T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 10

1 Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan'i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany?

2 Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan'ny fasan-dRahely, ao amin'ny fari-tanin'ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin'ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin'ny zanako?

3 Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin'ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin'ny olona telo lahy miakatra ho any amin'Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak'osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara*; [Na: siny hoditra]

4 ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin'ny tànany izany.

5 Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean'Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan'ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin'ny mpaminany maro irai-dia midina avy ao amin'ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo.

6 Ary hilatsaka aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao.

7 Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon'ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao.

8 Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao.

9 Ary raha vao nihodina niala tamin'i Samoela izy, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo.

10 Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.

11 Ary nony hitan'izay rehetra nahalala azy hatramin'ny taloha fa, indro, maminany eo amin'ny mpaminany izy, dia nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga amin'ny zanak'i Kisy izao? Saoly koa va mba isan'ny mpaminany?

12 Ary ny anankiray teo namaly hoe: Fa iza moa no rain'ireny? Ary izany no nisehoan'ny fitenenana hoe: Saoly koa va mba isan'ny mpaminany?

13 Ary rehefa nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin'ny fitoerana avo.

14 Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saoly taminy sy tamin'ny mpanompony: Taiza no alehanareo? Ary hoy izy: Nitady ny boriky izahay; ka nony tsy hitanay izy, dia nankany amin'i Samoela izahay.

15 Ary hoy ny rahalahin-drain'i Saoly: Masìna ianao, lazao amiko izay nolazain'i Samoela taminao.

16 Dia hoy Saoly tamin'ny rahalahin-drainy: Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain'i Samoela ny amin'ny fanjakana tsy mba nambarany taminy.

17 Ary Samoela namory ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin'i Jehovah

18 ka nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tanan'ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo.

19 Nefa ianareo kosa efa nandà an'Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin'ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan'i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.

20 Dia nampanatona ny firenen'Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen'i Benjamina no voafidy.

21 Dia nampanatona ny firenen'i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon'ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak'i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy.

22 Dia nanontany tamin'i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin'ny entana izy.

23 Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan'ny olona izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin'ny sorony no ho miakatra ny halavany.

24 Ary hoy Samoela tamin'ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin'i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin'ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka.

25 Ary Samoela nilaza tamin'ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin'ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan'i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin'i Samoela ho any an-tranony avy.

26 Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin'ny tànan'Andriamanitra ny fony.

27 Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon'io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an'i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.

 

Chapitre 10

10:1 Then Samuel took the vial of oil, and poured it on his head, and kissed him, and said, “Isn’t it that Yahweh has anointed you to be prince over his inheritance? 10:2 When you have departed from me today, then you shall find two men by Rachel’s tomb, in the border of Benjamin at Zelzah; and they will tell you, ‘The donkeys which you went to seek have been found; and behold, your father has stopped caring about the donkeys, and is anxious for you, saying, “What shall I do for my son?”’

10:3 “Then you shall go on forward from there, and you shall come to the oak of Tabor; and three men shall meet you there going up to God to Bethel, one carrying three young goats, and another carrying three loaves of bread, and another carrying a bottle of wine: 10:4 and they will greet you, and give you two loaves of bread, which you shall receive of their hand.

10:5 “After that you shall come to the hill of God, where is the garrison of the Philistines: and it shall happen, when you have come there to the city, that you shall meet a band of prophets coming down from the high place with a psaltery, and a tambourine, and a pipe, and a harp, before them; and they will be prophesying: 10:6 and the Spirit of Yahweh will come mightily on you, and you shall prophesy with them, and shall be turned into another man. 10:7 Let it be, when these signs have come to you, that you do as occasion shall serve you; for God is with you.

10:8 “You shall go down before me to Gilgal; and behold, I will come down to you, to offer burnt offerings, and to sacrifice sacrifices of peace offerings: you shall wait seven days, until I come to you, and show you what you shall do.” 10:9 It was so, that when he had turned his back to go from Samuel, God gave him another heart: and all those signs happened that day. 10:10 When they came there to the hill, behold, a band of prophets met him; and the Spirit of God came mightily on him, and he prophesied among them. 10:11 It happened, when all who knew him before saw that, behold, he prophesied with the prophets, then the people said one to another, “What is this that has come to the son of Kish? Is Saul also among the prophets?”

10:12 One of the same place answered, “Who is their father?” Therefore it became a proverb, “Is Saul also among the prophets?” 10:13 When he had made an end of prophesying, he came to the high place.

10:14 Saul’s uncle said to him and to his servant, “Where did you go?”

He said, “To seek the donkeys. When we saw that they were not found, we came to Samuel.”

10:15 Saul’s uncle said, “Please tell me what Samuel said to you.”

10:16 Saul said to his uncle, “He told us plainly that the donkeys were found.” But concerning the matter of the kingdom, of which Samuel spoke, he didn’t tell him.

10:17 Samuel called the people together to Yahweh to Mizpah; 10:18 and he said to the children of Israel, “Thus says Yahweh, the God of Israel, ‘I brought up Israel out of Egypt, and I delivered you out of the hand of the Egyptians, and out of the hand of all the kingdoms that oppressed you:’ 10:19 but you have this day rejected your God, who himself saves you out of all your calamities and your distresses; and you have said to him, ‘No! Set a king over us.’ Now therefore present yourselves before Yahweh by your tribes, and by your thousands.”

10:20 So Samuel brought all the tribes of Israel near, and the tribe of Benjamin was taken. 10:21 He brought the tribe of Benjamin near by their families; and the family of the Matrites was taken; and Saul the son of Kish was taken: but when they sought him, he could not be found. 10:22 Therefore they asked of Yahweh further, “Is there yet a man to come here?”

Yahweh answered, “Behold, he has hidden himself among the baggage.”

