| Chapitre 19 1 [Ny nifonan'i Jonatana ho an'i Davida, sy ny nitadiavan'i Saoly indray hahafaty azy, ary ny nandosiran'i Davida nankany amin'i Samoela] Ary Saoly niresaka tamin'i Jonatana zanany sy tamin'ny mpanompony rehetra ny amin'izay hahafaty an'i Davida. Fa Jonatana, zanak'i Saoly, kosa tia dia tia an'i Davida. 2 Ary Jonatana nanambara tamin'i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna ianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin'izay fitoerana mangingina, ka miere; 3 ary izaho hivoaka ka hitsangana eo anilan'ikaky amin'ny saha izay misy anao, dia hiresaka aminy ny aminao; koa izay hitako dia hambarako aminao. 4 Ary Jonatana nilaza soa an'i Davida tamin'i Saoly rainy, ka hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka tsy hanisy ratsy an'i Davida mpanompony, fa izy tsy nanisy ratsy anao, sady nahasoa anao indrindra ny nataony, 5 fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an'ny Isiraely rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka rà marina ianao ka hahafaty foana an'i Davida? 6 Ary Saoly nihaino ny tenin'i Jonatana ka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hatao maty izy. 7 Ary Jonatana niantso an'i Davida ka nanambara izany rehetra Izany taminy, dia nitondra an'i Davida ho eo amin'i Saoly, ka dia nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy. 8 Ary mbola nisy ady ihany; dia nivoaka Davida ka niady tamin'ny Filistina ary nahafaty betsaka, ka dia nandositra azy ireny. 9 Ary nisy fanahy ratsy avy tany amin'i Jehovah tonga tao amin'i Saoly, raha nipetraka tao an-tranony izy sy nitana ny lefony teny an-tànany; ary Davida nitendry lokanga tamin'ny tànany. 10 Ary Saoly nihendry hamely an'i Davida tamin'ny lefona, ka hataony miboroaka mihatra amin'ny rindrina; fa izy nisoroka niala teo anatrehan'i Saoly, ka ny rindrina no voan'ny lefona; dia nandositra Davida ka afaka tamin'iny alina iny ihany. 11 Ary Saoly naniraka olona hankany amin'ny tranon'i Davida hiambina azy hahafaty azy raha maraina; fa Mikala, vadin'i Davida, nilaza taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia hatao maty raha maraina. 12 Ary Mikala nampidina an'i Davida tamin'ny varavarankely; ka dia lasa nandositra izy ka afaka. 13 Ary nalain'i Mikala ny sampy*, dia napetrany teo amin'ny farafarany, ka nosaronany makarakara volon'osy ny lohany, dia norakofany ny lamba izy.[Heb. terafima] 14 Ary nony naniraka haka an'i Davida Saoly, dia hoy ny vavy: Marary izy. 15 Ary Saoly naniraka ny olona hizaha an'i Davida indray ka nanao hoe: Ento miakatra atỳ amiko amin'ny farafara izy hovonoiko. 16 Dia niditra ny iraka, kanjo, indro, ny sampy* no teo am-parafara, ary voasaron'ilay makarakara volon'osy ny lohany.[Heb. terafima] 17 Dia hoy Saoly tamin'i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko, ary afa-nandositra izy? Fa hoy Mikala tamin'i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, fandrao hovonoiko 18 Dia nandositra Davida ka afaka ary tonga tany amin'i Samoela tany Rama, dia nambarany azy izay rehetra nataon'i Saoly taminy; ary nandeha izy sy Samoela ka nonina tany Naiota. 19 Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, Davida ao Naiota any Rama. 20 Ary Saoly naniraka olona hisambotra an'i Davida; ary nony hitan'ireo ny mpaminany tafangona sy maminany ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin'ny irak'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra. ka dia mba naminany koa izy. 21 Ary nony nisy nanambara izany tamin'i Saoly, dia naniraka olon-kafa izy, ary ireo koa dia mba naminany. Ary Saoly naniraka olonkafa indray fanintelony, nefa naminany ihany koa ireo. 22 Ary dia lasa nankany Rama koa ny tenany, ary tonga tao amin'ny lavaka lehibe famorian-drano izay ao Seko izy ka nanontany hoe: Aiza Samoela sy Davida? Ary hoy ny anankiray: