T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 6

1 [Ny nanaovana ny tempoly] Ary tamin'ny taona fahavalo-polo amby efa-jato taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta tamin'ny volana Ziva (volana faharoa izany), tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Solomona tamin'ny Isiraely, dia nanorina ny tranon'i Jehovah izy.

2 Ary ny trano nataon'i Solomona mpanjaka ho an'i Jehovah dia enim-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony.

3 Ary ny lavarangana fidirana teo anoloan'ny ati-trano lehibe, dia roa-polo hakiho ny lavany mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary folo akiho ny habeny teo anoloan'ny trano ihany.

4 Ary ny varavarankelin'ny trano nataony makarakara tsy mivoha.

5 Ary tamin'ny lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin'ny ati-trano lehibe, na amin'ny efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina;

6 ny efi-trano ambany indrindra, dimy hakiho ny sakany, ary ny an-tenatenany, enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelony, dia fito hakiho sakany; fa ny rindrina ivelan'ny trano dia ahenany manodidina isaky ny mifanongoa, mba tsy hisy hitsatoka amin'ny rindrina.

7 Ary tamin'ny nanaovana ny trano dia vato voapaika rahateo hatrany amin'ny fihadiam-bato no nanaovany azy: ka dia tsy nisy feon'ny tantanana, na fandraka, na vy fiasana, re tao an-trano tamin'ny nanaovany azy.

8 Ny varavarana mankao amin'ny efi-trano an-tenatenany dia teo amin'ny ilany ankavanan'ny trano; ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin'ny efi-trano an-tenatenany, ary avy tao amin'ny an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin'ny fahatelony.

9 Toy izany no nanaovany ny trano sy nahavitany azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka sedera no nataony tafon'ny trano.

10 Ary ny paosin-trano nataony manodidina ny trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo sedera no nikambanany tamin'ny trano.

11 Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Solomona nanao hoe:

12 Ny amin'ity trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin'i Davida rainao;

13 ary hitoetra ao amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko.

14 Ary nataon'i Solomona ny trano, ka dia vitany.

15 Ary ny rindrina anatiny nopetahany hazo sedera; hatramin'ny vodi-rindrina ka hatramin'ny loha-rindrina dia nopetahany hazo avokoa ary hazo kypreso no nataony gorodon'ny trano.

16 Ary ny roa-polo hakiho hatreo amin'ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera hatramin'ny vodirindrina ka hatramin'ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra anatiny izany, dia ny fitoerana masina indrindra.

17 Ary ny lavan'ny ati-trano lehibe teo anoloan'io dia efa-polo hakiho.

18 Ary ny sedera amin'ny ati-trano dia nosoratany nasiany sarin'ny voantango sy voninkazo mivelatra; sedera avokoa izy, ka tsy nisy vato niseho.

19 Nanisy efitra anatiny tao anatin'ny trano izy hametrahany ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.

20 Ary teo anoloan'ny efitra anatiny roa-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, roa-polo hakiho koa ny hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia nopetahany hazo sedera ny alitara.

21 Ary nopetahan'i Solomona takela-bolamena tsara indrindra ny atin'ny trano; sady nasiany vakoka volamena hisakana eo anoloan'ny efitra anatiny; ary nopetahany takela-bolamena koa ny alitara.

22 Izao ati-trano rehetra izao dia nopetahany takela-bolamena avokoa; ary ny alitara momba ny efitra anatiny koa dia nopetahany takela-bolamena avokoa.

23 Ary tao anatin'ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa. samy folo hakiho avy no hahavony.

24 Ary samy dimy hakiho avy ny elatry ny kerobima iray, dia folo hakiho hatramin'ny tendron'elany anankiray ka hatramin'ny tendron'elany anankiray.

25 Ary ny kerobima iray koa folo hakiho; fa ny kerobima roa mitovy halehibe sy mitovy tarehy:

26 Folo hakiho ny hahavon'ny kerobima iray, ary tahaka io ihany koa ny kerobima anankiray.

27 Ary ny kerobima nataony tao afovoan'ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin'ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan'ny trano.

28 Ary nopetahany takela-bolamena ny kerobima.

29 Ary ny rindrina manodidina nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia* ary voninkazo mivelatra, na ny efitra anatiny, na ny ati-trano lehibe.[palma]

30 Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodona, na ny teo amin'ny efi-trano anatiny, na ny teo amin'ny ati-trano lehibe.

31 Ary ny varavarana mankao amin'ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin'ny sakan-trano.[palma]

32 Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia* ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia.[palma]

33 Dia toy izany koa ny varavarana mankao amin'ny ati-trano lehibe, dia nasiany tolam-baravarana hazo oliva mahafeno ny ampahefatry ny sahan-trano.

34 Ary ny lela-varavarana hazo kypreso kopa-droa dia kamban-droa samy nisy savily avy.

35 Ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia ary voninkazo mivelatra ireo, dia nopetahany volamena manify ny sorany.

