| Chapitre 13 1 [Ny niadian'ny Isiraely indray tamin'ny Filistina, sy ny nahadiso an'i Saoly, ary ny nandavan'Andriamanitra azy] Telo-polo taona Saoly, raha vao nanjaka; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy. 2 Ary Saoly nifantina telo arivo lahy tamin'ny Isiraely, ka ny roa arivo lahy nitoetra teo aminy tany Mikmasy sy tany amin'ny tany havoan'i Betela, ary ny arivo lahy nitoetra teo amin'i Jonatana tany Gibean'ny Benjamina; fa ny olona sisa kosa samy nampodiny ho any an-dainy avy. 3 Ary Jonatana namely ny miaramilan'ny Filistina, izay tany Geba, ary ren'ny Filistina izany. Ary Saoly nampitsoka anjomara teny amin'ny tany rehetra ka nanao hoe Aoka handre ny Hebreo. 4 Dia ren'ny Isiraely rehetra fa efa namely ny miaramilan'ny Filistina Saoly, ka dia halan'ny Filistina ny Isiraely. Dia nivory ny olona hanaraka an'i Saoly ho any Gilgala. 5 Ary ny Filistina telo alina an-kalesy sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina dia nivory hiady tamin'ny Isiraely; dia nandeha izy ka nitoby tany Mikmasy atsinanan'i Betavena. 6 Ary nony hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely fa poritra izy (fa efa ory indrindra ny olona), dia nijery tany an-johy sy tany amin'ny kirihitrala sy tany, amin'ny harambato sy tany amin'ny fierena ary tany amin'ny lavaka famorian-drano izy. 7 Ary ny Hebreo sasany dia lasa nita an'i Jordana nankany amin'ny tany Gada sy Gileada. Fa Saoly mbola tany Gilgala ihany, ary ny vahoaka rehetra nanaraka azy, nefa toran-kovitra be ihany. 8 Ary niandry hafitoana izy araka ny fotoana nataon'i Samoela; fa Samoela tsy mbola tonga tany Gilgala; ary ny olona niely nandao an'i Saoly. 9 Ary hoy Saoly: Ento etỳ amiko ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana; ka dia nanatitra ny fanatitra dorana izy. 10 Ary rehefa vita ny nanaterany ny fanatitra dorana, indro, tamy Samoela, ary nivoaka hitsena azy Saoly mba hiarahaba azy. 11 Dia hoy Samoela: Inona no nataonao? Ary hoy Saoly: Raha hitako fa niely nandao ahy ny olona, sady tsy tonga tamin'ny fotoana ianao, ary tafangona tany Mikmasy ny Filistina, 12 dia hoy izaho: Hidina amin'izao ny Filistina hamely ahy atỳ Gilgala, nefa tsy mbola nanao fifonana tamin'i Jehovah aho; dia sahy ihany aho ka nanatitra ny fanatitra dorana. 13 Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Nanao adala ianao; tsy nitandrina ny didin'i Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao; fa raha tsy izany, ankehitriny Jehovah dia ho nampitoetra ny fanjakanao amin'ny Isiraely ho mandrakizay. 14 Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao; Jehovah efa nitady lehilahy ho Azy araka ny fony, ary izay no voatendrin'i Jehovah ho mpanapaka ny olony, satria tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah anao ianao. 15 Dia niainga Samoela ka niala tany Gilgala hankany Gibean'ny Benjamina. Ary Saoly nandamina ny olona izay teo aminy, dia tokony ho enin-jato lahy reny. 16 [Ny nampahorian'ny Filistina ny Isiraely, sy ny nahasahian'i Jonatana namely azy] Ary raha mbola nitoetra tany Gibean'ny Benjamina Saoly sy Jonatana zanany sy ny vahoaka teo amin'izy roa lahy, ary ny Filistina kosa nitoby, tany Mikmasy. 17 dia nivoaka nanao telo toko ny mpandrava avy teo amin'ny tobin'ny Filistina: ny iray toko nizotra tamin'ny lalana mankany Ofra ho any amin'ny tany Solala; 18 ary ny iray toko nizotra ho any amin'ny lalana mankany Beti-horona; ary ny iray toko kosa nizotra ho any amin'ny lalana mankany amin'ny fari-tany manatrika ny lohasaha Zeboima tandrifin'ny efitra. 19 Ary teny amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra tsy nisy mpanefy; fa hoy ny Fifistina: Andrao manefy sabatra na lefona ny Hebreo. 20 Ka dia samy nidina ho any amin'ny Filistina ny Isiraely rehetra hanasa ny fangadiny sy ny fiasàny sy ny famakiny ary ny fihadia-taniny. 