T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 7

1 [Ny nanaovan'i Solomona ny lapany] Ary telo ambin'ny folo taona no nanaovan'i Solomona ny lapany, dia vita.

2 Fa nanao ilay trano Alan'i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin'ny andry sedera efatra andalana mbamin'ny sedera rairainy teo ambonin'ny andry.

3 Ary ireo efi-trano teo ambonin'ny andry notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy ambin'ny folo isan'andalana, ka dimy amby efa-polo izy rehetra.

4 Ary ny rairainy dia telo andalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo.

5 Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo.

6 Ary dia nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan'io.

7 Ary nataony koa ny lavarangana hitoeran'ny seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny lavarangana fitsarana; ary nataony hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra*.[Na: na ny gorodony, na ny rihana]

8 Ary ny tranony izay nitoerany teo amin'ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin'io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an'ny zanakavavin'i Farao, izay efa nampakariny ho vady.

9 Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin'ny fanambaniny ka hatramin'ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin'ny kianja lehibe.

10 Ary vato tsara sady lehibe ny fanorenany, dia vato folo hakiho sy valo hakiho.

11 Ary teo ambony nisy vato tsara voapaika araka ny marika sy hazo sedera;

12 ary manodidina ny kianja lehibe dia nasiany vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana, tahaka ny amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah sy amin'ny lavarangana fidirana amin'ny trano.

13 [Ny nanaovan'i Solomona ny fanaka momba ny tempoly] Ary Solomona mpanjaka naniraka haka an'i Hirama avy tany Tyro.

14 Zanaky ny vehivavy mpitondra-tena tamin'ny firenen'i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin'i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy.

15 Dia nanao ny andry varahina roa izy: valo ambin'ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina azy*.[Heb. ny faharoa]

16 Ary nanao kapitaly varahina roa anidina izy hatao eo amin'ny tampon'ny andry: dimy hakiho avy ny hahavony,

17 ary harato sy fesitona miolana amin'ny kapitaly izay teo amin'ny tampon'ny andry avy: fito amin'ny kapitaly iray, ary fito koa amin'ny kapitaly iray.

18 Ary nanao ny andry izy, ary nisy roa andalana manodidina tamin'ny asa harato iray, hafono ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry; ary toy izany koa no nataony tamin'ny kapitaly iray.

19 Ary ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry dia nataony mitarehim-boninkazo lilia tahaka ny amin'ny lavarangana fidirana, ary efatra hakiho ny hahavony;

20 ary ny kapitaly teo an-tampon'ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin'ny kibony izay anatin'ny harato; ary nisy sarin'ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy.

21 Ary ny andry dia natsangany teo amin'ny lavarangana fidirana amin'ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina*; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza**. [*Jakina = Hampiorina izy][**Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]

22 Ary nisy natao mitarehim-boninkazo lilia teo an-tampon'ny andry. Toy izany no nahavitany ny asa tamin'ny andry.

23 Ary nanao ny tavin-drano* an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben'ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy. [Heb. ranomasina]

24 Ary tambanin'ny molotry ny tavin-drano lehibe* manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin'ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe*, ary naidiny ho roa andalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin'ny tavin-drano. [Heb. ranomasina]

25 Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby roa ambin'ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe* dia teo ambonin'ireo, ary niady vody izy rehetra. [Heb. ranomasina]

26 Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy.

27 Ary nanao ny fitoeran-tavin-drano varahina folo izy: efatra hakiho ny lavan'ny anankiray, ary efatra hakiho koa ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony.

28 Ary toy izao ny asa amin'ireo fitoeran-tavin-drano ireo: nisy kobany izy, ary ireo kobany ireo dia teo anatin'ny sisiny;

29 ary tamin'ny kobany izay nohodidinin'ny sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima; ary teo ambonin'ny sisiny koa nisy faladiany; ary teo ambanin'ny sarin-diona sy omby nisy fesitona mihantona.

30 Ary isan'ireo fitoeran-tavin-drano ireo nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia varahina, ary ny tongony efatra nisy sorony; teo ambanin'ny tavin-drano no nisy ny sorony* anidina manandrify ny fesitona tsirairay. [Na: ary ny tongony efatra dia tonga sorony]

31 Ary ny vavan'ny fitoeran-tavin-drano dia teo anatin'ny kapitaliny, ary mbola nisy iray hakiho teo ambonin'io; ary ny vavany dia hakiho iray sy tapany sady boribory tahaka ny amin'ny faladia, ary tamin'ny vavany koa nisy soratra, ary ny kobany teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory.

