T O R I T E N Y . N E T

JESUS GUERIT LES MALADES Toriteny Vakiteny Vavaka WebRadio

Chapitre 5

1 Ary Solomona nanjaka tamin'ny fanjakana rehetra hatramin'ny Ony* sy ny tanin'ny Filistina ka hatramin'ny sisin'i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an'i Solomona tamin'ny andro rehetra niainany.[Eofrata]

2 Ary ny fihinan'i Solomona isanandro dia koba tsara toto telo-polo kora sy koba hafa enim-polo kora,

3 sy omby mifahy folo sy omby an-tondraka roa-polo ary ondry aman'osy zato, afa-tsy ny diera koa sy ny gazela sy ny kapreola ary ny vorona mifahy.

4 Fa nanapaka ny tany rehetra atỳ* an-dafin'ny Ony** hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin'ny mpanjaka rehetra etỳ* an-dafin'ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin'ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.[*Na: any][**Eofrata]

5 Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin'ny andron'i Solomona rehetra, samy teny ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.

6 Ary Solomona nanana efi-trano efatra alina, fitoeran'ny soavaly mpitarika kalesy, ary soavaly fitaingina roa arivo amby iray alina.

7 Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain'i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin'ny : latabatr'i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin'ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.

8 Ny vary hordea koa sy ny mololo ho an'ny soavaly sy ny soavaly haingampandeha dia nentiny ho ao amin'ny fitoerana izay tokony hitondrana azy, dia samy araka ny anjarany avy.

9 Ary Andriamanitra nanome an'i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina.

10 Ary ny fahendren'i Solomona nihoatra noho ny fahendren'ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren'ny Egyptiana rehetra.

11 Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak'i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin'ny firenena rehetra manodidina.

12 Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao tonon-kira dimy amby arivo.

13 Ary nilaza ny amin'ny hazo hatramin'ny hazo sedera any Libanona ka hatramin'ny hysopa izay maniry eny amin'ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin'ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.

14 Ary dia nisy tonga avy tany amin'ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren'i Solomona, dia avy amin'ny mpanjakan'ny tany rehetra izay efa nahare ny amin'ny fahendreny.

15 [Ny namorian'i Solomona izay ho enti-manao ny tempoly] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka ny mpanompony ho any amin'i Solomona, satria reny fa izy no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy; fa Hirama dia sakaizan'i Davida hatrizay ela izay.

16 Ary Solomona naniraka tany amin'i Hirama hanao hoe:

17 Fantatrao fa Davida raiko tsy nahavita trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamaniny noho ny ady nanodidina azy, ambara-panaon'i Jehovah ireo ho eo ambanin'ny faladiany.

18 Fa ankehitriny Jehovah Andriamanitro efa nanome ahy fitsaharana amin'ny manodidina, ka tsy misy fahavalo na loza manjo intsony.

19 Ary, indro, izaho mikasa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitro, araka ilay nolazain'i Jehovah tamin'i Davida raiko hoe: Ny zanakao izay hapetrako eo amin'ny seza fiandriananao handimby anao, izy no hanao trano ho an'ny anarako.

20 Roa dia mba asaovy misy mikapa hazo sedera any Libanona ho ahy; ary ny vahoakako hiarata amin'ny vahoakanao, ka ny karaman'ny vahoakanao dia homeko anao araka izay hotononinao; fa fantatrao fa tsy mba misy olona atỳ aminay mahay mikapa hazo tahaka ny Sidoniana.

21 Ary rehefa ren'i Hirama ny tenin'i Solomona, dia faly indrindra izy ka nanao hoe: Ankehitriny izao dia isaorana anie Jehovah, Izay nanome zanakalahy hendry ho Davida hanapaka izao olona betsaka izao.

22 Ary Hirama naniraka tany amin'i Solomona hanao hoe: Efa reko ny nanirahanao tatỳ amiko; koa izaho dia hanao izay rehetra irinao ny amin'ny hazo sedera sy ny hazo kypreso.

