T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 12

1 [Ny anatra nataon'i Samoela tamin'ny Isiraely noho ny nangatahany mpanjaka] Ary hoy Samoela tamin'ny Isiraely rehetra: Indro, efa nihaino ny teninareo aho tamin'izay rehetra nolazainareo tamiko ka efa nanendry mpanjaka hanjaka aminareo.

2 Ary ankehitriny, indro, ny mpanjaka mandeha eo anatrehanareo; fa izaho efa antitra sy fotsy volo; koa, indreo, eo aminareo ny zanako, ary izaho efa nandeha teo anatrehanareo hatry ny fony vao zaza ka mandraka androany.

3 Koa inty aho; tondroy maso eto anatrehan'i Jehovah sy ny voahosony aho: ombin'iza moa no nalaiko? na borikin'iza no nalaiko? na an'iza no nanaovako an-keriny? na iza no nampahoriko? na teo an-tànan'iza no nandraisako kolikoly hahatampina ny masoko? fa honerako aminareo izany.

4 Ary hoy ireo: Hianao tsy nanao an-keriny taminay, na nampahory anay, na naka zavatra teny an-tànan'olona na dia iray akory aza.

5 Dia hoy Samoela taminy: Vavolombelona aminareo anio Jehovah, ary vavolombelona koa ny voahosony, fa tsy nisy zavatra hitanareo teo an-tanako na inona na inona. Dia hoy ireo: Eny, vavolombelona Izy.

6 Ary hoy Samoela tamin'ny olona: Jehovah no nanendry an'i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.

7 Koa ankehitriny avia ianareo, fa hifandahatra aminareo eto anatrehan'i Jehovah aho ny amin'ny asa marina rehetra izay nataon'i Jehovah taminareo sy ny razanareo.

8 Rehefa tonga tany Egypta Jakoba, ka nitaraina tamin'i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka an'i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta ary namponina azy teto amin'ity tany ity.

9 Nefa raha nanadino an'i Jehovah Andriamaniny izy, dia namidiny ho eo an-tànan'i Sisera, komandin'ny miaramilan'i Hazora, sy ho eo an-tànan'ny Filistina ary ho eo an-tànan'ny mpanjakan'i Moaba, ka niadian'ireo izy.

10 Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an'i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.

11 Ary Jehovah efa naniraka an'i Jerobala sy Bedana* sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.[Na: (Baraka)]

12 Kanjo nony hitanareo fa avy hiady taminareo Nahasy, mpanjakan'ny Amonita, dia hoy ianareo tamiko: Tsia, fa aoka hisy mpanjaka hanjaka aminay; kanefa Jehovah Andriamanitrareo no mpanjakanareo.

13 Koa ankehitriny, indro ny mpanjaka izay nofidinareo sy nangatahinareo; ary indro fa Jehovah nanome mpanjaka hanjaka aminareo.

14 Enga anie ka hatahotra an'i Jehovah sy hanompo Azy ary hihaino ny feony ka tsy handà ny didiny ianareo, fa samy hanaraka an'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka aminareo.

15 Fa raha tsy mihaino ny tenin'i Jehovah kosa ianareo, fa mandà ny didiny, dia hamely anareo ny tànan'i Jehovah tahaka ny namelezany ny razanareo.

16 Koa mitsangàna ankehitriny, ka jereo izao zavatra lehibe hataon'i Jehovah eto imasonareo izao:

17 Moa tsy taom-pijinjana vary tritika va izao? Hiantso an'i Jehovah aho, ary hahatonga kotrokorana sy orana Izy, dia ho hitanareo sy ho fantatrareo fa lehibe ny ratsy nataonareo teo imason'i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ianareo.

18 Ary Samoela niantso an'i Jehovah, ary Jehovah nahatonga kotrokorana sy orana tamin'izany andro izany; ary ny vahoaka rehetra dia natahotra an'i Jehovah sy Samoela indrindra.

19 Dia hoy ny vahoaka rehetra tamin'i Samoela: Mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrao ho an'ny mpanomponao, Fandrao maty izahay! fa efa nanao izao ratsy Izao izahay ho fanampin'ny fahotanay rehetra, satria nangataka mpanjaka ho anay.

20 Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an'i Jehovah; fa manompoa Azy amin'ny fonareo rehetra.

21 Eny, aza mivily; fa manaraka ireo zava-poana ianareo, izay tsy mahasoa na mahavonjy; fa zava-poana ireo.

22 Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak'i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony.