32 Ary ny kodia efatra dia teo ambanin'ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin'ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon'ny kodia.

33 Ary ny fomban'ny kodia dia tahaka ny amin'ny kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa.

34 Ary nisy sorony efatra tamin'ny zorony efatra amin'ny fitoeran-tavin-drano iray, sady nitranga avy teo amin'ny fitoeran-tavin-drano ireo.

35 Ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny hahavony; ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny kobany dia natao an-idina iray aminy.

36 Fa ny koban'ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy liona ary hazo rofia*, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina. [palma]

37 Tahaka izany no nanaovany ny fitoeran-tavin-drano folo: samy natao an-idina avokoa, ary nitovy halehibe sy nitovy tarehy izy.

38 Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin'ny fitoerany folo.

39 Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan'ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian'ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe* nataony teo ankavanan'ny trano, dia teo atsimo-atsinanana.[Heb. ranomasina]

40 Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan'i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah:

41 dia ny andry roa sy ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry roa, sy ny harato roa izay hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy,

42 ary ny sarin'ampongabendanitra efa-jato ho amin'ny harato roa, ampongabendanitra roa andalana ho amin'ny harato iray hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry avy,

43 ary ny fitoeran-tavin-drano folo sy ny tavin-drano folo ho eo ambonin'ny fitoerany

44 ary ny tavin-drano lehibe* iray sy ny sarin'omby roa ambin'ny folo teo ambaniny. [Heb. ranomasina]

45 ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon'i Hirama ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'1 Jehovah, dia varahina manganohano avokoa.

46 Teo amin'ny tany amoron'i Jordana no nanaovan'ny mpanjaka an-idina azy tamin'ny tanimanga teo anelanelan'i Sokota sy Zaretana.

47 Ary tsy nolanjain'i Solomona ny fanaka rehetra, satria be loatra izy; ary tsy nozahana izay lanjan'ny varahina.

48 Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao amin'ny tranon'i Jehovah: ny alitara volamena sy ny latabatra volamena, izay fitoeran'ny mofo aseho,

49 ary ny fanaovan-jiro, dimy amin'ny ankavanana ary dimy amin'ny ankavia, teo anoloan'ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa;

50 ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin'ny lela-varavaran'ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, sy ho amin'ny lela-varavaran'ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa.

51 Toy izany no nahavitana ny asa nataon'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin'i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.


 

Chapitre 7

1 Solomon was building his own house thirteen years, and he finished all his house.

2 For he built the house of the forest of Lebanon; its length was one hundred cubits, and its breadth fifty cubits, and its height thirty cubits, on four rows of cedar pillars, with cedar beams on the pillars.

3 It was covered with cedar above over the forty-five beams, that were on the pillars; fifteen in a row.

4 There were beams in three rows, and window was over against window in three ranks. 5 All the doors and posts were made square with beams: and window was over against window in three ranks.

6 He made the porch of pillars; its length was fifty cubits, and its breadth thirty cubits; and a porch before them; and pillars and a threshold before them.

7 He made the porch of the throne where he was to judge, even the porch of judgment: and it was covered with cedar from floor to floor.

8 His house where he was to dwell, the other court within the porch, was of the like work. He made also a house for Pharaoh’s daughter (whom Solomon had taken as wife), like this porch.

9 All these were of costly stones, even of cut stone, according to measure, sawed with saws, inside and outside, even from the foundation to the coping, and so on the outside to the great court.

10 The foundation was of costly stones, even great stones, stones of ten cubits, and stones of eight cubits.

11 Above were costly stones, even cut stone, according to measure, and cedar wood.

12 The great court around had three courses of cut stone, and a course of cedar beams; like as the inner court of the house of Yahweh, and the porch of the house.

13 King Solomon sent and fetched Hiram out of Tyre.

14 He was the son of a widow of the tribe of Naphtali, and his father was a man of Tyre, a worker in brass; and he was filled with wisdom and understanding and skill, to work all works in brass. He came to king Solomon, and performed all his work.

15 For he fashioned the two pillars of brass, eighteen cubits high apiece: and a line of twelve cubits encircled either of them about.

