T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 15

1 [Ny tsy nahatanterahan'i Saoly ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny handringanana ny Amalekita, sy ny nandavan'Andriamanitra azy tamin'izany] Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin'i Jehovah ianao.

2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hovaliako izay nataon'ny Amalekita tamin'ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dalana, fony izy niakatra avy tany Egypta.

3 Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano* izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman'osy, na rameva, na boriky.[Heb. ataovy herema]

4 Ary Saoly namory ny olona ka nandamina azy tao Telaima, dia roa hetsy ny mandeha an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy amin'ny Joda.

5 Ary Saoly dia tonga tao an-tanànan'ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha.

6 Ary hoy Saoly tamin'ny Kenita: Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin'ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak'Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin'ny Amalekita ny Kenita.

7 Ary Saoly namely ny Amalekita hatrany Havila amin'ny lalana mankany Sora izay tandrifin'i Egypta.

8 Ary azony sambo-belona Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia naringany* tamin'ny lelan-tsabatra.[Heb. nataony herema]

9 Fa Saoly sy ny olona tsy namono an'i Agaga sy izay tsara indrindra tamin'ny ondry aman'osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak'ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho naringana* ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany* ihany avokoa.[Heb. hatao herema]

10 Ary tonga tamin'i Samoela ny tenin'i Jehovah hoe:

11 Manenina Aho noho ny nanaovako an'i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin'ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin'i Jehovah mandritra ny alina.

12 Ary nifoha maraina koa Samoela hitsena an'i Saoly, dia nisy nilaza tamin'i Samoela hoe: Saoly efa tonga ato Karmela, ary, indro, izy nanorina fahatsiarovana ho azy, dia nihodina ka nandroso nidina ho any Gilgala.

13 Ary Samoela tonga teo amin'i Saoly, dia hoy Saoly taminy: Hotahin'i Jehovah anie ianao; efa nahatanteraka ny tenin'i Jehovah aho.

14 Fa hoy Samoela: Inona anefa izany fibarareoky ny ondry aman- osy ren'ny sofiko izany sy ny fimàmàn'ny omby reko?

15 Ary hoy Saoly: Avy tany amin'ny Amalekita no nitondrany ireny, fa ny olona namela izay ondry aman'osy sy omby tsara indrindra mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao, fa ny sisa dia naringanay* ihany avokoa.[Heb. nataonay herema]

16 Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Aoka izay, fa hambarako aminao izay nolazain'i Jehovah tamiko halina. Ary hoy izy taminy: Ambarao ary.

17 Dia hoy Samoela: Na dia noheverinao ho kely aza ny tenanao, moa tsy tonga lohan'ny firenen'Isiraely va? Ary Jehovah nanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely;

18 ary Jehovah naniraka anao ka nanao hoe: Mandehana, ka aringano* avokoa ny Amalekita mpanota, ary miadia aminy ambara-paharingany.[Heb. ataovy herema]

19 Koa nahoana ianao no tsy nihaino ny feon'i Jehovah, fa nanao an-kazakazaka tamin'ny babo ka nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah?

20 Fa hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nihaino ny feon'i Jehovah ihany aho ka nandeha tamin'izay nanirahan'i Jehovah ahy ary nitondra an'i Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, sady nandringana ny Amalekita rehetra.

21 Nefa nangalan'ny olona ondry aman'osy sy omby ny babo, dia izay soa avy tamin'ny zavatra haringana,1 mba hovonoina hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitrao ao Gilgala.

22 Fa hoy Samoela: Sitrak'i Jehovah moa ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehovah? He! ny manafaka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy.

23 Fa ny miodina dia toy ny heloka amin'ny fankatovana, ary ny ditra dia toy ny manompo sampy sy terafima. Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao, dia nolaviny tsy ho mpanjaka kosa.

24 Ary hoy Saoly tamin'i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin'i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony.

25 Koa ankehitriny, masìna ianao, mamelà ny heloko ary miverena amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah.

26 Fa hoy Samoela tamin'i Saoly: Tsy hiverina aminao aho; fa ianao efa nandà ny tenin'i Jehovah, ary Jehovah kosa efa nandà anao tsy ho mpanjakan'ny Isiraely intsony.

27 Ary nony nihodina handeha Samoela, dia nohazonin'i Saoly ny sisin'akanjony ka triatra.

28 Dia hoy Samoela tamin'i Saoly: Efa notriarin'i Jehovah kosa ho afaka aminao androany ny fanjakan'Isiraely ka efa nomeny ny namanao izay tsara noho ianao.