23 Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin'i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo; fa izaho hanoro anareo izay lalana tsara sy mahitsy.

24 Kanefa matahora an'i Jehovah ianareo, ka manompoa Azy marina amin'ny fonareo rehetra; fa eritrereto izao zavatra lehibe nataony ho anareo izao.

25 Fa raha mbola manao ratsy ihany ianareo, dia haringana ianareo sy ny mpanjakanareo koa.

 

Chapitre 12

12:1 Samuel said to all Israel, “Behold, I have listened to your voice in all that you said to me, and have made a king over you. 12:2 Now, behold, the king walks before you; and I am old and gray-headed; and behold, my sons are with you: and I have walked before you from my youth to this day. 12:3 Here I am. Witness against me before Yahweh, and before his anointed. Whose ox have I taken? Whose donkey have I taken? Whom have I defrauded? Whom have I oppressed? Of whose hand have I taken a ransom to blind my eyes therewith? I will restore it to you.”

12:4 They said, “You have not defrauded us, nor oppressed us, neither have you taken anything of any man’s hand.”

12:5 He said to them, “Yahweh is witness against you, and his anointed is witness this day, that you have not found anything in my hand.”

They said, “He is witness.” 12:6 Samuel said to the people, “It is Yahweh who appointed Moses and Aaron, and that brought your fathers up out of the land of Egypt. 12:7 Now therefore stand still, that I may plead with you before Yahweh concerning all the righteous acts of Yahweh, which he did to you and to your fathers.

12:8 “When Jacob had come into Egypt, and your fathers cried to Yahweh, then Yahweh sent Moses and Aaron, who brought your fathers out of Egypt, and made them to dwell in this place.

12:9 “But they forgot Yahweh their God; and he sold them into the hand of Sisera, captain of the army of Hazor, and into the hand of the Philistines, and into the hand of the king of Moab; and they fought against them. 12:10 They cried to Yahweh, and said, ‘We have sinned, because we have forsaken Yahweh, and have served the Baals and the Ashtaroth: but now deliver us out of the hand of our enemies, and we will serve you.’ 12:11 Yahweh sent Jerubbaal, and Bedan, and Jephthah, and Samuel, and delivered you out of the hand of your enemies on every side; and you lived in safety.

12:12 “When you saw that Nahash the king of the children of Ammon came against you, you said to me, ‘No, but a king shall reign over us;’ when Yahweh your God was your king. 12:13 Now therefore see the king whom you have chosen, and whom you have asked for: and behold, Yahweh has set a king over you. 12:14 If you will fear Yahweh, and serve him, and listen to his voice, and not rebel against the commandment of Yahweh, then both you and also the king who reigns over you are followers of Yahweh your God. 12:15 But if you will not listen to the voice of Yahweh, but rebel against the commandment of Yahweh, then will the hand of Yahweh be against you, as it was against your fathers.

12:16 “Now therefore stand still and see this great thing, which Yahweh will do before your eyes. 12:17 Isn’t it wheat harvest today? I will call to Yahweh, that he may send thunder and rain; and you shall know and see that your wickedness is great, which you have done in the sight of Yahweh, in asking for a king.”

12:18 So Samuel called to Yahweh; and Yahweh sent thunder and rain that day: and all the people greatly feared Yahweh and Samuel.

12:19 All the people said to Samuel, “Pray for your servants to Yahweh your God, that we not die; for we have added to all our sins this evil, to ask us a king.”

12:20 Samuel said to the people, “Don’t be afraid. You have indeed done all this evil; yet don’t turn aside from following Yahweh, but serve Yahweh with all your heart. 12:21 Don’t turn aside to go after vain things which can’t profit nor deliver, for they are vain. 12:22 For Yahweh will not forsake his people for his great name’s sake, because it has pleased Yahweh to make you a people to himself. 12:23 Moreover as for me, far be it from me that I should sin against Yahweh in ceasing to pray for you: but I will instruct you in the good and the right way. 12:24 Only fear Yahweh, and serve him in truth with all your heart; for consider how great things he has done for you. 12:25 But if you shall still do wickedly, you shall be consumed, both you and your king.”