16 He made two capitals of molten brass, to set on the tops of the pillars: the height of the one capital was five cubits, and the height of the other capital was five cubits.

17 There were nets of checker work, and wreaths of chain work, for the capitals which were on the top of the pillars; seven for the one capital, and seven for the other capital.

18 So he made the pillars; and there were two rows around on the one network, to cover the capitals that were on the top of the pillars: and he did so for the other capital.

19 The capitals that were on the top of the pillars in the porch were of lily work, four cubits.

20 There were capitals above also on the two pillars, close by the belly which was beside the network: and the pomegranates were two hundred, in rows around on the other capital.

21 He set up the pillars at the porch of the temple: and he set up the right pillar, and called its name Jachin; and he set up the left pillar, and called its name Boaz.

22 On the top of the pillars was lily work: so was the work of the pillars finished.

23 He made the molten sea of ten cubits from brim to brim, round in compass, and its height was five cubits; and a line of thirty cubits encircled it. 24 Under its brim around there were buds which encircled it, for ten cubits, encircling the sea: the buds were in two rows, cast when it was cast.

25 It stood on twelve oxen, three looking toward the north, and three looking toward the west, and three looking toward the south, and three looking toward the east; and the sea was set on them above, and all their hinder parts were inward. 26 It was a handbreadth thick: and its brim was worked like the brim of a cup, like the flower of a lily: it held two thousand baths.

27 He made the ten bases of brass; four cubits was the length of one base, and four cubits its breadth, and three cubits its height.

28 The work of the bases was like this: they had panels; and there were panels between the ledges;

29 and on the panels that were between the ledges were lions, oxen, and cherubim; and on the ledges there was a pedestal above; and beneath the lions and oxen were wreaths of hanging work.

30 Every base had four bronze wheels, and axles of brass; and the four feet of it had supports: beneath the basin were the supports molten, with wreaths at the side of each.

31 The mouth of it within the capital and above was a cubit: and its mouth was round after the work of a pedestal, a cubit and a half; and also on its mouth were engravings, and their panels were foursquare, not round.

32 The four wheels were underneath the panels; and the axles of the wheels were in the base: and the height of a wheel was a cubit and half a cubit.

33 The work of the wheels was like the work of a chariot wheel: their axles, and their rims, and their spokes, and their naves, were all molten.

34 There were four supports at the four corners of each base: its supports were of the base itself.

35 In the top of the base was there a round compass half a cubit high; and on the top of the base its stays and its panels were of the same.

36 On the plates of its stays, and on its panels, he engraved cherubim, lions, and palm trees, according to the space of each, with wreaths all around. 37 In this way, he made the ten bases: all of them had one casting, one measure, and one form.

38 He made ten basins of brass: one basin contained forty baths; and every basin was four cubits; and on every one of the ten bases one basin. 39 He set the bases, five on the right side of the house, and five on the left side of the house: and he set the sea on the right side of the house eastward, toward the south.

40 Hiram made the basins, and the shovels, and the basins. So Hiram made an end of doing all the work that he worked for king Solomon in the house of Yahweh:

41 the two pillars, and the two bowls of the capitals that were on the top of the pillars; and the two networks to cover the two bowls of the capitals that were on the top of the pillars;

42 and the four hundred pomegranates for the two networks; two rows of pomegranates for each network, to cover the two bowls of the capitals that were on the pillars;

43 and the ten bases, and the ten basins on the bases;

44 and the one sea, and the twelve oxen under the sea;

45 and the pots, and the shovels, and the basins: even all these vessels, which Hiram made for king Solomon, in the house of Yahweh, were of burnished brass.

46 The king cast them in the plain of the Jordan, in the clay ground between Succoth and Zarethan.

47 Solomon left all the vessels unweighed, because they were exceeding many: the weight of the brass could not be found out.

48 Solomon made all the vessels that were in the house of Yahweh: the golden altar, and the table whereupon the show bread was, of gold;

49 and the lampstands, five on the right side, and five on the left, before the oracle, of pure gold; and the flowers, and the lamps, and the tongs, of gold; 50 and the cups, and the snuffers, and the basins, and the spoons, and the fire pans, of pure gold; and the hinges, both for the doors of the inner house, the most holy place, and for the doors of the house, of the temple, of gold.

51 Thus all the work that king Solomon worked in the house of Yahweh was finished. Solomon brought in the things which David his father had dedicated, the silver, and the gold, and the vessels, and put them in the treasuries of the house of Yahweh.