29 Ary koa, ny Tokin'ny Isiraely tsy mba handainga na hanenina, fa tsy olona Izy ka hanenina.

30 Fa hoy Saoly: Efa nanota aho izao, kanefa, masìna ianao, mba omeo voninahitra eo anatrehan'ny loholoko sy eo anatrehan'ny Isiraely aho, ary andeha re hiara-miverina amiko indray mba hiankohofako eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.

31 Ary Samoela dia niverina nanaraka an'i Saoly indray ary Saoly niankohoka teo anatrehan'i Jehovah.

32 Dia hoy Samoela: Entonareo eto amiko Agaga, mpanjakan'ny Amalekita. Ary Agaga nankeo aminy sady falifaly ka nanao hoe: Lasa tokoa ny fangidian'ny fahafatesana.

33 Fa hoy Samoela: Toy ny tsy nampananan'ny sabatrao zanaka ny vehivavy no tsy hananan'ny reninao zanaka kosa ao amin'ny vehivavy. Dia notetitetehin'i Samoela teo anatrehan'i Jehovah tao Gilgala Agaga.

34 Ary Samoela nankany Rama; fa Saoly kosa niakatra tany amin'ny tranony tao Gibean'i Saoly.

35 Ary Samoela tsy namangy an'i Saoly intsony ambara-pahafatiny; fa Samoela nalahelo an'i Saoly. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany an'i Saoly ho mpanjakan'ny Isiraely.

 

Chapitre 15

15:1 Samuel said to Saul, “Yahweh sent me to anoint you to be king over his people, over Israel. Now therefore listen to the voice of the words of Yahweh. 15:2 Thus says Yahweh of Armies, ‘I have marked that which Amalek did to Israel, how he set himself against him in the way, when he came up out of Egypt. 15:3 Now go and strike Amalek, and utterly destroy all that they have, and don’t spare them; but kill both man and woman, infant and nursing baby, ox and sheep, camel and donkey.’”

15:4 Saul summoned the people, and numbered them in Telaim, two hundred thousand footmen, and ten thousand men of Judah. 15:5 Saul came to the city of Amalek, and laid wait in the valley. 15:6 Saul said to the Kenites, “Go, depart, go down from among the Amalekites, lest I destroy you with them; for you showed kindness to all the children of Israel, when they came up out of Egypt.” So the Kenites departed from among the Amalekites.

15:7 Saul struck the Amalekites, from Havilah as you go to Shur, that is before Egypt. 15:8 He took Agag the king of the Amalekites alive, and utterly destroyed all the people with the edge of the sword. 15:9 But Saul and the people spared Agag, and the best of the sheep, and of the cattle, and of the fatlings, and the lambs, and all that was good, and wouldn’t utterly destroy them: but everything that was vile and refuse, that they destroyed utterly. 15:10 Then the word of Yahweh came to Samuel, saying, 15:11 “It grieves me that I have set up Saul to be king; for he is turned back from following me, and has not performed my commandments.” Samuel was angry; and he cried to Yahweh all night.

15:12 Samuel rose early to meet Saul in the morning; and it was told Samuel, saying, “Saul came to Carmel, and behold, he set up a monument for himself, and turned, and passed on, and went down to Gilgal.”

15:13 Samuel came to Saul; and Saul said to him, “You are blessed by Yahweh! I have performed the commandment of Yahweh.”

15:14 Samuel said, “Then what does this bleating of the sheep in my ears, and the lowing of the cattle which I hear mean?”

15:15 Saul said, “They have brought them from the Amalekites; for the people spared the best of the sheep and of the cattle, to sacrifice to Yahweh your God. We have utterly destroyed the rest.”

15:16 Then Samuel said to Saul, “Stay, and I will tell you what Yahweh has said to me last night.”

He said to him, “Say on.”

15:17 Samuel said, “Though you were little in your own sight, weren’t you made the head of the tribes of Israel? Yahweh anointed you king over Israel; 15:18 and Yahweh sent you on a journey, and said, ‘Go, and utterly destroy the sinners the Amalekites, and fight against them until they are consumed.’ 15:19 Why then didn’t you obey the voice of Yahweh, but took the spoils, and did that which was evil in the sight of Yahweh?”