23 Ny vahoakako hitondra azy midina avy any Libanona ho any amin'ny ranomasina, ary hofeheziko ka hampandehaniko mitsinkafona amin'ny rano ho any amin'izay hotononinao, ary any vao hoberahiko izy, ka dia ianao kosa no hampaka azy; ary ianao dia hanao izay iriko amin'ny fanomezan-kanina ho an'ny ankohonako.

24 Ary Hirama dia nanome hazo sedera sy hazo kypreso ho an'i Solomona araka izay rehetra nilainy.

25 Ary Solomona kosa nanome an'i Hirama vary tritika roa alina kora ho an'ny ankohonany ary diloilo roa-polo kora avy amin'ny oliva voatoto; izany no nomen'i Solomona an'i Hirama isan-taona isan-taona.

26 Ary Jehovah nanome fahendrena an'i Solomona, araka izay nolazainy taminy; ary nihavana Hirama sy Solomona, ka nanao fanekena izy roa lahy.

27 Ary Solomona mpanjaka naka olona tamin'ny Isiraely rehetra hanao fanompoana, ka olona telo alina no nalainy.

28 Ary nirahiny nankany Libanona ireny, dia iray alina no indray milatsaka isam-bolana; iray volana izy no tany Libanona, ary roa volana kosa mba tany an-tranony; ary Adonirama no nifehy azy rehetra.

29 Ary Solomona nanana mpitondra entana fito alina sy tambato* valo alina teny an-tendrombohitra, [Na: mpikapa hazo]

30 afa-tsy ny lehiben'ireo olona voatendrin'i Solomona ireo, izay nitandrina ny raharaha, dia telonjato amby telo arivo lahy izay nifehy ny mpiasa.

31 Ary ny mpanjaka dia nandidy hanamboatra vato vaventy tsara sady voapaika hatao fanorenan'ny trano.

32 Ary ny mpiasan'i Solomona sy Hirama (indrindra fa ny avy any Gebala) no nipaika sy nanamboatra ny hazo sy ny vato hatao trano.


 

Chapitre 5

5:1 Hiram king of Tyre sent his servants to Solomon; for he had heard that they had anointed him king in the place of his father: for Hiram was ever a lover of David.

2 Solomon sent to Hiram, saying,

3 “You know how that David my father could not build a house for the name of Yahweh his God for the wars which were about him on every side, until Yahweh put them under the soles of his feet.

4 But now Yahweh my God has given me rest on every side. There is neither adversary, nor evil occurrence.

5 Behold, I purpose to build a house for the name of Yahweh my God, as Yahweh spoke to David my father, saying, ‘Your son, whom I will set on your throne in your place, he shall build the house for my name.’

6 Now therefore command that they cut me cedar trees out of Lebanon. My servants shall be with your servants; and I will give you wages for your servants according to all that you shall say. For you know that there is not among us any who knows how to cut timber like the Sidonians.”

7 It happened, when Hiram heard the words of Solomon, that he rejoiced greatly, and said, “Blessed is Yahweh this day, who has given to David a wise son over this great people.”

8 Hiram sent to Solomon, saying, “I have heard the message which you have sent to me. I will do all your desire concerning timber of cedar, and concerning timber of fir.

9 My servants shall bring them down from Lebanon to the sea. I will make them into rafts to go by sea to the place that you shall appoint me, and will cause them to be broken up there, and you shall receive them. You shall accomplish my desire, in giving food for my household.”

10 So Hiram gave Solomon timber of cedar and timber of fir according to all his desire.

11 Solomon gave Hiram twenty thousand measures of wheat for food to his household, and twenty measures of pure oil. Solomon gave this to Hiram year by year.

12 Yahweh gave Solomon wisdom, as he promised him; and there was peace between Hiram and Solomon; and they two made a treaty together.