 

Chapitre 7
1 Salomon bâtit encore sa maison, ce qui dura treize ans jusqu'à ce qu'il l'eût entièrement achevée.

2 Il construisit d'abord la maison de la forêt du Liban, longue de cent coudées, large de cinquante coudées, et haute de trente coudées. Elle reposait sur quatre rangées de colonnes de cèdre, et il y avait des poutres de cèdre sur les colonnes.

3 On couvrit de cèdre les chambres qui portaient sur les colonnes et qui étaient au nombre de quarante-cinq, quinze par étage.

4 Il y avait trois étages, à chacun desquels se trouvaient des fenêtres les unes vis-à-vis des autres.

5 Toutes les portes et tous les poteaux étaient formés de poutres en carré; et, à chacun des trois étages, les ouvertures étaient les unes vis-à-vis des autres.

6 Il fit le portique des colonnes, long de cinquante coudées et large de trente coudées, et un autre portique en avant avec des colonnes et des degrés sur leur front.

7 Il fit le portique du trône, où il rendait la justice, le portique du jugement; et il le couvrit de cèdre, depuis le sol jusqu'au plafond.

8 Sa maison d'habitation fut construite de la même manière, dans une autre cour, derrière le portique. Et il fit une maison du même genre que ce portique pour la fille de Pharaon, qu'il avait prise pour femme.

9 Pour toutes ces constructions on employa de magnifiques pierres, taillées d'après des mesures, sciées avec la scie, intérieurement et extérieurement, et cela depuis les fondements jusqu'aux corniches, et en dehors jusqu'à la grande cour.

10 Les fondements étaient en pierres magnifiques et de grande dimension, en pierres de dix coudées et en pierres de huit coudées.

11 Au-dessus il y avait encore de magnifiques pierres, taillées d'après des mesures, et du bois de cèdre.

12 La grande cour avait dans tout son circuit trois rangées de pierres de taille et une rangée de poutres de cèdre, comme le parvis intérieur de la maison de l'Éternel, et comme le portique de la maison.

13 Le roi Salomon fit venir de Tyr Hiram,

14 fils d'une veuve de la tribu de Nephthali, et d'un père Tyrien, qui travaillait sur l'airain. Hiram était rempli de sagesse, d'intelligence, et de savoir pour faire toutes sortes d'ouvrages d'airain. Il arriva auprès du roi Salomon, et il exécuta tous ses ouvrages.

15 Il fit les deux colonnes d'airain. La première avait dix-huit coudées de hauteur, et un fil de douze coudées mesurait la circonférence de la seconde. 16 Il fondit deux chapiteaux d'airain, pour mettre sur les sommets des colonnes; le premier avait cinq coudées de hauteur, et le second avait cinq coudées de hauteur.

17 Il fit des treillis en forme de réseaux, des festons façonnés en chaînettes, pour les chapiteaux qui étaient sur le sommet des colonnes, sept pour le premier chapiteau, et sept pour le second chapiteau. 18 Il fit deux rangs de grenades autour de l'un des treillis, pour couvrir le chapiteau qui était sur le sommet d'une des colonnes; il fit de même pour le second chapiteau.

19 Les chapiteaux qui étaient sur le sommet des colonnes, dans le portique, figuraient des lis et avaient quatre coudées. 20 Les chapiteaux placés sur les deux colonnes étaient entourés de deux cents grenades, en haut, près du renflement qui était au delà du treillis; il y avait aussi deux cents grenades rangées autour du second chapiteau.

21 Il dressa les colonnes dans le portique du temple; il dressa la colonne de droite, et la nomma Jakin; puis il dressa la colonne de gauche, et la nomma Boaz.

22 Il y avait sur le sommet des colonnes un travail figurant des lis. Ainsi fut achevé l'ouvrage des colonnes

23 Il fit la mer de fonte. Elle avait dix coudées d'un bord à l'autre, une forme entièrement ronde, cinq coudées de hauteur, et une circonférence que mesurait un cordon de trente coudées.

24 Des coloquintes l'entouraient au-dessous de son bord, dix par coudée, faisant tout le tour de la mer; les coloquintes, disposées sur deux rangs, étaient fondues avec elle en une seule pièce. 25 Elle était posée sur douze boeufs, dont trois tournés vers le nord, trois tournés vers l'occident, trois tournés vers le midi, et trois tournés vers l'orient; la mer était sur eux, et toute la partie postérieure de leur corps était en dedans.