36 Ary nanao ny kianja tao anatiny tamin'ny vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana izy.

37 Tamin'ny volana Ziva tamin'ny taona fahefatra, no; nanaovany ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah.

38 Ary tamin'ny volana Bola (volana fahavalo izany), tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo, no nahavitany ny trano araka ny fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia fito taona no nanaovany azy.


 

Chapitre 6

1 It happened in the four hundred and eightieth year after the children of Israel had come out of the land of Egypt, in the fourth year of Solomon’s reign over Israel, in the month Ziv, which is the second month, that he began to build the house of Yahweh.

2 The house which king Solomon built for Yahweh, its length was sixty cubits, and its breadth twenty, and its height thirty cubits.

3 The porch before the temple of the house, twenty cubits was its length, according to the breadth of the house. Ten cubits was its breadth before the house.

4 For the house he made windows of fixed lattice work.

5 Against the wall of the house he built stories all around, against the walls of the house all around, both of the temple and of the oracle; and he made side rooms all around.

6 The nethermost story was five cubits broad, and the middle was six cubits broad, and the third was seven cubits broad; for on the outside he made offsets in the wall of the house all around, that the beams should not have hold in the walls of the house.

7 The house, when it was in building, was built of stone prepared at the quarry; and there was neither hammer nor axe nor any tool of iron heard in the house, while it was in building.

8 The door for the middle side rooms was in the right side of the house: and they went up by winding stairs into the middle story, and out of the middle into the third.

9 So he built the house, and finished it; and he covered the house with beams and planks of cedar.

10 He built the stories against all the house, each five cubits high: and they rested on the house with timber of cedar.

11 The word of Yahweh came to Solomon, saying,

12 “Concerning this house which you are building, if you will walk in my statutes, and execute my ordinances, and keep all my commandments to walk in them; then will I establish my word with you, which I spoke to David your father.

13 I will dwell among the children of Israel, and will not forsake my people Israel.”

14 So Solomon built the house, and finished it.

15 He built the walls of the house within with boards of cedar: from the floor of the house to the walls of the ceiling, he covered them on the inside with wood; and he covered the floor of the house with boards of fir.

16 He built twenty cubits on the hinder part of the house with boards of cedar from the floor to the ceiling: he built them for it within, for an oracle, even for the most holy place.

17 In front of the temple sanctuary was forty cubits.

18 There was cedar on the house within, carved with buds and open flowers: all was cedar; there was no stone seen.

19 He prepared an oracle in the midst of the house within, to set there the ark of the covenant of Yahweh.

20 Within the oracle was twenty cubits in length, and twenty cubits in breadth, and twenty cubits in its height; and he overlaid it with pure gold: and he covered the altar with cedar.

21 So Solomon overlaid the house within with pure gold: and he drew chains of gold across before the oracle; and he overlaid it with gold.

22 The whole house he overlaid with gold, until all the house was finished: also the whole altar that belonged to the oracle he overlaid with gold.

23 In the oracle he made two cherubim of olive wood, each ten cubits high.

24 Five cubits was the one wing of the cherub, and five cubits the other wing of the cherub: from the uttermost part of the one wing to the uttermost part of the other were ten cubits.

25 The other cherub was ten cubits: both the cherubim were of one measure and one form. 26 The height of the one cherub was ten cubits, and so was it of the other cherub.

27 He set the cherubim within the inner house; and the wings of the cherubim were stretched forth, so that the wing of the one touched the one wall, and the wing of the other cherub touched the other wall; and their wings touched one another in the midst of the house.

28 He overlaid the cherubim with gold.

29 He carved all the walls of the house around with carved figures of cherubim and palm trees and open flowers, inside and outside.

30 The floor of the house he overlaid with gold, inside and outside.

31 For the entrance of the oracle he made doors of olive wood: the lintel and door posts were a fifth part of the wall.

32 So he made two doors of olive wood; and he carved on them carvings of cherubim and palm trees and open flowers, and overlaid them with gold; and he spread the gold on the cherubim, and on the palm trees.

33 So also made he for the entrance of the temple door posts of olive wood, out of a fourth part of the wall;

34 and two doors of fir wood: the two leaves of the one door were folding, and the two leaves of the other door were folding. 35 He carved cherubim and palm trees and open flowers; and he overlaid them with gold fitted on the engraved work.

36 He built the inner court with three courses of cut stone, and a course of cedar beams.

37 In the fourth year was the foundation of the house of Yahweh laid, in the month Ziv. 38 In the eleventh year, in the month Bul, which is the eighth month, was the house finished throughout all its parts, and according to all its fashion. So was he seven years in building it.


 

Chapitre 6
1 Ce fut la quatre cent quatre-vingtième année après la sortie des enfants d'Israël du pays d'Égypte que Salomon bâtit la maison à l'Éternel, la quatrième année de son règne sur Israël, au mois de Ziv, qui est le second mois.

2 La maison que le roi Salomon bâtit à l'Éternel avait soixante coudées de longueur, vingt de largeur, et trente de hauteur.

3 Le portique devant le temple de la maison avait vingt coudées de longueur répondant à la largeur de la maison, et dix coudées de profondeur sur la face de la maison.