13 King Solomon raised a levy out of all Israel; and the levy was thirty thousand men.

14 He sent them to Lebanon, ten thousand a month by courses; a month they were in Lebanon, and two months at home; and Adoniram was over the men subject to forced labor. 15 Solomon had seventy thousand who bore burdens, and eighty thousand who were stone cutters in the mountains; 16 besides Solomon’s chief officers who were over the work, three thousand and three hundred, who bore rule over the people who labored in the work. 17 The king commanded, and they cut out great stones, costly stones, to lay the foundation of the house with worked stone.

18 Solomon’s builders and Hiram’s builders and the Gebalites cut them, and prepared the timber and the stones to build the house.


 

Chapitre 5

1 Hiram, roi de Tyr, envoya ses serviteurs vers Salomon, car il apprit qu'on l'avait oint pour roi à la place de son père, et il avait toujours aimé David.

2 Salomon fit dire à Hiram:

3 Tu sais que David, mon père, n'a pas pu bâtir une maison à l'Éternel, son Dieu, à cause des guerres dont ses ennemis l'ont enveloppé jusqu'à ce que l'Éternel les eût mis sous la plante de ses pieds.

4 Maintenant l'Éternel, mon Dieu, m'a donné du repos de toutes parts; plus d'adversaires, plus de calamités!

5 Voici, j'ai l'intention de bâtir une maison au nom de l'Éternel, mon Dieu, comme l'Éternel l'a déclaré à David, mon père, en disant: Ton fils que je mettrai à ta place sur ton trône, ce sera lui qui bâtira une maison à mon nom.

6 Ordonne maintenant que l'on coupe pour moi des cèdres du Liban. Mes serviteurs seront avec les tiens, et je te paierai le salaire de tes serviteurs tel que tu l'auras fixé; car tu sais qu'il n'y a personne parmi nous qui s'entende à couper les bois comme les Sidoniens.

7 Lorsqu'il entendit les paroles de Salomon, Hiram eut une grande joie, et il dit: Béni soit aujourd'hui l'Éternel, qui a donné à David un fils sage pour chef de ce grand peuple!

8 Et Hiram fit répondre à Salomon: J'ai entendu ce que tu m'as envoyé dire. Je ferai tout ce qui te plaira au sujet des bois de cèdre et des bois de cyprès.

9 Mes serviteurs les descendront du Liban à la mer, et je les expédierai par mer en radeaux jusqu'au lieu que tu m'indiqueras; là, je les ferai délier, et tu les prendras. Ce que je désire en retour, c'est que tu fournisses des vivres à ma maison.

10 Hiram donna à Salomon des bois de cèdre et des bois de cyprès autant qu'il en voulut.

11 Et Salomon donna à Hiram vingt mille cors de froment pour l'entretien de sa maison et vingt cors d'huile d'olives concassées; c'est ce que Salomon donna chaque année à Hiram.

12 L'Éternel donna de la sagesse à Salomon, comme il le lui avait promis. Et il y eut paix entre Hiram et Salomon, et ils firent alliance ensemble. 13 Le roi Salomon leva sur tout Israël des hommes de corvée; ils étaient au nombre de trente mille.

14 Il les envoya au Liban, dix mille par mois alternativement; ils étaient un mois au Liban, et deux mois chez eux. Adoniram était préposé sur les hommes de corvée.

15 Salomon avait encore soixante-dix mille hommes qui portaient les fardeaux et quatre-vingt mille qui taillaient les pierres dans la montagne,

16 sans compter les chefs, au nombre de trois mille trois cents, préposés par Salomon sur les travaux et chargés de surveiller les ouvriers.

17 Le roi ordonna d'extraire de grandes et magnifiques pierres de taille pour les fondements de la maison.

18 Les ouvriers de Salomon, ceux de Hiram, et les Guibliens, les taillèrent, et ils préparèrent les bois et les pierres pour bâtir la maison.