Ramah to his house. The child served Yahweh before Eli the priest. 2:12 Now the sons of Eli were base men; they didn’t know Yahweh. 2:13 The custom of the priests with the people was that when any man offered sacrifice, the priest’s servant came, while the flesh was boiling, with a fork of three teeth in his hand; 2:14 and he struck it into the pan, or kettle, or caldron, or pot; all that the fork brought up the priest took therewith. So they did in Shiloh to all the Israelites who came there. 2:15 Yes, before they burnt the fat, the priest’s servant came, and said to the man who sacrificed, “Give meat to roast for the priest; for he will not accept boiled meat from you, but raw.”

2:16 If the man said to him, “Let the fat be burned first, and then take as much as your soul desires”; then he would say, “No, but you shall give it to me now; and if not, I will take it by force.” 2:17 The sin of the young men was very great before Yahweh; for the men despised the offering of Yahweh. 2:18 But Samuel ministered before Yahweh, being a child, clothed with a linen ephod. 2:19 Moreover his mother made him a little robe, and brought it to him from year to year, when she came up with her husband to offer the yearly sacrifice. 2:20 Eli blessed Elkanah and his wife, and said, “Yahweh give you seed of this woman for the petition which was asked of Yahweh.” They went to their own home. 2:21 Yahweh visited Hannah, and she conceived, and bore three sons and two daughters. The child Samuel grew before Yahweh. 2:22 Now Eli was very old; and he heard all that his sons did to all Israel, and how that they lay with the women who served at the door of the Tent of Meeting. 2:23 He said to them, “Why do you do such things? for I hear of your evil dealings from all this people. 2:24 No, my sons; for it is no good report that I hear: you make Yahweh’s people disobey. 2:25 If one man sin against another, God shall judge him; but if a man sin against Yahweh, who shall entreat for him?” Notwithstanding, they didn’t listen to the voice of their father, because Yahweh intended to kill them. 2:26 The child Samuel grew on, and increased in favor both with Yahweh, and also with men. 2:27 A man of God came to Eli, and said to him, “Thus says Yahweh, ‘Did I reveal myself to the house of your father, when they were in Egypt in bondage to Pharaoh’s house? 2:28 Did I choose him out of all the tribes of Israel to be my priest, to go up to my altar, to burn incense, to wear an ephod before me? Did I give to the house of your father all the offerings of the children of Israel made by fire? 2:29 Why do you kick at my sacrifice and at my offering, which I have commanded in my habitation, and honor your sons above me, to make yourselves fat with the best of all the offerings of Israel my people?’

2:30 “Therefore Yahweh, the God of Israel, says, ‘I said indeed that your house, and the house of your father, should walk before me forever.’ But now Yahweh says, ‘Be it far from me; for those who honor me I will honor, and those who despise me shall be lightly esteemed. 2:31 Behold, the days come, that I will cut off your arm, and the arm of your father’s house, that there shall not be an old man in your house. 2:32 You shall see the affliction of my habitation, in all the wealth which I shall give Israel; and there shall not be an old man in your house forever. 2:33 The man of yours, whom I shall not cut off from my altar, shall consume your eyes, and grieve your heart; and all the increase of your house shall die in the flower of their age.

2:34 “‘This shall be the sign to you, that shall come on your two sons, on Hophni and Phinehas: in one day they shall both die. 2:35 I will raise me up a faithful priest, that shall do according to that which is in my heart and in my mind. I will build him a sure house; and he shall walk before my anointed forever. 2:36 It shall happen, that everyone who is left in your house shall come and bow down to him for a piece of silver and a loaf of bread, and shall say, “Please put me into one of the priests’ offices, that I may eat a morsel of bread.”’”

 