15:20 Saul said to Samuel, “But I have obeyed the voice of Yahweh, and have gone the way which Yahweh sent me, and have brought Agag the king of Amalek, and have utterly destroyed the Amalekites. 15:21 But the people took of the spoil, sheep and cattle, the chief of the devoted things, to sacrifice to Yahweh your God in Gilgal.”

15:22 Samuel said, “Has Yahweh as great delight in burnt offerings and sacrifices, as in obeying the voice of Yahweh? Behold, to obey is better than sacrifice, and to listen than the fat of rams. 15:23 For rebellion is as the sin of witchcraft, and stubbornness is as idolatry and teraphim. Because you have rejected the word of Yahweh, he has also rejected you from being king.”

15:24 Saul said to Samuel, “I have sinned; for I have transgressed the commandment of Yahweh, and your words, because I feared the people, and obeyed their voice. 15:25 Now therefore, please pardon my sin, and turn again with me, that I may worship Yahweh.”

15:26 Samuel said to Saul, “I will not return with you; for you have rejected the word of Yahweh, and Yahweh has rejected you from being king over Israel.” 15:27 As Samuel turned about to go away, Saul grabbed the skirt of his robe, and it tore. 15:28 Samuel said to him, “Yahweh has torn the kingdom of Israel from you this day, and has given it to a neighbor of yours who is better than you. 15:29 Also the Strength of Israel will not lie nor repent; for he is not a man, that he should repent.”

15:30 Then he said, “I have sinned: yet please honor me now before the elders of my people, and before Israel, and come back with me, that I may worship Yahweh your God.”

15:31 So Samuel went back with Saul; and Saul worshiped Yahweh. 15:32 Then Samuel said, “Bring here to me Agag the king of the Amalekites!”

Agag came to him cheerfully. Agag said, “Surely the bitterness of death is past.”

15:33 Samuel said, “As your sword has made women childless, so your mother will be childless among women!” Samuel cut Agag in pieces before Yahweh in Gilgal.

15:34 Then Samuel went to Ramah; and Saul went up to his house to Gibeah of Saul. 15:35 Samuel came no more to see Saul until the day of his death; for Samuel mourned for Saul: and Yahweh grieved that he had made Saul king over Israel.

 