Indreo ao Naiota any Rama izy. 23 Dia nankany Naiota any Rama Saoly, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin'Andriamanitra, dia nandroso izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama. 24 Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan'i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan'ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan'ny mpaminany? Chapitre 20 1 [Ny faran'ny nitadiavan'i Jonatana hampihavana an-drainy amin'i Davida] Ary Davida nandositra niala tao Naiota any Rama, dia tonga ka nilaza teo anatrehan'i Jonatana hoe: Inona no nataoko? Inona no heloko? Ary inona no fahotako teo anatrehan-drainao, no dia mitady ny aiko izy? 2 Ary hoy izy taminy: Sanatria izany! Tsy ho faty ianao; indro, tsy misy tsy ambaran'ikaky ahy izay ataony na be na kely, ary hataon'ikaky ahoana no fanafina izany zavatra izany amiko? Tsy misy izany. 3 Ary Davida mbola nianiana indray nanao hoe: Fantatry ny rainao marimarina fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ka hoy izy: Aoka tsy ho fantatr'i Jonatana izany, fandrao malahelo izy; fa raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, toa iray dia monja no anelanelako sy ny fahafatesana. 4 Dia hoy Jonatana tamin'i Davida: Na inona na inona no angatahinao, dia hatàoko aminao izany. 5 Ary hoy Davida tamin'i Jonatana: Indro, ho tsinam-bolana rahampitso, ary izaho tokony hiara-mipetraka hihinana amin'ny mpanjaka; nefa avelao aho handeha hiery any an-tsaha ambara-pihavin'ny afaka ampitso harivariva. 6 Koa raha hitan'ny rainao fa tsy eo aho, dia ataovy hoe: Niera fatratra tamiko Davida mba hikaretsaka kely hankany Betlehema tanànany; fa misy fanatitra fanao amin'izy mianakavy rehetra isan-taona any. 7 Ary raha lazainy hoe: Tsara izany, dia fiadanana no ho an'ny mpanomponao; fa raha tezitra mafy kosa izy, dia aoka ho fantatrao tsara fa misy ratsy ifofoany ahy. 8 Koa mamindrà fo amin'ny mpanomponao; fa nampanaovinao ny faneken'i Jehovah aminao ny mpanomponao; nefa raha manankeloka aho, dia aoka ianao ihany no hahafaty ahy, fa nahoana no ho entinao any amin'ny rainao aho? 9 Fa hoy Jonatana: Sanatria raha hahazo anao izany! Fa raha fantatro tokoa fa misy ratsy ifofoan'ikaky anao, dia hambarako aminao mihitsy izany. 10 Dia hoy Davida tamin'i Jonatana: Iza no hanambara izany amiko, na hampandre ahy izay teny sarotra havalin-drainao anao*? [Na: Iza anefa no hanambara amiko, raha tahìny mamaly sarotra anao rainao] 11 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Andeha ary isika hivoaka any an-tsaha. Dia nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy. 12 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, anie ho vavolombelona! Rehefa fotorako tsara rahampitso na afaka ampitso toy izao ny hevitry ny raiko, ka hitako fa misy soa ho an'i Davida, ka tsy maniraka any aminao aho sy manambara izany aminao, 13 dia hataon'i Jehovah toy izany anie Jonatana, eny, mihoatra noho izany aza; fa raha kasain'ny raiko kosa ny hanisy ratsy anao, dia hambarako aminao izany, ka halefako ianao mba handehananao soa aman-tsara; ary homba anao tahaka ny tamin'ny raiko anie Jehovah. 14 Ary raha mbola velona ihany aho, dia tsy hasehonao ahy va ny fiantran'i Jehovah mba tsy hahafaty ahy? 15 Ary tsy hesorinao amin'ny taranako koa ny famindram-ponao mandrakizay, eny, na dia avy aza izay handringanan'i Jehovah ny fahavalon'i Davida rehetra tsy ho etỳ ambonin'ny tany. 16 Ary dia nanao fanekena Jonatana ny amin'ny taranak'i Davida hoe: Jehovah no hamaly ny fahavalon'i Davida. 17 Ary Jonatana nampianiana an'i Davida indray noho ny fitiavany azy; fa tiany toy ny tenany izy. 18 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Rahampitso ho tsinam-bolana; ary ho hita fa tsy eo ianao, fa ho foana ny fipetrahanao. 