21 Nefa nanana tsofa ihany izy handranitany ny fihadian-tany sy ny fiasàna sy ny telorantsana sy ny famaky ary handranitany ny fanindronan-omby. 22 Ary tamin'ny andro niadiana dia tsy nisy sabatra na lefona hita teny an-tànan'ny vahoaka rehetra izay eo amin'i Saoly sy Jonatana; fa tamin'i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nisy. 23 Ary ny avy tao amin'ny miaramilan'ny Filistina nivoaka ho ao amin'ny hadilanana mankany. Mikmasy. | | 13:1 Saul reigned a year; and when he had reigned two years over Israel, 13:2 Saul chose for himself three thousand men of Israel, of which two thousand were with Saul in Michmash and in the Mount of Bethel, and one thousand were with Jonathan in Gibeah of Benjamin: and the rest of the people he sent every man to his tent. 13:3 Jonathan struck the garrison of the Philistines that was in Geba: and the Philistines heard of it. Saul blew the trumpet throughout all the land, saying, “Let the Hebrews hear!” 13:4 All Israel heard that Saul had struck the garrison of the Philistines, and also that Israel was had in abomination with the Philistines. The people were gathered together after Saul to Gilgal. 13:5 The Philistines assembled themselves together to fight with Israel, thirty thousand chariots, and six thousand horsemen, and people as the sand which is on the seashore in multitude: and they came up, and encamped in Michmash, eastward of Beth Aven. 13:6 When the men of Israel saw that they were in a strait (for the people were distressed), then the people hid themselves in caves, and in thickets, and in rocks, and in coverts, and in pits. 13:7 Now some of the Hebrews had gone over the Jordan to the land of Gad and Gilead; but as for Saul, he was yet in Gilgal, and all the people followed him trembling. 13:8 He stayed seven days, according to the time set by Samuel: but Samuel didn’t come to Gilgal; and the people were scattered from him. 13:9 Saul said, “Bring here the burnt offering to me, and the peace offerings.” He offered the burnt offering. 13:10 It came to pass that as soon as he had made an end of offering the burnt offering, behold, Samuel came; and Saul went out to meet him, that he might greet him. 13:11 Samuel said, “What have you done?” Saul said, “Because I saw that the people were scattered from me, and that you didn’t come within the days appointed, and that the Philistines assembled themselves together at Michmash; 13:12 therefore I said, ‘Now the Philistines will come down on me to Gilgal, and I haven’t entreated the favor of Yahweh.’ I forced myself therefore, and offered the burnt offering.” 13:13 Samuel said to Saul, “You have done foolishly. You have not kept the commandment of Yahweh your God, which he commanded you; for now Yahweh would have established your kingdom on Israel forever. 13:14 But now your kingdom shall not continue. Yahweh has sought for himself a man after his own heart, and Yahweh has appointed him to be prince over his people, because you have not kept that which Yahweh commanded you.” 13:15 Samuel arose, and went from Gilgal to Gibeah of Benjamin. Saul numbered the people who were present with him, about six hundred men. 13:16 Saul, and Jonathan his son, and the people who were present with them, stayed in Geba of Benjamin: but the Philistines encamped in Michmash. 13:17 The spoilers came out of the camp of the Philistines in three companies: one company turned to the way that leads to Ophrah, to the land of Shual; 13:18 and another company turned the way to Beth Horon; and another company turned the way of the border that looks down on the valley of Zeboim toward the wilderness. 13:19 Now there was no smith found throughout all the land of Israel; for the Philistines said, “Lest the Hebrews make them swords or spears”; 13:20 but all the Israelites went down to the Philistines, to sharpen every man his plowshare, mattock, axe, and sickle; 13:21 yet they had a file for the mattocks, and for the plowshares, and for the forks, and for the axes, and to set the goads. 13:22 So it came to pass in the day of battle, that there was neither sword nor spear found in the hand of any of the people who were with Saul and Jonathan: but with Saul and with Jonathan his son was there found. 13:23 The garrison of the Philistines went out to the pass of Michmash.