Chapitre 15
1 Samuel dit à Saül: C'est moi que l'Éternel a envoyé pour t'oindre roi sur son peuple, sur Israël: écoute donc ce que dit l'Éternel. 2 Ainsi parle l'Éternel des armées: Je me souviens de ce qu'Amalek fit à Israël, lorsqu'il lui ferma le chemin à sa sortie d'Égypte. 3 Va maintenant, frappe Amalek, et dévouez par interdit tout ce qui lui appartient; tu ne l'épargneras point, et tu feras mourir hommes et femmes, enfants et nourrissons, boeufs et brebis, chameaux et ânes. 4 Saül convoqua le peuple, et en fit la revue à Thelaïm: il y avait deux cent mille hommes de pied, et dix mille hommes de Juda. 5 Saül marcha jusqu'à la ville d'Amalek, et mit une embuscade dans la vallée. 6 Il dit aux Kéniens: Allez, retirez-vous, sortez du milieu d'Amalek, afin que je ne vous fasse pas périr avec lui; car vous avez eu de la bonté pour tous les enfants d'Israël, lorsqu'ils montèrent d'Égypte. Et les Kéniens se retirèrent du milieu d'Amalek. 7 Saül battit Amalek depuis Havila jusqu'à Schur, qui est en face de l'Égypte. 8 Il prit vivant Agag, roi d'Amalek, et il dévoua par interdit tout le peuple en le passant au fil de l'épée. 9 Mais Saül et le peuple épargnèrent Agag, et les meilleures brebis, les meilleurs boeufs, les meilleures bêtes de la seconde portée, les agneaux gras, et tout ce qu'il y avait de bon; ils ne voulurent pas le dévouer par interdit, et ils dévouèrent seulement tout ce qui était méprisable et chétif. 10 L'Éternel adressa la parole à Samuel, et lui dit: 11 Je me repens d'avoir établi Saül pour roi, car il se détourne de moi et il n'observe point mes paroles. Samuel fut irrité, et il cria à l'Éternel toute la nuit. 12 Il se leva de bon matin, pour aller au-devant de Saül. Et on vint lui dire: Saül est allé à Carmel, et voici, il s'est érigé un monument; puis il s'en est retourné, et, passant plus loin, il est descendu à Guilgal. 13 Samuel se rendit auprès de Saül, et Saül lui dit: Sois béni de l'Éternel! J'ai observé la parole de l'Éternel. 14 Samuel dit: Qu'est-ce donc que ce bêlement de brebis qui parvient à mes oreilles, et ce mugissement de boeufs que j'entends? 15 Saül répondit: Ils les ont amenés de chez les Amalécites, parce que le peuple a épargné les meilleures brebis et les meilleurs boeufs, afin de les sacrifier à l'Éternel, ton Dieu; et le reste, nous l'avons dévoué par interdit. 16 Samuel dit à Saül: Arrête, et je te déclarerai ce que l'Éternel m'a dit cette nuit. Et Saül lui dit: Parle! 17 Samuel dit: Lorsque tu étais petit à tes yeux, n'es-tu pas devenu le chef des tribus d'Israël, et l'Éternel ne t'a-t-il pas oint pour que tu sois roi sur Israël? 18 L'Éternel t'avait fait partir, en disant: Va, et dévoue par interdit ces pécheurs, les Amalécites; tu leur feras la guerre jusqu'à ce que tu les aies exterminés. 19 Pourquoi n'as-tu pas écouté la voix de l'Éternel? pourquoi t'es-tu jeté sur le butin, et as-tu fait ce qui est mal aux yeux de l'Éternel? 20 Saül répondit à Samuel: J'ai bien écouté la voix de l'Éternel, et j'ai suivi le chemin par lequel m'envoyait l'Éternel. J'ai amené Agag, roi d'Amalek, et j'ai dévoué par interdit les Amalécites; 21 mais le peuple a pris sur le butin des brebis et des boeufs, comme prémices de ce qui devait être dévoué, afin de les sacrifier à l'Éternel, ton Dieu, à Guilgal. 22 Samuel dit: L'Éternel trouve-t-il du plaisir dans les holocaustes et les sacrifices, comme dans l'obéissance à la voix de l'Éternel? Voici, l'obéissance vaut mieux que les sacrifices, et l'observation de sa parole vaut mieux que la graisse des béliers. 23 Car la désobéissance est aussi coupable que la divination, et la résistance ne l'est pas moins que l'idolâtrie et les théraphim. Puisque tu as rejeté la parole de l'Éternel, il te rejette aussi comme roi. 24 Alors Saül dit à Samuel: J'ai péché, car j'ai transgressé l'ordre de l'Éternel, et je n'ai pas obéi à tes paroles; je craignais le peuple, et j'ai écouté sa voix. 25 Maintenant, je te prie, pardonne mon péché, reviens avec moi, et je me prosternerai devant l'Éternel. 26 Samuel dit à Saül: Je ne retournerai point avec toi; car tu as rejeté la parole de l'Éternel, et l'Éternel te rejette, afin que tu ne sois plus roi sur Israël. 27 Et comme Samuel se tournait pour s'en aller, Saül le saisit par le pan de son manteau, qui se déchira. 28 Samuel lui dit: L'Éternel déchire aujourd'hui de dessus toi la royauté d'Israël, et il la donne à un autre, qui est meilleur que toi. 29 Celui qui est la force d'Israël ne ment point et ne se repent point, car il n'est pas un homme pour se repentir. 30 Saül dit encore: J'ai péché! Maintenant, je te prie, honore-moi en présence des anciens de mon peuple et en présence d'Israël; reviens avec moi, et je me prosternerai devant l'Éternel, ton Dieu. 31 Samuel retourna et suivit Saül, et Saül se prosterna devant l'Éternel. 32 Puis Samuel dit: Amenez-moi Agag, roi d'Amalek. Et Agag s'avança vers lui d'un air joyeux; il disait: Certainement, l'amertume de la mort est passée. 33 Samuel dit: De même que ton épée a privé des femmes de leurs enfants, ainsi ta mère entre les femmes sera privée d'un fils. Et Samuel mit Agag en pièces devant l'Éternel, à Guilgal. 34 Samuel partit pour Rama, et Saül monta dans sa maison à Guibea de Saül. 35 Samuel n'alla plus voir Saül jusqu'au jour de sa mort; car Samuel pleurait sur Saül, parce que l'Éternel se repentait d'avoir établi Saül roi d'Israël.