19 Koa rehefa mby amin'ny andro fahatelo dia midìna faingana ianao, ary tongava ao amin'ilay nierenao tamin'ny andro nitrangan'ilay raharaha iny*, ka mitoera ao anilan'ny vato Ezela.[Izahao xix. 2, 3] 20 Ary izaho handefa zana-tsipìka telo eo anilany, toy ny mikendry marika. 21 Dia haniraka ny zazalahy aho ka hanao hoe: Mandehana, izahao ny zana-tsipìka. Ka raha lazaiko mihitsy amin'ilay zazalahy hoe: Indreo eo aorianao ny zana-tsipìka, ento etỳ, dia avia ianao, fa hipetraka amin'ny fiadanana ianao, ka tsy hisy haninona anao, raha velona koa Jehovah. 22 Fa raha hoy kosa aho amin'ilay zazalahy: Indreo eo alohanao ny zana-tsipìka, dia mandehana ianao, fa Jehovah no nampandeha anao. 23 Ary ny amin'ilay noresahintsika, dia izaho sy ianao, indro, Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao mandrakizay. 24 Ary Davida niery tany an-tsaha. Koa nony tsinam-bolana, dia nipetraka hihinana 25 teo amin'ny fipetrahany tahaka ny isanandro ihany ny mpanjaka, dia teo amin'ny fipetrahana teo anilan'ny rindrina, koa Jonatana nitsangana, fa Abnera nipetraka teo anilan'i Saoly; ary foana kosa ny fipetrahan'i Davida. 26 Nefa Saoly tsy niteny na inona na inona tamin'izany andro izany; fa nataony ho nisy zavatra nanjo azy, ka tsy madio izy, eny, tsy madio izy. 27 Ary nony tamin'ny andro faharoa dia ny ampitson'ny tsinam-bolana, ka mbola foana ihany ny fipetrahan'i Davida, dia hoy Saoly tamin'i Jonatana zanany: Ahoana no tsy mba nahatongavan'ny zanak'i Jese hihinana omaly sy androany? 28 Ary Jonatana namaly an'i Saoly hoe: Davida niera fatratra tamiko hankany Betlehema 29 nanao hoe: Masìna ianao, aoka handeha aho, fa izahay mianakavy manao fanatitra any an-tanàna, ka asain'ny rahalahiko mankany aho; koa ankehitriny, raha nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, aoka handeha aho hamangy ny rahalahiko; ka izany no tsy mba nahatongavany teto amin'ny latabatry ny mpanjaka. 30 Dia nirehitra tamin'i Jonatana ny fahatezeran'i Saoly, ka hoy izy taminy: Hianao zanaky ny vehivavy maditra sy mpiodina, moa tsy fantatro va fa mifidy ny zanak'i Jese ianao ho henatrao sy ho henatry ny kibon*'ny reninao.[Heb. fitanjahan'] 31 Fa raha mbola velona etỳ ambonin'ny tany koa iny zanak'i Jese iny, dia tsy ho tafatoetra tsara ianao na ny fanjakanao. Koa maniraha haka azy hankatỳ amiko, fa meloka tokony ho faty izy. 32 Ary Jonatana namaly an'i Saoly rainy ka nanao taminy hoe: Nahoana no hatao maty izy? Inona no nataony? 33 Ary Saoly nitora-defona handefona azy, ka dia fantatr'i Jonatana fa nofofoin'ny rainy hovonoina Davida. 34 Dia nitsangana niala teo amin'ny latabatra Jonatana, sady nirehitra ny fahatezerany, ka tsy nihinan-kanina izy tamin'ny ampitson'ny tsinam-bolana; fa nalahelo an'i Davida izy, satria nomen-drainy henatra. 35 Ary nony maraina, dia nivoaka nankany an-tsaha Jonatana tamin'ilay fotoana nataony tamin'i Davida, ary nisy zazalahy kely nanaraka azy. 36 Ary hoy Jonatana taminy: Mihazakazaha, ka izahao ny zana-tsipìka alefako. Ary nony nihazakazaka ilay zazalahy, dia nalefany nihoatra azy ny zana-tsipìka. 37 Ary nony efa tonga teo amin'ilay nipetrahan'ny zana-tsipìka nalefan'i Jonatana ilay zazalahy, dia nantsoin'i Jonatana izy hoe: Tsy ireo alohanao ireo va ny zana-tsipìka? 38 Ary Jonatana niantso ilay zazalahy hoe: Haingàna dia haingàna, ka aza mijanonjanona. Ary ny zazalahin'i Jonatana nanangona ny zana-tsipìka, dia nankeo amin'ny tompony. 39 Nefa ilay zazalahy tsy nahalala na inona na inona; fa Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny anton'izany. 40 Dia nomen'i Jonatana ilay zazalahy ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Mandehana, ka ento ho any an-tanàna ireto. 41 Ary nony lasa ilay zazalahy, dia nitsangana avy any atsimo Davida, ka niankohoka tamin'ny tany izy sady niondrika in-telo, ary nifanoroka izy roa lahy, ka samy nitomany; nefa ny an'i Davida dia mafy loatra. 42 Ary hoy Jonatana tamin'i Davida: Mandehana soa aman-tsara; fa efa nianiana tamin'ny anaran'i Jehovah isika roa lahy hoe: Jehovah no vavolombelona amiko sy aminao ary amin'ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.