4 Le roi fit à la maison des fenêtres solidement grillées.

5 Il bâtit contre le mur de la maison des étages circulaires, qui entouraient les murs de la maison, le temple et le sanctuaire; et il fit des chambres latérales tout autour. 6 L'étage inférieur était large de cinq coudées, celui du milieu de six coudées, et le troisième de sept coudées; car il ménagea des retraites à la maison tout autour en dehors, afin que la charpente n'entrât pas dans les murs de la maison.

7 Lorsqu'on bâtit la maison, on se servit de pierres toutes taillées, et ni marteau, ni hache, ni aucun instrument de fer, ne furent entendus dans la maison pendant qu'on la construisait.

8 L'entrée des chambres de l'étage inférieur était au côté droit de la maison; on montait à l'étage du milieu par un escalier tournant, et de l'étage du milieu au troisième.

9 Après avoir achevé de bâtir la maison, Salomon la couvrit de planches et de poutres de cèdre.

10 Il donna cinq coudées de hauteur à chacun des étages qui entouraient toute la maison, et il les lia à la maison par des bois de cèdre.

11 L'Éternel adressa la parole à Salomon, et lui dit:

12 (6:11) Tu bâtis cette maison! (6:12) Si tu marches selon mes lois, si tu pratiques mes ordonnances, si tu observes et suis tous mes commandements, j'accomplirai à ton égard la promesse que j'ai faite à David, ton père,

13 j'habiterai au milieu des enfants d'Israël, et je n'abandonnerai point mon peuple d'Israël.

14 Après avoir achevé de bâtir la maison,

15 Salomon en revêtit intérieurement les murs de planches de cèdre, depuis le sol jusqu'au plafond; il revêtit ainsi de bois l'intérieur, et il couvrit le sol de la maison de planches de cyprès.

16 Il revêtit de planches de cèdre les vingt coudées du fond de la maison, depuis le sol jusqu'au haut des murs, et il réserva cet espace pour en faire le sanctuaire, le lieu très saint.

17 Les quarante coudées sur le devant formaient la maison, c'est-à-dire le temple.

18 Le bois de cèdre à l'intérieur de la maison offrait des sculptures de coloquintes et de fleurs épanouies; tout était de cèdre, on ne voyait aucune pierre.

19 Salomon établit le sanctuaire intérieurement au milieu de la maison, pour y placer l'arche de l'alliance de l'Éternel.

20 Le sanctuaire avait vingt coudées de longueur, vingt coudées de largeur, et vingt coudées de hauteur. Salomon le couvrit d'or pur. Il fit devant le sanctuaire un autel de bois de cèdre et le couvrit d'or.

21 Il couvrit d'or pur l'intérieur de la maison, et il fit passer le voile dans des chaînettes d'or devant le sanctuaire, qu'il couvrit d'or.

22 Il couvrit d'or toute la maison, la maison tout entière, et il couvrit d'or tout l'autel qui était devant le sanctuaire.

23 Il fit dans le sanctuaire deux chérubins de bois d'olivier sauvage, ayant dix coudées de hauteur.

24 Chacune des deux ailes de l'un des chérubins avait cinq coudées, ce qui faisait dix coudées de l'extrémité d'une de ses ailes à l'extrémité de l'autre.

25 Le second chérubin avait aussi dix coudées. La mesure et la forme étaient les mêmes pour les deux chérubins.

26 La hauteur de chacun des deux chérubins était de dix coudées.

27 Salomon plaça les chérubins au milieu de la maison, dans l'intérieur. Leurs ailes étaient déployées: l'aile du premier touchait à l'un des murs, et l'aile du second touchait à l'autre mur; et leurs autres ailes se rencontraient par l'extrémité au milieu de la maison.

28 Salomon couvrit d'or les chérubins.

29 Il fit sculpter sur tout le pourtour des murs de la maison, à l'intérieur et à l'extérieur, des chérubins, des palmes et des fleurs épanouies.

30 Il couvrit d'or le sol de la maison, à l'intérieur et à l'extérieur.

31 Il fit à l'entrée du sanctuaire une porte à deux battants, de bois d'olivier sauvage; l'encadrement avec les poteaux équivalait à un cinquième du mur.

32 Les deux battants étaient de bois d'olivier sauvage. Il y fit sculpter des chérubins, des palmes et des fleurs épanouies, et il les couvrit d'or; il étendit aussi l'or sur les chérubins et sur les palmes.

33 Il fit de même, pour la porte du temple, des poteaux de bois d'olivier sauvage, ayant le quart de la dimension du mur,

34 (6:33) et deux battants de bois de cyprès; (6:34) chacun des battants était formé de deux planches brisées.

35 Il y fit sculpter des chérubins, des palmes et des fleurs épanouies, et il les couvrit d'or, qu'il étendit sur la sculpture.

36 Il bâtit le parvis intérieur de trois rangées de pierres de taille et d'une rangée de poutres de cèdre.

37 La quatrième année, au mois de Ziv, les fondements de la maison de l'Éternel furent posés;

38 et la onzième année, au mois de Bul, qui est le huitième mois, la maison fut achevée dans toutes ses parties et telle qu'elle devait être. Salomon la construisit dans l'espace de sept ans.