| | Chapitre 13 1 Saül était âgé de... ans, lorsqu'il devint roi, et il avait déjà régné deux ans sur Israël. 2 Saül choisit trois mille hommes d'Israël: deux mille étaient avec lui à Micmasch et sur la montagne de Béthel, et mille étaient avec Jonathan à Guibea de Benjamin. Il renvoya le reste du peuple, chacun à sa tente. 3 Jonathan battit le poste des Philistins qui était à Guéba, et les Philistins l'apprirent. Saül fit sonner de la trompette dans tout le pays, en disant: Que les Hébreux écoutent! 4 Tout Israël entendit que l'on disait: Saül a battu le poste des Philistins, et Israël se rend odieux aux Philistins. Et le peuple fut convoqué auprès de Saül à Guilgal. 5 Les Philistins s'assemblèrent pour combattre Israël. Ils avaient mille chars et six mille cavaliers, et ce peuple était innombrable comme le sable qui est sur le bord de la mer. Ils vinrent camper à Micmasch, à l'orient de Beth-Aven. 6 Les hommes d'Israël se virent à l'extrémité, car ils étaient serrés de près, et ils se cachèrent dans les cavernes, dans les buissons, dans les rochers, dans les tours et dans les citernes. 7 Il y eut aussi des Hébreux qui passèrent le Jourdain, pour aller au pays de Gad et de Galaad. Saül était encore à Guilgal, et tout le peuple qui se trouvait auprès de lui tremblait. 8 Il attendit sept jours, selon le terme fixé par Samuel. Mais Samuel n'arrivait pas à Guilgal, et le peuple se dispersait loin de Saül. 9 Alors Saül dit: Amenez-moi l'holocauste et les sacrifices d'actions de grâces. Et il offrit l'holocauste. 10 Comme il achevait d'offrir l'holocauste, voici, Samuel arriva, et Saül sortit au-devant de lui pour le saluer. 11 Samuel dit: Qu'as-tu fait? Saül répondit: Lorsque j'ai vu que le peuple se dispersait loin de moi, que tu n'arrivais pas au terme fixé, et que les Philistins étaient assemblés à Micmasch, 12 je me suis dit: Les Philistins vont descendre contre moi à Guilgal, et je n'ai pas imploré l'Éternel! C'est alors que je me suis fait violence et que j'ai offert l'holocauste. 13 Samuel dit à Saül: Tu as agi en insensé, tu n'as pas observé le commandement que l'Éternel, ton Dieu, t'avait donné. L'Éternel aurait affermi pour toujours ton règne sur Israël; 14 et maintenant ton règne ne durera point. L'Éternel s'est choisi un homme selon son coeur, et l'Éternel l'a destiné à être le chef de son peuple, parce que tu n'as pas observé ce que l'Éternel t'avait commandé. 15 Puis Samuel se leva, et monta de Guilgal à Guibea de Benjamin. Saül fit la revue du peuple qui se trouvait avec lui: il y avait environ six cents hommes. 16 Saül, son fils Jonathan, et le peuple qui se trouvait avec eux, avaient pris position à Guéba de Benjamin, et les Philistins campaient à Micmasch. 17 Il sortit du camp des Philistins trois corps pour ravager: l'un prit le chemin d'Ophra, vers le pays de Schual; 18 l'autre prit le chemin de Beth-Horon; et le troisième prit le chemin de la frontière qui regarde la vallée de Tseboïm, du côté du désert. 19 On ne trouvait point de forgeron dans tout le pays d'Israël; car les Philistins avaient dit: Empêchons les Hébreux de fabriquer des épées ou des lances. 20 Et chaque homme en Israël descendait chez les Philistins pour aiguiser son soc, son hoyau, sa hache et sa bêche, 21 quand le tranchant des bêches, des hoyaux, des tridents et des haches, était émoussé, et pour redresser les aiguillons. 22 Il arriva qu'au jour du combat il ne se trouvait ni épée ni lance entre les mains de tout le peuple qui était avec Saül et Jonathan; il ne s'en trouvait qu'auprès de Saül et de Jonathan, son fils. 23 Un poste de Philistins vint s'établir au passage de Micmasch. | |