| | Chapitre 19 19:1 Saul spoke to Jonathan his son, and to all his servants, that they should kill David. But Jonathan, Saul’s son, delighted much in David. 19:2 Jonathan told David, saying, “Saul my father seeks to kill you. Now therefore, please take care of yourself in the morning, and live in a secret place, and hide yourself. 19:3 I will go out and stand beside my father in the field where you are, and I will talk with my father about you; and if I see anything, I will tell you.” 19:4 Jonathan spoke good of David to Saul his father, and said to him, “Don’t let the king sin against his servant, against David; because he has not sinned against you, and because his works have been very good toward you; 19:5 for he put his life in his hand, and struck the Philistine, and Yahweh worked a great victory for all Israel. You saw it, and rejoiced. Why then will you sin against innocent blood, to kill David without a cause?” 19:6 Saul listened to the voice of Jonathan: and Saul swore, “As Yahweh lives, he shall not be put to death.” 19:7 Jonathan called David, and Jonathan showed him all those things. Jonathan brought David to Saul, and he was in his presence, as before. 19:8 There was war again. David went out, and fought with the Philistines, and killed them with a great slaughter; and they fled before him. 19:9 An evil spirit from Yahweh was on Saul, as he sat in his house with his spear in his hand; and David was playing with his hand. 19:10 Saul sought to pin David even to the wall with the spear; but he slipped away out of Saul’s presence, and he stuck the spear into the wall. David fled, and escaped that night. 19:11 Saul sent messengers to David’s house, to watch him, and to kill him in the morning. Michal, David’s wife, told him, saying, “If you don’t save your life tonight, tomorrow you will be killed.” 19:12 So Michal let David down through the window. He went, fled, and escaped. 19:13 Michal took the teraphim, and laid it in the bed, and put a pillow of goats’ hair at its head, and covered it with the clothes. 19:14 When Saul sent messengers to take David, she said, “He is sick.” 19:15 Saul sent the messengers to see David, saying, “Bring him up to me in the bed, that I may kill him.” 19:16 When the messengers came in, behold, the teraphim was in the bed, with the pillow of goats’ hair at its head. 19:17 Saul said to Michal, “Why have you deceived me thus, and let my enemy go, so that he is escaped?” Michal answered Saul, “He said to me, ‘Let me go! Why should I kill you?’” 19:18 Now David fled, and escaped, and came to Samuel to Ramah, and told him all that Saul had done to him. He and Samuel went and lived in Naioth. 19:19 It was told Saul, saying, “Behold, David is at Naioth in Ramah.” 19:20 Saul sent messengers to take David: and when they saw the company of the prophets prophesying, and Samuel standing as head over them, the Spirit of God came on the messengers of Saul, and they also prophesied. 19:21 When it was told Saul, he sent other messengers, and they also prophesied. Saul sent messengers again the third time, and they also prophesied. 19:22 Then went he also to Ramah, and came to the great well that is in Secu: and he asked, “Where are Samuel and David?” One said, “Behold, they are at Naioth in Ramah.” 19:23 He went there to Naioth in Ramah. Then the Spirit of God came on him also, and he went on, and prophesied, until he came to Naioth in Ramah. 