 

Chapitre 12
1 Samuel dit à tout Israël: Voici, j'ai écouté votre voix dans tout ce que vous m'avez dit, et j'ai établi un roi sur vous. 2 Et maintenant, voici le roi qui marchera devant vous. Pour moi, je suis vieux, j'ai blanchi, et mes fils sont avec vous; j'ai marché à votre tête, depuis ma jeunesse jusqu'à ce jour. 3 Me voici! Rendez témoignage contre moi, en présence de l'Éternel et en présence de son oint. De qui ai-je pris le boeuf et de qui ai-je pris l'âne? Qui ai-je opprimé, et qui ai-je traité durement? De qui ai-je reçu un présent, pour fermer les yeux sur lui? Je vous le rendrai. 4 Ils répondirent: Tu ne nous as point opprimés, et tu ne nous as point traités durement, et tu n'as rien reçu de la main de personne. 5 Il leur dit encore: L'Éternel est témoin contre vous, et son oint est témoin, en ce jour, que vous n'avez rien trouvé dans mes mains. Et ils répondirent: Ils en sont témoins. 6 Alors Samuel dit au peuple: C'est l'Éternel qui a établi Moïse et Aaron, et qui a fait monter vos pères du pays d'Égypte. 7 Maintenant, présentez-vous, et je vous jugerai devant l'Éternel sur tous les bienfaits que l'Éternel vous a accordés, à vous et à vos pères. 8 Après que Jacob fut venu en Égypte, vos pères crièrent à l'Éternel, et l'Éternel envoya Moïse et Aaron, qui firent sortir vos pères d'Égypte et les firent habiter dans ce lieu. 9 Mais ils oublièrent l'Éternel, leur Dieu; et il les vendit entre les mains de Sisera, chef de l'armée de Hatsor, entre les mains des Philistins, et entre les mains du roi de Moab, qui leur firent la guerre. 10 Ils crièrent encore à l'Éternel, et dirent: Nous avons péché, car nous avons abandonné l'Éternel, et nous avons servi les Baals et les Astartés; délivre-nous maintenant de la main de nos ennemis, et nous te servirons. 11 Et l'Éternel envoya Jerubbaal, Bedan, Jephthé et Samuel, et il vous délivra de la main de vos ennemis qui vous entouraient, et vous demeurâtes en sécurité. 12 Puis, voyant que Nachasch, roi des fils d'Ammon, marchait contre vous, vous m'avez dit: Non! mais un roi régnera sur nous. Et cependant l'Éternel, votre Dieu, était votre roi. 13 Voici donc le roi que vous avez choisi, que vous avez demandé; voici, l'Éternel a mis sur vous un roi. 14 Si vous craignez l'Éternel, si vous le servez, si vous obéissez à sa voix, et si vous n'êtes point rebelles à la parole de l'Éternel, vous vous attacherez à l'Éternel, votre Dieu, vous et le roi qui règne sur vous. 15 Mais si vous n'obéissez pas à la voix de l'Éternel, et si vous êtes rebelles à la parole de l'Éternel, la main de l'Éternel sera contre vous, comme elle a été contre vos pères. 16 Attendez encore ici, et voyez le prodige que l'Éternel va opérer sous vos yeux. 17 Ne sommes-nous pas à la moisson des blés? J'invoquerai l'Éternel, et il enverra du tonnerre et de la pluie. Sachez alors et voyez combien vous avez eu tort aux yeux de l'Éternel de demander pour vous un roi. 18 Samuel invoqua l'Éternel, et l'Éternel envoya ce même jour du tonnerre et de la pluie. Tout le peuple eut une grande crainte de l'Éternel et de Samuel. 19 Et tout le peuple dit à Samuel: Prie l'Éternel, ton Dieu, pour tes serviteurs, afin que nous ne mourions pas; car nous avons ajouté à tous nos péchés le tort de demander pour nous un roi. 20 Samuel dit au peuple: N'ayez point de crainte! Vous avez fait tout ce mal; mais ne vous détournez pas de l'Éternel, et servez l'Éternel de tout votre coeur. 21 Ne vous en détournez pas; sinon, vous iriez après des choses de néant, qui n'apportent ni profit ni délivrance, parce que ce sont des choses de néant. 22 L'Éternel n'abandonnera point son peuple, à cause de son grand nom, car l'Éternel a résolu de faire de vous son peuple. 23 Loin de moi aussi de pécher contre l'Éternel, de cesser de prier pour vous! Je vous enseignerai le bon et le droit chemin. 24 Craignez seulement l'Éternel, et servez-le fidèlement de tout votre coeur; car voyez quelle puissance il déploie parmi vous. 25 Mais si vous faites le mal, vous périrez, vous et votre roi.