T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 5

1 [Fananarana ny loholona mba ho malemy fanahy sy ho mahatoky, ary fananarana ny olona rehetra mba hanetry tena sy hitandrina. Vavaka farany sy fanaovam-beloma] Koa ny amin'ny loholona* izay eo aminareo, izaho, izay naman ny loholona* sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: [* Gr. presbytera]

2 Andraso ny ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo*, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny sitrapo,[araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa amin'ny zotom-panahy; *[ Na: izay andraikitrareo]

3 tsy ho mpanjakazaka, amin'ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran'ny ondry.

4 Ary rehefa miseho ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satro-boninahitra tsy mety simba ianareo,

5 Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona*. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34). [* Gr. presbytera]

6 Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro;

7 ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55.22).

8 Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;

9 tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.

10 Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.

11 Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.

12 Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an'i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan'Andriamanitra,- tomoera tsara amin'izany ianareo.

13 Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa.

14 Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny fiadanana.

 

Chapitre 5

5:1 I exhort the elders among you, as a fellow elder, and a witness of the sufferings of Christ, and who will also share in the glory that will be revealed. 5:2 Shepherd the flock of God which is among you, exercising the oversight, not under compulsion, but voluntarily, not for dishonest gain, but willingly; 5:3 neither as lording it over those entrusted to you, but making yourselves examples to the flock. 5:4 When the chief Shepherd is revealed, you will receive the crown of glory that doesn’t fade away.

5:5 Likewise, you younger ones, be subject to the elder. Yes, all of you clothe yourselves with humility, to subject yourselves to one another; for “God resists the proud, but gives grace to the humble.”* 5:6 Humble yourselves therefore under the mighty hand of God, that he may exalt you in due time; 5:7 casting all your worries on him, because he cares for you.

5:8 Be sober and self-controlled. Be watchful. Your adversary, the devil, walks around like a roaring lion, seeking whom he may devour. 5:9 Withstand him steadfast in your faith, knowing that your brothers who are in the world are undergoing the same sufferings. 5:10 But may the God of all grace, who called you to his eternal glory by Christ Jesus, after you have suffered a little while, perfect, establish, strengthen, and settle you. 5:11 To him be the glory and the power forever and ever. Amen.

5:12 Through Silvanus, our faithful brother, as I consider him, I have written to you briefly, exhorting, and testifying that this is the true grace of God in which you stand. 5:13 She who is in Babylon, chosen together with you, greets you; and so does Mark, my son. 5:14 Greet one another with a kiss of love. Peace be to you all who are in Christ Jesus. Amen.

 

Chapitre 5
1 Voici les exhortations que j'adresse aux anciens qui sont parmi vous, moi ancien comme eux, témoin des souffrances de Christ, et participant de la gloire qui doit être manifestée: 2 Paissez le troupeau de Dieu qui est sous votre garde, non par contrainte, mais volontairement, selon Dieu; non pour un gain sordide, mais avec dévouement; 3 non comme dominant sur ceux qui vous sont échus en partage, mais en étant les modèles du troupeau. 4 Et lorsque le souverain pasteur paraîtra, vous obtiendrez la couronne incorruptible de la gloire. 5 De même, vous qui êtes jeunes, soyez soumis aux anciens. Et tous, dans vos rapports mutuels, revêtez-vous d'humilité; car Dieu résiste aux orgueilleux, Mais il fait grâce aux humbles. 6 Humiliez-vous donc sous la puissante main de Dieu, afin qu'il vous élève au temps convenable; 7 et déchargez-vous sur lui de tous vos soucis, car lui-même prend soin de vous. 8 Soyez sobres, veillez. Votre adversaire, le diable, rôde comme un lion rugissant, cherchant qui il dévorera. 9 Résistez-lui avec une foi ferme, sachant que les mêmes souffrances sont imposées à vos frères dans le monde. 10 Le Dieu de toute grâce, qui vous a appelés en Jésus-Christ à sa gloire éternelle, après que vous aurez souffert un peu de temps, vous perfectionnera lui-même, vous affermira, vous fortifiera, vous rendra inébranlables. 11 A lui soit la puissance aux siècles des siècles! Amen! 12 C'est par Silvain, qui est à mes yeux un frère fidèle, que je vous écris ce peu de mots, pour vous exhorter et pour vous attester que la grâce de Dieu à laquelle vous êtes attachés est la véritable. 13 L'Église des élus qui est à Babylone vous salue, ainsi que Marc, mon fils. 14 Saluez-vous les uns les autres par un baiser d'affection. Que la paix soit avec vous tous qui êtes en Christ!