10:23 They ran and fetched him there; and when he stood among the people, he was higher than any of the people from his shoulders and upward. 10:24 Samuel said to all the people, “You see him whom Yahweh has chosen, that there is none like him among all the people?”

All the people shouted, and said, “Let the king live!”

10:25 Then Samuel told the people the regulations of the kingdom, and wrote it in a book, and laid it up before Yahweh. Samuel sent all the people away, every man to his house. 10:26 Saul also went to his house to Gibeah; and there went with him the army, whose hearts God had touched. 10:27 But certain worthless fellows said, “How shall this man save us?” They despised him, and brought him no present. But he held his peace.

 

Chapitre 10
1 Samuel prit une fiole d'huile, qu'il répandit sur la tête de Saül. Il le baisa, et dit: L'Éternel ne t'a-t-il pas oint pour que tu sois le chef de son héritage? 2 Aujourd'hui, après m'avoir quitté, tu trouveras deux hommes près du sépulcre de Rachel, sur la frontière de Benjamin, à Tseltsach. Ils te diront: Les ânesses que tu es allé chercher sont retrouvées; et voici, ton père ne pense plus aux ânesses, mais il est en peine de vous, et dit: Que dois-je faire au sujet de mon fils? 3 De là tu iras plus loin, et tu arriveras au chêne de Thabor, où tu seras rencontré par trois hommes montant vers Dieu à Béthel, et portant l'un trois chevreaux, l'autre trois gâteaux de pain, et l'autre une outre de vin. 4 Ils te demanderont comment tu te portes, et ils te donneront deux pains, que tu recevras de leur main. 5 Après cela, tu arriveras à Guibea-Élohim, où se trouve une garnison de Philistins. En entrant dans la ville, tu rencontreras une troupe de prophètes descendant du haut lieu, précédés du luth, du tambourin, de la flûte et de la harpe, et prophétisant eux-mêmes. 6 L'esprit de l'Éternel te saisira, tu prophétiseras avec eux, et tu seras changé en un autre homme. 7 Lorsque ces signes auront eu pour toi leur accomplissement, fais ce que tu trouveras à faire, car Dieu est avec toi. 8 Puis tu descendras avant moi à Guilgal; et voici, je descendrai vers toi, pour offrir des holocaustes et des sacrifices d'actions de grâces. Tu attendras sept jours, jusqu'à ce que j'arrive auprès de toi et que je te dise ce que tu dois faire. 9 Dès que Saül eut tourné le dos pour se séparer de Samuel, Dieu lui donna un autre coeur, et tous ces signes s'accomplirent le même jour. 10 Lorsqu'ils arrivèrent à Guibea, voici, une troupe de prophètes vint à sa rencontre. L'esprit de Dieu le saisit, et il prophétisa au milieu d'eux. 11 Tous ceux qui l'avaient connu auparavant virent qu'il prophétisait avec les prophètes, et l'on se disait l'un à l'autre dans le peuple: Qu'est-il arrivé au fils de Kis? Saül est-il aussi parmi les prophètes? 12 Quelqu'un de Guibea répondit: Et qui est leur père? -De là le proverbe: Saül est-il aussi parmi les prophètes? 13 Lorsqu'il eut fini de prophétiser, il se rendit au haut lieu. 14 L'oncle de Saül dit à Saül et à son serviteur: Où êtes-vous allés? Saül répondit: Chercher les ânesses; mais nous ne les avons pas aperçues, et nous sommes allés vers Samuel. 15 L'oncle de Saül reprit: Raconte-moi donc ce que vous a dit Samuel. 16 Et Saül répondit à son oncle: Il nous a assuré que les ânesses étaient retrouvées. Et il ne lui dit rien de la royauté dont avait parlé Samuel. 17 Samuel convoqua le peuple devant l'Éternel à Mitspa, 18 et il dit aux enfants d'Israël: Ainsi parle l'Éternel, le Dieu d'Israël: J'ai fait monter d'Égypte Israël, et je vous ai délivrés de la main des Égyptiens et de la main de tous les royaumes qui vous opprimaient. 19 Et aujourd'hui, vous rejetez votre Dieu, qui vous a délivrés de tous vos maux et de toutes vos souffrances, et vous lui dites: Établis un roi sur nous! Présentez-vous maintenant devant l'Éternel, selon vos tribus et selon vos milliers. 20 Samuel fit approcher toutes les tribus d'Israël, et la tribu de Benjamin fut désignée. 21 Il fit approcher la tribu de Benjamin par familles, et la famille de Matri fut désignée. Puis Saül, fils de Kis, fut désigné. On le chercha, mais on ne le trouva point. 22 On consulta de nouveau l'Éternel: Y a-t-il encore un homme qui soit venu ici? Et l'Éternel dit: Voici, il est caché vers les bagages. 23 On courut le tirer de là, et il se présenta au milieu du peuple. Il les dépassait tous de la tête. 24 Samuel dit à tout le peuple: Voyez-vous celui que l'Éternel a choisi? Il n'y a personne dans tout le peuple qui soit semblable à lui. Et tout le peuple poussa les cris de: Vive le roi! 25 Samuel fit alors connaître au peuple le droit de la royauté, et il l'écrivit dans un livre, qu'il déposa devant l'Éternel. Puis il renvoya tout le peuple, chacun chez soi. 26 Saül aussi s'en alla dans sa maison à Guibea. Il fut accompagné par les honnêtes gens, dont Dieu avait touché le coeur. 27 Il y eut toutefois des hommes pervers, qui disaient: Quoi! c'est celui-ci qui nous sauvera! Et ils le méprisèrent, et ne lui apportèrent aucun présent. Mais Saül n'y prit point garde.