26 Son épaisseur était d'un palme; et son bord, semblable au bord d'une coupe, était façonné en fleur de lis. Elle contenait deux mille baths.

27 Il fit les dix bases d'airain. Chacune avait quatre coudées de longueur, quatre coudées de largeur, et trois coudées de hauteur.

28 Voici en quoi consistaient ces bases. Elles étaient formées de panneaux, liés aux coins par des montants.

29 Sur les panneaux qui étaient entre les montants il y avait des lions, des boeufs et des chérubins; et sur les montants, au-dessus comme au-dessous des lions et des boeufs, il y avait des ornements qui pendaient en festons.

30 Chaque base avait quatre roues d'airain avec des essieux d'airain; et aux quatre angles étaient des consoles de fonte, au-dessous du bassin, et au delà des festons.

31 Le couronnement de la base offrait à son intérieur une ouverture avec un prolongement d'une coudée vers le haut; cette ouverture était ronde, comme pour les ouvrages de ce genre, et elle avait une coudée et demie de largeur; il s'y trouvait aussi des sculptures. Les panneaux étaient carrés, et non arrondis.

32 Les quatre roues étaient sous les panneaux, et les essieux des roues fixés à la base; chacune avait une coudée et demie de hauteur.

33 Les roues étaient faites comme celles d'un char. Leurs essieux, leurs jantes, leurs rais et leurs moyeux, tout était de fonte.

34 Il y avait aux quatre angles de chaque base quatre consoles d'une même pièce que la base.

35 La partie supérieure de la base se terminait par un cercle d'une demi-coudée de hauteur, et elle avait ses appuis et ses panneaux de la même pièce. 36 Il grava sur les plaques des appuis, et sur les panneaux, des chérubins, des lions et des palmes, selon les espaces libres, et des guirlandes tout autour.

37 C'est ainsi qu'il fit les dix bases: la fonte, la mesure et la forme étaient les mêmes pour toutes.

38 Il fit dix bassins d'airain. Chaque bassin contenait quarante baths, chaque bassin avait quatre coudées, chaque bassin était sur l'une des dix bases.

39 Il plaça cinq bases sur le côté droit de la maison, et cinq bases sur le côté gauche de la maison; et il plaça la mer du côté droit de la maison, au sud-est.

40 Hiram fit les cendriers, les pelles et les coupes. Ainsi Hiram acheva tout l'ouvrage que le roi Salomon lui fit faire pour la maison de l'Éternel;

41 deux colonnes, avec les deux chapiteaux et leurs bourrelets sur le sommet des colonnes; les deux treillis, pour couvrir les deux bourrelets des chapiteaux sur le sommet des colonnes;

42 les quatre cents grenades pour les deux treillis, deux rangées de grenades par treillis, pour couvrir les deux bourrelets des chapiteaux sur le sommet des colonnes;

43 les dix bases, et les dix bassins sur les bases;

44 la mer, et les douze boeufs sous la mer;

45 les cendriers, les pelles et les coupes. Tous ces ustensiles que le roi Salomon fit faire à Hiram pour la maison de l'Éternel étaient d'airain poli. 46 Le roi les fit fondre dans la plaine du Jourdain dans un sol argileux, entre Succoth et Tsarthan.

47 Salomon laissa tous ces ustensiles sans vérifier le poids de l'airain, parce qu'ils étaient en très grande quantité.

48 Salomon fit encore tous les autres ustensiles pour la maison de l'Éternel: l'autel d'or; la table d'or, sur laquelle on mettait les pains de proposition;

49 les chandeliers d'or pur, cinq à droite et cinq à gauche, devant le sanctuaire, avec les fleurs, les lampes et les mouchettes d'or;

50 les bassins, les couteaux, les coupes, les tasses et les brasiers d'or pur; et les gonds d'or pour la porte de l'intérieur de la maison à l'entrée du lieu très saint, et pour la porte de la maison à l'entrée du temple.

51 Ainsi fut achevé tout l'ouvrage que le roi Salomon fit pour la maison de l'Éternel. Puis il apporta l'argent, l'or et les ustensiles, que David, son père, avait consacrés, et il les mit dans les trésors de la maison de l'Éternel.