| Chapitre 9 1 [Ny valin'ny vavaka nataon'i Solomona] Ary rehefa vitan'i Solomona ny nanaovany ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny mpanjaka araka izay rehetra efa niriny hatao, 2 dia niseho tamin'i Solomona indray Jehovah tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibeona. 3 Ary hoy Jehovah taminy: Efa reko ny vavakao sy ny fifonanao izay nataonao teo anatrehako; koa efa nohamasiniko ity trano nataonao ity mba hampitoerana ny anarako mandrakizay: ary ho amin'ity mandrakariva ny masoko sy ny foko. 4 Ary raha ianao handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao tamin'ny fahitsian'ny fo sy ny fahamarinana ka hanao araka izay rehetra nandidiako anao ary hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko, 5 dia hampitoeriko mandrakizay amin'ny Isiraely ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ilay nolazaiko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao. 6 Fa raha miala amin'ny fanarahana Ahy kosa ianareo na ny zanakareo ka tsy mitandrina ny lalàko sy ny didiko, izay nataoko teo anoloanareo, fa mandeha manompo andriamanikafa sy miankohoka eo anatrehany, 7 dia hofongorako tsy ho amin'ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an'ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin'ny firenena rehetra; 8 ary na dia avo aza ity trano ity, dia mbola hitalanjonan'izay rehetra mandalo izy sady hisitrisirany ka hanaovany hoe: Naninona re no dia nataon'i Jehovah toy izao ity tany sy ity trano ity? 9 Ary hisy hamaly hoe: Satria ny olona nahafoy an'i Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra ny razany nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ary nikikitra tamin'andriamani-kafa sy niankohoka teo anatrehany ka nanompo azy, dia izany no nampidiran'i Jehovah izao loza rehetra izao taminy. 10 [Ny amin'ny mpiasan'i Solomona sy ny zavatra nentiny nanao ny tempoly] Ary nony afaka ny roa-polo taona nanaovan'i Solomona ny trano roa, dia ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'ny mpanjaka 11 (Hirama, mpanjakan'i Tyro, nanome an'i Solomona hazo sedera sy hazo kypreso ary volamena, araka izay rehetra niriny), dia nomen'i Solomona tanàna roa-polo tany amin'ny tany Galilia kosa Hirama. 12 Ary Hirama niala tany Tyro hizaha ny tanàna izay nomen'i Solomona azy, ka tsy tiany ireny. 13 Dia hoy izy: Hatao inona ireo tanàna nomenao ahy ireo, ry rahalahiko? Ary ireny dia natao hoe tany Kobola mandraka androany. 14 Ary Hirama nampanatitra talenta volamena roa-polo amby zato ho an'ny mpanjaka. 15 Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin'i Solomona mpanjaka ny olona, tamin'ny nanaovany ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana ary Milo* sy ny màndan'i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera [Heb. fiarovana] 16 (fa Farao, mpanjakan'i Egypta, efa niakatra, dia nahafaka an'i Gazera ka nandoro azy tamin'ny afo; ary ny Kananita izay nitoetra tao an-tanàna dia novonoiny, ary ny tanàna dia nomeny ho haren-jazavavy ho an'ny zananivavy, vadin'i Solomona), 17 ary, Solomona nanamboatra an'i Gazera sy Beti-horona ambany 18 sy Baleta sy Tadmora any an-efitra, amin'ny tany Samata, 19 ary ny tanàna fitehirizana rehetra izay nananan'i Solomona sy ny tanàna fitoeran'ny kalesy sy ny tanàna fitoeran'ny mpitaingin-tsoavaly sy izay tian'i Solomona haorina tany Jerosalema sy tany Libanona ary tany amin'ny tany nanjakany rehetra. 20 Ary ny olona sisa rehetra tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan'ny Zanak'Isiraely, 21 dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin'ny tany, izay tsy azon'ny Isiraely naringana* avokoa, no nampanaovin'i Solomona fanompoana mandraka androany.[Heb. natao herema] 22 Fa ny Zanak'Isiraely dia tsy mba nampanaovin'i Solomona izany; fa izy kosa no miaramila sy mpanompony sy komandy sy mpanafika malaza sy komandin'ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny. 23 Izao no isan'ny mpifehy ny olona voatendry izay nitandrina ny asan'i Solomona: dimam-polo amby dimam-jato lahy no mpifehy ny mpiasa. 24 Ary rehefa niakatra avy any an-Tanànan'i Davida ny zanakavavin'i Farao hankany amin'ny tranony izay nataon'i Solomona ho azy, dia nanao an'i Milo* koa izy.[Heb. fiarovana] 25 Ary intelo isan-taona no nanateran'i Solomona fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo ambonin'ny alitara izay naoriny ho an'i Jehovah, sady nandoro ditin-kazo manitra teo ambonin'ny alitara teo anatrehan'i Jehovah izy. Ka toy izany no nahavitany ny trano. 26 Ary Solomona mpanjaka nanao sambo tao Ezion-gebera, izay ao anilan'i Elota, ao amoron'ny Ranomasina Mena, amin'ny tany Edoma. 27 Ary Hirama nampandeha ny vahoakany tamin'ny sambo, dia matilô izay nahay ranomasina, hiaraka amin'ny vahoakan'i Solomona. 28 Ary nankany Ofira ireo, dia naka talenta volamena roa-polo amby efa-jato, ka nentiny tany amin'i Solomona mpanjaka izany.