19:24 He also stripped off his clothes, and he also prophesied before Samuel, and lay down naked all that day and all that night. Therefore they say, “Is Saul also among the prophets?” | | Chapitre 19 1 Saül parla à Jonathan, son fils, et à tous ses serviteurs, de faire mourir David. 2 (19:1) Mais Jonathan, fils de Saül, qui avait une grande affection pour David, (19:2) l'en informa et lui dit: Saül, mon père, cherche à te faire mourir. Sois donc sur tes gardes demain matin, reste dans un lieu retiré, et cache-toi. 3 Je sortirai et je me tiendrai à côté de mon père dans le champ où tu seras; je parlerai de toi à mon père, je verrai ce qu'il dira, et je te le rapporterai. 4 Jonathan parla favorablement de David à Saül, son père: Que le roi, dit-il, ne commette pas un péché à l'égard de son serviteur David, car il n'en a point commis envers toi. Au contraire, il a agi pour ton bien; 5 il a exposé sa vie, il a tué le Philistin, et l'Éternel a opéré une grande délivrance pour tout Israël. Tu l'as vu, et tu t'en es réjoui. Pourquoi pécherais-tu contre le sang innocent, et ferais-tu sans raison mourir David? 6 Saül écouta la voix de Jonathan, et il jura, disant: L'Éternel est vivant! David ne mourra pas. 7 Jonathan appela David, et lui rapporta toutes ces paroles; puis il l'amena auprès de Saül, en présence de qui David fut comme auparavant. 8 La guerre continuait. David marcha contre les Philistins, et se battit avec eux; il leur fit éprouver une grande défaite, et ils s'enfuirent devant lui. 9 Alors le mauvais esprit de l'Éternel fut sur Saül, qui était assis dans sa maison, sa lance à la main. (19:10) David jouait, 10 et Saül voulut le frapper avec sa lance contre la paroi. Mais David se détourna de lui, et Saül frappa de sa lance la paroi. David prit la fuite et s'échappa pendant la nuit. 11 Saül envoya des gens vers la maison de David, pour le garder et le faire mourir au matin. Mais Mical, femme de David, l'en informa et lui dit: Si tu ne te sauves pas cette nuit, demain tu es mort. 12 Elle le fit descendre par la fenêtre, et David s'en alla et s'enfuit. C'est ainsi qu'il échappa. 13 Ensuite Mical prit le théraphim, qu'elle plaça dans le lit; elle mit une peau de chèvre à son chevet, et elle l'enveloppa d'une couverture. 14 Lorsque Saül envoya des gens pour prendre David, elle dit: Il est malade. 15 Saül les renvoya pour qu'ils le vissent, et il dit: Apportez-le-moi dans son lit, afin que je le fasse mourir. 16 Ces gens revinrent, et voici, le théraphim était dans le lit, et une peau de chèvre à son chevet. 17 Saül dit à Mical: Pourquoi m'as-tu trompé de la sorte, et as-tu laissé partir mon ennemi qui s'est échappé? Mical répondit à Saül: Il m'a dit: Laisse moi aller, ou je te tue! 18 C'est ainsi que David prit la fuite et qu'il échappa. Il se rendit auprès de Samuel à Rama, et lui raconta tout ce que Saül lui avait fait. Puis il alla avec Samuel demeurer à Najoth. 19 On le rapporta à Saül, en disant: Voici, David est à Najoth, près de Rama. 20 Saül envoya des gens pour prendre David. Ils virent une assemblée de prophètes qui prophétisaient, ayant Samuel à leur tête. L'esprit de Dieu saisit les envoyés de Saül, et ils se mirent aussi à prophétiser eux-mêmes. 21 On en fit rapport à Saül, qui envoya d'autres gens, et eux aussi prophétisèrent. Il en envoya encore pour la troisième fois, et ils prophétisèrent également. 22 Alors Saül alla lui-même à Rama. Arrivé à la grande citerne qui est à Sécou, il demanda: Où sont Samuel et David? On lui répondit: Ils sont à Najoth, près de Rama. 23 Et il se dirigea vers Najoth, près de Rama. L'esprit de Dieu fut aussi sur lui; et Saül continua son chemin en prophétisant, jusqu'à son arrivée à Najoth, près de Rama. 24 Il ôta ses vêtements, et il prophétisa aussi devant Samuel; et il se jeta nu par terre tout ce jour-là et toute la nuit. C'est pourquoi l'on dit: Saül est-il aussi parmi les prophètes? | |