Chapitre 2
1 Anne pria, et dit: Mon coeur se réjouit en l'Éternel, Ma force a été relevée par l'Éternel; Ma bouche s'est ouverte contre mes ennemis, Car je me réjouis de ton secours. 2 Nul n'est saint comme l'Éternel; Il n'y a point d'autre Dieu que toi; Il n'y a point de rocher comme notre Dieu. 3 Ne parlez plus avec tant de hauteur; Que l'arrogance ne sorte plus de votre bouche; Car l'Éternel est un Dieu qui sait tout, Et par lui sont pesées toutes les actions. 4 L'arc des puissants est brisé, Et les faibles ont la force pour ceinture. 5 Ceux qui étaient rassasiés se louent pour du pain, Et ceux qui étaient affamés se reposent; Même la stérile enfante sept fois, Et celle qui avait beaucoup d'enfants est flétrie. 6 L'Éternel fait mourir et il fait vivre. Il fait descendre au séjour des morts et il en fait remonter. 7 L'Éternel appauvrit et il enrichit, Il abaisse et il élève. 8 De la poussière il retire le pauvre, Du fumier il relève l'indigent, Pour les faire asseoir avec les grands. Et il leur donne en partage un trône de gloire; Car à l'Éternel sont les colonnes de la terre, Et c'est sur elles qu'il a posé le monde. 9 Il gardera les pas de ses bien-aimés. Mais les méchants seront anéantis dans les ténèbres; Car l'homme ne triomphera point par la force. 10 Les ennemis de l'Éternel trembleront; Du haut des cieux il lancera sur eux son tonnerre; L'Éternel jugera les extrémités de la terre. Il donnera la puissance à son roi, Et il relèvera la force de son oint. 11 Elkana s'en alla dans sa maison à Rama, et l'enfant fut au service de l'Éternel devant le sacrificateur Éli. 12 Les fils d'Éli étaient des hommes pervers, ils ne connaissaient point l'Éternel. 13 Et voici quelle était la manière d'agir de ces sacrificateurs à l'égard du peuple. Lorsque quelqu'un offrait un sacrifice, le serviteur du sacrificateur arrivait au moment où l'on faisait cuire la chair. Tenant à la main une fourchette à trois dents, 14 il piquait dans la chaudière, dans le chaudron, dans la marmite, ou dans le pot; et tout ce que la fourchette amenait, le sacrificateur le prenait pour lui. C'est ainsi qu'ils agissaient à l'égard de tous ceux d'Israël qui venaient là à Silo. 15 Même avant qu'on fît brûler la graisse, le serviteur du sacrificateur arrivait et disait à celui qui offrait le sacrifice: Donne pour le sacrificateur de la chair à rôtir; il ne recevra de toi point de chair cuite, c'est de la chair crue qu'il veut. 16 Et si l'homme lui disait: Quand on aura brûlé la graisse, tu prendras ce qui te plaira, le serviteur répondait: Non! tu donneras maintenant, sinon je prends de force. 17 Ces jeunes gens se rendaient coupables devant l'Éternel d'un très grand péché, parce qu'ils méprisaient les offrandes de l'Éternel. 18 Samuel faisait le service devant l'Éternel, et cet enfant était revêtu d'un éphod de lin. 19 Sa mère lui faisait chaque année une petite robe, et la lui apportait en montant avec son mari pour offrir le sacrifice annuel. 20 Éli bénit Elkana et sa femme, en disant: Que l'Éternel te fasse avoir des enfants de cette femme, pour remplacer celui qu'elle a prêté à l'Éternel! Et ils s'en retournèrent chez eux. 21 Lorsque l'Éternel eut visité Anne, elle devint enceinte, et elle enfanta trois fils et deux filles. Et le jeune Samuel grandissait auprès de l'Éternel. 22 Éli était fort âgé et il apprit comment ses fils agissaient à l'égard de tout Israël; il apprit aussi qu'ils couchaient avec les femmes qui s'assemblaient à l'entrée de la tente d'assignation. 23 Il leur dit: Pourquoi faites-vous de telles choses? car j'apprends de tout le peuple vos mauvaises actions. 24 Non, mes enfants, ce que j'entends dire n'est pas bon; vous faites pécher le peuple de l'Éternel. 25 Si un homme pèche contre un autre homme, Dieu le jugera; mais s'il pèche contre l'Éternel, qui intercédera pour lui? Et ils n'écoutèrent point la voix de leur père, car l'Éternel voulait les faire mourir. 26 Le jeune Samuel continuait à grandir, et il était agréable à l'Éternel et aux hommes. 27 Un homme de Dieu vint auprès d'Éli, et lui dit: Ainsi parle l'Éternel: Ne me suis-je pas révélé à la maison de ton père, lorsqu'ils étaient en Égypte dans la maison de Pharaon? 28 Je l'ai choisie parmi toutes les tribus d'Israël pour être à mon service dans le sacerdoce, pour monter à mon autel, pour brûler le parfum, pour porter l'éphod devant moi, et j'ai donné à la maison de ton père tous les sacrifices consumés par le feu et offerts par les enfants d'Israël. 29 Pourquoi foulez-vous aux pieds mes sacrifices et mes offrandes, que j'ai ordonné de faire dans ma demeure? Et d'où vient que tu honores tes fils plus que moi, afin de vous engraisser des prémices de toutes les offrandes d'Israël, mon peuple? 30 C'est pourquoi voici ce que dit l'Éternel, le Dieu d'Israël: J'avais déclaré que ta maison et la maison de ton père marcheraient devant moi à perpétuité. Et maintenant, dit l'Éternel, loin de moi! Car j'honorerai celui qui m'honore, mais ceux qui me méprisent seront méprisés. 31 Voici, le temps arrive où je retrancherai ton bras et le bras de la maison de ton père, en sorte qu'il n'y aura plus de vieillard dans ta maison. 32 Tu verras un adversaire dans ma demeure, tandis qu'Israël sera comblé de biens par l'Éternel; et il n'y aura plus jamais de vieillard dans ta maison. 33 Je laisserai subsister auprès de mon autel l'un des tiens, afin de consumer tes yeux et d'attrister ton âme; mais tous ceux de ta maison mourront dans la force de l'âge. 34 Et tu auras pour signe ce qui arrivera à tes deux fils, Hophni et Phinées; ils mourront tous les deux le même jour. 35 Je m'établirai un sacrificateur fidèle, qui agira selon mon coeur et selon mon âme; je lui bâtirai une maison stable, et il marchera toujours devant mon oint. 36 Et quiconque restera de ta maison viendra se prosterner devant lui pour avoir une pièce d'argent et un morceau de pain, et dira: Attache-moi, je te prie, à l'une des fonctions du sacerdoce, afin que j'aie un morceau de pain à manger.