| | Chapitre 9 1 It happened, when Solomon had finished the building of the house of Yahweh, and the king’s house, and all Solomon’s desire which he was pleased to do, 2 that Yahweh appeared to Solomon the second time, as he had appeared to him at Gibeon. 3 Yahweh said to him, “I have heard your prayer and your supplication, that you have made before me. I have made this house holy, which you have built, to put my name there forever; and my eyes and my heart shall be there perpetually. 4 As for you, if you will walk before me, as David your father walked, in integrity of heart, and in uprightness, to do according to all that I have commanded you, and will keep my statutes and my ordinances; 5 then I will establish the throne of your kingdom over Israel forever, according as I promised to David your father, saying, ‘There shall not fail you a man on the throne of Israel.’ 6 But if you turn away from following me, you or your children, and not keep my commandments and my statutes which I have set before you, but shall go and serve other gods, and worship them; 7 then will I cut off Israel out of the land which I have given them; and this house, which I have made holy for my name, will I cast out of my sight; and Israel shall be a proverb and a byword among all peoples. 8 Though this house is so high, yet shall everyone who passes by it be astonished, and shall hiss; and they shall say, ‘Why has Yahweh done thus to this land, and to this house?’ 9 and they shall answer, ‘Because they forsook Yahweh their God, who brought their fathers out of the land of Egypt, and laid hold of other gods, and worshiped them, and served them. Therefore Yahweh has brought all this evil on them.’” 10 It happened at the end of twenty years, in which Solomon had built the two houses, the house of Yahweh and the king’s house 11 (now Hiram the king of Tyre had furnished Solomon with cedar trees and fir trees, and with gold, according to all his desire), that then king Solomon gave Hiram twenty cities in the land of Galilee. 12 Hiram came out from Tyre to see the cities which Solomon had given him; and they didn’t please him. 13 He said, “What cities are these which you have given me, my brother?” He called them the land of Cabul to this day. 14 Hiram sent to the king one hundred twenty talents of gold. 15 This is the reason of the levy which king Solomon raised, to build the house of Yahweh, and his own house, and Millo, and the wall of Jerusalem, and Hazor, and Megiddo, and Gezer. 16 Pharaoh king of Egypt had gone up, and taken Gezer, and burnt it with fire, and slain the Canaanites who lived in the city, and given it for a portion to his daughter, Solomon’s wife. 17 Solomon built Gezer, and Beth Horon the lower, 18 and Baalath, and Tamar in the wilderness, in the land, 19 and all the storage cities that Solomon had, and the cities for his chariots, and the cities for his horsemen, and that which Solomon desired to build for his pleasure in Jerusalem, and in Lebanon, and in all the land of his dominion. 20 As for all the people who were left of the Amorites, the Hittites, the Perizzites, the Hivites, and the Jebusites, who were not of the children of Israel; 21 their children who were left after them in the land, whom the children of Israel were not able utterly to destroy, of them Solomon raised a levy of bondservants to this day. 22 But of the children of Israel Solomon made no bondservants; but they were the men of war, and his servants, and his princes, and his captains, and rulers of his chariots and of his horsemen. 23 These were the chief officers who were over Solomon’s work, five hundred fifty, who bore rule over the people who labored in the work. 24 But Pharaoh’s daughter came up out of the city of David to her house which Solomon had built for her: then he built Millo. 25 Solomon offered burnt offerings and peace offerings on the altar which he built to Yahweh three times a year, burning incense with them, on the altar that was before Yahweh. So he finished the house. 26 King Solomon made a navy of ships in Ezion Geber, which is beside Eloth, on the shore of the Red Sea, in the land of Edom. 27 Hiram sent in the navy his servants, sailors who had knowledge of the sea, with the servants of Solomon. 28 They came to Ophir, and fetched from there gold, four hundred and twenty talents, and brought it to king Solomon.
| | Chapitre 9 1 Lorsque Salomon eut achevé de bâtir la maison de l'Éternel, la maison du roi, et tout ce qu'il lui plut de faire, 2 l'Éternel apparut à Salomon une seconde fois, comme il lui était apparu à Gabaon. 3 Et l'Éternel lui dit: J'exauce ta prière et ta supplication que tu m'as adressées, je sanctifie cette maison que tu as bâtie pour y mettre à jamais mon nom, et j'aurai toujours là mes yeux et mon coeur. 4 Et toi, si tu marches en ma présence comme a marché David, ton père, avec sincérité de coeur et avec droiture, faisant tout ce que je t'ai commandé, si tu observes mes lois et mes ordonnances, 5 j'établirai pour toujours le trône de ton royaume en Israël, comme je l'ai déclaré à David, ton père, en disant: Tu ne manqueras jamais d'un successeur sur le trône d'Israël. 6 Mais si vous vous détournez de moi, vous et vos fils, si vous n'observez pas mes commandements, mes lois que je vous ai prescrites, et si vous allez servir d'autres dieux et vous prosterner devant eux, 7 j'exterminerai Israël du pays que je lui ai donné, je rejetterai loin de moi la maison que j'ai consacrée à mon nom, et Israël sera un sujet de sarcasme et de raillerie parmi tous les peuples. 8 Et si haut placée qu'ait été cette maison, quiconque passera près d'elle sera dans l'étonnement et sifflera. On dira: Pourquoi l'Éternel a-t-il ainsi traité ce pays et cette maison? 9 Et l'on répondra: Parce qu'ils ont abandonné l'Éternel, leur Dieu, qui a fait sortir leurs pères du pays d'Égypte, parce qu'ils se sont attachés à d'autres dieux, se sont prosternés devant eux et les ont servis; voilà pourquoi l'Éternel a fait venir sur eux tous ces maux. 10 Au bout de vingt ans, Salomon avait bâti les deux maisons, la maison de l'Éternel et la maison du roi. 11 Alors, comme Hiram, roi de Tyr, avait fourni à Salomon des bois de cèdre et des bois de cyprès, et de l'or, autant qu'il en voulut, le roi Salomon donna à Hiram vingt villes dans le pays de Galilée. 12 Hiram sortit de Tyr, pour voir les villes que lui donnait Salomon. Mais elles ne lui plurent point, 13 et il dit: Quelles villes m'as-tu données là, mon frère? Et il les appela pays de Cabul, nom qu'elles ont conservé jusqu'à ce jour. 14 Hiram avait envoyé au roi cent vingt talents d'or. 15 Voici ce qui concerne les hommes de corvée que leva le roi Salomon pour bâtir la maison de l'Éternel et sa propre maison, Millo, et le mur de Jérusalem, Hatsor, Meguiddo et Guézer. 16 Pharaon, roi d'Égypte, était venu s'emparer de Guézer, l'avait incendiée, et avait tué les Cananéens qui habitaient dans la ville. Puis il l'avait donnée pour dot à sa fille, femme de Salomon. 17 Et Salomon bâtit Guézer, Beth-Horon la basse, 18 Baalath, et Thadmor, au désert dans le pays, 19 toutes les villes servant de magasins et lui appartenant, les villes pour les chars, les villes pour la cavalerie, et tout ce qu'il plut à Salomon de bâtir à Jérusalem, au Liban, et dans tout le pays dont il était le souverain. 20 Tout le peuple qui était resté des Amoréens, des Héthiens, des Phéréziens, des Héviens et des Jébusiens, ne faisant point partie des enfants d'Israël, 21 leurs descendants qui étaient restés après eux dans le pays et que les enfants d'Israël n'avaient pu dévouer par interdit, Salomon les leva comme esclaves de corvée, ce qu'ils ont été jusqu'à ce jour. 22 Mais Salomon n'employa point comme esclaves les enfants d'Israël; car ils étaient des hommes de guerre, ses serviteurs, ses chefs, ses officiers, les commandants de ses chars et de sa cavalerie. 23 Les chefs préposés par Salomon sur les travaux étaient au nombre de cinq cent cinquante, chargés de surveiller les ouvriers. 24 La fille de Pharaon monta de la cité de David dans sa maison que Salomon lui avait construite. Ce fut alors qu'il bâtit Millo. 25 Salomon offrit trois fois dans l'année des holocaustes et des sacrifices d'actions de grâces sur l'autel qu'il avait bâti à l'Éternel, et il brûla des parfums sur celui qui était devant l'Éternel. Et il acheva la maison. 26 Le roi Salomon construisit des navires à Etsjon-Guéber, près d'Éloth, sur les bords de la mer Rouge, dans le pays d'Édom. 27 Et Hiram envoya sur ces navires, auprès des serviteurs de Salomon, ses propres serviteurs, des matelots connaissant la mer. 28 Ils allèrent à Ophir, et ils y prirent de l'or, quatre cent vingt talents, qu'ils apportèrent au roi Salomon.
| |